An'isany lesona iray ilaina @ mahakristiana

1. niryna ( 07/06/2007 07:17)
Mora tezitra lava ity zazalahy ka nomen-drainy harona kely feno fantsika .Isaky ny tezitra ialahy hoy izy dia fatsiho amin'ity ny fefy.Tamin'ny voalohany dia 37 no isan'ny fantsika nataony teo amin'ny fefy,ary dia nihena niandalana izany.Indray andro izy dia niteny an-drainy fa tsy namantsika intsony(niala tsikelikely ny fahatezerana ary farany dia afaka izy,lasa moramora ho azy ilay izy noho ny namantsika ilay fefy :roll:)
Izao ary hoy ny rainy,isaky ny mitady ho tezitra ialahy ka mahay manindry fo dia esory ilay fantsika.Nataony miandalana tokoa ilay izy ary niala daholo ilay fantsika tamin'ny farany.Dada hoy izy,tsy misy fantsika intsony eo amin'ilay fefy:D Notantan-drainy ity zanany ary noentiny nijery ilay fefy.Hitan'ialahy ireo dihim-pantsika ireo,nanaratsy ny fefitsika,tsy mitovy ny fefy teo aloha intsony izy izao.:cry:

Rehefa miteniteny foana,na manao teny tsy voahevitra ao anaty fahatezerana isika dia toy ilay fefy.
Mitovy amin'ny manindrona antsy ka maratra ilay olona
Na imbetsaka aza isika no mifona ary mamela antsika ilay olona ,mbola ao foana ilay dian'ny ratra na fery
Ny teny mandratra fo dia ratsy lavitra noho ny kapoka.

Alohany hitenenana dia fidio tsara izay vava avoaka.
Aleo tsy miteny fa sarotra ny hamerina an'iny teny navoaka iny.
Jesosy kristy efa nampianatra antsika ny hifankatia,ny hifamela,ny ho tia ny fahavalo ary ny aza manisy ratsy ny fahavalonao.Anisany nampianariny antsika ireo ka afaka ampiarina amin'ny fiainana andavanandro,ireo ihany koa dia anisany taratra ahalalana fa kristiana isika.
Ho Azy irery ihany anie ny voninahitra^:^
(l)niryna

novalian'i niryna ny 14/06/2007 04:54
2. nathie86 ( 07/06/2007 07:27)
azo atao dimy minitra ny soratra masina any ampangonana lay izy.
hoy ianao "ny teny mandratra ny fo dia ratsy lavitra nohon'y kapoka"
Iombonako hevitra @nao io, d misaotra mizara eh:)
3. Poun ( 07/06/2007 08:57)
tena mahafinaritra
ary mampahery anao foanana @ asan'ny Tompo
4. lila ( 07/06/2007 12:04)
za ki ry ry nirina de olona masosotra be mitsy refa tezitra, tena nahafaly ahy ny nahita ity fa misaotra nizara e.
5. prime ( 07/06/2007 13:50)
Noheveriko hilaza ilay raim-pianakaviana hoe isaky ny tezitra ianao ka mamantsika dia Kristy no fantsihanao...

Misaotra nyrina a...

Mahereza, tohizo fa mahaliana...
6. niryna ( 07/06/2007 14:07)
nathie86:

azo atao dimy minitra ny soratra masina any ampangonana lay izy.
hoy ianao "ny teny mandratra ny fo dia ratsy lavitra nohon'ny kapoka"
Iombonako hevitra @nao io, d misaotra mizara eh:)

tsy misy fisaorana e,
Ny teny hono dia toy ny antsy maranitra manindro ary toy ny tantely mamy ihany koa ka afaka mamelina ny aina dia ny vatana,ny saina ary ny fanahy.:D

Nisy hira nilaza an'io fa tsy tadidiko.:wink:

7. niryna ( 07/06/2007 14:08)
Poun:

tena mahafinaritra
ary mampahery anao foanana @ asan'ny Tompo

misaotra poun a!:*

8. niryna ( 07/06/2007 14:10)
prime:

Noheveriko hilaza ilay raim-pianakaviana hoe isaky ny tezitra ianao ka mamantsika dia Kristy no fantsihanao...

Misaotra nyrina a...

Mahereza, tohizo fa mahaliana...

Azo oharina Aminy ihany koa ity tantara ity ka.


9. niryna ( 07/06/2007 14:20)
Nasain'ity mpampianatra nanao sary fo ngezabe ny mpianatra ary noresahiny hoe asio marika ilay fo isaky ny misy zavatra na olona nahasosotra anao na nanome fanafintonana anao.Samy nanao daholo ny ankizy ary ity iray ity dia feno x x x ilay fo.Io izany no azo porofoina iray fa maratra ny fon'olona amin'ny ataon'ny mpiara-belona aminy na ny tenany no manao an'izany na izy no ataon'ny olona.Ity vavy kely iray dia feno x tanteraka ny sarin'ilay fo.Tsy ny olona no maninona amiko hoy izy fa ny tenako mihitsy no tezitra amin'ny tenako ka izany no nasiako x amin'ny sary fo rehetra:cry:
10. ikaretsaka ( 07/06/2007 14:38)
niryna> tsy tadidiko fa toa nisy nitantara an'io t@ ilay Zezoita malaza atao hoe Anthony Demelo izay http://www.elsajoy.com/spiritus10.html arodany ny fefy aza... dia aza mety ho bornee intsony fa mivelara misokafa fa efa fefy tsisy fantsika io intsony
11. xxx ( 07/06/2007 14:44)
ikaretsaka:

niryna> tsy tadidiko fa toa nisy nitantara an'io t@ ilay Zezoita malaza atao hoe Anthony Demelo izay http://www.elsajoy.com/spiritus10.html arodany ny fefy aza... dia aza mety ho bornee intsony fa mivelara misokafa fa efa fefy tsisy fantsika io intsony



:roll:=))=))
12. pissoa ( 07/06/2007 17:31)
Ika : =D=D=D:-D:-D:-D
13. linarako2 ( 08/06/2007 20:33)
pissoa:

Ika : =D=D=D:-D:-D:-D


:roll::roll::cry:
14. linarako2 ( 08/06/2007 20:35)
Enga anie ka mba toy izany daholo isika indrindra.
15. linarako2 ( 08/06/2007 20:37)
Enga anie mba toy izany daholo isika rehetra satria efa nomen'Andriamanitra ny fahazavana ka mbola afaka mifampianatra soratra masina
16. prime ( 13/06/2007 10:18)
niryna> Mankasitraka hatrany... mampalahelo tokoa ilay tovovavy kely raha izany...
17. niryna ( 14/06/2007 04:54)
prime:

niryna> Mankasitraka hatrany... mampalahelo tokoa ilay tovovavy kely raha izany...

:D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.444