Hiverina@ Indulgence indray

1. soaihany ( 11/06/2007 09:45)
Miarahaba antsika mpiserasera rehetra ahoana ilay hatreha mahefa miamboha mahavita ity indray angaha le kely tsy azo dominena intsony; dia haverina eto koa va ny indulgence satria miditra hatramin ny Vatican=D
novalian'i marozevo ny 15/06/2007 09:04
2. Fiffi ( 11/06/2007 11:09)
soaihany:
Miarahaba antsika mpiserasera rehetra ahoana ilay hatreha mahefa miamboha mahavita ity indray angaha le kely tsy azo dominena intsony;
tena tsy azoko.....


3. Imahaka ( 11/06/2007 12:48)
za mahazo ny tiany lazaina fa toa misy endrika fanesoana ilay izy fa tsy adi-hevitra sokafana hifampizarana hevitra, dia aleo tsy valiana.
4. hery ( 11/06/2007 13:46)
Arosoy sy hazavao tsara atrehina :-)

Hatrehi-mahefa, iambohoa-mahavita koa ny aty
5. Fiffi ( 11/06/2007 13:56)
hery:

Hatrehi-mahefa, iambohoa-mahavita koa ny aty
Hery: fa inona kay ny dikan'io azafady fa tena tsy azoko mihintsy an !


6. naughtyboy ( 11/06/2007 14:11)
rakatro kely tatsy ambadika nisy nanoratra an'io dinikaio oe @le: atrehimahefa ,iambohoa-mahavita ny fiangonana to tany @ express mo sa tribune no nilaza azy io asa na misy fifandraisany fa anazava eo le namoaka an'io fa aza matahotra ..
7. sonwin ( 11/06/2007 15:07)
:-w
8. xxx ( 11/06/2007 16:15)
Soaihany: olona toa te haneso izany ny fahitako anao, nefa na izany aza am-pitiavana no ampahalalana anao zavatra vitsivitsy tsy fantatrao:

1 - Ny tenin'ny Arseveka voalazan'ny mpanao gazety dia teny tsy feno, fa efa notapahana, na ninina notapahana mba hahafahan'izy ireo mahazo vola angamba na tsy haiko. Tsy io ihany no nolazainy fa misy teny hafa koa fanampin'io. Ivereno jerena na henona ny kabariny.

2 - Ny solon-tenan'ny vatikana tonga any Mada dia hijery sy hanadihady izay zava-misy marina. Zony ny manao izany satria: Pretra iny olona norohahana iny. Ny antony nahatonga azy ho voaroaka dia tsy mazava.

3 - Tiana ny mampafantrana anao fa tsy dia tsara loatra ny mamerina be fahantany izay lazain'ny hafa tsy misy fandinihana, satria manjary manalabaraka tena ohatra izao ataonao izao. Zavatra telo samy inoako fa tsy hainao aby ireo lazainao ireo: Voalaohany, ny resaka tenin'ny Arseveka; ny faharoa ny atao hoe indulgence, fahatelo, ny mikasika ireo solon-tenan'ny vatikana.

Mandehana am-pitiavana, ary ataovy am-pitiavana ny zavatra rehetra. Ho aminao hatrany anie ny fitiavan'i Kristy! Amen
9. vahiny2004 ( 11/06/2007 16:18)
Fiffi:


Hatrehi-mahefa, iamboho-mahavita koa ny aty

fa inona kay ny dikan'io azafady fa tena tsy azoko mihintsy an !




an han !!! mila mianatra sy mandalina teny gasy Fiffi
10. hery ( 11/06/2007 17:19)
Fiffi> Ny dikan'io ara-bakiteny dia hoe Rehefa misy manampy dia arahaba soa arahaba tsara, moa raha tsy misy manampy dia afaka mahavita tena.
11. Fiffi ( 11/06/2007 18:02)
Hery: misoatra anao ! :) heu...teny gasy vao2 zany io ? tena zay zah manko vao mba nahita an'io an !
12. mirana5 ( 11/06/2007 20:17)
Draindray mafy be amiko ny manao indulgente, tena tafitohina mihitsy aho ndraindray @ tenen'ny olona na ny ataon'ny olona Asa ahoana ny tokony eritreretina @ ny fotoana fisehoan'ny zavatra oatran'izany .Kivy TANTERAKA AHO e:snif::snif::snif:
13. marozevo ( 11/06/2007 21:36)
Napoitrako tary amin'ilay dinika hoe "mampalahelo" io "atrehi-mahavita, iamboho-mahefa" io. Hitako tao amin'ny gazety manko le izy. Ary io fanazavan'i Hery io no izy.
Io aloha dia tsy teny gasy vaovao izany fa efa nisy hatry ny elabe. Mbola boay kely izahay dia efa naheno izany.
Izany resaka indulgence izany tsy miditra amin'io resaka io. Marina ihany ilay hoe karazana fanesoana fotsiny no nanokafana ity sujet ity. Afa-tsy raha hoe tsy mahalala biby afa-tsy sahona angaha ilay anokatra ity.
14. Fiffi ( 12/06/2007 09:11)
de mba miandry an'nandefa ny dinika mba hanomé ny heviny zany....
15. soaihany ( 12/06/2007 10:15)
Andrasana tsara ny ondrin'Atra izay navotan'i Kristy ary atao izay tsy hivoahany ny valy; tsy ampirisihina hanompo sampy na hanadratra olona fa Tompo Mpahary ihany no mendrika izany:Izay no andraikitry ny Fiangonana sy ny mpitondra fivavahana.
Mampanaja ny lalàna mifehy ny tany sy ny fanjakana no andraikitry ny Mpitondra Fanjakana ary mampihatra ny lalàna napetraka fa harahina; tsy azon'iza fehezina na tsindrina na sanatria koa ho baikona izy eo am-panaovana ny asany.
Raha samy mahavita sy manao am-pitiavana ao anaty fahazavana ny asany tsirairay ireo antoko roa ireo dia ho tsara ambina ny Omby rehetra ka tsy hisy ho lasa any an-davaka na hitrotra sanatria.
Ary ny tena mahasambatra dia ho tonga any amin'ny fiainana mandrakizay ny olona rehetra.
16. xxx ( 12/06/2007 15:51)
soaihany: dia tsy hitako mihitsy izay zavatra tena mivohitra amin'ny zavatra lazainao. Ohatra ny olona tsy mitehin-tany izany no fahitako azy.

Manaraka dia te hanao teny midina ianao (didy jadona)ka tsy azo valina. Te hanamarin-tena nefa tsy tena manana hevitra mitombina dia manao teny tsy valina. Mbola tsy ianao tokoa no sendra ny teny midin'ny fanjakana ka mora aminao izany.

Efa tratran'izany ny tenanay ka mahalala ny hirifiriny ka tsy mantsy miteny satria tsy tianay raha ny malagasy rehetra no tratran'io.

Tadidiko tsara ny tenin'i Patric Ramanamanana taminay raha mba nandalo teny aminy mikasika ny taninay nalain'ny fanjakana nanaovana lalana (izay marihana fa tany misoratra aminay soa aman-tsara). Tamin'ny voalohany dia nampanantena izy fa tsy mantsy omena ny vidin'ny tany, ary omena vola koa ny olona mba hahafahany manorina trano avy eo. Efa misy vola natokana amin'izany hoy izy. Rehefa niverina anefa izahay tato afara, satria tonga ny mpandrava trano dia hoy izy: an'ny fanjakana ny tany rehetra ka alainy rehefa misy ilaivany azy.

Aza manody anao izany. Amiko dia tsy rariny io. Tamin'izany andro izany aho mbola tsy manan-kery hanoherana azy, fa ho avy ny fotoana, ary efa tonga sahady izy izao.

17. xxx ( 12/06/2007 16:19)
xxx> mampalahelo ny nahazo anao raha izany fa dia mankahery anao hahazo ny rariny amin'ny fanoherana azy.
Fa ny ambarako aminao koa anefa dia izao: mbola tsy ianao tokoa no sendra ny fanambaniana sy ny famingavingana ary ny tsindry azo lena ataon'ireny mena sofina misalotra ny maha-pretra ireny (Tsy ao anatiny i Navone, Reverdito, Pedro sy ilay Eveka any Ambatondrazaka).

Enga anie isika samy hahita ny rariny katsahintsika. Fa izaho dia tsy manaiky ary tsy hanaiky mihitsy ny hampiasana ny maha-pretra ho ampingam-panjanahana.

Hitoetra hatrany ao aminao anie Andriamanitra Fitiavana.
Hoy ilay efa fantatrao
18. xxx ( 12/06/2007 16:42)
Enga anie isika samy hahita ny rariny katsahintsika. Fa izaho dia tsy manaiky ary tsy hanaiky mihitsy ny hampiasana ny maha-pretra ho ampingam-panjanahana.

Miombon-kevitra aminao aho aloha ny amin'izay.

Fa tsy azoko dia hoe: ianao mahalala ahy. Avy eo mitanisa anarana pretra italiana raha ny fahitako azy eto. Ny iray no fantatro dia ny curé eny aminay amin'izao. Ny hafa kosa tsy haiko.

19. marozevo ( 12/06/2007 18:40)
Ho an'i xxx ilay manonona anarana Pretra : Ary mba azonao lazaina ve ilay ao anatiny ? Izany hoe ilay manao didy jadona araka ny filazanao azy.
20. ikaretsaka ( 12/06/2007 21:38)
eny tokoa hoa..
lazainao ny izy, ka mba lazao hoe ny tsy izy? (ankoatran'ireo efa lasan-ko razana)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2236