Fiovana eo amin'ny fiainana.Ny mazana/ny tsara/ny tsy fahita
1. niryna
(
10/06/2007 22:48)
Afaka resahina daholo na ny fahazazana izany,na ny fahatanorana miha antitra,na lasa antitra ka mipetraka irery,na ny toerana akaiky lasa lavitra,na ny fiovana asa,na ny fiovana eo amin'ny lafin'ny fanambadiana na fisarahana na fahafatesana ka lasa mananontena.Na toerana tsy mbola fahita ka nahavariana.Malalaka be izy eto.
Inona no fiovana itanao tamin'ny fiainana ka nahatsiarovanao fa hafakely indrindra? Mazana be,mahafinaritra,na mampalahelo.Tsy voatery ho ianao fa na ny olona itanao,na ny namanao mitantara fotsiny ihany aza dia azonao ho resahina.
Misaotra betsaka e.

novalian'i cbd ny 14/06/2007 23:30
2. niryna
(
10/06/2007 22:56)
Raha eo amin'ny zavatra mampalahelo ahy sy tsy tantiko indrindra dia mijery ireny olona mitsipona fako hoentina mody ireny.Efa nahita aho nihinana ilay varimasaka eo amin'ny fako.
Ny zavatra narikoriko ahy indrindra dia ilay rangahy mpivaro-kena feno lelo ny oron'ny zanany vavy(mavobe mitsotsorika ny orona)tonga notrohany tany am-bavany.
Ny nahavariana ahy dia ny fahitana olona ngezabe sady lava ranjanana no ngezabe.
Ny mahafinaritra ahy sy fifalian'ny saiko dia ny mizara izay fahalalana kely nomena ahy sy noratovako.
Ny mampalahelo ahy dia mijery ireo antitra tsy mba misy mikarakara fa tsy manam-bola na tsy mba manana olona mijery.
Ny fahoriana hitako amin'ny olona dia ny reny manananontena miasa andro aman'alina