Ilaina ve ny Préscolaire sa tsia????

1. pitchounette ( 13/06/2007 10:24)
Salama daholo,

Sahiran-tsaina aho miheritreritra ny momban'ny zanako, feno 2taona sy 5mois izy amin'ny septembre, tokony efa hiditra hianatra ve sa tsia?Misy milaza fa manao toute petite section aloha, avy eo petite section,MS, GS, CP(feno 6taona sy tapany).... dia tsy fantatro intsony.Izahay mantsy tonga dia maternelle no hainay(3ans et demi na 4 ans)dia avy eo T1 - T2 sns... Firy taona marina no miditra mianatra ny ankizy?Ilaina ve ny préscolaire?
Dia inona no tena atao any?Mianatra manoratra ve?Misy nièce-ko izay mantsy nolazain'ny psychologue fa mety ho surmenée satria à 4ans izy efa manao écriture : lulu, lolo dia tena nolazaina fa lasa aloha b loatra.
Misaotra betsaka ny namana.
2. Fiffi ( 13/06/2007 12:26)
raha ny aty frantsa aloha de:

-petite section=manomboka 2 taona (raha madio le zaza): lalao fotsiny no atao..sieste ny aprèm

-moyenne section: manomboka manisa , manoratra fa eo am tableau ect....

-grande section: mianatra ny alphabet , calcul kely , manambatra teny kely sns....

-CP , CE1 , CE2 , CM1 , CM2.......

-Fa kosa taloha no tena tsy maintsy hoe feno 6 taona vao afaka miditra CP ! fa am-zao fotoana zao de miankina am le zaza sy ny hakingàny no hidirany CP !
3. kally ( 13/06/2007 13:51)
Ny ilàna an'ilay pré-scolaire angamba hanazarana sahady ny zaza hiaina anaty fiarahamonina,hampitombo ny fahalalany ny vatany sy ny fahaizany mampiasa ny tanany,fianarany miserasera sahady e!

Ny aty 2 taona izy dia efa any am-pianarana fa tapak'andro ihany.Mihira izy any, dia manaonao zavatra, dia milalao, dia mihinana goûter.:lol:

Ny hoe ilaina ve sa tsy ilaina: raha tokana an-trano ny zanakao dia tsaratsara kokoa izy mankany, miankina aminao reniny io.
4. ari.malala ( 13/06/2007 14:20)
Izaho manokana aloha dia maita fa ilaina ny prescolaire e! satria any no aihtan'ilay zaza fiainana hafa ankoatry ny ao antrano, indrindra raha mpanampy no ipetrahany, aleo koko izy any ampianarana dia maita zavabaovao toy izay maita ny fataon'ny mpanampy ao antrano ao... sady raha ny hitak ot@ zanako dia tena nanampy azy be dia be t@ fivelaran'ny fitenenana, indrindra ny teny frantsay
5. sakaizakely ( 13/06/2007 14:46)
za indray aloha tsy nametraka fanontaniana fa rehefa tonga fotsiny ny taonany dia nalefako izy e !

Amiko aloha dia tsy misy maharatsy ny périscolaire satria manazatra ny ankizy tsikelikely @ apprentissage scolaire sy sosialy manaraka pedagogia aradalana. Mifameno @zay azon'ny RaD omena azy dia inoako fa mampivelatra kokoa ny sain'ny ankizy izany.

Izany hoe tsy obligatoire izy io, ka raha toa mametra olana ho an'ny RaD noho ny asa na ny adidy samy hafa dia azo ialana ihany.

Inoako anefa fa raha eto Frantsa ohatra dia somary sarotsarotra ihany satria manjary lasa hafa parcours @ zaza rehetra raha toa ka miandry CP vao miditra mianatra, sao manjary mahatsiaro tena ho miavaka @ rehetra ilay zaza dia mety mampisy olana momba ny intégration-ny @ namany. Mety hoy aho, tsy haiko loatra.

Fa raha ny fahitako azy, hoatra mbola kely loatra izany 2 ans 5 mois izany. Tsy aleo ve miandry @ herintaona ? Araky ny filazan'ny mpampianatra PS ny zanako manko dia samy hafa hono ny fahavononan'ny zaza araky ny taonany, raha + 3 ans hitany metimety kokoa satria efa matotra "affectivement" ary manana facilité d'apprentissage kokoa noho ny latsaky ny 3 taona na dia hoe aza "précoce" ny ankizy sasany.
nefa moa raha eken'ny sekoly ve, tsy misy olana ?
6. sitlo ( 13/06/2007 15:18)
Raha ny tadidiko aloha dia 4 taona aho no nalefa niantra voalohany eh. Dia tamin'izany nampianarina namaky teny: boky lala sy noro. Dia mihira dia manao sary dia nianatra nanoratra tamin'ny solaitra.

Raha ilay resaka prescolaire indray dia arakarakao ihany. Ny tany Madagasikara dia avela makeny an-tokotany ny ankizy dia mahay mifandray aman'olona ho azy. Dia tazatazanina fotsiny. Dia ny mamanay koa moa tsy nandeha niasa fa nanolokolo anay tao an-trano dia tsy mila nalefa prescolaire izany. Fa nasaina nanamboamboatra zavatra izahay: tambatambatra, patamodele, sns. Dia navela nilalao vovoka fa omena fanafody kakana matetika. hahaha
7. pissoa ( 13/06/2007 17:08)
miombo-kevitra amin'i sitlo !

Tsy haiko aloha zany surmenee zany fa zah tamin'ny 4taona sy tapany efa nanao sary (dessin libre) dia nasiako titre hoe "Kisoa Mitrongy " e (any 'zay le kahie akangako zay kle) ! izany hoe efa nahay namaky koa hoe "Kisoa mitrongy" fa tsy hoe lulu lolo fotsiny ! :-D:-D:-D
8. booboo ( 13/06/2007 17:18)
Pissoa > :-D:-D:-D terrible koa zay imagination zany lé ! tondé "kisoa mitrongy" ve nama :-D:-D:-D:-D
9. pissoa ( 13/06/2007 17:28)
non ! iny indray norma be satria za tany ambanivohitray no nianatra tamin'izany ka, dia izay hita isan'andro eny no natao sary koa :oops::-D:-D:-D
10. niryna ( 14/06/2007 04:35)
kally:

Ny ilàna an'ilay pré-scolaire angamba hanazarana sahady ny zaza hiaina anaty fiarahamonina,hampitombo ny fahalalany ny vatany sy ny fahaizany mampiasa ny tanany,fianarany miserasera sahady e!

Ny aty 2 taona izy dia efa any am-pianarana fa tapak'andro ihany.Mihira izy any, dia manaonao zavatra, dia milalao, dia mihinana goûter.:lol:

Ny hoe ilaina ve sa tsy ilaina: raha tokana an-trano ny zanakao dia tsaratsara kokoa izy mankany, miankina aminao reniny io.

Miombo-kevitra aminao koa aho
11. pitchounette ( 14/06/2007 10:03)
Misaotra betsaka ny namana tamin'ny fanampiana.Any amin'ny crèche mantsy izy izao nefa mavesabesatra ny écolage dia izay no nahatonga ahy nametraka ny fanontaniana.
12. mignone ( 14/06/2007 10:13)
fa misy fianarana tsy mandray anlé zaza raha vao tsy feno 3 taona ilay zaza , (le teraka mois de fevrier oatra )na dia toute petite section aza ! 8O
13. pitchounette ( 14/06/2007 10:33)
Ie ka izay mahitsy no nampametraka ahy ny fanontaniana satria ohatran'ny samy manana ny azy ny école, misy mandray azy ho PS, misy manao azy TPS, misy milaza fa manao PS pendant 2ans, dia tena fanina aho hoe firy taona izy izany no tena tokony ho 11ème.
14. ari.malala ( 14/06/2007 13:07)
nefa tandremo iany sao tara loatra fa ny ahy ny zanako zao mandray 8 taona am novembre nefa zay vao ho 10è satria ts maints 5taona revolu hono vao mahazo manao maternelle any am masera:-( notenenin'ny pediatre za hoe tara b le zaza:-(
15. pitchounette ( 15/06/2007 10:50)
Ka izay mihitsy ilay olanako,raha vao manao manao ilay préscolaire dia izay mihitsy efa mandany 3ans minimum ianao ao raha tonga dia PS fa lasa 4ans indray raha vao misy TPS,nefa toa tsy mandray ny masera sasany(Providence ohatra) raha tsy mandalo préscolaire ny ankizy.Fa firy taona izy izany no tena tokony manao maternelle?5ans revolu izany efa mitovy ny fidirana any amin'ny EPP an!Sa efa niova izan'izany ny fampianarana eto ?
16. mignone ( 15/06/2007 13:02)
aminy manaraka ataovy ny calcul dia kendreo amlay mois de septembre octobre iny no teraka e :-D:-D:-D
17. Samoana ( 15/06/2007 13:13)
ari sy pitchoun / tsy misy tara izany fa izay tonga ihany no arahabaina e:wink:
18. ari.malala ( 15/06/2007 13:36)
Samoana, hitako tara iany zany satri za 4.1/2 taona no nanomboka nianatra, za ko teraka novembre, tsisy mintsy ny olana tamzany! nefa za ko mpianatry ny sekoly misiona! d raha 8taona izy no 10è de 11taona anie zany vao hanala CEPE e!:-(
19. Samoana ( 15/06/2007 13:50)
ari/ za 17 taona no afaka baka tsy azoko an-tsaina loatra ny tombony azoko mihoatra ireo namako sasany 20 taona vao nahazo izany ( ny tombony angaha de ny nahafahana nanambady aloulou. Nefa "tombony" ve izany?:-D )
20. sakaizakely ( 15/06/2007 17:01)
Samoana

ny tombony dia afaka mamita fianarana alohan'ny rehetra dia afaka miasa sy mahazo vola aloha koa.

Azo atao koa ny manao année sabatique, mitety tany, mandehandeha, manao stazy etsy sy eroa mikatsaka marina izay tena lalana tiana arahina.

pitchounette>
tsy hitako izay havaly satria tsy mitovy ny système na dia samy any dago aza, hoatra samy mametraka ny lalanany ny sekoly tsirairay fa tsy misy fehy iombonana.

Raha aty Frantsa aloha dia toy ny hoe tara izany ny fandraisako ny ankizy aty satria tsy maintsy manao 3 ans de maternelle ka raha 3 taona no miditra mianatra dia 11 ans vao miditra 6è fara fahaingany raha tsy nisaoty kilasy. Za 9 taona 6è. Fa tsy mitovy ny pédagogie aty satria lazaindry zareo fa statistiquement dia ireo zaza nanao 3 ans de maternelle no manana pourcentage de réussite scolaire et universitaire ambonimbony kokoa noho ireo tsy nanao périscolaire. Tsy haiko zany na mitombina na tsia fa dia aleo fotsiny manaraka ny besinimaro.

Tany amintsika anefa, herintaona fotsiny no maternelle (3 - 4) dia tadidiko tsara fa vao niditra kely T1 (4 taona) aho dia efa nahay namaky boky sy nanoratra. Nefa koa nahavita fianarana ambarantonga ambony koa ankoatrin'izany

Samy manana ny fandraisany azy marina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1964