Fianarana Baiboly

21. marozevo ( 11/06/2007 07:56)
Voalaza teo :

5 - Iza no afaka mampianatra Baiboly marina?

Afaka mampianatra daholo izay nomen'Atra fahasoavana ka mizara izay nianarany,isika rehetra izany.Tsy mba mila diploma ny fizarana ny fahaizana izay nianarana mikasika ny ao anaty Baiboly.

Afa-tsy ny mety handikana ny hoe fahasoavana angaha, fa amiko kosa dia anisan'ny olana eo amin'ny fampitana ny hevitr'Andriamanitra ny filazana fa afaka mampianatra baiboly daholo isika rehetra. Raha hoe mizara izay experience personnelle dia ekeko, fa raha ny hoe tena mampianatra kosa amiko dia izay mahay Baiboly no tokony hampianatra baiboly. Ny olana manko, rehefa tsy tena mahay baiboly no mampianatra baiboly, dia roritina araka izay itiavan'ny saina azy ilay izy.
Miala tsiny fa izany indrindra no tsy itiavako ilay manatrika toriteny eny an-tsena na eny an-dalam-be.
22. diamondra27 ( 11/06/2007 08:04)
xxx:

Isany miteraka olana matetika ny fandraisana izay voasoratra ao anatin'ny Baiboly noho ny tsy fitoviana misy. Ao no miseho mahay Baiboly, ary ao kosa no heverina fa tsy mba mahay. Dia eo no mipetaka ny olana. Ka ireto mba misy fanontaniana vitsivitsy manitikitika.

1 - Boky natao ianarana ve ny Baiboly?


valiny: ye , manao études bibliques mba hamantaranao ny zavatra tokony iainanao sy arahinao

ohatra:Tandremo ny didiko mba ho velona ianareo
ao anaty baiboly, raha tsy hainao ny dikan'io dia ataonao ahoana ny hiaina @ilay izy?

2 - Inona no atao raha hianatra ny Baiboly?
Manantona fiangonana izay tianao sy mandresy lahatra anao, dia ao @io fiangonana io misy sampana fianarana teny soratra masina
azonao atao koa ny mianatra teny soratra masina par correspondance na eto @internet

3 - Inona amin'ny Baiboly no ianarana?
Arakaraka ny disponibilité-nao io
tsy voatery fa rehefa afaka ianao dia manatrika ilat fampianarana. Amin'izay fotoana izay ny zavatra ianaran dia ny Teny soratra masina,
Io dia arakaraka ny fiangonana misy anao, ny any adventiste zao de misy le école de sabat iny , ny an'ny protestant indray de miankina @ mpitondra sy fanapahan-kevitra eo
(t@ mbola kely de efa nozarin'ni dada nitory teny izahay, mandray teny SM dia manazava iny isankariva. Samy ankizy no mitory , de avy eo nony lehibe de nanaraka fampianarana t@ sampana tany ampiangonana de misy fianarana ho a@izany ao )


4 - Raha mianatra tsianjery izay voasoratra ao anaty Baiboly ve dia azo lazaina hoe: mianatra Baiboly?

voalazanao fa fianarana tsianjery fa tsy fianarana baiboly; samy hafa izany amiko

5 - Iza no afaka mampianatra Baiboly marina?
efa voalaza tetsy ambony fa any @ sampana any @ fiangonana no tokony hianatra baiboly
Misy olona efa nofanina t@izany
Indraindray koa anefa dia misy fikambanana hafa tsy miankina dia misy fianarana baiboly ataony toy ny seminera sns ... dia azo raisina koa izany fampianarana izany
Rehefa mampitombo ny fiainana ara-mpanahy amiko dia tsara fa tsaratsara kokoa raha manana toerana iray ianao = miankina @ fiangonana.
Ny fantako ihany koa izao izay nahasoa ahy ary tsy nisy naharatsy azy dia ny fanaovana tafika masina
Any manko mety ho ianao mihintsy nomitarika ilay fanompoampivavahana sy mandrindra, manao pratika ny zavatra nianaranao izany.

6 - Inona no tombon-tsoa avy amin'ny fianarana ny Baiboly?

Tena misy mahasoa tokoa satria ny zavatra nianaranao raha pratike-nao dia ianao no sambatra indrindra sy efa mizatra ilay fiainana ho avy sy efa nampanantenaina.
Ho hita taratra eo @ fiainanao fa tena olonkafa ianao fa tsy olon'izao tontolo izao, raha toa ka manaraka izay voalaza

Tsy afaka ny hanatanteraka izay voasoratra ao rehetra anefa ny olombelona satria mbola misy ilay nofo, dia izay no antony ianarana ny baiboly mba hamantarana, ho fitaratra itarafanao ny fiainanao

Raha sendra fitsapàna na ady ianao ka tadidinao ireny promesses de Dieu ireny de tsy ho ketraka ianao
Hanana fifaliana lalandava
hahay hionona @ z hanananao
tsy tia vola aman-karena na zavatra mora lo fa mikatsaka ny fanjakan'Atra

Aina ho an'izay mahazo azy ny tenin'Atra ary fanasitranana ho an'ny nofony rehetra





23. diamondra27 ( 11/06/2007 08:17)
Hoy ny Baiboly ao @ Jeremia 1:6-8
"Indrisy Jehovah Tompo,indro tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza
Fa hoy Jehovah tamiko: aza manao hoe mbola zaza aho, fa andeha @ izay hanirahako anao hianao, ary izay rehetra andidiako anao no hambaranao
Aza matahotra azy hianao, fa momba anao hamonjy anao Aho , hoy Jehovah



raha olona voaantson'Atra ianao na dia tsy manana diplaoma na fahalalana aza dia io voalazany io hoe: ampiasainy hitory

Alohan'ny voaatsoan'Atra Anefa dia misy dingana tokony arahinao dia ilay fanekenao ny helokao sy fanekenao Azy ho tompon'ny fiainanao

Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo.
Io koa dia efa voalazany

rehefa voafidy ianao dia lasa mitory ny famonjena...
24. marozevo ( 11/06/2007 21:42)
Diamondra ah ! Ny fanontaniana ange hoe "mampianatra" e. Fa tsy hoe mitory....

Ny amin'ny fitoriana dia mitovy hevitra aminao aho.
25. ikaretsaka ( 12/06/2007 03:55)
diam...samihafa ny mampianatra sy ny mitory ka !
ohatra tsotra
raha sanatria "mitory fitiavana" aminao ve aho de midika ve aminao fa "hampianatra fitiavana" anao? hmm? :wink:
26. marozevo ( 12/06/2007 08:04)
Heveriko fa efa fantatrao ny atao hoe fitiavana matoa toriko aminao.
27. Fiffi ( 12/06/2007 09:19)
ikaretsaka:

raha sanatria "mitory fitiavana" aminao ve aho de midika ve aminao fa "hampianatra fitiavana" anao? hmm? :wink:
hummm....hafahafa hiany marina...


28. ikaretsaka ( 12/06/2007 21:57)
izay mantsy!

fa mandeha ihany ilay resaka... ahoana ny ahalalana hoe "nahazo ilay fahasoavana" ka afaka hitory sy hampianatra ny olona iray?
29. diamondra27 ( 12/06/2007 23:02)
poika! fianarana no nanontaniany fa tsy mampianatra koa.


de eo ny fahalalako azy we tsy mila mahay mandaha-teny fa refa notendreny sy voafidy ianao de tsy maintsy mitory na milaza ilay vaovao azonao e!


ohatra izao an: nisy olona iray tsy nahita fianarana, tsy nahalala momba zany Jesosy zany taloha , de nitoriana t@ ny famonjena dia nanaiky an'i Jesosy ho tompon'ny fiainany izy
de nanomboka ni s'intéresser we ahoana no ataoko etc...
talohan'izay aloha de faly be izy ary nitantara t@manodidina azy ny fiovana sy fahasoavana azony.

Tsy mila ianarana izany fa tonga ho azy le fihetsiny...

30. diamondra27 ( 12/06/2007 23:09)
ikaretsaka:

izay mantsy!

fa mandeha ihany ilay resaka... ahoana ny ahalalana hoe "nahazo ilay fahasoavana" ka afaka hitory sy hampianatra ny olona iray?



io aloha amiko dia mila hoe: FANTATRO IZAY INOAKO

Rehefa fantatrao fa iza marina no inoanao, tsy hisy hangozongozona izany fa mijoro hatr@ farany ny hevitrao ianao

de ny @ fahasoavana izany rehefa manompo an'Atra ianao , nanaiky an'i Jesosy tompon'ny fiainanao dia na tianao nba tsy tianao de hisy fiovana eo @ fiainanao; ho tsapanao sy hita taratra aty ivelany izany satria efa -tu es la lumière du monde tsy azo afenina intsony de


Alohan'izay aloha izany de manaraka fivoriana sy fampianarana sy miasa ho an'i Tompo ianao fa tsy manao croiser les bras
de eo @ le expérience no isehoan'ilay fahasoavana satria iainanao le izy sy inoanao.
mirotsaka aminao ny don na dons
@izay fotoana izay dia tokony fantarinao we: inona le azonao.
31. ikaretsaka ( 13/06/2007 04:15)
fantatrao izay inoanao: fa iznay ve midika hoe nomena fahasoavana hitory ianao. ko tsy hitory aby isika rehetra na ny TENA mahafantatra na ny MODY mahafantatra?
Dia izay fintompoana fahafantarana ny inoanao izay indrindra; tsy io ve le miteraka arrogance? satria misy izao eto tsy mahafantatra ny antony hinoany ilay zavatra ataony akory fa miseho be mokony dia ilay lasa sarotra ahitsy fa ny azy ihany no marina (zavatra mitranga eto io tantaraiko io an)
za tsy manda ny finoanao, na ny finoako, fa hoe fa maninona aho na ianao no mino an'io zavatra inoanao io?
manaraka fivoriana sy fampianarana, ok , dia iza no mampianatra? sa hanao ny tenany ho ataon'izay mitarika ho voasasa atidoha?

32. diamondra27 ( 13/06/2007 10:33)
ika: ka anjaranao ange no mijoro @ zay efa nifikiranao e!
tsy terena ny olona tsy hiteny zay zavatra inoany

ohatra izao misy mpanompo sampy be eto, mitory ny zavatra azony t@izany izy, nahazo vokatsoa volabe sns
de mihaino. Tsy voatery hanaraka izay lazainy ianao

ohatra koa zao misy silamo, mitantara ny finoany sns izy de hanaraka azy ve ianao? mety ho eny mety ho tsia fa dia ianao ihany no tompon'ny safidy
33. ikaretsaka ( 13/06/2007 13:27)
diamondra.. ilay publicite be kosa aloha hoe mahazo an zao sy zao za raha manao izao, amiko, dia efa mivoana, meme na kristianisma aza! tsy commercial Andriamanitra amiko.
na izany aza anefa, tsy mampaninona ahy ny manontany sy mandalina laaaaaaaalina be ny momba ny finoany sy ny fiheviny momban'ny finoako.mba hanampy ahy handalinako ny ahy koa
34. ari.malala ( 14/06/2007 12:23)
1 - Boky natao ianarana ve ny Baiboly?


Eny natao ianarana ny Baiboly

2 - Inona no atao raha hianatra ny Baiboly?


Mila mamaky sy mahafantatra ny ao anatiny aloha, satria sarotra be izany mihinan-kena tsy fantatra anarana izany, dia avy eo manatona olona efa manam-pahaizana afaka mampianatra.

3 - Inona amin'ny Baiboly no ianarana?


Raha ny tsara ve tsy izy rehetra moa raha vita!! nefa ny fianarana ny Baiboly dia tsy mety tapitra fa ahitana zava-baovao mampangetaheta foana!

4 - Raha mianatra tsianjery izay voasoratra ao anaty Baiboly ve dia azo lazaina hoe: mianatra Baiboly?

Tsia

5 - Iza no afaka mampianatra Baiboly marina?

Amiko dia ireo olona nandalina manokana momba ny Baiboly, ohatra hoe ireo teolojiana, na pretra na relijiozy.

6 - Inona no tombon-tsoa avy amin'ny fianarana ny Baiboly? Inona no mety lafiny tsy dia tsara loatra avy amin'izany?


Ny tompbon-tsoa v? afaka mahafantatra ny Baiboly sy izay ao anatiny, ny hafatra entiny. Ny lafiratsiny? raha entina bontolo sy tsimponina lava ary interpreter na amze itiavana azy izy de lasa tsisy dikane le fianarana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2724