Jehovah sa Bala no Andriamanitrao?

21. sonwin ( 12/06/2007 07:06)
:roll::@
22. marozevo ( 12/06/2007 08:19)
Azafady ! Tsy Nyrina kay fa i xxx, ilay nanokatra ity sujet ity no mamoromporona. Azafady Nyrina ah...
Hoy Jesosy hoe "Izaho no lalana mankany an-danitra.Tsy afaka mankany ianao raha ny asa tsara vitanao,na ny volanao,na ny zavatra hafa afa-tsy Izaho irery ihany".
Izao no teniniko amin'ny olona:"Raha te ho an'ny an-danitra ianao,raiso Jesosy Kristy.Raha tsy te-ho any an-danitra ianao,lavo Izy.Tsotra fotsiny,tsy mila miady hevitra amin'izany.

Izao ve tsy mamoromporona ?
23. Fiffi ( 12/06/2007 09:28)
sady ozy hoe"
Tsotra fotsiny,tsy mila miady hevitra amin'izany.
24. miangalyandria ( 12/06/2007 16:00)
xxx : K'efa hoe koa mbola hoe ihany !
25. marozevo ( 12/06/2007 19:11)
Hita f'izany koo
26. ikaretsaka ( 13/06/2007 04:20)
Tompo o!:roll:
27. prime ( 13/06/2007 14:17)
Raha izaho aloha ry xxx dia Andriamanitra no fidiko amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ary mivavaka mandrakariva aho mba hotehiriziny mandra-pialako eto an-tany ka ho any Aminy amin'ny mandrakizay..
28. xxx ( 15/06/2007 15:27)
xxx:

Mandany andro mihaino sy mamaky ny tenin'Andriamanitra ve ianao toy ny mamaky gazety sy manao zavatra hafa?

Tsy niteny aho ratsy ny fandaniana andro? Mitovy ve ny andro na ora hamakianao baiboly sy ny hamakianao gazety na manao zavatra hafa ?

Manaraka ny rehetra izay hivarina any an-kady ve ianao sa mitady ny feon'Andriamanitra ary manaraka Azy irery ihany?

Moa ve ianao manao izay ataon'ny rehetra manaraka ity fiainana mandalo sa mitady ny marina mandrakariva ka mampitombo ny finoanao an'Andriamanitra?
Fa mandosira ny fialan'ny tanora fanahy ary miezaha mitady fahamarinana,finoana
,fitiavana,fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio
2Tim2:24-25

Tsy tia mifandahatra ny olona aho raha resaka finoana.

Sarotra ny mandresy lahatra ny olona rehefa mbola tsy te-hanantona an'ny Tompo izy.

tsy mila miady hevitra amin'izany.
Raha resaka fivavahana na hafa dia milaza ny hevitra indray mandeha na indroa,tsy voatery hamerina an'iny intsony fa anjaran'ny tsirairay no mino na tsia.Ao anaty baiboly misy mitovy amin'io.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2577