Fianarana Baiboly

1. xxx ( 10/06/2007 14:53)
Isany miteraka olana matetika ny fandraisana izay voasoratra ao anatin'ny Baiboly noho ny tsy fitoviana misy. Ao no miseho mahay Baiboly, ary ao kosa no heverina fa tsy mba mahay. Dia eo no mipetaka ny olana. Ka ireto mba misy fanontaniana vitsivitsy manitikitika.

1 - Boky natao ianarana ve ny Baiboly?

2 - Inona no atao raha hianatra ny Baiboly?

3 - Inona amin'ny Baiboly no ianarana?

4 - Raha mianatra tsianjery izay voasoratra ao anaty Baiboly ve dia azo lazaina hoe: mianatra Baiboly?

5 - Iza no afaka mampianatra Baiboly marina?

6 - Inona no tombon-tsoa avy amin'ny fianarana ny Baiboly? Inona no mety lafiny tsy dia tsara loatra avy amin'izany?


Ho amintsika hatrany anie ny fahazavan'i Kristy! Amen.

2. marozevo ( 10/06/2007 15:46)
Handray anjara amin'ny famaliana ity aho, nefa izay voavaliko ihany fa tsy izy rehetra.
Ny numero dia araky ny fanontaniana etsy ambony :
1 - Eny, azo ianarana tsara ny boky "Baiboly".

2 - Tokony ho atosiky ny finoana aloha, dia avy eo manana Baiboly sy manana boky hafa milaza momba ny Baiboly. Raha ireny Baiboly misy introduction isaky ny boky ireny no ampiasaina dia tsara.

3 - Izy rehetra raha vita.

4 - Tsy ny fahaizana tsianjery no ilazana fa mahay Baiboly. Ny fahaizana mametraka azy amin'ny contexte sy ny espritn'ilay texte no tokony hoezahina.

5 - Izay efa mahay Baiboly.

6 - Afaka mizara izay fahalalana; afaka mampita ka manatanteraka ilay hoe "Mandehana ianareo amin'izao tontolo izao..."; manana aim-panahy vaovao lalandava.
Izaho manokana tsy mahita lafiny tsy dia tsara loatra amin'izany.

xxx > Efa ao aminao, ka hitombo lalandava ao aminao anie ny fahazavan'i Kristy.


3. Fiffi ( 10/06/2007 15:53)
2 - Inona no atao raha hianatra ny Baiboly?
amiko aloha de ny fandehanana miangona any am-piangonana , mihaino ny filazan-tsara de isakin'avy miangona iny de jerena ao anaty Baiboly mba ahazahoana azy tsara sy hanohizana ny fianarana....
4. ikaretsaka ( 10/06/2007 16:27)
1 - Boky natao ianarana ve ny Baiboly?

Eny, saingy miovaova araky ny contexte sy domaine be dia be ny fianarana azy, azo ianarana izy @ maha boky azy (literatiora) , azo ianarana izy @ fangalana lesona araka izay teny voalaza sy ny tantara mitranga , azo ianarana izy araka ny toko sy andininy sy ny halavany, hafohiny, ny marimarika isan-karazany natao ao,
Amiko ny baiboly dia ohatran'ny telephone, azo ianarana tokoa ny hoe vita @ inona ny telephone, inona no maha samihafa ity telephone ity sy iry,puce inona ny ampiasaina sa ligne inona, ahoana ny facture sy ny sisa...
fa ilay teny sy hafatr'ilay olona miresaka aminao ao no important
tsy azo ianarana iny, fa personnelle,

2 - Inona no atao raha hianatra ny Baiboly?


ny fahafantarana hoe inona ny contexte sy ny zavatra tianao hianarana ao aminy sy ny antony hianarana azy: hanovozanao culture ve? History ve, Tantaram-pamomjena ve, zavatra nolazain'i paoly t@ titosy ve?, sy ny sisa

3 - Inona amin'ny Baiboly no ianarana?

mitovy @ Marozevo aho eto: Raha vita dia Izy rehetra, ny contexte rehetra.
Raha tsy vita dia raisina moramora eo

4 - Raha mianatra tsianjery izay voasoratra ao anaty Baiboly ve dia azo lazaina hoe: mianatra Baiboly?


Tsy ny fahaizana tsianjery ny ao no hoe mahay Baiboly, fa ny mahazo ny hafatra tiana hampitaina ka miaina izany ho an'ny tena aloha.. Dia avy eo amin'ny hafa!
Tsapako teto fa Raha vao ilay mitsimpona toko sy andininy be ireny dia lasa ireny ihany ny tadidy, fa ny tena anton'ilay izy hoe fa maninona no nilaza an'io i Jesoa ohatra... na hoe ho an'iza io: tsy fantatra akory.

5 - Iza no afaka mampianatra Baiboly marina?

Amiko dia ataoko hoe tsy misy, na ataoko hoe isika rehetra no mifampianatra, izao rehetra izoa dia afaka manome ny heviny, raha tokan tokoa manko ny mampianatra dia Izay fiheviny foana no tsy maintsy ampitainy aminao na iza io na iza. Tadidio fa izay nety taminy dia tsy voatery ho mety aminao koa. Io ilay hoe samihafa isika ary samy manana ny fahasoavana nomen'ny Tompo antsika tsirairay aby .
Echange io, ary izay fivelarana @ fifanakalozana izay no zava dehibe!

6 - Inona no tombon-tsoa avy amin'ny fianarana ny Baiboly? Inona no mety lafiny tsy dia tsara loatra avy amin'izany?
Ny Tombotsoa dia ny fahatsapanao tena aloha voalohany indrindra ka hahazoanao ilay hafatra ao ho anao manokana, dia ny fahafahanao mizara avy eo
Ny tombon-dratsy dia ilay manao jamba mifampitantana, sy ny fizahozahoana hoe nianatra!

tadidio fa tsy misy fanadinana momban'ny fahaizana baiboly @ andro farany, fa fanadinana momba ny toe-panahy!
5. pissoa ( 10/06/2007 16:28)
1 - Boky natao ianarana ve ny Baiboly?

miankina amin'ilay atao hoe "mianatra" :lol:

2 - Inona no atao raha hianatra ny Baiboly?

mivavaka dia mamaky baiboly/tsy baiboly, na mihaino ny mpamaky ... dia avy eo mandinika ny voalaza tao amin'ny baiboly/tsy baiboly :oops:

3 - Inona amin'ny Baiboly no ianarana?

ze zakan'ny atidoha :-D:-D:-D
fa amiko tokony atomboka amin'ny "tantara" sy ny mikasika azy aloha (context) izay vao ny toko sy andininy.

4 - Raha mianatra tsianjery izay voasoratra ao anaty Baiboly ve dia azo lazaina hoe: mianatra Baiboly?

Raha hoe nianatra tsianjery fotsiny dia ie - tena nianatra tokoa ! saingy mba nianatra ihany fa tsy nahay de bon, mitovy @ tsy nianatra zany ka inn moa :-D:-D:-D

5 - Iza no afaka mampianatra Baiboly marina?

Izay te hampianatra. Ny lentam-pampianarana fotsiny no tsy mitovy avy eo ... ny sasany avo lenta, ny sasany iva lenta ! :-D

6 - Inona no tombon-tsoa avy amin'ny fianarana ny Baiboly?

mahay ! :roll:
Inona no mety lafiny tsy dia tsara loatra avy amin'izany?

be zesta ... :-D:-D:-D
6. marozevo ( 10/06/2007 16:52)
Iza no afaka hampianatra matematika ?
Izay mahay matematika...

Iza no afaka hampianatra baiboly ?
Izay mahay Baiboly.
7. pissoa ( 10/06/2007 17:00)
tsy mitovy kosa e ! ny mpampianatra matematika dia ny sekoly na ny RAD no mitady anao ary mitaky diplôma sy qualifications zareo vao handray anao hampianatra matematika ny zazany eo raha handray ! ny "mpampianatra" baiboly kosa dia ianao indraindray tsy mitady mpampianatra akory dia efa avy ny sasany mandondona any aminao, ary tsy mbola tapitra akory ny fehezan-teny hitenenanao hoe efa misy mpampianatra aho dia efa be resaka eo ambaravaranao izy hampianatra hono :oops::-D:-D:-D
8. ikaretsaka ( 10/06/2007 17:32)
ka ny baiboly angaha mitovy amin'ny matematika?
9. pissoa ( 10/06/2007 20:14)
ka efa hoe tsy mitovy hoa :-D:-D:-D
10. marozevo ( 10/06/2007 20:18)
ka ny baiboly angaha mitovy amin'ny matematika?

Fa ianareo ve tsy nianatra logique e.
Iza no mampianatra matematika ?
Izay mahay matematika.
Iza no mampianatra Anglisy ?
Izay mahay anglisy.
Mitovy izany ny matematika sy ny Anglisy ?

tsy mitovy kosa e ! ny mpampianatra matematika dia ny sekoly na ny RAD no mitady anao ary mitaky diplôma sy qualifications zareo vao handray anao hampianatra matematika ny zazany eo raha handray ! ny "mpampianatra" baiboly kosa dia ianao indraindray tsy mitady mpampianatra akory dia efa avy ny sasany mandondona any aminao, ary tsy mbola tapitra akory ny fehezan-teny hitenenanao hoe efa misy mpampianatra aho dia efa be resaka eo ambaravaranao izy hampianatra hono


Kay ve ireny mahay baiboly eh ! Noheveriko hoe olona manao tsianjery monga izy ireny hatramin'izay. Soa fa nataonao entre-guillémets le hoe mpampianatra. Raha mba iangaviako izao ianao hanova an'io hoe "Aza atao hoe mpampianatra, fa ataovy hoe milaza ny tenany ho mpampianatra", dia valianao aho hoe "Izay voasoratro dia voasoratro".
11. pissoa ( 10/06/2007 20:52)
marina ny tenin'i Marozevo ! tsy voatery ho mpampianatra izy na dia nampianatra aza fa nilaza tena ho mpampianatra fotsiny. Fa za kosa anie tsy niteny hoe "mahay baiboly" ireny e :-D
sady zay kay le izy hoe
5 - Iza no afaka mampianatra Baiboly marina?
fa pissoa tamin'ny namaly dia afaka mampianatra fotsiny no novaliny fa tsy nasiany hoe marina :oops::oops::oops::-D
12. marozevo ( 10/06/2007 21:06)
Na za koa aza tratran'io fotsiny io.

Izay voasoratrao ve dia voasoratrao ? :D
13. LazaDaddy ( 10/06/2007 21:20)
1 - Boky natao ianarana ve ny Baiboly?
Natao iainana ny hafatr'Andriamanitra voarakitra aoamin'ny Baiboly

2 - Inona no atao raha hianatra ny Baiboly?
Manetry tena aloh voalohany indrindra: manaiky fa mila mianatra.

3 - Inona amin'ny Baiboly no ianarana?
tsy mety tapitra ny azo ianarana ao fa izao no torohevitra omeko: na izay kely hainao fotsiny aza no ampiharinao sy iainanao dia hiova tanteraka ny fiainanao sy hetahetanao ahafantatra ny fahamarinana.

4 - Raha mianatra tsianjery izay voasoratra ao anaty Baiboly ve dia azo lazaina hoe: mianatra Baiboly?
tsia

5 - Iza no afaka mampianatra Baiboly marina?
Ny Fanahy Masina

6 - Inona no tombon-tsoa avy amin'ny fianarana ny Baiboly?
Hoy i Jesoa hoe "ho fantatrareo ny fahamarinana, ary ny fahamarinana dia hanome fahafahana anareo". Voasoratra ihany koa hoe "Ray masina o! Manamasin anay amin'ny fahamarinana, ny Teninaono fahamarinana". Io ilay Teny tonga nofo (Izaho no fahamarinana hoy i Jesoa).

14. marozevo ( 10/06/2007 21:34)
Za tsy d'accord amin'ilay hoe ny Fanahy Masina no mampianatra Baiboly.
Tsy d'ac aho noho ireto antony roa ireto :
1 - Ny Fanahy Masina dia manilo sy manamasina fa tsy mampianatra Baiboly. Tsy hoe tsy mahay izy, fa manankina amin'ny olona tsiloviny.
2 - mifanohy amin'io. Raha ny Fanahy Masina no mampianatra, nahoana no tsy ny olon-drehetra no ampianariny hahay Baiboly.
15. LazaDaddy ( 11/06/2007 01:55)
marozevo:
Raha ny Fanahy Masina no mampianatra, nahoana no tsy ny olon-drehetra no ampianariny hahay Baiboly
Valiny:
LazaDaddy:
Manetry tena aloh voalohany indrindra: manaiky fa mila mianatra.
16. pissoa ( 11/06/2007 01:58)
de ny olona rehetra tsy "mahay" baiboly ve izany dia tsy mba manana fanatre-tena hianatra daholo ?! :oops::oops::oops:
17. niryna ( 11/06/2007 02:07)

1 - Boky natao ianarana ve ny Baiboly?

Natao ianarana ny Baiboly ary afaka mianatra daholo ny rehetra.

2 - Inona no atao raha hianatra ny Baiboly?[quote]

[quote]
3 - Inona amin'ny Baiboly no ianarana?

Tsy misy fetrany,satria tantara maro no ao ka anjaranao no mianatra izay tianao,miankina ny tsirairay io.Mahavaky ny Baiboly rehetra moa ianao vao maika tsara .

4 - Raha mianatra tsianjery izay voasoratra ao anaty Baiboly ve dia azo lazaina hoe: mianatra Baiboly?
Sarotra ny mianatra tsianjery ny Baiboly saingy raha mahay tsianjery ianao ka mampiatra azy amin'ny fiaianana dia tena tsara.

5 - Iza no afaka mampianatra Baiboly marina?

Afaka mampianatra daholo izay nomen'Atra fahasoavana ka mizara izay nianarany,isika rehetra izany.Tsy mba mila diploma ny fizarana ny fahaizana izay nianarana mikasika ny ao anaty Baiboly.

6 - Inona no tombon-tsoa avy amin'ny fianarana ny Baiboly?
Mampiasa izay voalaza ao anatiny.Manana fanantenana.Lasa manantona ny fisainan'i Jesosy koa ianao satria manaraka ny didiny.
Inona no mety lafiny tsy dia tsara loatra avy amin'izany?
Tsy misy lafy ratsiny ny fianarana Baiboly fa mifanohitra amin'izany no misy dia :Nahay nidera an'Atra,nangataka famelan-keloka,namela ny fahavalo,nangataka izay sahaza sy izay tian'ny Tompo ,ary nahay nisaotra Azy.


18. sitlo ( 11/06/2007 02:44)
Aiza no tsy hisy lafy ratsiny. Tsy noeritreretina fotsiny angamba.
Mandany fotoana indrindra raha mampiana-tena fa tsy misy mpampianatra.
Mahakivy (deprime) indrindra fa raha tsy nahalala azy hatry ny mbola kely satria ny tanana zatra mitsotra voalohany, ampian'ny zavatra efa vita mitaky fanenenana...

Raha aravona dia arakaraky ny famaritanao hoe ratsy ny tombo ratsy sy tombo tsarany. Fa ity angamba ny fototra araky ny fahitako azy. "Avelao ny zavatra rehetra dia andao hanaraka ahy".
19. ikaretsaka ( 11/06/2007 05:04)
Voalaza teo :
ny "mpampianatra" baiboly kosa dia ianao indraindray tsy mitady mpampianatra akory dia efa avy ny sasany mandondona any aminao, ary tsy mbola tapitra akory ny fehezan-teny hitenenanao hoe efa misy mpampianatra aho dia efa be resaka eo ambaravaranao izy hampianatra hono

hoy i Marozevo
Kay ve ireny mahay baiboly eh ! Noheveriko hoe olona manao tsianjery monga izy ireny hatramin'izay. Soa fa nataonao entre-guillémets le hoe mpampianatra. Raha mba iangaviako izao ianao hanova an'io hoe "Aza atao hoe mpampianatra, fa ataovy hoe milaza ny tenany ho mpampianatra",


miombon-kevitra

Hoy i marozevo:
Raha ny Fanahy Masina no mampianatra, nahoana no tsy ny olon-drehetra no ampianariny hahay Baiboly
Valiny:
Hoy i LazaDaddy:
Manetry tena aloha voalohany indrindra: manaiky fa mila mianatra.


Ekena ary fa mila mianatra .. dia iza no hampianatra?
dia miodina eo foana!
"mpampianatra"
Kay hoe olona manao tsianjery monga izy ireny hatramin'izay. Soa fa nataonao entre-guillémets le hoe mpampianatra. Raha mba iangaviako izao ianao hanova an'io hoe "Aza atao hoe mpampianatra, fa ataovy hoe milaza ny tenany ho mpampianatra",

eeee oay reto nareo o!
20. Fiffi ( 11/06/2007 06:54)
"LazaDaddy":
Manetry tena aloh voalohany indrindra: manaiky fa mila mianatra.
ary raha tsy mahay mamaky teny le olona de ahoana ? nefa mba mandeha miangona hiany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2348