Namaky Baiboly ve ianao? Eny ry dada!

1. niryna ( 04/06/2007 07:32)
**Nandeha nandrato fianarana lavitra ity tovolahy.Nampitondrain'ny rainy Baiboly izy ary nafarany ny hamaky an'iny sy hanankina ny fiainany amin'Atra.Nety tsara ny fianarany nandritra ny taona roa,noho ny fahatelo dia niharitra ny vola teo am-pelantanany.Isaky ny miresaka aminy ny rainy dia manontany azy foana raha namaky Baiboly izy.Ny valiny dia eny foana.Nitaraina izy fa tsy manam-bola intsony ary nanomboka nitady asa teny anjorona teny.Mafy ry dada ny fiainako fa vonjeko ny fianarako,vonjeko koa ny asako,hoy izy.Reraka mafy izy noho ny fianarana sy ny asa ary niafara ny fidirany hopitaly.Tonga namangy azy tany ny rainy,ary tsy nitsahatra nanontany azy ihany raha namaky Baiboly izy.Eny ry dada hoy izy.
Rehefa nody izy mianaka dia nasain-drainy nomena azy ilay Baiboly ary mbola nanontaniany ihany hoe tena namaky Baiboly marina ve ialahy?Eny ry dada.
Tsy fantatr'ity tovolahy fa nasian-drainy vola isaky ny pejy ilay Baiboly saingy nandainga izy satria tsy te-hanome alahelo an-drainy ka dia nilaza fa namaky ilay Baiboly foana.
Akory anefa ny fahagagany:roll: rehefa noraisiny ny Baiboly fa feno vola tao.


**Tsy hita nandritra ny enim-bola ity solomason'ity ramatoa,hay ilay izy tao anaty Baiboly.:roll:


**Nalahelo mafy ity tovovavy noho ny tsy fitiavan'ny mpiara-miasa azy.Nony tonga tany an-trano anefa izy dia nivavaka ary nangataka famelan-keloka fa tezitra noho ireo namany.Rehefa nanokatra ilay Baiboly izy dia nahita teny fampaherezana fa tsy azy ny famaliana fa an'Atra.^:^

Ny sakafo manome hery sy tanjaka ny vatana.
Ny Baiboly kosa dia ampinga entina miady amin'ny fiainana, @ ny fahavalo ary @ny herin'ny satana.
Ny Baiboly dia manampy ny vatana ,ny saina ary ny fanahy. Ny Baiboly dia manome fanantenana,fitiavana,fifaliana hery,tanjaka,fiainam-baovao,fampaherezana,
fahasoavana,fahalalana ny marina,fatahorana an'Atra,fanarahana ny didiny,ary harena sarobidy ho an'ny fanahy.

Rehefa natao ny fandinihina dia

-Ny olona iray hono dia mamaky Baiboly:

10mn/andro,6h/volana,3andro/taona,7volana ao anatin'ny fiainana.

-Ny olona iray dia mijery TV:
3ora/andro,90ora/volana,45 andro/taona,9taona ao anatin'ny fiainana.

DINIO NY FAHASOAVANA TSIRAIRAY NOMEN'NY TOMPO ANAO.
DINIO NY ZAVATRA NATAONY TAMIN'NY FIAINANAO REHETRA DIA ANKASITRA SY DERA ARY HISAOTRA NY ANARANY MANDRAKARIVA IANAO.
(l)niryna
novalian'i prime ny 13/06/2007 08:35
2. ikaretsaka ( 04/06/2007 14:43)
Ny Baiboly kosa dia ampinga entina miady amin'ny fiainana, @ ny fahavalo ary @ny herin'ny satana.
Ny Baiboly dia manampy ny vatana ,ny saina ary ny fanahy. Ny Baiboly dia manome fanantenana,fitiavana,fifaliana hery,tanjaka,fiainam-baovao,fampaherezana,
fahasoavana,fahalalana ny marina,fatahorana an'Atra,fanarahana ny didiny,ary harena sarobidy ho an'ny fanahy.


1)Amiko sy inoako fa hahatsara kokoa ny fitohin'ny resaka angamba dia
Aleo ahitsy kely hoe tsy ny baiboly fa ny Tenin'Andriamanitra, Raha vao baiboly manko dia domaine definie ilay izy . fa raha atao hoe Tenin'Andriamanitra dia infini... satria Andriamanitra dia infini!

2) amiko manko dia tsy ny baiboly no masina fa ny Teny ao aminy, ohatran'ny an'ny katolika hoe tsy ny kalisy na ny ciboire na ny patenina no masina fa ny divay niova ho ran'i Kristy sotroina sy tehirizina ao anatiny!
3. marozevo ( 04/06/2007 20:49)
Maranitra i nyrina raha hitady tantara manaitra an
4. ikaretsaka ( 04/06/2007 20:53)
fa mba fanontaniana kely, ny baiboly ve izany fanaovana tsabo 3 sa fanaovana magie?
5. marozevo ( 04/06/2007 21:11)
Ahoana tokoa re izany e !!!..
Tokony tsy ho izany kosa aloha ny Baiboly e.
6. niryna ( 05/06/2007 06:02)
marozevo:

Maranitra i nyrina raha hitady tantara manaitra an

Ity iray ity indray tantara marina ka
7. niryna ( 05/06/2007 06:06)
marozevo:

Maranitra i nyrina raha hitady tantara manaitra an

Ilay ramatoa very solomaso koa tantara marina.Faly ery izy nitantara tany am-piangonana hoe hitany ihany ny solomasony,rehefa nanontany ny namany hoe taiza,tonga izy dia nilaza fa tao anaty baiboly.Inona no teny tiana tsoahina amin'izany?Enimbolana izy tsy namaky ilay baiboly.Ilay toerana nametrahany azy aloha tsy nolazainy kosa e.

Ilay iray koa dia izaho,efa namafisiko io,ianareo tsy efa nanao hoe izay avadika ao no valiny,ireny koa misy indraindray.
8. niryna ( 05/06/2007 06:10)
ikaretsaka:

fa mba fanontaniana kely, ny baiboly ve izany fanaovana tsabo 3 sa fanaovana magie?

Tsy misy magie izany ika a,hoy aho hoe rehefa avy nivavaka aho dia namadika baiboly ary tonga dia nahazo confirmation.Efa nahazo an'io koa aho vakio ilay tantara fijoroana vavolombelona.
Tsy mino izany tsabo 3 izany indray aho aloha e,mino kosa aho fa miresaka amintsika Andriamanitra ao anaty baiboly.Marina fa feno ny boky masina,tsy misy maharatsy ny famakiana an'ireny.Ny baiboly no loharanon'ny rehetra.Avy tao anaty baiboly daholo no niainga ny rehetra.Toy ny filazan'ika hoe ny zava-boary sy ny sisa.Efa voasoratra ao anaty Genesisy daholo ny fiandohan'ny zavatra rehetra

9. niryna ( 05/06/2007 06:13)
marozevo:

Ahoana tokoa re izany e !!!..
Tokony tsy ho izany kosa aloha ny Baiboly e.

Marina mihitsy ny teninao ,tsy tokony ho izany hoe tsabo 3 izany.Finoana no tadiavina sy anantonana an'Atra.Ny magie mety mahavita zavatra masobe tsy mahita fa misy farany.Raha te-hanantona an'Atra isika dia mila mamaky ny baiboly satria izay voasoratra ao dia marina daholo na ho heverina fa tsy mifanaraka amin'ny saina sy ny fiainana aza.

10. niryna ( 05/06/2007 06:23)
Ity koa misy iray.Nandeha nianatra ity tovolahy ary dia nitondra Baiboly tany amin'ilay kilasy mandry.Ny zavatra nataony voalohany dia namaky baiboly ary nahita ilay teny hono izy hoe "Aza mangalatra".Notsipihiny menabe ilay teny ary novelariny tao amin'ny fitoeran'entany ilay baiboly.Nandritra ny fotoana nianarana hono dia nitaraina very zavatra daholo ny mpiara-mianatra taminy afatsy izy irery.Hatramin'izao hono izy mbola manontany tena hoe izaho nivavaka ve dia narovan'Atra ny entako ,na tsy dia nisy tiandry zareo,na ilay baiboly notsipihany no nahatonga ny namana tsy sahy nangalatra ny entany.
11. cristal ( 05/06/2007 07:29)
Ny atao hoe Baiboly dia fitambaran'ireo boky masina nosoratan'ireo mpaminany,tenin'Andriamanitra izy ary azo adika hoe canon ihany koa raha teny avy @ grika(tafondro),samy masina ireo,fiantso fotsiny e!Rehefa mamaky ny baiboly isika dia aoka ho ny Testameta taloha sy ny Testameta vaovao no tsy maintsy miaraka ho vakiana fa tsy asiana tombo sy ala,oh;hoe Ny ao @ Andininy zatsy no tsra na zatsy no tiako misy dikany sy heviny avy @ Andriamanitra avokoa ireny ary fahasoavana lehibe ho antsika,mahereza fa mahafinaritra ahy ny tanora miresaka Baiboly=fiainana!
12. marozevo ( 05/06/2007 09:16)
Nyrina > tantara manaitra hoy aho, fa tsy hoe tantara tsy marina. Misaotra amin'ny fifampizarana sy ny fijoroana ho vavolombelona.

cristal > Mila amarinina kely ny fandikanao ilay hoe canon. Tsy tafondro izany no dikany eto.

cristal > Marina fa tsy asiana tombo sy hala ny TT sy ny TV, nefa na izany aza dia tokony hamafisina fa ny TV dia fahatanterahan'ny TT. Noho izany misy nuance tokony hatao ihany.
13. ikaretsaka ( 05/06/2007 11:28)
niryna:

hoy ikaretsaka
fa mba fanontaniana kely, ny baiboly ve izany fanaovana tsabo 3 sa fanaovana magie?
Novalian'i niryna hoe
Tsy misy magie izany ika a,hoy aho hoe rehefa avy nivavaka aho dia namadika baiboly ary tonga dia nahazo confirmation.Efa nahazo an'io koa aho vakio ilay tantara fijoroana vavolombelona.
Tsy mino izany tsabo 3 izany indray aho aloha e,mino kosa aho fa miresaka amintsika Andriamanitra ao anaty baiboly.Marina fa feno ny boky masina,tsy misy maharatsy ny famakiana an'ireny.Ny baiboly no loharanon'ny rehetra.Avy tao anaty baiboly daholo no niainga ny rehetra.Toy ny filazan'ika hoe ny zava-boary sy ny sisa.Efa voasoratra ao anaty Genesisy daholo ny fiandohan'ny zavatra rehetra

Koa toy izany no hitako ato ko:
magie mpanafina solomaso no anaovana ilay baiboly
dia vohavohaina sy tsipotsiponina sanatria ohatran'ny diksionera dia tadiavina fahatany izay teny tiana ianarana androany!
Tsy haiko aloha

Za tsy mino hoe ao anaty baiboly no loharanon'ny rehetra, ny inoako dia hoe avy amin'Andriamanitra ny zavatra rehetra, fa ny baiboly ohatran'ny rakitra kely nitantara sy nampita ny hafatra fotsiny!

Bedebe tokoa ny hafatra mety mbola ho azo, eny na amin'ny fiainana andavan'andro fa ny ankamaroan-tsika fotsiny no "mbola matory" ka tsy mi "realise" an'iznay
ho'zy mantsy ilay Zanaka( Andriamanitra) hoe,
"mbola be dia be tokoa ny zavatra tokony ambarako aminareo, fa mbola tsy zakanareo izany fa ny Fanahy masina (Andriamanitra ihany koa) rehefa tonga ao aminareo, no hanoro lalana anareo amin'ny fahamarinana rehetra" (Joany 16,12-13)


14. marozevo ( 05/06/2007 11:36)
Noho izany indrindra dia manilo ahy, manilo anao, manilo antsika, manilo ny Fiangonana ny Fanahy Masina, ka ny fampianarana ataontsika dia làlana mitondra mankany amin'ny famonjena koa.

Dia mbola misy koa ilay hoe "be dia be ny zavatra nataon'i Jesoa no tsy voasoratra eto...", satria ny asam-pamonjena ataontsika mpianany dia mbola asan'i Jesoa koa.
15. ikaretsaka ( 05/06/2007 12:14)
Izay mantsy!
16. xxx ( 05/06/2007 12:32)
izaho tsy dia d'accord raha resaka magiemagie matériel ohatran'io no hi inviter-na ny olona hamaky ny tenin'Andriamanitra ka ...

tsy ny terme n'i Ika akory no nampiasaiko t@ ilay hoe magie fa raha vao namaky an'ilay sujet aho dia "magie" no tao an-dohako
17. marozevo ( 05/06/2007 16:41)
xxx > Za koa tsy masaka amin'ilay magie magie.
18. pissoa ( 05/06/2007 19:20)
:-D:-D:-D
19. niryna ( 06/06/2007 06:37)
marozevo:

Nyrina > tantara manaitra hoy aho, fa tsy hoe tantara tsy marina. Misaotra amin'ny fifampizarana sy ny fijoroana ho vavolombelona.

Tsy misy fisaorana ka


20. niryna ( 06/06/2007 06:39)
marozevo:

Noho izany indrindra dia manilo ahy, manilo anao, manilo antsika, manilo ny Fiangonana ny Fanahy Masina, ka ny fampianarana ataontsika dia làlana mitondra mankany amin'ny famonjena koa.

Dia mbola misy koa ilay hoe "be dia be ny zavatra nataon'i Jesoa no tsy voasoratra eto...", satria ny asam-pamonjena ataontsika mpianany dia mbola asan'i Jesoa koa.

=D=D=D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7965