mpiara manofa trano mandreraka be

21. diamondra27 ( 04/07/2007 13:28)
tokony mijoro vavolombelona tsara ndry @zao ry ari.:-P
Asehoy fa xna ndry.

de hifampiavonavona ve nareo nefa ny ankizy zao samy hiara-hilalao ihany refa lebe sa tsy manana ankizy izy?
22. bidagda ( 04/07/2007 17:26)
hazavao @ tompon-trano fotsiny na vao herinandro aza nareo no nifindra tao satria tsy ianao koa anie no milavaniny fa le mpanofa iray e! ka raha izaho ny @ toeranao de ny tompon-trano aloha no resahiko sao hampilamin-javtra rehefa tsy mety @ zay de mankanesa any @ fonkotany,
23. ari.malala ( 05/07/2007 11:32)
Nifanena tamiko ilay nenitoan'ny tompon-trano iray tanàna aminay t@ antoandro teo, dia tonga izy de nanontany ana hoe inona sahady zany pb ao aminareo zany, de nazavaiko anazy, fa na izy aza d gaga b am le zavatra mitranga, de hiakatra any aminay hono izy am sabotsy, de hita eo ndray ny tohiny...
24. bozyboleta ( 05/07/2007 14:34)
Vao hitako le lohateny de tonde ozy za hoe omeo rano @ pô, kay tena resaka zay tokotrany le izy.:-D:-D
Fa tena manahirana io fiaraha-monina io raha vao le ao ambany no be kizitina.
Le pô moa nga tsy azo atao any an-toeran-kafa ohatra hoe salle d'o? fa le hoe zaza kosa aloha defa tena filam-baniny.
Fa tsara akia raha resahina mazava @ tompontrano, sady izy koa zany efa naheno.
Ataovy ze tsy ahatonga ny afera any @ fokontany fa raharaha be io an, avy eo mantsy mande polisy de tribonaly! Za efa naheno olona nigadra t@ io resaka pô io. Tsy sanatria mamendrofendro fa misy ange olona tena ratsy fomba sy ratsy fanahy mitsy e!
Korazy na izany aza
25. ari.malala ( 05/07/2007 14:51)
bozyboleta :-D:-D:-D merci e
26. meva2 ( 06/07/2007 06:59)
Raha izaho ianao ry ari malala dia tsy maka intermédiaire mihitsy na dia hoe nenitoan'ilay tompontrano aza. Tsy fantatra anie ny olona indraindray e!! be ny mahay mamadi-dresaka sady mety tsy fantatrao koa izay fifandraisany @ ilay voisin. Ny tena tsara dia resaka mivantana @ ilay tompotrano nanaovanao contrat, amin'izay tsy misy resaka mibilobiloka fa mazàva tsara.
courage e!
nanao ahoana aloha ilay zanakao e!!! tsy nahazo vaovao intsony aho!!
27. ari.malala ( 06/07/2007 11:58)
Nandeha mivantana tao @ neninay tao hono izyt@ antoandro, de hoe efa milamina hono, fa dia hohitako eo ndray...

meva2, ndraso fa handefasako hafatra manokana enao;) merci bcp pour tout e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5628