dons

21. majesty ( 13/06/2007 10:59)
xxx:
Nomena saina handinika sy hahalala ny tokony hataontsika isika, ka raha minia manao ny ratsy ve aho dia mbola manome tsiny ny demony ihany.



Dia amin'zay fotoana izay ianareo no antsoina hoe mpiara-miasa.Ary na eo anatrehan'ny tribonaly aza dia izay mpiara-miasa amin'ny halatra iray,na atao fotsiny hoe mpanolo-tsaina ianao dia miara-meloka avokoa fa tsy misy afaka
22. xxx ( 13/06/2007 11:09)
Fa hono ho'aho : raha nanao délit ny olona anankiray, iza no responsable voalohany @ iny ?
23. majesty ( 13/06/2007 11:11)
Ny tiako ho lazaina anie ry xxx dia ny hoe samy tompon'antoka ny rehetra e,fa tsy hoe i sata ihany fa ilay olona izay nanaiky niasany koa.
24. niryna ( 14/06/2007 05:10)
majesty:



Amiko ny devoly no fototry ny haratsiana fa isika raha manaiky miara-miasa aminy dia afaka ho ampiasainy tsara tokoa,kanefa tsy afaka manery antsika izy fa isika ihany no tompon'ny teny farany.


Izaho koa manaiky an'izany.Moa ve ireny olona manaiky am-piasan'ny devoly ireny mahalala ny ataony sa tsy mahafantatra? Mila mitandrina izany isika isaky ny manao zavatra.
25. xxx ( 14/06/2007 10:20)
Tsy asiana adi-hevitra, fa amiko dia ny fitiavan-tena no tena fototry ny toetra ratsy iainantsika. Ny demony tsy tonga maka fanahy raha hitany mafy orina @ finoana ianao. Fa raha hitany kosa ny tendance-nao te-hieboebo sy tiatia-tena, tia voninahitra, tia harena, sns izay vao manatona izy. Ka io fahalemen-tsika io no araraotiny raha tsy miezaka manarina izany isika. Ny fahalemenao dia miankina aminao fa tsy miankina @ demony.
26. marozevo ( 14/06/2007 22:42)
"Mahonona tena ary marisiha, fa ny demony fahavalonareo efa mihaodihaody manodidina anareo, mova tsy liona miherona mitady izay harapany. Finoana mafy orina entina manohitra azy".
27. diamondra27 ( 17/06/2007 08:10)
marozevo:

"Mahonona tena ary marisiha, fa ny demony fahavalonareo efa mihaodihaody manodidina anareo, mova tsy liona miherona mitady izay harapany. Finoana mafy orina entina manohitra azy".


______________________

ho fanampiny dia tsy misy afa-tsy ny mivavaka ihany
mivavaha mba tsy idiranareo @ fakampanahy
28. ikaretsaka ( 18/06/2007 06:26)
mitovy @ xxx farany ny fijeriko
29. diamondra27 ( 18/06/2007 07:11)
xxx:

Tsy asiana adi-hevitra, fa amiko dia ny fitiavan-tena no tena fototry ny toetra ratsy iainantsika. Ny demony tsy tonga maka fanahy raha hitany mafy orina @ finoana ianao. Fa raha hitany kosa ny tendance-nao te-hieboebo sy tiatia-tena, tia voninahitra, tia harena, sns izay vao manatona izy. Ka io fahalemen-tsika io no araraotiny raha tsy miezaka manarina izany isika. Ny fahalemenao dia miankina aminao fa tsy miankina @ demony.

________________________________________

I TIMOTY 6:3-12


3 Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny an'i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,

4 dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala [marary] amin'ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy,

5 fifandirana lalandava, fanaon'ny olona vetaveta saina sady efa nialan'ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ho fahazoan-javatra.

6 Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra omban'ny fianinana.

7 Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa [satria] tsy hahatondra na inona na inona hiala.

8 Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany.

9 Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandetika ny olona ao amin'ny fandringanana sy ny fahaverezana.

10 Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra,
koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be.

11 Fa hianao kosa, ry lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.

12 Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazony ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro.
______________________________________

mitandrema fa tsy miady @ nofo aman-drà isika fa ny devoly
ny devoly dia miasa foana na malemy ianao na miorina
efa nampitandremana isika @io
hoy ny SM hoe: izay efa manao azy ho mijoro tsara dia aoka izy hitandrina sao ho lavo
tsy niteny izy we: ianareo malemy no alaiko asiako fitsapàna...

Ny marimarina kokoa angamba dia hoe: raha votompinoana ianao dia sarotsarotra @ devoly ny haka fanahy anao.
30. marozevo ( 18/06/2007 21:41)
Ahatsiarovako an-dRapatrisy io Tenin'Andriamanitra lazainao io...
Hono tokoa ho'aho eh... Mbola velona ve Rapatrisy, ary mbola mandeha tsara ve ny any Anosivolakely ?
31. xxx ( 19/06/2007 20:50)
10 Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra,


Ny vola tsy tianao @ maha-vola azy raha tsy entinao hanasoa sy hahametimety ny tenanao é.
Mba réalisme ihany isika é. Fitaovana entinao hitadiavana fiadanana ho @ fianinanao ny vola. Noho izany ny tenanao ihany no tianao eto.

Ary matoa Jesoa nampirisika ny fitiava-namana dia fantany fa mahasoa antsika kokoa izany noho ny fitiavan-tena.

Mitovy hevitra aminao aho @ ireo teninao farany ireo. Fa ilay hoe : fakam-panahy avy @ demony daholo ny fikasan-dratsy rehetra dia tsy d'accord @iny mihitsy aho.
Indraindray misy fahotana iniantsika atao nefa dia efa fantatsika be izao fa ratsy.
32. marozevo ( 19/06/2007 21:53)
Ka izay finiavana hanao ny ratsy izay ve tsy efa asan'ny devoly r'ise ?

Raha ny hoe avy amin'ny devoly daholo ny fakam-panahy dia izaho koa manaiky an'izany, ka tsy mitovy hevitra aminao. Saingy tsy manala tsiny ny tenako aho akory raha milaza fa avy amin'ny demony ireo, satria izaho no nanaiky ho resiny. Ka misy avy amiko ihany izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3866