fampitandremana, hafatrafatra

1. diamondra27 ( 07/06/2007 06:58)
alohan'ny hirosoana @ mariazy.Na ho an'ny lahy na ho an'ny vavy dia mila io daholo

Afaka mizara izay azony lazaina daholo ve isika
Inona ny miandry anao ao @ tokantrano? Na fifaliana na fahoriana fa manjary sao de kivy eo kosa raha fahoriana fotsiny no voalaza ...
Etc
nahita le dinika atsy io mankpo aho dia mba tsaratsara kokoa raha mba fantany mialoha na fantan'izay te-hiroso @ mariazy ny miandry azy.
Tsy araka ny fiheverena we: tiko le olona dia ampy.

novalian'i kintana9 ny 22/06/2007 15:19
2. kallie ( 07/06/2007 07:08)
ra za alo efa nait sombiny iany satry efa niara nipetraka zay e, mila mifandefitra b sady mila compréhension, fa ra vô tsy misy communication, ra vô tsy mifampiresana d... eo ny tranony. Ary za mino oe, ny fototry ny olan'ny pivady reetra d io tsy faampin'ny communication io, satry vizana, varina mikarakara sns, d adino io. Fa za maita oe na olana grave b toni ar ra vitanle couple ny mifampiresaka d misy vahaolana fônafôna.
Ny maafinaritra ndray ve? way, bdb kou, sa tsy miaombonkevitra amiko nareo?
Refa misy zazah ndray no tsy aiko....;-)
3. meva2 ( 07/06/2007 07:33)
Amiko manokana dia dans le sens inverse no andraisako azy izany hoe:
- Fitiavana aloha izay vao mariazy.
- Fa tsy hoe mariazy vao fitiavana.
Izany hoe alohan\'ny mariazy dia tokony efa naturel sy fantatra ny fizaràna ny mamy sy ny mangidy.
Ny miampy angamba dia hoan\'ireo tsy niara nipetraka alohan\'ny mariage dia ny fifankazahoana ara toetra, ara-panabeazana. Io no zava dehibe mahatonga ny tokantrano maharitra na nisy na tsisy mariage.
Betsaka mantsy ny mihevitra fa ny mariage dia \"point du non retour\" izany hoe rehefa une fois tafiditra dia voageja, ka mitarika tsy fifankazahoana be dia be.
4. xxx ( 07/06/2007 09:11)
manaraka fiofanana sy manao dinika mariazy dia mandeha ho azy ny tokatrano.Any amin'ny fiangonana katolika betsaka ny sampana nofanina manokana hampiofana. Manantona ireny!
5. Jeankely ( 07/06/2007 09:28)
Tsy katolika ihany fa ny finoana rehetra misy izany. Ny hoe fitiavana vao mariage aloha dia tsy ny taloha ihany no hoe vady amboarina ka ao vao mampitombo ny fitiavana. Ankehitriny no tena amboarina be aza fa miaraka amin'ny technologie vaovao fotsiny. Olona tsy mifankahalala fa mifanoratra sy "Chat" dia raikitra ny farany. Rah ilay mimfankatia sy mifampizaha toetra dia tsara saingy rehefa misaraka mety misy ny vizana. Ny tokatrano dia araky ny efa voalaza eo ambony misy sy mamy sy ny mangidy ary tsy voatery avy amin'izy roa no mahatonga ny mangidy tsy telina fa ao ny sampona sy ny loza voajanahary. Lazaiko anareo fa misy olona efa mivady vao telo taona dia lasa adala ny iray. Raha amin;ny saina hafa dia hoe iza no anambady adala fa hipitsio, ny amin'ny sasany hoe efa nekena dia mifmpitady eo. Fa raha tia vady, zanaka tsy dia mivaky loha amin'izay manja any ivelany izany fa ny mahasoa ny ao antrano no zahavina.
6. Ralay ( 07/06/2007 09:37)
Ireo voalazan'i kallie ireono tena zavadehe alohan'ny hirosoana amin'ny mariazy:
Fitiavana,fifandeferana,firesahana ny rehetra na tsara na ratsy ary fifanampiana ao antokatrano. Raha tomombana ireo dia hizotra aradalana ny tokatranonao.
Hiroso @ mariazy angaha njy ry diamondra27? :wink: aza hadino ny fanasana hihinanay gato e :lol:
7. booboo ( 07/06/2007 09:54)
-Fifandeferana fifandeferana ary fifandeferana hatrany
-miresaka, miresaka miresaka ary miresaka foana.

Ouz lay namako be resaka (:-P) ray zay hoe : handalo olana mbola tsy ary niainanao hatrizay mihitsy ianao ao : fifandraisana @ havam-bady (reniny, anabaviny, sns). Tsisy afa-tsy fandeferana ny vahaolana @ io rehefa @ zay fotoana zay. Mianara-mandefitra. Aza mangataka aminy ny hisafidy na ho ianao na ny havany fa tsy mety izany : iray rà aminy ireo, nahalehibe sy nitaiza azy ireo, iray tam-po aminy ireo sns. Mandefera tahaka ny zozoro.
8. Fiffi ( 07/06/2007 10:46)
booboo:

-Fifandeferana fifandeferana ary fifandeferana hatrany
-miresaka, miresaka miresaka ary miresaka foana.
eka ouz !(booboo):)


9. bozyboleta ( 07/06/2007 11:01)
Ankoatra ireo efa voalaza teo aloha ireo de ampiako an'le teny atao matetika refa manapaka gato iny, indrindra ho an'ny kristiana:
"Jesoa no miara-manapaka aminay ny tokantranonay".
Tsy ho an'ny mpivady ihany io fitenenana io fa indrindra koa ho an'ze manatrika eo mba ahafantarany fa azy mivady tokoa ny tokantranony ary masimandidy @ io izy. Matoa manambady de mahazaka tokantrano zay ka tsy mila ny hafa mitsabatsabaka ao. Matetika fahita tokoa de ny avy aty ivelany no manakorontana ny mpivady.
Fa raha tena mampihatra io hoe Jesoa no miara-manapaka ny tokantrano io ny mpivady de milamina ny fiainana
10. kallie ( 07/06/2007 13:15)
ie, ra vô manaiky idiran'ol afa d eo ko ny tranony. Idirany atrany ampandrina oz mamanay zay, hihihi
11. pissoa ( 07/06/2007 16:31)
mamaky fotsiny aloha :-D:-D:-D
12. Ralay ( 07/06/2007 17:48)
Rehefa manambady ianao dia ny vadinao sy ny zanakao no tena fianakavianao fa ireo ihany no azo atokisana na dia tsy manary ny havanao akaiky aza ianao. Tsy misy afaka manapakevitra ny fiainanareo raha tsy ianareo roa ihany @ zavatra rehetra.
13. Jeankely ( 08/06/2007 02:57)
Mahay daholo ireto namana ireto sady ahitana lesona milalay mihintsy an.
14. diamondra27 ( 08/06/2007 06:03)
Atao vonona ny trano andraisana ilay vahiny sy ny fitaovany.

ataovy izay iraisan-kevitra @ fanapahana rehefa misy décision fa raha vao ny 1 ihany no manao le décision de mety malahelo le akiray sady lasa ady ny hiafarany

mba omeo teny mamy matetika ny vhv sy surpriz

tolory tsiky ny lhl raha vao misditra ny trano, avelao izy haka aina fa tsy tonga de sesehana fanontaniana be de be...
15. nikopol ( 08/06/2007 06:13)
za aloha mbola tsy nanambady fa hitako hoe tsara rehefa noana iny ilay lehilahy dia tolorana sakafo ary raha mangetaheta dia omena rano ...

16. bozyboleta ( 08/06/2007 06:32)
Ny tena maha-tokantrano ny tokantrano koa de le mpivady mitokana trano.
@ zao noho ny resa-bola de betsaka ny tanora no miara-mipetraka @ RAD na de efa manambady aza. Raha mbola manana fahavononana hiezaka de aleo tsy miara-mipetraka @ havana izany. Manimba zavatra betsaka io ary tsy mahatsiaro ho mahaleo-tena sy tompon'andraikitra mihitsy ny tanora rehefa mbola eo anatrehan'ny RAD.
Misy koa RAD mahita ny zanany eo aminy eo de tsy misalasala miteny toy ny fanaony t@ zanany mbola tsy nanambady. De io matetika no miteraka korontana.
17. diamondra27 ( 08/06/2007 11:32)
raha vô misy mitsabaka zany aloha @ mariazy de vita hatreo e!


nareo mitsam rery aza misy blem maika fa i anona sy anona miara-mipetraka

izay ilay maha-tokatrano azy, anareo fa tsy iraisana @ fianakams


18. diamondra27 ( 08/06/2007 11:37)
tsy resaka we materialista na tsia fa nan de trano bongo aza tsy maninoa satria misy tantely ao toy izay tranobe arahin-dromoromo


tsy adala nge ny ntaolo e!efa fantany mialoha ny zava-miseho

koa de tsakotsakoy tsara doly zany retra retra zany alohany enao ho bevoka fa tsy mafàna fo we: ndao hanao mariazy satria bevoka za...c trop tard
lasa amour forcé sy misy contrainte le izy...


de @zao fotoana koa tsara raha manana asa vao mitokantrano fa mazana be ny adidy miandry= charges na tompotrano enao na mpanofa mitovy doly

19. bozyboleta ( 08/06/2007 14:50)
Mpandefa : nikopol [ Valio ] 08-06-2007 08:13:29
za aloha mbola tsy nanambady fa hitako hoe tsara rehefa noana iny ilay lehilahy dia tolorana sakafo ary raha mangetaheta dia omena rano ...


Sôlafa atao betsaka hi-servira an'i nikopol!
20. diamondra27 ( 08/06/2007 17:27)
zay koa zao ny hafatrafatra ho anareo lhl, aza afangaro mihintsy ny adidin'ny vady sy ny solafa fa tsy natao hosolafanareo na solon'i neninareo zahay vhv fa mampisy olana io

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0719