Toe-tsain'ny gasy mody na manao vacance any Dago

21. Samoana ( 15/06/2007 18:21)
Tsarovy koa fa raha entana (kiraro spaoro ohatra) avy europa no vingitinao mbola vitan'ny havana tanoranora ny miteny hoe " Tsy misy hafa angaha fa hay koa ny anareo toa vita sinoa !!":-D. Ny fahendrena de ny mifampitsiky de ampy ihany e!
22. patrick2002 ( 15/06/2007 18:48)
tena izay mintsy ,aiza rangahy koa hatramin'i douanier ,sy ny porteur mangataka vaon-dalana ao dago ,:-Dtena tstststs:-D:-D:-D
23. Fiffi ( 15/06/2007 19:16)
saro-tiavina koh zany olona zany an ! tsy mba mahay mionona.....zay no nahatonga anaha rehefa makany de atao surprise ny zavatra omena !
24. mirana5 ( 15/06/2007 19:32)
xxx:

inona ary ity mifosa sy manaratsy ny fianakavian'ny tena eto @ forum ity?


Tsy mifosa na manaratsy fianakams izy fa milaza ny marina @ toetsain'ny fianakams any Dago é:(:(:(

Tandremo tsy manome tsiny ny any aho fa indraindray b hataka loatra ry zareo é, sa hantahanta diso lalana?
25. Fiffi ( 15/06/2007 20:03)
mirana5:

Tandremo tsy manome tsiny ny any aho fa indraindray b hataka loatra ry zareo é, sa hantahanta diso lalana?
mba mangataka kosa zareo koh ! :) de lazaina azy ftsn hoe tsy afaka.....


26. tinasou ( 15/06/2007 20:55)
misaotra anaraeo retra alou @ hevtr maro isan-karazany eh!
itako hoe raha mbola tsy nakaty an-dafy ry zareo dia tsy afka hi-comprendre araka ny lazainareo mihitsy e! ary itako tena blessant be ho an'ny zareo lay tsy itondrana n'inon'inona mitsy...
==> lay givenchy alou oh mahalasa saina ahy ihany ra oe eny analakely no vidina e :-D:-D:-D aleo aza tsy mitondra sao lazainy fa za no tena fopla eo :oops:
:^)
27. diamondra27 ( 16/06/2007 00:30)
nENAH zao nisy namako izay nampitondraina sokola le "MARS" reny de faly be izy nahazo azy fa tonga tany @laneta mars hono izy sady nandresy le lion ihany koa
=))=))=))
28. tovolahy007 ( 16/06/2007 00:52)
Salama daholo e!
Io ry zareo dia tena zavatra mahonena mitsy.Tokony tsy hanome tsiny be fahatany azy ireo anefa isika satria araky ny efa nolazainy sasany eo ambony hoe sarotra @ izy ireo ny ahafantatra ny fiainana aty ampita aty.Amiko ny tena antony mahatonga ireo havana any Mada hanao toy izany dia voalohany,eo aloha ny fahitana ny zava-misy aty andafy @ TV sy ny film isakarazany izay maneho fa milay be aty andafy e.Faharoa de misy zavatra izay avy aty amintsika avy aty andafy aty ihany ko ,izay mahatonga azy ireo hanao tahaka izany, misy ny gasy refa tonga any Mada manao vakansy dia misehoseho be ho manambola sy mideradera hoe za avy any andafy.Hany ka iza ny tsy hiteny hoe tena refa tafavoaka any andafy any dia lasa manambola,tsy raharahiany mitsy hoe ahoana ny fomba nahazahoana any ilay vola @ io a.Ary fahatelo dia ireo vahiny izay tonga mitsidika any Mada izay iarahantsika mahita ny fiainany refa any Dago ,hany ka simba ary mandiso tanteraka ny sainy havana izay tsy ary nahtia izany hoe andafy izany e.Ka izao,azavao @ havana ny zavamisy marina,lazao azy fa tsy matory andro amanalina za aty andafy aty fa miasa sy mianatra isan'andro,lazao azy ireo ko fa diso tanteraka ny hoe refa tonga any andafy de tonga de hanankarena vetivety eo.Izaho izao dia anisany niady t@ anabaviko sy ny rahalahiko mitsy refa tonga tany noho ity kozy ity ihany io.Fa dia nanizingizina za hoe tsy toy ny ravinkazo maniry eo antokotany anie io vola io any fa tsy maintsy miasa mafy na sabotsy na lahady vao mahazo azy io e.Nolazaiko azy ireo fa za manao ny kandra tsy ary nataoko mitsy fony za mbola tany Dago a.
Ka azavao azy ireo ny marina e,dia aoka isika refa tonga any tsy hieboebo sy hisehoseho hoe zao izahay refa avy any andafy fa io ny tena mahatonga azy ireo hihevitra fa manambola enao kainy fa tsy te hitondra zavatra ho azy ireo.
Dia mahasoava daholo e.
29. sakaizakely ( 16/06/2007 08:24)
ka tsy misy mieboebo sy misehoseho akory ange fa de tena mandeha hoazy fotsiny le mew mew mew

nenay ny alefa isambolana dia tena ferako tsy manome en plus na dia afaka aza aho indraindray satria tsy tiako ho zadratsy ry zareo. Iny dia ataovy ampy hoa fa za tsy afaka, dia efa kopy ry reo tsy mangataka izany. Raha tsy hoe misy marary miditra hôpitaly angaha ohatra na zavatra lehibe iray (mariazy, teraka sns...)

fa nena ny mandreraka ahy le olona tongatonga mitonona ho havana tsy mbola hita hatr@zay ireny, za zanak'i ranona avy any ananona, tsika ange mpihavana e de mitokona manao lava resaka eo, de farany de oe mba meo wouiskiiiiiiiii 8) na tenis naika raha misy tsy ilaina :roll::roll::roll::roll: de ny eny aminao no diliron'ny masony rehefa iny ianao mamaly fa tsy misy fa ny ilaina ihany no misy, dia ampiany iny aminao iny omena ahy "tsy maninn" fa nareo eny ampotony hahavidy ihany fa ze enay ve:?:?:?:?
de mody manao mampalelo be eo

nisy indray fianakams fa lavitra efa taty aoriana elabe vao nifanoratsoratra taminay, dia teny herintaona, ary milaza hoe faly be mifandray aminareo sns... dia avy eo manao hoe andefaso tôbilla minibisy :-D:-D:-D:-D:-D
30. tinasou ( 16/06/2007 12:00)
grav oa eh! misy aza lasa tsara fanahy be tapoka zany!!! 8O8O marina mitsy ny lazain'ny tovolahy007 ary tsy voaova vety² io toe-tasina io e...:(
31. xxx ( 16/06/2007 21:03)

ny ahy ny mba torohevitra amintsika rehetra dia :
1)tsy miteny hoe ho avy hanao vacance any M/car fa manjary mbola tsy miainga akory aty ianareo dia efa tonga ny liste afaran'ny havana (kiraro, poketra, parfum, akanjo sns...)

2)Raha sendra tafateny ianareo ka tonga rizareo hitsena eny Ivato dia tadidio fa tsy ny hahita anareo no mahamaika azy ireo fa ny hanisa sy ny hamahanareo ny valise.

3)noho izany dia aleo tsy miteny hoe ho tonga fa dia mitontona irery eny Ivato dia eny no maka taxi. Tsy lafo ny taxi eny fa mbola vao eny ambony avion dia efa manontania olona vao avy tany M/car vao haingana dia iny no hanontaniana ny course. Miady varotra @ taxi rehefa avy eo.

4)Vao tonga ka nahatondra voandalana dia omeo eo ho eo izay nentina dia asehoy azy ireo fa foana ny valise fa manjary misy tonga foana ao aminao satria manantena fa sao mbola misy ambiny azy hangatahana.

5)Dia efa miomana fa ny toerana alehanareo rehetra ka misy fandoavam-bola dia efa miomana fa ianareo izay no mandoa.

6) rehefa manomboka miresadresaka dia atomboy resahana amin'izay fa efa mafy ny fiainana aty andafy ka tsy ho toy izay lasa izay intsony hoe afaka mitondra voan-dalana. Mody hitantarao ny fihafiana sy ny lanjan'ny vola iainanareo @ izay tsy manao saka be intsony @ sisa.

7)Dia resaho tsimoramora amin'izay fa noho ireo antony fiahafiana ireo no antony tsy nilazana hoe ho tonga ka nilana mpitsena satria tsy nahavimbina betsaka no tsy hahavimbina intsony @ manaraka.

Farany dia hanaova chantage hoe tsy hanao vacance intsony raha mbola misy manantena voandalana satria ny frais aza efa saika tsy nahita fa ny billet aza efa natao credit.



32. booboo ( 16/06/2007 21:10)
8-) tsy aleo tsy mandeha vacs any na tsy mamangy an-dreo mihitsy raha zany ? 8-) ...
33. diamondra27 ( 16/06/2007 21:18)
de aona zany ny dikan'ny le we andafy ra zany?
tsy mahatondra vondalana ho an'ny retra


ny fo manolotra ange no endrasana fa tsy ny habeny e!
fenoy nimiature be de be ny valise de omeo ze mifanena
34. nolalaina ( 16/06/2007 22:15)
Lazao fotsiny oé tsy nisy vôniny mitsy teny andalana dé zay kou!! :-P

Fa gravy ry zareo ka!! zah efa tratran'zany oé andé any dé nisy nanoratra (fianakams fa lavitra)!! oul tsy mbola nifanoratra t@ko mitsy na in-drépa aza dé lazaina fa manoratra anà fona fa tsy hay oé man'inn no tsy tonga ny ttasy!! dé ny liste @zay no mamarana ny ttasy!! tssssssssss!! :twisted:
35. bozyboleta ( 19/06/2007 05:08)
Le nolazain'i tovolahy007 de tena mitombina mitsy. Misy andraikitry ny oul sasany avy an-dafy ihany koa an!

Fa mbola misy koa aloha ny RAD mati-kambo hoe manana zanaka an-dafy de ireny no mi-zesta sy be resaka @ fianakams hoe nahatafita zanaka; fa ahoana moa no ahafahan'ny fianakams lavitra mahazo adiresy sy mifanoratra @nao refa tsy ny fianakaviana akaikinao no manome azy?
De refa tonga enao de avy koa ny RAD miresaka any am-piangonana sy eny an-tsena eny hoe "tonga ny zanako avy an-dafy". De normal raha tonga mamangivangy anao zao olona rehetra izao satria enao "importé" koa!
36. mignone ( 19/06/2007 16:42)
dia tsy manomé fotsiny fa avela imenomenona eo 8O
37. tatamo40 ( 19/06/2007 19:03)
=))=))=))
38. andry08 ( 19/06/2007 20:50)
mignone:

dia tsy manomé fotsiny fa avela imenomenona eo 8O



idem!
39. andry08 ( 19/06/2007 20:50)
mignone:

dia tsy manomé fotsiny fa avela imenomenona eo 8O



idem
40. Jeankely ( 20/06/2007 02:09)
Na afaka CEPE aza ny zaza dia hafaliana ho an'ny RAD koa inona no mahadiso azy raha mirehareha izy fa tafita ary avy an-dafy ny zanany. Rehefa eo amin'ny toeran'ny RAD ianareo dia mahafantara fa ny fitaizana nitondranareo ny zaza mba anisany nandray anjara nampitombo sy nanokatra ny sain'ny zaza ho lasa lavitra nohon'ny namany. Fa ny olona ivelany kosa raha mi-geste ny RAD dia anjaranao koa ny mitady hevitra ny ahatafita ny zanakao fa tsy ny hitady voandalana amin'ny zanakolona. Ny zaza avy andafy no mahalala izay olona hitondrany fahatsiarovana fa tsy misy afaka hanome zavatra ny namana rehetra sy ny havana rehetra izany akory.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1664