Jehovah sa Bala no Andriamanitrao?

1. xxx ( 10/06/2007 05:45)
Ary ankehitriny maniraha hamory ny Isiraely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitra Karmela,ary ny mpaminanin'i Bala dimam-polo amby efa-jato,izay mihinana eo amin'ny latabatr'i Jezebela.Ary nankeo amin'ny olona rehetra Elia ka nanao hoe:Mandra-pahoviana no hiroa saina hianareo?Raha Jehovah no Andriamanitra ,manaraha Azy;fa raha Bala kosa,dia manaraha azy.Fa ny olona tsy namaly azy akory.Dia hoy Elia tamin'ny olona:Izaho dia izaho irery ihany no sisa amin'ny mpaminan'i Jehovah;fa ny mpaminanin'i Bala kosa dia dimam-polo amby efa-jato lahy....26-Dia naka ny vatotr'ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy,dia niantso ny anaran'i Bala hatramin'ny maraina ka mandra-pitataovovonan'ny andro izy nanao hoe:Ry Bala ,henoy izahay !Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory.Ary nihinjakinjaka tamin'ny alitara izay nataony izy.Ary nony nitataovovonana ny andro dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany,fa andriamanitra izy,angamba sondrian-dresaka izy,na miavela na nisy nalehany na matory izy ka tsy maintsy hofohazina ..nefa tsy nisy nanoina,na namaly na niahino azy akory.37-Mihaino ahy,mihaino ahy ,Jehovah ,mba hahafantaran'ireto olona ireto fa Hianao no mampiverina ny fony indray.38-Dia latsaka ny afon'i Jehovah..40-Ary hoy Elia taminy:Sambory ny mpaminan'i Bala ;aza avela hisy afa-mandositra izy na dia iray akory aza.Mpanjaka 18:19,26,37,40

Mandany andro mihaino sy mamaky ny tenin'Andriamanitra ve ianao toy ny mamaky gazety sy manao zavatra hafa?
Manaraka ny rehetra izay hivarina any an-kady ve ianao sa mitady ny feon'Andriamanitra ary manaraka Azy irery ihany?

Tsy tia mifandahatra ny olona aho raha resaka finoana.Tsy mino ny tenin'Andriamanitra ho tsy maitsy arahina aho ka hanery ny olona hino.Hoy Jesosy hoe "Izaho no lalana mankany an-danitra.Tsy afaka mankany ianao raha ny asa tsara vitanao,na ny volanao,na ny zavatra hafa afa-tsy Izaho irery ihany".

Izao no teniniko amin'ny olona:"Raha te ho an'ny an-danitra ianao,raiso Jesosy Kristy.Raha tsy te-ho any an-danitra ianao,lavo Izy.Tsotra fotsiny,tsy mila miady hevitra amin'izany.
novalian'i xxx ny 15/06/2007 15:27
2. Fiffi ( 10/06/2007 06:35)
Mandany andro mihaino sy mamaky ny tenin'Andriamanitra ve ianao toy ny mamaky gazety sy manao zavatra hafa?
sur ve enao fa fandaniana andro ary azo atao "comparaison" am famakiana gazety sy ny fanaovan-javatra hafa ny famakiana ny tenin'Andriamanitra ? de rehefa vita ny famakiana an'le gazety de tsy misy anilavana azy intsony de hariana avy eo ? heu.....:-w:-w
Tsy tia mifandahatra ny olona aho raha resaka finoana
nefa oy enao hoe
Mandany andro mihaino sy mamaky ny tenin'Andriamanitra ve ianao toy ny mamaky gazety sy manao zavatra hafa?
Manaraka ny rehetra izay hivarina any an-kady ve ianao sa mitady ny feon'Andriamanitra ary manaraka Azy irery ihany?
Tsy mino ny tenin'Andriamanitra ho tsy maitsy arahina aho ka hanery ny olona hino
raha ny olona mino kosa aloha tsy hanaraka zay ho lazainao satria enao hiany aza de efa tsy mino ny tenin'Andriamanitra ho tsy maintsy arahina an !
heu....tsy mifanohitra ve zany zavatra lazainao zany ?
.Tsy mino ny tenin'Andriamanitra ho tsy maitsy arahina aho ka hanery ny olona hino.
nefa ozy enao indray hoe
Izao no teniniko amin'ny olona:"Raha te ho an'ny an-danitra ianao,raiso Jesosy Kristy.
3. tywa68 ( 10/06/2007 07:03)
Tsy tia mifandahatra ny olona aho raha resaka finoana.

Tena sarotra tokoa fa misy olona koa anefa faly sy mahay mizara zany vaovao mahafaly zany, dia avelao izy hanohy.:wink:
4. marozevo ( 10/06/2007 12:26)
Tsotra fotsiny,tsy mila miady hevitra amin'izany.

Tsotra fotsiny, rehefa tsy hiady hevitra ianao dia aza manketo.
5. Fiffi ( 10/06/2007 12:38)
"xxx":
Tsotra fotsiny,tsy mila miady hevitra amin'izany.
de tsy tokony natao ity dinika ity raha izany ! mazava ho azy !
"marozevo":
Tsotra fotsiny, rehefa tsy hiady hevitra ianao dia aza manketo.
f'ita hoa eh ! mahagaga le xxx mandefa ny dinika an ! de atao inona fotsiny zany io dinika io ?
6. marozevo ( 10/06/2007 12:41)
Mampihomehy !!...
Mampalahelo !!...
Nefa koa mampisaina
7. Fiffi ( 10/06/2007 12:43)
sady misy contradictoire be le zavatra lazain'ny xxx....
8. xxx ( 10/06/2007 14:43)
linarako2: maninona no manao xxx ianao nametraka ity sujet ity sy ilay iray mikasika ny famadihana io fa tsy sahy niseho hoe: linarako2? Sa matahotra ny hoe,manohitra ny zavatra nolazaina?

Na miafina aza ianao fantatra ihany anie. Ny hevitrao tsy tianao iadin-kevitra dia efa mitory izany. Ny tsianjery baiboly sy fampitohitohizana azy, sns...

Mahereza e!
9. Fiffi ( 10/06/2007 15:49)
xxx:

linarako2: maninona no manao xxx ianao nametraka ity sujet ity sy ilay iray mikasika ny famadihana io fa tsy sahy niseho hoe: linarako2? Sa matahotra ny hoe,manohitra ny zavatra nolazaina?

Na miafina aza ianao fantatra ihany anie. Ny hevitrao tsy tianao iadin-kevitra dia efa mitory izany. Ny tsianjery baiboly sy fampitohitohizana azy, sns...
heu....raha izany tokotrany de mahagaga hiany....ady hevitra tsinona no atao eto...fa zo-ny koh ny miditra xxx......


10. marozevo ( 10/06/2007 15:53)
Tsy hoe misy contradictoire be ny hevitr'i xxx, fa bedebe ny xxx. Sa ilay voalohany mihitsy no misy contradictoire ?
11. Fiffi ( 10/06/2007 15:59)
marozevo: le voalohany mintss no misy contradictoire satria ozy hoe:
Tsy mino ny tenin'Andriamanitra ho tsy maitsy arahina aho ka hanery ny olona hino
nefa njay ozy avy eo hoe :
Izao no teniniko amin'ny olona:"Raha te ho an'ny an-danitra ianao,raiso Jesosy Kristy.
zao ve akia tsy contradictoire ?
12. marozevo ( 10/06/2007 16:03)
Sao dia mba mihevitra kosa izy hoe misy tsy te-ho any an-danitra ny olona.

En tout cas aloha misy contradiction tokoa io e.
13. xxx ( 10/06/2007 18:32)
xxx:

linarako2: maninona no manao xxx ianao nametraka ity sujet ity sy ilay iray mikasika ny famadihana io fa tsy sahy niseho hoe: linarako2? Sa matahotra ny hoe,manohitra ny zavatra nolazaina?

Na miafina aza ianao fantatra ihany anie. Ny hevitrao tsy tianao iadin-kevitra dia efa mitory izany. Ny tsianjery baiboly sy fampitohitohizana azy, sns...
tsy atao mahagaga io e!rehefa te-hitaraina dia i niryna no miditra fa rehefa te-hamely dia linarako2 no miditra!nefa olona iray hiany ireo e!


14. marozevo ( 10/06/2007 20:28)
Gravy koa 'nareo izany raha hanao analyse semiologique an...
15. pissoa ( 10/06/2007 22:50)
:-D:-D:-D
16. niryna ( 11/06/2007 02:26)
[quote=xxx]
Miantsoa mafy ihany,fa andriamanitra izy,angamba sondrian-dresaka izy,na miavela na nisy nalehany na matory izy ka tsy maintsy hofohazina ..nefa tsy nisy nanoina,na namaly na niahino azy akory.
:roll: Ny anay Andriamanitra velona,mihaino,mamaly ary miaro.

Mandany andro mihaino sy mamaky ny tenin'Andriamanitra ve ianao toy ny mamaky gazety sy manao zavatra hafa?

Araka ny olona io,mamaky ny tenin'Atra aho saingy ilaiko fantarina ny dikany.Mamaky gazety mba te ahalala ny vaovao.Tsy mitovy aloha ny fotoana lany e,fa hiezaka raha azo atao.:cry:

Manaraka ny rehetra izay hivarina any an-kady ve ianao sa mitady ny feon'Andriamanitra ary manaraka Azy irery ihany?

Samy manana ny safidiny io,ny fanarahana ny tenin'Atra no hiezahako.

Tsy tia mifandahatra ny olona aho raha resaka finoana.Tsy mino ny tenin'Andriamanitra ho tsy maitsy arahina aho ka hanery ny olona hino.

Marina aloha izany,safidy io hoy aho kanefa ahoana izany no hianarana ny tenin'Atra raha izany?
Hoy Jesosy hoe "Izaho no lalana mankany an-danitra.Tsy afaka mankany ianao raha ny asa tsara vitanao,na ny volanao,na ny zavatra hafa afa-tsy Izaho irery ihany".
Angaha kosa moa afaka hividy famonjena.Finoana ihany.Ny finoana no namonjena antsika.

Izao no teniniko amin'ny olona:"Raha te ho an'ny an-danitra ianao,raiso Jesosy Kristy.Raha tsy te-ho any an-danitra ianao,lavo Izy.

Hisy tsakotsakona izany,fa raha ny faniriako aloha dia ny ho an'ny an-danitra e,eto ary aho may ny rano mafana efa mijafaka koa8-)

Tsotra fotsiny,tsy mila miady hevitra amin'izany.

Io efa miady hevitra io sa manome hevitra dia ahoana?
17. marozevo ( 11/06/2007 21:53)
Fa angaha kosa ry Nyrina foromporonina araka izay itiavanao azy ity Tenin'Andriamanitra ah.
18. pissoa ( 12/06/2007 02:25)
:-D:-D:-D
19. ikaretsaka ( 12/06/2007 03:15)
eny tokoa hoa?
20. niryna ( 12/06/2007 05:11)
pissoa:

:-D:-D:-D

foronina ahoana aky a,ny fanontaniana sy izay voasoratra ao no hamaliako azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2611