mampitandrina ny investisseurs hoe?

1. lo ( 14/06/2007 02:01)
lasa resabe ilay hoe mampitandrina ny investisseurs ny filoha momba ny fitsabahana amin'ny raharaham-pirenena malagasy.
Marina tokoa fa manana ny fiandrianam-pireneny i Madagasikara, ary tsy tokony baikon'ny atsy na ny aroa. Nefa kosa raiso amin'ny toeranao fotsiny : raha mampiasa vola amin'ny zavatra iray ve ianao, tsy mbo ataonao izay iarovana ny volanao tsy ho very ao? mety ve raha hoe "ento aty fotsiny ny volanao ampiasaina fa avy eo aza rarahiana izay hiafarany any"? Tsia kosa e, ataoko fa tsy misy hanaiky izany isika, ary rariny raha manana zo hilaza ny heviny momba ny raharaha rehetra mitranga eo amin'ilay toerana ampiasanao ny volanao ianao.
Ny tena atahoran'ny vahiny te-hampiasa vola eto amintsika anie dia ny risque politique e (risque pays). raha hotohizana amin'io lalana io hoe ampitahorina ny vahiny tsy hiaro ny volany, hiditra ve izy ireo? nefa isika mila izany? raha hiala daholo izy rehetra, ahavita tena ve isika?
novalian'i Jeankely ny 18/06/2007 01:42
2. Jeankely ( 14/06/2007 02:14)
Izay voaroaka voaroaka ary resaka samihafa ny lalanan'ny varotra iraisampirenena sy ny resaka fiandrianampirenena. Membre-n'ny WTO, SADC, COMESA, sns Madagasikara noho izany ny lalana iraisampirenena mikasika izany tsy ianao no hampianatra ny filoha izany fa misy ny Ministera misahana izany. Ny anao resaka "sentiment". Tsy afaka hanova ny lalana sy fepetra iraisampirenena ny filoha noho izany wawawa tsy misy dikany. So, RAVALOMANANA is the number One and still the PRESIDENT of MADAGASCAR". Mazava ve????
3. mimich ( 14/06/2007 06:33)
jeankely> oh ianao no tena mitondra ilay izy am resaka "sentiment" , fa tsy mijery ny atao hoe "lojika" .

Sady tsy mpahay politika aho no tsy mahay sy maharaka loatra ny resaka iraisam-pirenena sy ny ara-diplomasia, nefa mahita ihany hoe : somary tafahoatra ihany ilay kabary, raha ny toerana misy an'i Madagasikara izay mbola mila ny fanohanana sy fiankinan-doha amin'ny hafa firenena eo amin'ny sehatry ny fampandrosoana.Ekena fa mety misy marina ny zavatra lazaina, fa ny fomba filazany azo aloha voalohany indrindra dia tsy mety.
4. Jeankely ( 14/06/2007 06:59)
Tsy izaho no manao "sentiment". Na ny "World Bank" aza dia mahafantatra tsara fa hafa rehefa mikabary ary hafa ny tarehimarika. Hatramin'izay fitondrana nifanesy izay dia mitanisa hatrany an-kabary ny tompn'andraikitry ny "WB" hoe efa mivoatra, mandroso nefa rehefa mandahatra ny laharan'ny firenena erantany izy dia hitany tsara ny fametrahana azy. Mazava fa tsy atoronao izany ny vazaha. Hain'ny vazaha tsara ny Kabary sy ny tena resaka. Ny teniko averiko hoe tsy afaka mijoro ary manova ny lalana iraisampirenena ianao ao anatin'ny vondrona misy anao. Ohatra resaka vary, siramamy na hafa fotsiny tsy afaka hanova izany izy fa hafa ny kabary. NY resaka fiandrianampirenena dia resaka hafa mihintsy. Tsy misy hidiran'ny "investisseur amin'ny resaka anatiny fa ny resaka izay mifanadrify amin'ny zavatra ataony no hidirany. Izaho koa tsy mpanao Politika fa mba vahoaka miresaka.
5. Imahaka ( 14/06/2007 07:39)
Toa nahomby ilay kabarin-dRavalo ka! izao dia efa nidina sahady ny prix carburant! Ny olona niantefan'ilay fampitandremana aza izany no nanaiky ka toa isika mpitazana indray no mihori-koditra.
6. bozyboleta ( 14/06/2007 07:46)
=D=D=D=D=D lehiretsy a!
7. Jeankely ( 14/06/2007 08:20)
=D marina izany. Efa hita fa izay hirika dia hidirandreo daholo na hirika mapiady antrano, na hirika misoleka vazaha, na hirika manoratra teny Pararantsay be, na hirika mandoro Amphi-n'Andrainjato. kobon'ny olona fa tia seza fotsiny
8. lila ( 14/06/2007 08:41)
aleo izy mba hiteny mivantana ze tiany hatongavana fa am zay mba hitann'y olona hoe tsy manaiky lembenana ny gasy.
9. Jeankely ( 14/06/2007 08:44)
Ok LILA be.=D=D=D
10. lo ( 14/06/2007 10:33)
tsy azoko loatra ilay resaka hoe manaiky lembenana sy tsy manaiky lembenana. tsy any ny adi-hevitra anie e. raha hiresaka fiandrianampirenena ny filoha, maninona no vahiny no mpanolo-tsaina alainy ary? maninona no mandeha mihazakazaka mitady fanampiana any ivelany? maninona no mitady ny 3P (partenariat public-privé) raha fantatra fa vahiny no tena ao anatin'ny secteur privé? maninona no novaina ny lalàna momba ny fananantany? tsy mba hidiran'ny vahiny mpampiasa vola ve? nefa raha tsy omenao garantie de sécurité ve izy fa vao maika rahonanao hiditra ve izy? mbola averiko ihany hoe raha mampiasa vola ve ianao, amin'ny maha-ianao anao nefa tsy avela hiteny hiaro ny fanananao akory avy eo dia hanaiky izany ve ianao ? afaka milaza ve ianao fa manana ny fiandriananao raha trosan'olona daholo ny any aminao?
11. mimich ( 14/06/2007 11:22)
lo>=D=D=D
(klou za anao oro size kely, misy vao2 any fa tsy anotanio ny oll)
12. bazylou ( 14/06/2007 12:09)
Tsy manaiky lembenana hoy ianao ?? :roll::roll::roll:, fa iza anefa no manome ny saosy hanaovan izao mapme rehtra izao ?? ary taiza le8 farany teoa ry inona no nataony ?, tsy nisolelaka investisera sy sinoa ve ?, ,sao mandrora mitsilany fa tsy ampahafirin'ny mille miliaran'ny sasny ny anao e!!:-D:-D:-D
13. Zazala ( 14/06/2007 19:34)
Ho faty @ resak'i JeanKely eo nareo, raha mahita soratra hoe jeankely d aza mba mamaky fa io jeankely io dia jamba tsy mahita problèm @ tanana, tsara daholo izay zavatra mandalo eo aminy. Io dia mpiray tsikombakomba @ R8 raha tsy iz tenany.
http://www.madagascar-tribune.com/images/dessin1230
io izao no tokony asiana fandinihana tsara ra-Jeankely é!
14. Jeankely ( 15/06/2007 07:25)
Tsy tia ahafantatra an'ialahy izaho satria efa manompa ny Malagasy ialahy ary nilaza sy nibitaka fa nisy nadroaka ny foko sasany tany amin'ny faritany. Ny zava-dratsy ho an'ny Firenena no zahavin'ialahy ka na hiakatra ialahy na hidina dia tsy mila mandroaka ny namanay izahay ary ilay tsy raharahanay mihintsy. Mazava ve ry nava a???
15. cristal ( 15/06/2007 12:52)
(l)(l)(l)Jereo tsara aloha kosa ilay sujet ery ambony dia vakio tsara fa tsy misy ifandraisan'ny fampiasana vola mihitsy ny avertissement izay nataon'ny filoha e,mba tsotra refa miteny dia tsy misy bedy fa zay no hevitrao!Ataovy ny jery todika fa izy nataon'ny vahiny teto fahiny dia ho azy fa tsy nisy hoantsika efa manana ny olona sahy miteny mivantana ve isika dia hoe tsy mety,atodiho any la frantsa ny maso moa zany i sarkozy tsy mahay manaja mpandraharaha satria jereo anie fa ny etranges no tena mitondra ny fampandrosoana ao aminy,fa angaha ry zidane;ry Malouda ...sns mpandraraha fa mba manana hazondamosina ssa mbola voazanaka ka matahotra vazaha ianareo!:roll::roll::roll::roll::roll:
16. Zazala ( 16/06/2007 00:55)
Imahaka:
Toa nahomby ilay kabarin-dRavalo ka! izao dia efa nidina sahady ny prix carburant! Ny olona niantefan'ilay fampitandremana aza izany no nanaiky ka toa isika mpitazana indray no mihori-koditra.


Ohatry ny film gasy iny anie ity tantara ity e, 5 minitra nanombohany efa fantapantrao ny hiafarany.
Nareo anie ohatrin'ny tsy nandinika lalina miitsy é! Iz tenany ( R8 ) no nampiakatra io vidina solika io é! Ka nibitsibitsika iz t@ ireo investisseurs hoe " Aoka nareo tsy hiteny fa ampiakaro kely ny vidin'ny solika, d mody manao suspensa ahako an, zay vo ampidinareo indray. Milaza Malagasy ho zaza vendrana iny iz. Tsy fantany fa na ny solika na ny menaka ka samy problèm daholo.

lila:
aleo izy mba hiteny mivantana ze tiany hatongavana fa am zay mba hitann'y olona hoe tsy manaiky lembenana ny gasy.

Tokony mandinika lalina isika fa isika miitsy no lembenan'i R8 é! anaovany izay tiany atao eo. Ka mba asio fandihana tsara ty resaka ty ( http://madagasikara-soa.com/chroniques.php?ID=33 ).
17. Jeankely ( 16/06/2007 04:05)
Ialahy no mitady ny Malagasy hiforitra foana. tsy "Zazadala" izahay fa izay sahy miteny ny hafa no tianay fa tsy ny milaza anay ho donto, tsy misy saina, nifidy olona tsy misy ilana azy, mahantra sns izay haverimberinareo eto. Tsy ny Malagasy no ambaniany sahala ny ataonareo fa ny vahiny manao resaka hafa no voateny ary tsy nisy resaka fisakanana vahiny tsy ho avy izany teo. resaka samihafa ny raharahampirenena sy ny fandraharana. Eto ianareo manao resaka mifanohitra. Atsy ambadika milaza hoe angaha atao vazaha daholo no tompon'andraikitra ambony na ny mpanolontsaina avy eo indray lazaina mandroaka vazaha. Fa mihevitra anay ho kilalao ve nareo?
18. marozevo ( 16/06/2007 20:27)
Efa nijery an'io "jereo eto" eo ambony io ve anefa aloha ?
19. bazylou ( 16/06/2007 23:35)
tony jeankely tony ilay taranak'olona mpisolelaka fotsiny tsotra izao satria nasian'ilay 8 ny teny ankodomirana ka nanompo azy ary milaza fa izy ihany no zanak'andriamanitra voafidy hitondra an'ny Madagasikara.
Aminay dia mitovy ianareo timiste rehetra sady mpiady an trano no mpampiady an trano!! jereo fa na fiangonana aza terena ho propriété prive an'ilay 8!! le8 atsy le8 aroa, tadiaviny hatao daholo na fasila eny tanjombato na crevette, na menaka , na ronono, na btp, ..... atsy ho atsy koa dia hisy ny cox vokarin'ilay 8, jereo tsara anie...:-D:-D:lol::lol:
20. Jeankely ( 17/06/2007 02:33)
Aiza koa no hisy izany? Miteniteny foana ity. Angaha moa an'ny fanjakana io taloha ka lazain'ialahy no-Privatiser-na=))=))=)).Resaka adala. Tsy fantatry ny TIM akory hoe iza aho leity a. Ialahy sy tezitra efa manontany hoe iza ahy ary akaikin'ialahy aho sady efa nanontanian'ialahy hoe iza ity JK ity. Aza mba donto ihany. Aiza no Privatiser-na nefa tsy an'i Fanja=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0998