Mitomany ny foko........!

1. sympa ( 11/06/2007 11:58)
Miala tsiny ry reto raha manoratra ity za fa otrany tena marary be mintsy ny foko ato.

Nisy topic izay nijereko tao @ forum iray izay izay mitovy @ serasera ity ihany fa @ teny vazaha le izy.

Namaky an\'le izy za de tonga de nahatsiaro izay olona ankirao izay.

Ny iray moa de ny Reniko malalako, izay efa any ankoatra any (feno 4 taona taminy 5 juin teo ny nahalasa azy) izay mitantana ny diako sy ny fiainako. Mandria ampihadanana anie enao ry neny malala.

Ny iray kosa dia namanko iray izay efa tsy eto koa izy izao fa efa any ankoatra any koa, namana tsy nahafoy za izy io ary za koa tsy nahafoy azy koa. Nifankatia izay ary nifankahazo koa ny resaka kanefa nohony lahatra de izy izao lasa nodimandry any @ ray izao. Mandria ampiadanana re ry malalako tsy foko izay, mbola misy ihany ny andro hifanenantsika any ho any. Veloma!

Zay ireto fa tafavoakako tao ampoko ilay nanahirana ana be tato atry maraina ka atry izao anoratako izao.

Misaotra anareo izay mamaky ity.
Hisaorako koa nareo izay hamaly fa ho tsy hitanareo kely aloa zao atoato.

Misaotra anareo rehetra. sympa.
novalian'i sympa ny 06/07/2007 09:36
2. diamondra27 ( 11/06/2007 12:07)
mahereza

indraindray de ilaina le malahelo fa raha fantanao fa hitondra aretina ho anao dia amboary kely le saina sy freiner-o kely ny fijerena ireny zavatra mampalahelo ireny

izay ange le mahatonga le we film interdit - de 10 ans na 12 ans na 16 ans satria manjary misy conséquences le izy de éviter-na

saisis-toi vite an! ok:wink:
3. Fiffi ( 11/06/2007 12:08)
sympa: marina fa ao ny lahatra....fa enao de mbola velona soamantsara ary hisaorana an'Andriamanitra zany ! ka ozy zah hoe:

-fiainana daholo zany , samy ho any daholo isika any aoriana any fa tombon-dalana ny an'zareo....

-aza atao mahakivy zany fa hatrakao foana ny loha....

-raha malahelo sy mijaly tahak'zao foana enao de tadidio fa halahelo mafy koh ny mamanao sy io olon-tianao io de tsy ho en-paix ry zareo mahita anao ohatran'zao !

-tadidio koh fa tsy mijanona mitsinjo anao ry zareo !

-de mahereza akia an ! de raha misy hanampiana anao de aza misalasala fa misy ny tena namanao tena tia anao am-fo...(zah io) sy ny sisa koh !

:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
4. karinah ( 11/06/2007 12:57)
sympa: marina fa mafy ny fisarahana (ara-batana) fa kosa tsarovy fa eo anilanao mandrankariva ry zareo ireo( ny mamanao sy ilay namanao izany) zaho aloha mino fa ny vatana ftsn no rava fa ny fanahy?(âme) tsy maty izany, ka aza kivikivy izany fa any an-koatra any mbola misy fiainana koa!(l)
5. karinah ( 11/06/2007 12:59)
ny tiko tenenina dia hoe: mbola hifankahita any an-koatra(io izay hinoana na lanitra na aiza fa zaho aloha dia mino fa mitohy ny fiainana rehefa maty ny olona iray!!)..ka mbola hihoana amin'izy ireo ihany ianao! mahereza!!!
6. nanoukely ( 11/06/2007 13:21)
:*:*:*:*:-*:-*=((=((
sympa:

Miala tsiny ry reto raha manoratra ity za fa otrany tena marary be mintsy ny foko ato.

Nisy topic izay nijereko tao @ forum iray izay izay mitovy @ serasera ity ihany fa @ teny vazaha le izy.

Namaky an'le izy za de tonga de nahatsiaro izay olona ankirao izay.

Ny iray moa de ny Reniko malalako, izay efa any ankoatra any (feno 4 taona taminy 5 juin teo ny nahalasa azy) izay mitantana ny diako sy ny fiainako. Mandria ampihadanana anie enao ry neny malala.

Ny iray kosa dia namanko iray izay efa tsy eto koa izy izao fa efa any ankoatra any koa, namana tsy nahafoy za izy io ary za koa tsy nahafoy azy koa. Nifankatia izay ary nifankahazo koa ny resaka kanefa nohony lahatra de izy izao lasa nodimandry any @ ray izao. Mandria ampiadanana re ry malalako tsy foko izay, mbola misy ihany ny andro hifanenantsika any ho any. Veloma!

Zay ireto fa tafavoakako tao ampoko ilay nanahirana ana be tato atry maraina ka atry izao anoratako izao.

Misaotra anareo izay mamaky ity.
Hisaorako koa nareo izay hamaly fa ho tsy hitanareo kely aloa zao atoato.

Misaotra anareo rehetra. sympa.



7. sitlo ( 11/06/2007 13:31)
Tandremo letsy fa sao dia lasa ohatra an'i dadanay eo ialahy ah. Safotra raha vao mahita razana. 8O
8. melody ( 11/06/2007 13:42)
sympa: mahaiza mihonona e dia mahereza hatrany:-*:-*
9. Fiffi ( 11/06/2007 13:44)
sympa:
Nisy topic izay nijereko tao @ forum iray izay izay mitovy @ serasera ity ihany fa @ teny vazaha le izy.
sympa an ! de aza mamaky an'zany intsony toi an ! ny eto hiany vakiana fa eto tsinona misy manampy anao ....:*:*:*


10. wooda ( 11/06/2007 14:34)
sympa:

(...)
Misaotra anareo izay mamaky ity.
Hisaorako koa nareo izay hamaly fa ho tsy hitanareo kely aloa zao atoato.

Misaotra anareo rehetra. sympa.



Za alo mbola ahita anla eh!
Fa na de izany kosa tsara rehefa avoaka ilay izy raha tsy izany ela no lasa adala eo!
Mahereza less a!

Manararaotra batterie fa efa maty ny jiro!
11. Fiffi ( 11/06/2007 15:04)
wooda:
Fa na de izany kosa tsara rehefa avoaka ilay izy raha tsy izany ela no lasa adala eo!
ié ! tena tsara mihiintsy ny namoahana an'zany halahelo be zany an ! de mahereza akia sympa an !


12. miantra ( 11/06/2007 15:28)
Mahereza Sympa fa ny fahatsiarovana na dia amin'ny zava-madinika indrindra aza tsy maintsy eo foana ah!

Mahatsiaro anao amim-bavaka e!

Mirary anao hahita fiononana feno.

Mino aho fa malahelo i Neny raha mitanondrika ianao ary ilay namanao koa onena mahita anao, andeha izatsy izy, mahereza an!!!:-*:-*:-*:-*
13. tess ( 11/06/2007 15:36)
sympa:cry: :-*
14. Fiffi ( 11/06/2007 18:57)
sympa: :-*:-*:-*:-*:-*
15. Mitah ( 11/06/2007 19:06)
Sympa, mankahery anao hatrany aho. Vao ny 24 mars teo no nodimandry ny reniko izay efa taona maro no nandaozanay mianakavy kely ny fianakaviana. Tsy mba afaka nandevina azy akory izaho sy ny vady aman-janako noho ny elanelan-tany sy ny tsy azo hialana. Vao naheno ny zava-nitranga aho dia nigogogogo nitomany nandritra ny andro vitsy.Nivonto ny tapo-tongotro. Nanatona mpitsabo aho ary nahazo fampitandremana. Mety harary fo na ho safotra lava eny rehetra eny na faly na ory raha mbola mitohy ny fiondrehana anaty fahoriana.hatanjaho ny saina ary tsy misy afa-tsy ianao irery ihany no afaka mibaiko ny ati-dohanao amin'izany. Mafy be tokoa izany kanefa izao no lazaiko anao. Ankino amin'Andriamanitra ny fiainanao.Vao naheno izay nolazain'ny dokotera aho dia nivavaka ary namafisiko ny saiko fa izay no anjarany. Nalahelo moa aho saingy tsy maintsy misy ny fisarahana. Mila misaina kely fotsiny isika fa raha vao tsy mitandrina ka lasa adala dia manahirana ny fianakaviana no mahamenatra amin'ny mpiara-monina.Raha efa ambady aman-janaka ianao dia ireo jerena izay hahatafita azy. Raha mbola mikasa kosa dia ny ho avy mbanjinina.Tsy mora ny manadino olon-tiana saingy isaky ny mahatsiaro azy ianao dia ny soa rehetra sy ny zavatra mampihomehy niarahanareo eritreretina dia hahatsiaro ho sambatra ianao. Izany no hataoko izao.Mizara izany amin'ny namako afaka mihaino ahy ka mahatsiaro ho maivana sy sambatra.Mivavaka ho anao aho ary mitondra teny fampaherezana avy aminay mianakavy.
16. cbd ( 11/06/2007 22:46)
Mahereza lesy éééé [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Respect/copains-9247.gif[/IMG]
17. Fiffi ( 12/06/2007 06:43)
[size=20]ho an'i sympa[/size]

Raha mila fanampiana ianao
Raha misy tsy mety ny hatao
Tsarovy aki eh !! fa any ho any
Misy namanao tena tia anao

Miandry fotsiny miandry pihy maso
Miandry ho kopahin-tanana
Fa vonon-kijoro handresy ny ankaso
Satria izany no tena namana

Raha misy zavamam-pahory
Ka mila tsy ahita tory
Tsarovy aki eh!! fa any ho any
Misy namanao tena tia

Mahantra sy osa mahantra harena
Nefa kosa tsy tia tena
Fa vonon-kianampy satria tia
Tsy mitady valiny sanatria

Raha matsiaro irery ianao indray(2)
Na marary nefa tokana iray
Tsarovy aki eh!! fa any ho any
Misy namanao tena tia

Tsy irery ianao fa misy mahatsiaro
Ka ny halahelo hatsaharo
Fa na ali-mikitroka na oram-baventy
Ho tonga tsy ho ela fa vetivety

Fihavanana tsy ho rava no ho hita ao
Fa madio sy hamairatra foana
Tsarovy aki eh!! fa any ho any
Misy namanao hatrany hatrany
18. cbd ( 12/06/2007 07:14)
Ao lesy fa mba aoka izay fa ndao handihy @ zay lesy tsika mitsam an :!: [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Musique/banan%26banan.gif[/IMG]
19. Fiffi ( 12/06/2007 08:35)
cbd: aleo mba omena fotoana kely kosa izy an ! :)
20. Rafotsy ( 12/06/2007 08:52)
Sympa :
Fomba ny fianana io fahatsiarovana mampitomany ny fo io , fa dia mahereza ary ny fotoana sambatra niarahana no visavisao !
Maherezà e !:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2758