Momban'ny maso

1. rurik ( 11/06/2007 07:35)
Manahoana daholo , saika mba hanotany we ry namana efa nandeha teto ty fanotaniana ty fa efa voafafa dia tsy hitako tsony.
aiza angaha no misy dokotera afaka mitsabo maso we mba tena mahay ao madagascar?
ilay zaza gila maso be izany we tsy mahitsy ny fijeriny ka toa we mbola azo ahitsy hono raha mbola ankizy.
Dia misaotra betsaka anareo.
novalian'i rurik ny 19/06/2007 08:33
2. xxx ( 12/06/2007 08:48)
Be dia be ny mpitsabo maso mahay eto tanà. Midira hopitaly fa tsy hotenenin'ny mpitsabo foana ve ianao rehefa mbola afaka sitranina.
3. watafon ( 13/06/2007 04:50)
rurik :betsaka ophtalmo mahay eto dago k ! fa ny azoko atoro anao dia eo Ambatomena misy "CABINET PRIVE" mpitsabo maso , ny ankamaroan'ireo Professeurs mampianatra eny @ faculté miasa ao daholo, singaniko manokana i Pr Violette sy Pr Rabenantoandro Casimir.
Ao mandeha fa afaka mamaha olana anao tsara ireo
4. ikaretsaka ( 13/06/2007 05:22)
nareo kosa e.. rehefa nataon'andriamanitra ho voanjobory moa dia aza mitomany ho tsaramaso intsony e!
5. rurik ( 13/06/2007 06:46)
ikaretsaka:

nareo kosa e.. rehefa nataon'andriamanitra ho voanjobory moa dia aza mitomany ho tsaramaso intsony e!

mba diniho kosa efa mba misy fomba hanatsarana azy ve dia ho jerena fotsiny ????
izao izy efa hita fa tsy mahavita mijery olona fa menatra @ le aninin'ny ankizy dia , na ny fianarana aza dia midina atrany, raha misy ny azo atao tsy tsara raha jerena fotsiny.


6. rurik ( 13/06/2007 06:48)
Misaotra anareo betsaka fa ho jereko io dia rehefa vita milaza eto ihany aho .
mbola mamerina fisaorana ihany.
7. boga ( 13/06/2007 07:34)
fa iza aky ry Rurik no gila a! sa mba te hahafahtatra fotsiny nefa ;na de izany aza de misaotra ny fanorona ny Dr ihany e!
8. ravakamalala ( 13/06/2007 07:45)
efa henoko tokoa io p r violette io! tena malaza izy io
9. watafon ( 13/06/2007 12:38)
rurik betsaka ophtalmo mahay eto dago k ! fa ny azoko atoro anao dia eo Ambatomena misy "CABINET PRIVE" mpitsabo maso , ny ankamaroan'ireo Professeurs mampianatra eny @ faculté miasa ao daholo, singaniko manokana i Pr Violette sy Pr Rabenantoandro Casimir.
Ao mandeha fa afaka mamaha olana anao tsara ireo
10. rurik ( 14/06/2007 07:41)
boga misy avako izay aky any mampalahelo ery lasa sarokenatra be izy @ le maso fa efa mia lehibe ka izany no mahatonga ahy manotany eto. sao mba misy azo atao ihany.
11. rurik ( 14/06/2007 07:43)
watafon misaotra betsaka @ fanampiana fa efa nijery ny t@ net aho dia itako le izy fa ny N° tel no tsy mety asa na efa niova na ahoana fa niantso aho omaly dia olona hafa no azoko tao.
12. bozyboleta ( 14/06/2007 08:49)
Eny Soamanandrariny koa misy le hoe "Institut de la vision", an'ny advantista. Tena équipé be ry zareo eny ary misy Pr gasy koa miara-miasa aminjareo.
Mila maka RV fa somary be olona. 22 597 40 ny tel-ny
Eo Antanimena ampitan'ny vavahady ambanin'ny ESCA koa misy Pr gasy "Honorette R..." (tsy tadidiko) no anarany.
Mahay daholo ny ophtalmo gasy fa enao no mifidy
13. rurik ( 14/06/2007 10:59)
Misaotra betsaka aky ry bozyboleta an ,tena manana namana tokoa, andraso andramako atsoina dia ho hita eo fa misaotra anao betsaka.
14. xxx ( 15/06/2007 12:37)
Mahay daholo ny ankabeazan'ny ophtalmo eto dago ry rurik a! Fa ahiako fotsiny hoe tsy maintsy ho any @ hopitaly no atao ny opération raha misy. Misy hoe dr Aimée izay manao consultations indraindray ao @ crystal'optique toa mahay koa. Efa reko koa io Pr Violette io.
15. niryna ( 17/06/2007 05:12)
ikaretsaka:

nareo kosa e.. rehefa nataon'andriamanitra ho voanjobory moa dia aza mitomany ho tsaramaso intsony e!



:roll: Raha mbola azo tsaboana kosa dia aleo atao fa mijaly ny zaza rehefa lehibe.Misy manao io ary tena mahitsy mihitsy ny mason'ilay olona avy eo.Ny any dago aloha tsy fantatro fa efa misy fandrosoana betsaka isika koa mandehana fa aza mihemotra izany:lol:
16. rurik ( 19/06/2007 08:33)
Misaotra anareo betsaka fa manana namana tokoa fa ho jereko ireo dia ho hita eo:-*:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3079