sarotra be ny mamono io fitiavana io

1. xxx ( 27/06/2007 11:44)
za efa manambady, de lasa tia olona ray hafa ndray taty aoriana, mbola tsy nisy firaisana aloha teo aminay , fa mifankatia fotsiny am fifandraisana eny, mifanome cadeaux, mifanatitra, mifampitantana eny, efa nifanoroka koa, de avy eo nilaza izy fa tsy maty ny iarahanay fa efa manambady za, de saika torana teo aho, tsy tantiko ny mieritreritra lay izy, fa nampiova be ny fiainako izy! de tsy adinoko mintsy h@ zao, efa ho 1 taona zay, izy tsy mety hiresaka amiko ntsony.
novalian'i kanota ny 02/08/2007 07:33
2. majakely ( 27/06/2007 12:12)
ntsoooooooooo bienvenito au kileby akia !!! manorata aty amiko de miresaka tsika roa fa ndry moa eto xxx de tsitako ze holazaina ,,,:( fa za alouh tsy menatra fa efa voa mintsy za ary marrraryyy be io akia,,, manorata am majakely de miaraka mamaha olana eo tsikee sa aona??':-*
3. la ( 27/06/2007 12:14)
Mba avelao izy anana ny fiainany fa aza adalaina tsony Asa aloha na efa fantany izany talohan'ny niarahanareo na tsia fa tokony tsy naharitra eritaona zany manjary sady manimba ny fiainan'ilay vadinao no manimba azy satria:
-fotoana tokony iarahanao amin'ny vadinao lasany
-ra mba te hiaraka aminao izy tsy afaka satria vofetra ny fotonanao satria mbola eo ny vadinao.
Tsy mety le miara amin'ny vadin'olona fa samy manana ze mety aminy moa ny olona de manjary misy le izy.
Ra manana fitiavana zarazaraina otran'izany ve tsy aleo manatsara izay efa eo an-tanana ny vady no omena fitiavana be dia be:roll::(
4. majakely ( 27/06/2007 12:18)
le tsy mifampiteny itsony no giravy ndrindra ,,,nisy zavatra tsara niarahana ngee ,,ko maninona no tsy hifapiteny tsony kosa?
5. xxx ( 27/06/2007 12:22)
misaotra am torohevitra e!
mbola hanoratra any am majakely za, fa ny tsy fantatrareo de fantany ny vadiko ka! de izy mitsy no nanao ny 1er pas fa oe tia ahy, tsy mahay mandefitra hono ny fitiavany fa tsy maintsy tiaviny aho, satria hono tsara tarehy sy bika aho, ary tsara fanahy koa, nefa taty aoriana de tsy tantiny ndray hono fa mijaly be izy miaraka amiko, fa mbola hitia ahy sy hitia ahy mandra-pahafatiny hono izy!na de zany aza!
6. tsiafoi1 ( 27/06/2007 13:26)
Aza milalao afo anaty tratra, fa dieny vao vainafo kely tsy aleo vonoina
7. booboo ( 28/06/2007 09:29)
xxx > avadiho @ zay ny pejy dia zay soa sy tsara nifampizarana no tsarovy aminy. Sarotra beeee ilay hiainana an-kalalahana ilay fitiavana raha ny iray no efa "voafatotra" ka tsy mitovy hatrany an-dreniny ny tanjona. Ny anao mety hoe zay fotoana iarahana dia hararaotina à fond, fa izy manantena raha bebe kokoa noho izay avy aminao. Disoinao ve izy raha toa manao "tia tena" ka manajanona ilay fiarahanareo mba tsy hampijaly azy = tsy ho azony aminao mihitsy ilay tadiaviny tsinona...bôny korazy.
8. la ( 28/06/2007 11:18)
makarary fo koa anie ty fitiavana tsy matotra ty e!! ny sasany sady fy ny atsy mamy any aroa fa na sarotra aza aleo mitia mangina any fa tsy tanterahina fa manjary manakorontana zavatra betsaka e
9. booboo ( 28/06/2007 11:37)
rehefa mazava tsara sy samy manaiky ny fitsipi-dalao ny mpilalao tsisy mikorontana zany. ny siportera no mety mikorontana indray aza :-P:°)

:arrow:
10. la ( 28/06/2007 11:54)
booboo>zany an marina ihany aloha zany e:roll: fa aleo dieny voalohany de mitandrina mba tsy isin'ny le otran'izao hoe sarotra mamono le fitiavana.
Misy fiteny hoe "1 minute pour l'apprécier ou l'aimer mais une vie entière pour l'oublier".
Asa aloha e:roll::@:?::!:
11. imeva ( 28/06/2007 15:43)
Nisy tsy nety ny nataonao satria efa nivoahady ianao hanaja ny tokatranonao nefa mbola nampirafy indray. Fa rano raraka tsy azo raofina iny. Aleo ny ho avy no banjinina. Tiavo ny vadinao dia manajà azy fa sao dia hanenenana.
12. tsoraka ( 29/06/2007 05:29)
Izany rehefa mpilalao fitiavana. Efa manambady koa tia etsy e, tia eroa e, nifanoroka e. Rehefa tokony hisaraka dia miala amin'ny iray fa inona koa izany hoe mody ary miaramatory sy manao izay atao amin'ny vadinao ianao nefa ny sainao malahelo olonkafa. Marary fo amin'ny tsy antony ary karazan'olona tsy faka vady.
13. rahiratra ( 01/07/2007 02:49)
Olona mitapy sady manambady no mitia olona ivelan'ny trano no miresaka ary betsaka koa no milaza sahala aminy. Dia mila mahana tokoa ny lehilahy raha misavoamboana sahala izany ny vehivavy efa manambady. Fa inona ity vady sa miray trano fotsiny no hoe mitia olona aho eeee? Izany ve no lesona omena ny zandry vavy?
14. sympa ( 01/07/2007 17:44)
:-*
15. zamazama ( 25/07/2007 15:35)
maty ho azy eo ihany io fa ny fotona no hamono azy , fombanjavatra zany , indrindra ra nisy ny blem be teo @nao sy ny vadinao , aza heritreretina be izy fa adinonao eo fona , mandehana manao zavatra hafa rehefa irery fa iny no tena misy fahatsiarovana , manaova sport , ohatra , fianana daholo zany e
16. kanota ( 26/07/2007 07:36)
Rehefa sarotra dia zairina amin'ny lamba mena ary entina milevina. Fa izy tiavina nefa tsy taitra fa maka vaovao=))=))=))
17. Angolaina ( 01/08/2007 06:33)
laisse faire le temps ozi ny vazah e! zao no marary @ zany fa refa ela ny ela afaka foana io ka !
18. princesseN ( 01/08/2007 11:01)
fa lainga2 alou fa le fitiavna angalarina misy fafiny, na oe mamy kokoa!:*:*fa na zany aza ratsy kosa le anareo e!dia aleo izy mba anao ny fiainany @zay eh! :wink:
19. kanota ( 02/08/2007 07:33)
Aleo izy hi-liba fa folaka ihany rehefa antitra sady enjehin'ny nenina avy eo =))=))=)).Nametraka tantara amin'ny karazan-javatra=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0076