fametrahana sary

1. xxx ( 07/07/2007 14:38)
mba nijery sary tao aho ry zareo dia gaga mahita an'ilay sarin'i kanto10, dia te hanontany hoe iza marina no kanto10 e, ilay dadany sa ilay mamany sa ilay zanany:roll:
manarak'izany, somary gaga koa aho satria nampiditra sarin-janako tao aho indray mandeha dia nofafaina dia avy eo aho nahazo hafatra hoe nesorina ny sary satria hono tsy sariko fa sarinn-janako:roll:
ny fanontaniana tiako hapetraka dia hoe: misy halako bika tsy tiako tarehy koa ve zany ao @ fampidirina sary ao?
novalian'i Ralay ny 06/11/2007 11:54
2. diamondra27 ( 07/07/2007 16:12)
ny ahy aza sarin-tongotra misy fleur décoration voafafa koa...
3. cutie ( 08/07/2007 00:14)
:-D
4. ari.malala ( 09/07/2007 06:05)
hatraty io e! hatrizay za mampiditra ny sarin-janako tsisy olana d vao t@ herinandro teo ngamba iny nisy sarin-janako tao d nofafana d nahazo hafatra we tsy azo atao hono ny mampiditra sarin'oul ts ampy taona ts miaraka am tompony... :roll:fa zay zany ny lalàjna d ts miteny za ko in moa!
5. tslem ( 09/07/2007 06:23)
:-w mila jiro mitsy zany ny serasera ra zany an :idea: , aôna ny sasany mahazo fa ny sasany tsy mahazo :roll: :idea:
6. boga ( 12/07/2007 07:54)
fa oana kosa zany e! kara mbola misy sari-jazakely hitako fona ao .Misy aza sary hafa2 no ao fa tsy olona akory de aona reny! ? sa misy zanaky dada ato e!
7. diamondra27 ( 12/07/2007 08:21)
misy sary manan-janaka mipoitra ao koa!
de iza zany no mahazo iza no tsy mahazo
8. boga ( 13/07/2007 14:04)
izay tin-dreo zany fa tsy afa -manoatra isika
9. sarobidy ( 06/11/2007 11:00)
tsy zà rery kay io tratra io
10. Ralay ( 06/11/2007 11:54)
mba nijery sary tao aho ry zareo dia gaga mahita an'ilay sarin'i kanto10, dia te hanontany hoe iza marina no kanto10 e, ilay dadany sa ilay mamany sa ilay zanany


xxx: Tsy hitako izao olana @ sarin'i kanto10 lazainao,raha mijery ny mombamomba azy ianao dia ho fantatrao hoe iza izy ary inona ny olana moa raha mametraka ny sariny miaraka @ vady amanjanany izy.Afaka manao izany koa ianao raha tinao.

manarak'izany, somary gaga koa aho satria nampiditra sarin-janako tao aho indray mandeha dia nofafaina dia avy eo aho nahazo hafatra hoe nesorina ny sary satria hono tsy sariko fa sarinn-janako


Efa nisy resaka nadeha momba an'io teto fa ny valiny teneniko anao dia mba vakio ihany ny fitsipi-pifehezana eo @ pejy fandraisana aloha dia hazava aminao ny antony.

ny fanontaniana tiako hapetraka dia hoe: misy halako bika tsy tiako tarehy koa ve zany ao @ fampidirina sary ao?


Ny valiny dia: Tsy misy halako bika tsy tiko tarehy ny ao @ fampidirana sary satria tsy misy tombotsoa ho anay mpiandraikitra ny hanala ny sarin'ny namana nefa amporisihina ny namana hametraka sary.Ny sary esorina anefa dia arahina fanazavana hatrany ny antony nanesorana azy.
Izay mila fanazavana fanampiny dia afaka manoratra manokana @ tomponandraikitra izay namafa ny sary.
Ny mpiandraikitra
Ralay :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1896