Torimaso:Fa nahoana no tsy maintsy matory?

21. marozevo ( 24/06/2007 16:41)
Tsy hoe tsara fotsiny aza, fa tsara indrindra mihitsy.
D'ac amin'io voalaza io tanteraka eh....Bold text
22. niryna ( 25/06/2007 16:47)
ikaretsaka:

Ilay teny angalisy no valiako voalohany aza

1)"We can control our sleeping time, but not our need to sleep"

Eny afaka controlena ilay izy fa indray andro na roa andro fotsiny fa raha mitohy mihoatra an'izay dia tena :roll: no fijery antsika kou

2) To me, in that matter, God is not a "giver and taker" nor a leaser, when He gives, he gives everything in full.
(Soul and spirit are 2 different things, anyways)

Marina izany,sambatra isika manana Azy.

3)God lets us use our soul on a longer period of time every day, 24h- average 8h of sleeping = 16 hours of extraordinary time every day!

Izay angamba no nahatonga azy niteny hoe aleo koa aho aloha haka aina tamin'ny andro fahafito e:D.Sa Izy tsy mba mety reraka?Mino aho misokatra 24/24 ny telefonina raha miantso Azy e!
Also, himself took a rest on the seventh day, he made us look like His image, cause of that, he made us to imitate him: to take a rest!

Dia marina tokoa izany.

Finally, We ain't dying when we sleep! are we?

Toa mbola tsy naheno olona aho hoe tsy natory mihitsy aloha e,ny hoe tsy nihinankanina andro maromaro no efa hitako fa saika maty lery nony afaka tao anatin'ilay toerana nasehony fa tsy mihinankanina izy.


Misaotra betsaka ika a:*
23. niryna ( 25/06/2007 16:55)
[quote=ikaretsaka]
1) rehefa te hatory fa tsy hoe rehefa tonga ny fotoana fatoriana ka! misy izao olona hoe lera fatoriana izao fa tsy mahita tory izy satria tsy te, misy koa ny olona hoe lera fiasana fa te hatory izy

Ka ilay matory anie misy vao midaboka dia ao,misy mbola manana eritreritra hafa e,ary misy tena tsy mahita tory mihitsy,saingy rehefa maka aina fotsiny ny vatana eo ambony fandriana dia efa zava-dehibe izay fa farany tsy maitsy matory ihany .
[quote]
2) tsy manana hery hitazona isika fa manana hery hibaiko sy handrindra ny vatantsika ho arak'izay!

Satria tsy antsika ilay hery e.

3) Andriamanitra amiko tsy milalao na manome tsifoifoy hoe omena de tsy omena de omena. fa rehefa manome izy dia manome , rehefa maka izy dia maka
Izaho koa manaiky an'izany.

4) miaina ange isika ry niryna rehefa matory e!

Ary raha miaina isika,ilay ra mikoriana ato amintsika iny sy ny fitaovana miasa mandevona ny sakafo iny ve tsy mampatonga antsika hatory?
Raha sendra voky be mantsy ny olona tonga dia matory toa lasa manofy ratsy na manofy maromaro tsy fanta-piaviana sy tsy fata-piafarana hono.:roll:

24. niryna ( 25/06/2007 16:57)
cutie:

NB : Mahagaga ahy kosa ilay hoe "tsy dia mazava loatra ka atao amin'ny teny Anglisy". Tena gaga aho marina eh....

ka io nge ry marozevo ohtra we zatra miteny anglisy foana enao na teny frantsay de lasa mieritreritra @ teny anglisy foana na te hamoaka azy @ teny gasy aza, de lasa misangodina avy eo ny tena tiana hambara :lol:



=D=D
25. niryna ( 25/06/2007 17:07)
marozevo:

Ka ilay teny Malagasy anazavany azy anie efa mazava eh...., nefa hoy izy hoe :

Ataoko teny anglisy kely ilay izy fa mety tsy mazava a.

Fa raha ny amin'ny hoe fahazarana voalazanao dia manaiky aho, toa ahy miteny frantsay indraindray ihany koa.


cutie:


Voalaza teo :
NB : Mahagaga ahy kosa ilay hoe "tsy dia mazava loatra ka atao amin'ny teny Anglisy". Tena gaga aho marina eh....


ka io nge ry marozevo ohtra we zatra miteny anglisy foana enao na teny frantsay de lasa mieritreritra @ teny anglisy foana na te hamoaka azy @ teny gasy aza, de lasa misangodina avy eo ny tena tiana hambara

Mba te hizara aminareo aho saingy ilay teny anglisy foana no resahinay aty,tsy miteny gasy firy izany izahay raha tsy ato an-trano sy ny zanaka ihany saingy tsy ampy izany.Toa anao ihany io,lasa teny frantsay aloha vao mivadika teny gasy fa tsy tonga dia teny gasy intsony.Izany no nahatonga ny namana nana-tsikera ireo izay mba te-hifandray amin'ny namana gasy rehetra saingy mivadika ilay teny.Saingy indrisy ,fanatsikerana no nisy fa tsy mba fanitsiana azy ireo.:roll::cry:Dia tsy sahy hiteny intsony izy.Dia ho tezitra koa izany ianao raha mahita ireny namana mba te-hizara ireny kanefa teny frantsay no ataony?
H.S ity saingy mamaly ny antony nasiako ilay teny anglisy aho fa hialana tsiny e
26. marozevo ( 25/06/2007 19:18)
Tsy misy tsiny na kely ohatran'ny ila-hoho-mainty aza ka....

Hozy aho hoe efa mazava ilay teny Malagasy anie e... tsy ny miteny anglisy no olana amiko, hisy zavatra tsara ohatr'izany aiza indray re ry namana ah...

Fa le hoe tsy mazava amin'ny teny gasy (nefa efa mazava), ka atao amin'ny teny Anglisy kely...
Ary tsy tezitra mihitsy aho anie raha niteny an'io ry Nyrina eh... gaga fotsiny... Tsy voatery hitovy ny hoe gaga sy tezitra ka...

Aza dia raisina ho fanatsikerana daholo kosa moa izay mba hevitry ny namana eh... eny fa na tsy mitovy amin'ny hevitrao aza indraindray... indraindray fotsiny.
27. naughtyboy ( 25/06/2007 19:46)
ony wa tsetsatsetsa tsy aritra ahoana no fipetraky ny oul voakakitry ny mouche tse-tse :roll: sa HS v io?natory tsy fidiny:D
28. marozevo ( 25/06/2007 19:50)
Mety hitovy amin'ny anesthésie générale ihany izany ka !... matory tsy fidiny koa...

Zany hoe raha azoko dia voavaly koa ny fanontaniana mipetraka amin'ity loha hevitra ity. Sa mbola manana holazaina i Nyrina ?
29. xxx ( 26/06/2007 11:41)
Lalina be izy izany !!!

Tsy dia azoko hoe maninona no asiaka philosophie be toy izao ny resaka torimaso ... Tsy hahita torimaso eo ny iafaranareo fa tohizo ihany anie e
30. marozevo ( 26/06/2007 15:55)
Ko mipetraka ary ny fanontaniana dia miezaka mamaly izahay koo.... ho fanajana ilay nametraka ny fanontaniana.
31. niryna ( 27/06/2007 07:27)
Marovero>misaotra anao.:*
32. niryna ( 27/06/2007 07:29)
xxx:

Aza matory dia ho hitanao eo ny vokany!!!!:P


Ka izay no nahatonga ahy hanontany:D:D


33. niryna ( 27/06/2007 07:31)
marozevo:

:oops::oops::oops::oops:asa tokoa aloha eh !:oops::oops:



:lol::lol:
34. niryna ( 27/06/2007 07:42)
marozevo:

Tsy dia misy resaka fivavahana sy finoana loatra aloha raha ny fahitako azy. Resaka science sy metabolisme io fa tsy téolojika.
..

Azo lazaina fa tafiditra ireo satria amin'iny fotoana hatoriana iny no mandevina sakafo isika.Sa tsy izany?
Kota:

Ka raha izay no zavatra voasintonao dia teolojika ihany izany...Fa ny ahy indray aloha dia satria aho mino fa Andriamanitra no nahary dia fandaminana nataony io :ny torimaso dia fakana aina ny fandraisako azy. Mety hisy hilaza hoe tsy misy hifandraisany fa ilay "aina vaovao" no zava-dehibe amiko.


Izaho koa mino an'izany,toy ilay teneninao hoe fiainam-baovao indray.Ary raha tohizana dia lasa mandeha any amin'ny fiainana kristiana koa hoe ,mila miaina ary mampiasa ny maha-fiainana kristiana isika,aleo ny lasa homba ny lasa,ny anio no banjinina,manana fiainana vaovao,manatsara azy hatrany,manova ny fiainana izay fantatro fa ratsy ka hatsaraiko hatrany.:roll::D

35. niryna ( 27/06/2007 07:45)
naughtyboy:

ony wa tsetsatsetsa tsy aritra ahoana no fipetraky ny oul voakakitry ny mouche tse-tse :roll: sa HS v io?natory tsy fidiny:D

Inona izany mouche tse-tse?
Lalitra ngoda be ve:D
Vazivazy ny ahy fa ilay moka tsovaly no efa hitako.Ilay lalitra kely manaikitra toy ny moka koa fa io mouche tse-tse no asa na mitovy amin'ilay lalitra kely manaikitra.Sa ngezabe ilay izy?

36. niryna ( 27/06/2007 07:53)
Bita:

Dia tonga ny tiako dia hadinoko ianao an! Ny mba tiako ho lazaina @ io dia hoe hoy ny Mpamorona: misy mazava dia nisy, ary misia ny maizina dia nisy ary no hatao @ maizina??? nisy jiro ve t@ izany ankoatsry ny kintana sy ny volana ary ankoatry ny olona tsy maintsy ary minoia tsy hatory dia mitarika hatory ny maso. Ary farany dia aleo matoory izay mandrera tena @ zavatra tsy mahasoa @ ora tokony hilana azy fa ny 26 juin ataovy izay handresena ny torimaso hiarahana @ mpiray tanindrazana. Fa na ny Tompo aza toa niary tory alohan'ny hamonoana azy ary ny mpianatra tsy natanty fa ny fanontaniako nahoana raha hoe hivavaka @ alina dia reraka sy matory daholo ny ankabeazan'ny olona fa rehefa hoe i fety na hijery film mahaliana dia tena tsy mipi-maso mihitsy na reraka aza ary manery ny tena mihitsy aza hahatody ny maraina?????



Misaotra anao,eny fa na ny biby koa aza dia efa nahazo io hery io ka tsy maintsy matory.Misy ny manao torimason'akoho,misy ny manao torimason-jaza,ary misy koa ny manao torimason'antitra.
Saingy vokatr'io torimaso io dia amin'io andro atoriana io no manjaka ny maizina rehetra.Mihitatra izy izany:D:D.Fantany fa mila torimaso ny olona ary amin'io izy no mandroba,mangalatra,mamono olona,manao izay herin'ny maizina rehetra e.Eny fa na misy izany aza ny manao izany amin'ny mazava.Misy toerana kely aty aminay,malaza manao basikety ireo tanora ny atoandro ary ny alina kosa mangalatra sy manao izay asa ratsy rehetra.
37. niryna ( 27/06/2007 07:55)
ikaretsaka:

ka aminy ny biby misy fanahy ko!


Ahoana tokony ry ika?Misy koa anefa ny biby tsy misy fo:roll:
38. niryna ( 27/06/2007 07:58)
gasynamana:

Voalohany indrindra aloha dia tiana ny manamarika fa: Diso ny fiheverana hoe antsika ny vatantsika. Na hoe ahy ny vatako: raha ahy io, dia harenako ka azoko anaovana izay tiako hanaovana azy. Isany manimba olona betsaka izay fomba fihevitra izay. Diso koa anefa ny fiheverana hoe: izaho dia ny vatako. Tsy vatana fotsiny ny olona fa misy fanahy, saina. Isany manimba olona maro koa io fomba fihevitra io satria manjary mahatonga azy manao izay danin'ny kibony fotsiny.

Ny resaka tori-maso dia marika fa olona voafetra isika, ary manana fahalemena. Izay ihany. Efa ao anatin'ny natiorantsika izay. I Jesoa izay tonga olombelona dia niaina izay ihany koa.

Farany: ny tiako marihana farany dia izao: raha voavonjy isika dia tsy ny fanahy ihany akory no voavonjy fa ny tenantsika manontolo: saina, vatana, fanahy. Faharavana ny fisarahan'ireo ka mahatonga ny fahafatesana. Ny vatana tsy misy fanahy maty, ary ny fanahy tsy misy vatana tsy olona. Samy tian'Andriamanitra avotana daholo na ny vatantsika na ny fanahintsika.
Diniho ny didy folo fa milaza ireo nolazaiko ireo izy. Ohatra iray ny hoe: aza mijangajanga: ny vatako ve no manao ny asa mijangajanga sa ny fanahiko? Ny valiny dia izy roa mitambatra, ary izy roa mitambatra no mizaka ny valiny avy eo. Noho izany raha izy roa mitambatra no mizaka ny valin'ny asa ratsy natao, dia izy roa mitambatra koa izany no mendriky ny valisoan'ny asa tsara natao. Raha tsy nisy ny vatako dia tsy afaka niasa nanao an'izao sy izaho aho, noho izany mon corps fait parti de mon "etre". Raha voavonjy aho dia izaho manontolo no voavonjy fa tsy hoe ny fanahiko ihany akory.
Ity hevitra manasaraka ny fanahy amin'ny vatana ity mantsy dia manimba olona ihany koa, ka mahatonga ny toe-tsaina manambany ny vatana, ary indraindray tonga amin'ny fanimbana ny vatana mihitsy. Nefa io vatana io dia asan'Andriamanitra noho izany tsara. Ary ny olombelona dia ilay saina vatana fanahy fa tsy hoe ilay fanahy ihany akory.



=D=D
39. naughtyboy ( 27/06/2007 11:57)
lalitra no faenoko an'izy io ry ninyna zay manaikitra ka manome aretina mampatory ela b mety ho andro maro2 na mahery aza ,karazana insecte manana toxin miasa any @ neurone any mampidodo tsy fidiny
40. naughtyboy ( 27/06/2007 17:42)
ao dago kalo tsisy an'io fa toa tany tropicale hafa no fonenany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0524