Namaky Baiboly ve ianao? Eny ry dada!

21. niryna ( 06/06/2007 06:41)
xxx:

izaho tsy dia d'accord raha resaka magiemagie matériel ohatran'io no hi inviter-na ny olona hamaky ny tenin'Andriamanitra ka ...

tsy ny terme n'i Ika akory no nampiasaiko t@ ilay hoe magie fa raha vao namaky an'ilay sujet aho dia "magie" no tao an-dohako



:D:D
22. marozevo ( 06/06/2007 07:36)
Nyrina > Inona ary ity mi-citer nefa tsy mamaly ity ?
23. prime ( 06/06/2007 14:14)
nyrina:
Rehefa natao ny fandinihina dia

-Ny olona iray hono dia mamaky Baiboly:

10mn/andro,6h/volana,3andro/taona,7volana ao anatin'ny fiainana.

-Ny olona iray dia mijery TV:
3ora/andro,90ora/volana,45 andro/taona,9taona ao anatin'ny fiainana.

DINIO NY FAHASOAVANA TSIRAIRAY NOMEN'NY TOMPO ANAO.
DINIO NY ZAVATRA NATAONY TAMIN'NY FIAINANAO REHETRA DIA ANKASITRA SY DERA ARY HISAOTRA NY ANARANY MANDRAKARIVA IANAO.
...=D=D=D

Misaotra... mankasitraka ny amin'ny tantara kely mahaliana sy ny fampatsiahivana ny amin'ny fomba fitantanana sy fandrindràna ny fotoana ary ny fampatsiahivana ho amin'ny faninihan-tena... Misaotra eeeeeee...=D

Ny voninahitra anie ho an'Andriamanitra irery ihany...^:^
24. LazaDaddy ( 07/06/2007 01:28)
niryna> mahaliana raha misy fanadihadiana koa afaka milaza marina hoe ampahafirin'ireo mamaky koa no miaina sy mampihatra?
25. prime ( 07/06/2007 13:28)
LD> hummmm...:wink:

Misaotra e...
26. ikaretsaka ( 07/06/2007 15:34)
tsy afaka miaina sy mampihatra izy satria ilay TENY ihany no henoiny fa ilay TENA tsy inoany

tsy mamaky TENiny ihany fa MANDRAY NY TENANY koa!
27. LazaDaddy ( 07/06/2007 20:25)
ikaretsaka:
tsy afaka miaina sy mampihatra izy satria ilay TENY ihany no henoiny fa ilay TENA tsy inoany
iza izany ry Ikaretsaka?


28. ikaretsaka ( 07/06/2007 20:56)
Asa letsy, tsy i Jesoa aho akory ka hoe izay miara manotsoboka ny mofony ato no izy!
29. LazaDaddy ( 07/06/2007 21:04)
ikaretsaka> aza mailamailaka ny hitsaratsara olona toy io aza rehefa tsy mahafantatra. Torohevitra fotsiny ihany ny ahy anefa...
30. marozevo ( 07/06/2007 21:08)
Izao no mba hevitro mikasika ilay fanadihadiana statistika atolotr'i Nyrina :
"Fa ianao kosa raha mivavaka dia aza mba maro teny tahaka ny mpihatsara-ivelatsihy...".
31. prime ( 12/06/2007 08:51)
Ika> HS ise...:)
marozevo> Misaotra amin'ny fampatsiahivana... fa misy tsy mazava na izany aza hoe: vavaka angaha moa no nolazain'i niryna t@ statistika tsy ny fotoana famakiana baiboly?
32. ikaretsaka ( 13/06/2007 05:46)
ba tsetsatsetra ny ahy iny ry prime a

LD> za angaha nitsaratsara sy nanondro olona? mety ianao no nahatsapa tena ho voatsara nefa za tsy nitsara anao!~
tsy haiko, mahana ve ianao sa?

Marozevo>andao handeha isika fa mbola hitaky hetra sy mandeha any @ "public"

33. prime ( 13/06/2007 08:35)
Ika> Ka ilay mandray ny tenany ve tsy maintsy ilay fandraisana komonio katolika ihany... (sa tsy izay no tianao hamafisina? ahitsio raha diso)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1924