Voin-kava

1. ds ( 25/06/2007 12:07)
Hioty voankazo no anton-dia kinanjo tojo fahafatesana.
kolokolo dimbin'ny vary, vololona solofon'ny ravina
4 mianadahy no namoy aina tamina lozam-piarakodia ny alin'ny sabotsy mifoha alahady teo tany Montauban (Frantsa).
- Randrianjara Alain, 25 taona (Reims)
- Rakotomavo Tolojanahary Heritiana, 22 taona (Montech)
- Papisy Faratiana, 20 taona (Lyon)
- Athanassiou Martinicette, 19 taona (Sotteville-les-Rouen).
Mbola tsaboina eny amin'ny hopitaly kosa Rabarison Miora, 21 taona (Saint-Aignan).
Ny fianakaviana sy ny tapaka sy naman'ireo namoy aina, dia maniry
hampody ny razana rehetra any Madagasikara.
Noho izany, dia manao antso avo amin-tsika rehetra hanao toy ny orona
sy maso, soroka miara-milanja, hanamaivana ny fampodiana ireo razana ireo.
Araka ny tombatombana, dia 15000 euros eo ho eo ny fitambarany.

Fisaorana eram-po sy eran-tsaina no hatolotra ny fiangonana katolika ao Toulouse izay nanolotra fanampiana sy ireo mpiara-mioty voankazo mpiray tanindrazana izay nanokana ny karama azony anio ho fanampiana amin'ny fampodiana ny razana.

Fisaorana sy fankatelemana sahady no hatolotray anareo izay mbola afaka manampy.

Toerana handefasana ny fanampiana :

a) raha virement international
IBAN : FR09 2004 1010 1501 9836 0U03 646
BIC : PSSTFRPPSTR
b) raha virement national (Frantsa)
CCP N° 198360U036 Strasbourg

na

Code banque : 20041
Code guichet : 01015
N° compte : 0198360U036
Clé RIB : 46

b) chèque bancaire ou postal
libeller à l'ordre de
Randrianary Nirina
Adresse postale :

Randrianary Nirina
52 rue d'Adelshoffen
67300 SCHILTIGHEIM
FRANCE
novalian'i pimaso ny 28/06/2007 07:50
2. Fiffi ( 25/06/2007 13:53)
ds: misaotra anao !
mba fanontaniana fotsiny ny anaha ity an ! tsy manana mutuelle zany ry zareo ? mutuelle de rapatriement io an !
3. hery ( 25/06/2007 14:14)
Mirary fihononana feno ho an'ny fianakavian'izay niharamboina.
4. tisera ( 25/06/2007 14:16)
misaotra an'i ds ! ny fpma toulouse koa efa nanao antso ho fanampiana ka misy izao efa tany no nandefa izay marika kely ho solon-drambon-damba hampombaina ny maty .:-*:-*
5. ds ( 25/06/2007 14:26)
Fiffi>tsy misy manana aro-fampodiana rizareo.
tisera>misaotra anao mampita ny ezaky ny FPMA Tao Toulouse.
6. fasaly ( 25/06/2007 14:26)
voaray misaotra an'i ds:-*
7. Fiffi ( 25/06/2007 14:41)
ds: misaotra anao....

:(:(:(:(:snif::snif: zareo le izy an !
8. bazylou ( 25/06/2007 15:13)
merci fa tsy hitako ity!! alefako ny fanampiana anio izany izany !!(l)(l)(l)
9. tisera ( 25/06/2007 15:52)
:{:{:{mavesatra tokoa anie ka @ toe-javatra toy izao no hanehoana ny maha-zava-dehibe ny fihavanana é! ohatr'ahy izao dia rizareo tao toulouse no nandefa mail tany amiko dia tany no nalefa izay mba kely voarain'ny tànana . Koa dia iaraha-mizaka tokoa fa vao mainka mafy ilay hoe tsy misy mutuelle(l)(l)(l). Matetika tokoa ny ankizy tanora mpianatra tsy mba manao an'io an: izahay ary moa raha tsy efa niteraka tsy mba taitra hoe andao hanao fa rehefa tonga ny fotoana handaozana ity tany ity dia manjary sahirana mafy ny zanaka hizaka izany .
10. xxx ( 26/06/2007 11:31)
Fiffi:

ds: misaotra anao !
mba fanontaniana fotsiny ny anaha ity an ! tsy manana mutuelle zany ry zareo ? mutuelle de rapatriement io an !


Fiffi a, angamba tsy fotoana fanontaniana ny mutuelle izao ho an'ny cas n'izy 4 mianadahy, fa matoa misy tanana mitsotra mangataka fanampiana satria misy tsy fahampiana.

Aleo atao sujet hafa eto @ diaspora , ary mety hahaliana ny maro aza ny resaka mutuelle de rapatriement
11. matrixone ( 26/06/2007 15:21)
Tsy manana mutuelle izy efatra mianadahy ireo.
Ny vaovao farany azoko : @ alakamisy izao ny razana no tokony hiainga avy ao @ Aéroport Toulouse-Blagnac.
Noho ny tsy fahampiann'ny vola, dia tsy afaka handeha angamba ny fianakaviana sasany @ iray @ izy 4 mianadahy ireo.
Momba ny fandefasana fanampiana, ity misy message nalefan'ny FPMA Toulouse, afaka mandray izay azonareo raofin-tanana : http://www.wanadoo.mg/forums/read.php?8,1073943
12. hery ( 26/06/2007 17:45)
Ny anay aloha efa nalefa tamin'io nolazain'i ds etsy ambony io.
13. ftma ( 26/06/2007 17:50)
Ny mety angamba raha isika namana ato @ serasera no mandray anjara dia io nalefan'i ds io no handefasana ny fanampiana mba @ anaran'ny serasera, ilay nalefan'ny FPMA Toulouse mantsy antso hoan'ny FPMA manontolo, afaka mandefa any @ izay tiany anefa an.
14. Fiffi ( 26/06/2007 20:28)
xxx:

Fiffi a, angamba tsy fotoana fanontaniana ny mutuelle izao ho an'ny cas n'izy 4 mianadahy, fa matoa misy tanana mitsotra mangataka fanampiana satria misy tsy fahampiana.
eny Tompoko ary miala-tsiny....


15. bazylou ( 27/06/2007 08:46)
any amin'ny fpma toulouse, no alefa ny vola, betsaka ny mpanararao-paty e!!
tandremo fa tsy azo antoka io ,ds , manoratra io
16. Fiffi ( 27/06/2007 09:06)
bazylou:

any amin'ny fpma toulouse, no alefa ny vola, betsaka ny mpanararao-paty e!!
tandremo fa tsy azo antoka io ,ds , manoratra io
mba asio fanajana ny olona ry bazylou an !


17. bazylou ( 27/06/2007 10:19)
ka io no izy ka inona ary nolazaiko anao, tsy fantatry ny fianakavian'ny maty akory io ds manoratra mail ho an'ny olona rehetra io!! vao teo aho no niatso ilay namana nanatrika ny famangina tany toulouse, !! io no nolazainy "" tsy fantatray fianakaviana io olona nosoratan'ny ds io"":roll::roll::roll::roll:
18. pimaso ( 27/06/2007 11:02)
Toutes mes condoleances pour la famille des victimes
Mahaiza mionona Tompoko,
izay no lahatra
Madagascar
19. hery ( 27/06/2007 11:19)
bazylou> tsy misolo tena an'i ds aho fa toa nolazainy fa isan'ny fianakaviana izy (Athanassiou Martinicette). Tsy afaka manararao-paty izy satria fantatra tsara (io nomeny io ny anarany sy ny adiresiny) ary betsaka aminay eto no mahafantatra azy tsara.
Nametraka an'io izy ho an'ny eto amin'ny serasera indrindra. Rehefa tonga any amin'ny fianakaviana ny mba sombim-panampiana kely dia ivereno antsoina indray ry zareo hoe iza marina ilay ds io.

Misaotra
20. fasaly ( 27/06/2007 11:31)
izaho koa aloha mahatoly ary mahafantatra an'i ds tsara.....
fa hono ho aho tsy tara be ve raha anio aho no manao fandrotsahana....io ariva io vao mba misy fotoana hanaovana zavatra any ivelany fa miasa foana:?
alefa am compte nomen'i ds....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7572