mpiara manofa trano mandreraka be

1. ari.malala ( 03/07/2007 14:12)
Za ry zareo tojo olana, tsy haiko inona no tokony ataoko, fa izao, ilay olona ao ambaninay mila vaniny be mintsy aminay! @ alina aho mampiasa po satria mbola kely ny ankizy, dia ilàny vaniny hoe any andohafandriany hono ny po anay no mipetraka, za nefa tsy ary niditra tao antranony ka hahalala hoe toy izao ny orientation ny ao antranony ao... dia hakariny fokontany hono izahay noho izany zavatra izany... raha msy milatsaka any antranony hono dia hataony mamono omby 1 hon izahay... tsy azoko e! za manana zaza 1taona d @ maha zaza ny zaza d manipitsipy zavatra izy na mianjera refa ts mahatana equilibre, tonga de dondona b @ kofafa nyplafond avy any ambany any, tena leo b sahady ah, nefa vao herinandro izay no nifindranay tao am le trano. Le trano mafinaritra ana, ny fifandraisana am tompontrano tsisy olana fa le ol ao ambany mints no hafahafa...mba efa nisy tratran'izany ve nareo? de inona no tokony atao?
2. ikaretsaka ( 03/07/2007 15:06)
izy indray anaovana arrangement dia asaina mifindra ao ambony ko!
3. ikaretsaka ( 03/07/2007 15:09)
dia mandritra izany rehetra izany dia manaova projet @ fananganana na fividianana trano koa.
possible foana io ko..
dadanareo sy mamanareo aza projet goavana no nananany anao ko!
4. bidagda ( 03/07/2007 15:25)
ahoana hoy ny tompon-trano? nametraka fitarainana t@ tompon-trano ve nareo?
5. fanaina ( 03/07/2007 16:02)
donc rehefa tahaka izany indray anky dia maninona raha tsy indry indray no mandefa fitarainana any @fokontany raha izany!!
6. menalamba ( 03/07/2007 16:12)
avy dé poafy ny tehamaina aloha ny vavany izay vao anontanio izay ilainy!Misy mantsy olona raha tsy henjanina hoatr'izany tsy mahay miara-miaina aman'olona fa te hanao ny lalanany.Aoan-tranonao ianao ko aiza ny hananany alalana handidy anao @ izay asianao ny pô?Tsss..aza mba aty amiko aty fa..:evil:
7. xxx ( 03/07/2007 16:55)
Tsy te hanome moraly anao aho fa ahoana raha ohatra ka "asiana vain'afo eo ambony lohany" hoy ny SM io: izany hoe: arabaina sy hitsikitsikiana rehefa mihaona aminy ary raha ohatra ka tratrin'ny herinao ny manasa azy hisakafo ao aminao na ohatra hoe mody alao fanahy hitazona ny zaza na dia tsy handeha lavitra aza fa eo antokotany ianareo: mino aho fa miray la cours nareo. Ary raha ohatra koa hoe atao izay hihavanana mba hitadiavana ny vaha olana ohatra hoe tsy fantatro akory anie ny toerana ny m isy ny fandrinanareo e? fa ahoana moa no fantany hoe aiza ny po no mipetraka raha @ alina fotsiny no hilanao azy? Dia izay no andramana indray e!
8. Mitah ( 03/07/2007 20:30)
Raha afaka mividy tapie ianao handrakotra ny korodona dia mihena ny feo rehefa misy zavatra mianjera, na mipipy aza ny zanakao tsy ho reny intsony.Misy koa ilay vinyl moa no anarany vidina amin'ny metatra. Rakofana iny ny trano iray manontolo.Zavatra toy ny faux cuire ity faharoa resahako ity fandrakotra ny gorodona any andakozia na apetaka amin'ny rindrina manatrika ny fanasana lovia.
Sendra olona sarotiny ianao koa aza mety tezitra miaraka aminy fa tsiky dia ampy. Na mivovo be foana aza izy dia tsy taitra ianao mamaly tsotra hatrany ka ho menatra izy ny farany.
Izay hifandraisana atao dia arahabao foana fa miova ny farany.mahereza!
9. diamondra27 ( 03/07/2007 21:23)
:-D:-D:-D
resaka amany 'ty kle =))=))=))
de raha sady manao tay no amany le zaza ve de mbola ho tezitra izy sa le amany ihany no mahatezitra azy?
Anontanio fa mety hiova izy hahatsiaro menatra @izany fanontaniana kidaladla izany nefa mahatonga saina an!:lol:

MISY le olona wa de tena tsy mana-katao fa mitady olana,sa mba te-hana (mer de) andry fotsiny izy
Lazao izy we: za we dans la merde (sens propre sy sens figuré)de mbola emmerder-nao koa fa mety tsy juste kosa zany:oops::oops:

Fa zao e: sao de nisy nitete tokoa aza de lena ny lohany de zay no mahatonga azy hiteny we: any an-dohampandrianany, na koa maheno le feo izy fa manako be manko refa alina.

De @ firy aloha zany zavatra zany no mitranga.
De fantaro koa we: inona ny lalàna misy any dago fa toa adin'ny be sandry tokatrany izy zany
de lazao izy hoe: hono ho' aho za hoe: mba tena hanome fahafampo anao fa afaka omenao solution ve za raha ianao no eo @ toerako de inona no nataonao? De henoy ze lazainy... de valio sy fakafakao tsara na tena mitombona le plainte na filàmbaniny fotsiny.
Indraindray manko refa afototra any @le olona le olana de tsy mahita atao sy lazaina izy fa faly manome tsiny fotsiny , de @zayenao milaza ze tianao tenenina we bon aza de mifanorisory zany fa samia mipetraka tsara... (tsy tenenina direct an'izany izy fa ze filazanao azy eo)

courage e!

ndàna hainga regler-o zany fa raha lasa any @ tribonaly de mandoa vola eo ndry...

De tantarao anay eto ny vokany na mahomby na tsia fa sao de misy otran'izany any aoriana rehefa teraka zahay...
10. diamondra27 ( 03/07/2007 21:26)
maka renseignements tsara momba ny lalàna "tapage nocturne" aloha vao be vava fa tsy contraire an!

de mba nomeny choix ve ndry we hatr@izao no omeko anao fa raha tsy misy fiovana de ampiakaroko fokotany.


11. tslem ( 04/07/2007 07:37)
mampalahelo i Ari zany ! nefa ny fitadiavana trano koa raha Tanà tena sarotra be, araky ny tenin'ny namana sasany eo ambony eo aki dia mandehana mankany @ fokontany mametraka fitarainana mialoha a, indry manana zaza madinika tsy ho ferany tsy higodogodona izany nefa na izany aza raha afaka mihezaka ihany ny tsy hanafintohina an-dry zareo dia mihezaha araka izay azo atao:-*
12. meva2 ( 04/07/2007 08:33)
o rey olona e! ankizy mi-pipi @ pot koa ve dia ho hita atao tapage nocturne e!!
Ny ahy dia izao no fahitako azy:
Misy mauvaise foi be ilay voisin, ary mihevitra izy fa satria teo aloha dia azy ny tanàna.
Tadidio fa ianao dia MANDOA HOFANTRANO ary manana droit miaina @ izay tianao sy koa ny zanakao manana DROIT minjera sy milalao.
Ny tsy tsara fotsiny dia ny miady antsena manao vava be, fa misy mantsy tena spécialiste amin'izy io ary izay mihitsy no mety tadiaviny.
Teny hentitra, mihaja nefa mety hahamenatra azy no ataovy, lazao izy fa ianao tsy te hanary fotoana be aminy fa raha misy tiany lazaina dia any amin'ny tompotrano ! Ary haingana dia haingana mandefasa taratasy sy mangataka fihaonana @ tompontrano ary lazao azy fa ianao koa raha mitohy dia hametraka fitarainana satria izany dia "harcèlement morale" et "atteinte à la vie privée".
Aza manaiky hitsahin'ny sasany ohatrizany kanefa koa mahaiza mihenjana efficacement
13. diamondra27 ( 04/07/2007 08:45)
raha mbola tsy nametraka plainte izy de mety le we ny anao no ataovy tonga aloha , raha tsy zany de ze tonga voalohany ihany no mahazo vahana.

Raha tsy hay tsara le lalàna wa tsy mety le miady @ zonao , fa le any dago zao ange toa tsy ahoantsy ahoana d'efa hiakarana tribonaly , de ze manambola ihany no mandresy... sa tsy zany we?

aty france zao misy ora limiteny ny azo hitabatabana @ alina... de zay le nanontaniako tetsy ambony fa @ firy le izy no miseho.
14. kelly13 ( 04/07/2007 09:16)
ny voisin-ko no ni style niteniteny ahy oe "mitabataba ny zazakelinao" fa avy za @ angady sy harona hoe "refa te ho tranquille d ndana mividy villa fa samy mpanofa tsika ary @ ora normal ny zanako no mitabataba" loll tedaviny ho fatorana nga ny zazakely tsy hihetsika? tsss, ôtran'ny tsy mba nandalo fahazazana. halakoooooooooooo :twisted:
15. mamzelkely ( 04/07/2007 10:20)
asaivo mitory any am fokontany akia izy ra ahazo ny rariny aa zaza 1taona ve no hande hilana vann sa fatany ny disposition -ny tranonareo sa inn mitsikilo angah izy sa manin sady hafa mits ange ny définition an zany tapage nocturena zany ee sa ny azy tapage diurne de efa azo torina any am fokotany pfffffffffff mametraha plainte any am tompotrano :lol:

16. bidagda ( 04/07/2007 11:22)
sao misy mitete marina fa ny gorodona anie misy elanelany be, asio balatom aloha vao hametrahana tapie@ zay tsy mitete
17. ari.malala ( 04/07/2007 11:47)
Le izy anie filàmbaniny e! satria ny anaovako anareo anzany an, isanandro le po eo amle nametrahako azy no mipetraka, tsisy olana, fa tsy haiko na nanin izy na nanin t@ afakomaly alina no nisy anizany!!! de ny loza, hay tsy voataontarako anareo, avy nivazavaza be ramatoa hoe \"ataovy misy latsaka aty moa amany io fa ataoko mamono aomby araiky anare sady amzay po misy amany atao andohamandrin\'olo\" de nobataina ndray ty po afaka adiny ray teo ngamba, de nampipipy zaza ny tena, vao mainka niakatra ny degre fa hoe efa navadiny hono ny andohamandriny mbola ao amboniny iany zay no mamany:-D:-D mampime ana le izy satria za tsy mahalala mintsy izay nataony any antranony any, tsy mahalala izay orientation ny any antranony, fa dia fitia te hivazavaza e! ary tsisy rano mitete any na 1goutte aza, ny ankizikely efa tandremana tsy hanipy zavatra, eny ampandriana no atao milalao efa atao zany ze ts isian\'ny olana e! misy fotoana zareo mandoro zavatra ao andakoziany, miakatra be any aminay ny setroka sy ny fofona fa zay tsy mba miteny fa mangina fts fa ny anazy ty fatinjavatra kely retraretra ity ilàna vaniny daolo...

Ika, ilay hanoa arrangement alo tsy tafa e! manana choix v za d hoany ambany? za no niditra tao amle trano vlou, ary itako zay mintsy no tsy lanin\'ny vavoniny satria efa niproposera ana izy fa za tsy nanaiky, satria tsy mety @ zanako ny trano ambany rihana amle tratrany fragile be.

Ilay hoe hihavana aminy, mbola zavatra sarotra be, satria arahabaina aza izy mivandravandra fts ko! ny hanasa azy hisakafo zany alo de eeeeeee! tsy hisy e! sarotra be zany!

Fa misaotra anareo rehetra t@ torohevitra sy ny fanmpiana, fa misy hosainina izay.
18. ari.malala ( 04/07/2007 11:47)
Le izy anie filàmbaniny e! satria ny anaovako anareo anzany an, isanandro le po eo amle nametrahako azy no mipetraka, tsisy olana, fa tsy haiko na nanin izy na nanin t@ afakomaly alina no nisy anizany!!! de ny loza, hay tsy voataontarako anareo, avy nivazavaza be ramatoa hoe \"ataovy misy latsaka aty moa amany io fa ataoko mamono aomby araiky anare sady amzay po misy amany atao andohamandrin\'olo\" de nobataina ndray ty po afaka adiny ray teo ngamba, de nampipipy zaza ny tena, vao mainka niakatra ny degre fa hoe efa navadiny hono ny andohamandriny mbola ao amboniny iany zay no mamany:-D:-D mampime ana le izy satria za tsy mahalala mintsy izay nataony any antranony any, tsy mahalala izay orientation ny any antranony, fa dia fitia te hivazavaza e! ary tsisy rano mitete any na 1goutte aza, ny ankizikely efa tandremana tsy hanipy zavatra, eny ampandriana no atao milalao efa atao zany ze ts isian\'ny olana e! misy fotoana zareo mandoro zavatra ao andakoziany, miakatra be any aminay ny setroka sy ny fofona fa zay tsy mba miteny fa mangina fts fa ny anazy ty fatinjavatra kely retraretra ity ilàna vaniny daolo...

Ika, ilay hanoa arrangement alo tsy tafa e! manana choix v za d hoany ambany? za no niditra tao amle trano vlou, ary itako zay mintsy no tsy lanin\'ny vavoniny satria efa niproposera ana izy fa za tsy nanaiky, satria tsy mety @ zanako ny trano ambany rihana amle tratrany fragile be.

Ilay hoe hihavana aminy, mbola zavatra sarotra be, satria arahabaina aza izy mivandravandra fts ko! ny hanasa azy hisakafo zany alo de eeeeeee! tsy hisy e! sarotra be zany!

Fa misaotra anareo rehetra t@ torohevitra sy ny fanmpiana, fa misy hosainina izay.
19. mamzelkely ( 04/07/2007 12:05)
de ataovy mamay wa aza manaiky lemebnana zany fa ts ahazo ny rariny zany izy na hitory aza aza mùikasitanana ftsn de araho dôly ny lalàna fa ts afaka hikasika andry zany reo :lol:
20. ari.malala ( 04/07/2007 12:58)
de ts manin am tompon-trano v zany we vao herinandro no tena nipetraka teo za d efa misy olana sahady? tsy avy amiko alo e! za ts manana pb aminle ol ao ambany fa izy no tsy hiako fa marina le tenin'i meva2 we misy mauvaise foi b zareo... ny tena fandehany mantsy d zao, efa tam 16mai no hitako le trano de tonga d nofandrihako fa tiko b, tsy afaka nifindra nefa za ra tsy vacances ny zanako, de efa nazavaiko tam tompon-trano izay situation izay, de tsy manin izany ozizy, de noproposer ny ana aza hoe raiso daolo ny ambony sy ny ambany fa za tsy mbola mahazaka de entretemps naita olona hanofa ilay ambany ry zareo tompon-trano, de zao misy gidragidra izao, nefa izay zavatra izay tsy tiko mintsy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5218