Ny mahazava doza ny gaz carbonique sy ny herin-jiro?

1. niryna ( 10/06/2007 23:10)
Efa fotoana mangatsiaka izao any dago ka mitaraina ny olona.Mibonoka bodofotsy sy manidy trano hoy ry zareo.
Nahatsiaro ity tovolahy niasa tany ambanivohitra aho noho ny fahanginany dia noentiny ity anabaviny hiara hitoetra aminy.Nangatsiaka loatra ny andro ka tao an-trano ihany izy dahy no nahandro sakafo.Fantana charbon moa no nandrahoany sakafo ,ny varavarana nihidy,toy izany ihany koa ny varavarankely.Inona no nahazo hoy ianareo?Maty tao an-trano tao izy mianadahy.Faty no noentina niakatra.

Inona izany no mahazava doza ny gaz carbonique?
Misy zavatra tokony atao ve mba hiarovana an'io tsy ankarary na tsy ahafaty?

Nisy rangahy niakatra ny hazon-jiro.May ny courrant ilay rangahy ary dia nianjera tery amin'ny tany ka maty.Inona re no mety ho antony e,ahoana no may izy dia nianjera?Tsy ilay courrant no nahafaty azy a,fa ilay fianjerany dia ny lohany no nitotona aloha.
Maninona ny vorona no tsy may eny ambonin'ny taribia misy herin-jiro?

Raha resaka herin-jiro indray na courrant dia mba misy afaka hanazava ve isika ny antony maha zava -doza azy io?
novalian'i niryna ny 20/06/2007 04:49
2. xxx ( 11/06/2007 09:15)
Inona izany no mahazava doza ny gaz carbonique?
Tsy ny gaz carbonique (CO2) no tena loza fa ny monoxyde de carbone (CO). Izy io koa manko afaka mipetaka amin'ny hemoglobine, kanefa sarotra miongotra teo fa tsy tahaka ny CO2. Dia lasa tsy afaka mandray oxygene intsony ny sela mena amin'ny ra.
Misy zavatra tokony atao ve mba hiarovana an'io tsy ankarary na tsy ahafaty?
Efa betsaka ny fikarohana momba ny fisamborana C02, saingy mbola tsy misy mahatafavoaka procede misy performances ampy hampiharana azy @ grand public na industriel. Izany hoe tsy atao ao an-trano fatoriana fotsiny izany ny afo.
Sady tsara ho an'ny fahasalamana koa ange ny trano tsy misy saofazy e. Ny firakotra no hatevenina :wink:
Raha resaka herin-jiro indray na courrant dia mba misy afaka hanazava ve isika ny antony maha zava -doza azy io?
Mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina :wink:
Be dia be ny mety ho fiantraikan'ny herin'aratra amin'ny zava-manan'aina, tsy ary ho voatanisa eto daholo. Ohatra fotsiny io mampianjera io :°)
3. niryna ( 20/06/2007 04:49)
Misaotra xxx a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0737