mangatsiaka

1. niainaok ( 17/06/2007 14:55)
Manahoana
mba omeo vahaolana fa tena mangatsiaka ny andro inana no tokony hatao sy ny tsy hatao izay aloha fa mba omeo vahaolana misaotra sahady
novalian'i kally ny 21/06/2007 17:34
2. Fiffi ( 17/06/2007 16:43)
heu.....misotro dité mafana be.....à part-n'zay de manao akanjo mafana be koh !
3. kally ( 17/06/2007 17:45)
Mahereza mitrakotrako voandro.
4. yonikafopl ( 17/06/2007 18:35)
akondro sy tantely koa mitana hafanana fa andramo
5. menalamba ( 17/06/2007 21:28)
kally:

Mahereza mitrakotrako voandro.


Aza manapa-tsinay moa ry Kally à:-D:-D:-Dary raha bangaridana ilay olona dia
hikaraodraoka hiodina ao am-bavany fotsiny ka no..sa totom-bandro???:-D:-D
6. ikaretsaka ( 18/06/2007 05:00)
Antsirabe dia anisan'ny faritra mangatsiaka indrindra Any Mada..
Mpitsoka ovy no fiantsoana ny olona any:
Misy antony io: andrahoy @ rano ny ovy dia iny poriporetina sy tsotsofina eo.
Poriporitr'ovin'Antsirabe io ka samy mitsoka izay voaporiporiny e
7. sakaizakely ( 18/06/2007 07:54)
ika ity koa an =))=))=))=))=))=))=))=))=))=))

niainaok> mitafia bodofotsy rehefa mivoaka :P
8. kally ( 18/06/2007 07:57)
menalamba:


Aza manapa-tsinay moa ry Kally à:-D:-D:-Dary raha bangaridana ilay olona dia
hikaraodraoka hiodina ao am-bavany fotsiny ka no..sa totom-bandro???:-D:-D




Dia io ovy voaporiporitra resahin'Ika io indray ny ho an'ny banga. Raha ampiarahina moa angamba vao mainka tsara fa tandremo fotsiny no sady manoaka tsy mitampim-bava nefa feno ovy sy vandro ao am-bava.
9. sakaizakely ( 18/06/2007 08:03)
kally :-D:-D:-D
ary raha sima manao ahoana ?
10. rapala ( 18/06/2007 10:23)
Raha ampiarahina moa angamba vao mainka tsara fa tandremo fotsiny no sady manoaka tsy mitampim-bava nefa feno ovy sy vandro ao am-bava.

andray kosa ry reto e!
11. rurik ( 19/06/2007 08:34)
mihinana lasopy fa manampy amin'ny atsika koa io, lasopy mafana hi hi hi
12. melody ( 19/06/2007 10:39)
ataovy double daholo izay hanaovana rehetra hatraminy bakiraro, marina io, dia manaova satroka na any am-pandriana aza:)
13. niryna ( 20/06/2007 16:52)
Mihinana voanjo matetika fa misy menaka mitana hafanana io,ary manaova ba kiraro cotton rehefa matory,raha tsy manana gants-tanana dia ba kiraro koa hamonosana ny tanana.Manaova mafana be alohan'ny hatory amin'izay tsy mifoha intsony eny anelanelan'ny torimaso.Raha manana serviette lehibe dia iny no ataovy solon'ny drap izay vao asiana bodofotsy.
14. kally ( 21/06/2007 17:34)
melody:

ataovy double daholo izay hanaovana rehetra hatraminy bakiraro, marina io, dia manaova satroka na any am-pandriana aza:)


Ary tokony hisolo maso koa ve? Dia satroka inona? bônetra sa penjy sa satrokety?:oops:
Sao voadaka ben'i Melody eto fa aleo hilamina.:lol:
Raha manao akanjo double be mahimahina ihany sao sanatria safotra eny an-dalana ka loza hoe vahao ny akanjony vahao ny akanjony e! jerena tsy manam-piafaràna.:°)


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2937