Trois volo-tratra

1. nikopol ( 20/06/2007 07:52)
Manana volotratra telo lava be mihintsy aho eo akaikin’ny lohanonoko avia eo. Hatraminy nahakely ahy dia efa teo hono ireo, ary nisy olona nilaza tamin’i mamanay fa mariky ny fanambinana hono ireo, sady mariky ny mahalehilahy ahy. Asa na marina izany na tsia, fa hatramin’izay tokony moa dia noheveriko fa hanisaran’ireo niangaran’ny vitana aho, fa metimety zany daholo ny fiainako teo amin’ny lafiny rehetra, indrindra moa fa ny fiainana maha lehilahy.

Herinandro lasa nefa zay dia,indray hariva, raha variana nirevirevy tamin’ilay tovovavy namako izay aho, dia voakaikiny tampoka ny lohanonoko, ary indreny fa nanaraka ny nifiny ireo volo anakiroa tamin’ny telo. Isaorako ny avo fa nisy iray nijanona. Tsy fantatro intsony izay miseho fa hatramin’iny dia lasa tsy metimety zany intsony ny fianako.Vao nivoakan’ny trano aho dia nipitihan’ny rano maloto voahitsakin’ny taomobilina. Mikorotana be ihany ny saiko, nefa tsy fantako hoe ahoana. Tsy matory aho ary ireo namako dia lasa mila vaniny amiko amin’ny tsy misy fotony. Ireo volo roa nefa tsy ho voaveriko intsony. Inona no ataoko?

Niko, ilay namana telo volo-tratra fahiny
novalian'i sympa ny 21/06/2007 14:12
2. majakely ( 20/06/2007 08:16)
mambolea hafa njay fa haniry io ee,,asio zezika tain'omby hihihihi:-D
3. pimaso ( 20/06/2007 08:30)
nikopol >
izao izany le hoe "MAY VOLON-TRATRA"
sa "hazakaza-bolo-tratra, izay tonga aloa..."
...dia volotratra ve dia ampy hanakinana ny fiainana, sao dia tokony soloina volontratra telo izany le trinité st...
ny ahy izao misy volotratra efa fito eo @ lohanonoko eo matetika, fa halan'ny vadiko foana anefa maniry tsy anki-janona, tsy mba nampiova ny fiainako ...
Fa ny finoako, ny herim-poko ary ny finiavako teo @ fiainana no naha-tafita ahy,
mba hevitra hatsipy ihany ho antsika mora mino izay lazain'ny ntaolo rehetra,
Aza sorena nikopol fa samy manana ny finoany isika
misaotra nizara e!
;-)
4. xxx ( 20/06/2007 10:03)
demoisel ki cherche un mec bordel ity:-D:-D
5. diamondra27 ( 20/06/2007 11:41)
:-D:-D:-D

maniry toy ny volombava iny fa aza matahotra e


aza mivoka ny trano zany mandrapaniriny de tonga lafatra ny fiainanao :-D:-D tsy pitihan'ny rano maloto tsony
de tsy mahita namana de tsy afaka miady aminy
de manaova commande pizza livrer à domicile :-P:-P

de mivavaka
de mihaino hira @ internet (hira masina sy hira tsotra) ze tianao

zay le finoanoampoana an!

de zay ve no animbanao ny fiainanao?
mety coincidence fotsiny reo

de aona ozy le sipa aloha e! tsara be ve hono le volo? Tsy aleo ve ny nonony no h nohaninao toy izay ny anao?:oops::oops:
6. kally ( 20/06/2007 13:18)
Aza mifoha na miala eo am-pandriana akory mandra-paniry ilay volon-tratra fa sao hahitàn-doza tokoa:-o

Halefako any aminao i dada Razanakolona hanova ny vintanao fa andraso tsara eo ihany.;-)
Raha tsy andrinao ireo dia manosora tantely sy ràn'akoholahimena etsy amin'ny vato fifiran'ny ntaolo.
7. ari.malala ( 20/06/2007 14:43)
:-D:-D:-D:-D:-Dtapaka ny tsinaiko mamaky ireto soratanareo rireto!
8. ralos ( 20/06/2007 14:59)
Dory ilay iray ambiny dia tena may volon-tratra marina!:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
9. mbaliana ( 20/06/2007 18:15)
:-D:-D:-D
10. Stretch ( 20/06/2007 19:59)
nikopol be bla bla [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Langue/grimaces-87899.gif[/IMG]
11. menalamba ( 20/06/2007 22:15)
Alaivo ireo volo nipitika dé hatsofoy @ vodi-panjaitra dé zairo eo @ toerany teo
aloha indray é8O:^)
12. sympa ( 20/06/2007 23:57)
nikopol :arrow: Tsy blem lesy ireo fa aiza ampidirina @ loha fotsiny de aiza eritreretina loatra koa fa izay no mitondra ny sainlà @ le hoe misavoritaka doly ny fiainan'là ray manontolo ééé :^):^)
13. cutie ( 21/06/2007 01:13)
Mpandefa : nikopol [ Valio ] 20-06-2007 09:52:11
Lohateny : Trois volo-tratra
Manana volotratra telo lava be mihintsy aho eo akaikin’ny lohanonoko avia eo. Hatraminy nahakely ahy dia efa teo hono ireo, ary nisy olona nilaza tamin’i mamanay fa mariky ny fanambinana hono ireo, sady mariky ny mahalehilahy ahy. Asa na marina izany na tsia, fa hatramin’izay tokony moa dia noheveriko fa hanisaran’ireo niangaran’ny vitana aho, fa metimety zany daholo ny fiainako teo amin’ny lafiny rehetra, indrindra moa fa ny fiainana maha lehilahy.

Herinandro lasa nefa zay dia,indray hariva, raha variana nirevirevy tamin’ilay tovovavy namako izay aho, dia voakaikiny tampoka ny lohanonoko, ary indreny fa nanaraka ny nifiny ireo volo anakiroa tamin’ny telo. Isaorako ny avo fa nisy iray nijanona. Tsy fantatro intsony izay miseho fa hatramin’iny dia lasa tsy metimety zany intsony ny fianako.Vao nivoakan’ny trano aho dia nipitihan’ny rano maloto voahitsakin’ny taomobilina. Mikorotana be ihany ny saiko, nefa tsy fantako hoe ahoana. Tsy matory aho ary ireo namako dia lasa mila vaniny amiko amin’ny tsy misy fotony. Ireo volo roa nefa tsy ho voaveriko intsony. Inona no ataoko?

Niko, ilay namana telo volo-tratra fahiny

=))=))=))=))=))
14. sympa ( 21/06/2007 02:14)
cutie :arrow: oadray [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/hinhin.gif[/IMG]
15. sakaizakely ( 21/06/2007 07:20)
nikopola> tsy tokony nalefa tary @ hatsikana ve ity dinika mandefa rivotra ity ?

nareo mety rebirebeny eo fa tsy mba tsikaritrareo ve hoe rehefa mandefa resaka foplosy nikopol dia tsy mba miverina mamaly anareo akory ? Hoatran'ilay dinika hoe mangidihidy fitombenana iry, na le madama mpilalao ny fitombenany sns...

tsara ny mampisy filinina fa mba safidina koa ny sokajy asiana azy ry niko a !
16. sympa ( 21/06/2007 14:12)
sakaizakely :arrow: :-D:-D zany ve :-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2204