FAMANGIANA MARARY

1. naritsimba ( 04/06/2007 12:56)
Ilazana isika namana eto Tana fa ny namantsika Voahirana dia niditra Hopitaly androany 4 Jona 2007, eny @ Hopitaly Militaire Soavinandriana (ex-Girard et Robic) porte 409.

Ny fotoana hamangiantsika azy dia rahampitso Talata 5 Jona 2007 @ 6 ora hariva ka eo anoloan'ny vavahadin'ny Hopitaly no fotoana.

Misaotra antsika mialoha.

Naritsimba
novalian'i niryna ny 08/06/2007 18:42
2. diamondra27 ( 04/06/2007 13:12)
dia mampamangy any sy mirary fahasalamana tanteraka ho azy ary mivavaka ho azy.
Aza adino fa naheno ny namana avy lavitra ary nous sommes avec elle we.

Dia lazao izy fa tokony ho raisiny Jesosy sao izao ny ora farany. Tsy mirary loza fa mba miteny ny marina sy ny adidy tsy maintsy atao.
3. tsiafoi1 ( 04/06/2007 13:16)
mivavaka ho azy ary mirary fahasitranana aingana
4. ftma ( 04/06/2007 13:16)
Mirary fahasalamana sy mitondra ambavaka azy
5. glou ( 04/06/2007 13:20)

voaray fa dia manentana antsika namana rehetra fa ny toa izao no tena hahafantarana sy ampisehoana ny maha namana , zay fa dia eny izany ny fotoana rahampitso,
glou_
6. ari.malala ( 04/06/2007 13:25)
tena ts maints amin'ny 6 v? zay mirava @6 nefa mbola aty Antaninarenina no miala :-( raha tena ts maints io ny fotoana d mirary soa sy mampamangy zany e!
7. tsiafoi1 ( 04/06/2007 14:25)
mirary fahasitranana aingana ho an'i Voahirana
Mivavaka ho azy
8. mamzelkely ( 04/06/2007 14:41)
de mirary fahasalma ho azy sy mivavaka hatrany ho azy fa ts ho tratra alou le fotôna am 06h rapirtso :)
9. sitlo ( 04/06/2007 15:04)
Mampamangy ihany koa ny avy aty.
10. ikaretsaka ( 04/06/2007 15:40)
mampamangy any koa e.. efa avy any aza nareo vao hitako ity koa
11. Fiffi ( 04/06/2007 17:25)
mampamangy any koh fa zay vao hitako ity .....de miraray ho sitrana aingana...
12. tslem ( 04/06/2007 18:13)
Dia mirary fahasitranana ho an'i Voahirana izany e, dia misaotra antsika rehetra izay ho avy ka hamangy.
13. naritsimba ( 05/06/2007 04:41)
misaotra an'izay afaka ho any ary dia ataonay tonga soa any aminy ny firarian-tsoa izay atolotrareo ho azy.
14. ari.malala ( 05/06/2007 13:36)
Tena tsy tratrako izany ilay fotoana fa dia mirary soa sy mampamangy any ny tenako e!
15. diamondra27 ( 06/06/2007 11:12)
de nanao ahoana le marary aloha e!
efa metimety ve?

16. sasa ( 08/06/2007 11:28)
efa tsy maninona ilay marary, fa d misaotra antsika namana rehetra tonga namangy.
17. kelly13 ( 08/06/2007 12:16)
d bon couraghe hono oe zany :)
18. Fiffi ( 08/06/2007 16:09)
courage :)
19. niryna ( 08/06/2007 18:42)
sasa:

efa tsy maninona ilay marary, fa d misaotra antsika namana rehetra tonga namangy.


Misaotra anareo rehetra solontena namangy tany e.
Mirary azy ho salama tsara e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5054