Raiso ny zanako!

1. niryna ( 02/06/2007 05:24)
Tia manangona ireny karazana sary hosodoka hafakely ireny ity rangahy mpanankarena sy ny zanany lahy .Saika tapitra nananany daholo hatramin'ny Picasso ka Raphael.Mahafinaritra azy mianaka matetika ny mijery ireo asa-tanana ary dia samy mahazo fifaliana sy fahafinaretana ery izy ireo.
Vokatry ny ady anefa dia voatery nalefa tany Vietnama ity zanany lahy.Nanana fampaherezana tokoa izy ho an'ny rehetra ary maty teo am-piarovana ny miaramila namany ity tovolahy.Nampafantarina ny rainy ary dia nalahelo mafy an'ity lahy tokana,menaky ny ainy ity rangahy.
Afaka volana vitsy,alohan'ny krismasy dia nisy nandona tao am-baravarany.Tovolahy tanora no nijoro teo niaraka ity fanomezana ngeza.
Hoy izy:"Tompoko,tsy fantatrao aho,fa izaho dia miaramila izay ny zanakao no nanome ahy ny ainy. Nanavotra ny ain'olona maro izy,ary raha nitarika ahy hiafona izy dia sendra voatifitra ny fony ary dia maty teo noho eo .Matetika izy dia miresaka anao,ny fitiavanareo ny sary hosodoko!"
Ary dia nomen'ity tovolahy azy ilay fanomezana. "Fantatro ho izy fa tsy misy dikany ity,tsy mba mpanao sary hosodoko malaza aho,saingy fantatro fa ho tian'ny zanakao ny hanananao ity."
Nosokafan'ity rainy ilay fanomezana.Sarin-janany no nataon'ity tovolahy tanora.Samy nijery ity sary ilay rainy sy ilay miaramila.Tsy naharitra ity rainy fa nitomany.Nisaotra an'ity tovolahy izy.Ary dia nanontany azy ny vidin'ilay sary.
"Tsia,tsia tompoko,Tsy ho voavaliko mihitsy ny zavatra nataon'ny zanakao.Fanomezana io."
Nahanton'ity rangahy ilay sarin-janany ary isaky ny misy olona miditra dia hasehony ny olona aloha ilay izy vao mampiseho ireo sary hosodoko hafa izy.
Afaka volana vitsivitsy dia maty ity rangahy mpanankarena.Hisy fanaovana "lavante" na "auction" izay sary rehetra nangoniny.Maro dia maro ny olona tonga sy tsindrindaona ny ahita ireo sary maro.
Ilay sarin-janany no namidy voalohany.Nangina tsy nisy niteny ny olona.Nisy olona iray niteny tany aoriana fa ilay sary malaza no tiany fa tsy iny.
Ilay mpanao varotra dia nanamafy ihany sao misy hividy ilay sary ary hatomboka amin'ny $100,$200?
Mbola nisy feo tezitra indray niantso hoe" Asehoy eo ny Van Goghs,ny Rembrandts.Izay tena izy asehoy"
Mbola namerina ihany ity mpivarotra "Ilay zanaka,ilay zanaka! Iza no handray an'ilay zanaka?"
Farany,nisy feo avy tany aoriana.Tsy iza akory fa ilay mpanao zaridainan'izy mianaka hatrin'ny ela be.
"Homeko $10 io sary io hoy izy!"Ho an'ny mahantra dia izay no takany.
"Izay ary hoy ilay mpivarotra,iza no hiakatra $20?"
-"Omeo azy $10 any iny hoy indray ny feo iray,aleo amin'izay mijery ireo mpanao sary malaza!"
$10 no nisy naka,tsy misy olona hiakatra $20 ve?"
Vao maika tezitra ny rehetra,tsy nisy tia ilay sarin-janaka.
Ilay lafo ihany no tadiavin'izy rehetra mba ahafahany maka tombony tsara avy eo.
Niantso ilay mpanao varotra 1-2- lafo ho $10 !
Nisy niantso hoe" alefaso amin'izay izay tena izy e."
Napetrany amin'izay ilay maritoa kely "Miala tsiny aho hoy izy fa tapitra ny fivarotana."
Niteny indray izy fa taminy nantsoina hivarotra ireo sary ireo izy dia nahazo taratasy miafina ka tsy azo vakiany ilay izy raha tsy vita ny varotra.Ka izay mividy ny sarin-janaka irery hoy izy no mahazo ny harenan'ity rangahy mpanankarena,miampy ireo sary hosodoko rehetra ireo!

*** Nomen'Andriamanitra ny Zanany 2000 taona lasa ,maty teo ambony hazofijaliana.Mihoatra lavitra noho ilay fivarotana.Ny hafany androany dia:Ny zanaka,Ny zanaka,iza no handray ny zanaka?
Satria,araka ny hitanao,izay mandray Ny zanaka no mahazo ny zavatra rehetra.^:^^:^

FA TOY IZAO NO NITIAVAN'ANDRIAMANITRA IZAO TONTOLO IZAO:NOMENY NY ZANANI-LAHY TOKANA ,MBA TSY HO VERY IZAY REHETRA MINO AZY,FA HANANA FIAINANA MANDRAKIZAY.Jaona 3:16
(l)niryna
novalian'i marozevo ny 11/06/2007 08:33
2. xxx ( 02/06/2007 10:24)

niryna ve no namorona an'io? Misaotra betsaka fa nisy nanaovana contemplation tsara androany maraina.

Izao no zavatra tsapako sy htako teo am-pandinihana azy.

Resaka sary no resahana eto. Ny itondrako ny resaka dia any amin'i Kristy avy hatrany. Izay mandray ny sarin'ny zanaka (Kristy) no lazainy fa mandray azy. Efa voasoratra anefa hoe: aza miankohoka amin'ny sary sns... Inona no lanjan'ny sary? Nahaoana no lazaina fa raha mandray io sary io dia mandray ny Zanaka?
- Ny antony dia satria izao: ahoana no itiavana ilay zanaka raha tsy tiana akory na dia ny mijery ny endriny aza?

Eo ny endrik'ilay Zanaka ezahan'ireo mpahay sary avoaka amin'ny hoso-doko sy sary vongana etsy sy eroa. Samy manasongadina ny maha izy azy avy izy ireo: ao ny manasongadina fahamasinany, ao ny famindram-pony, ao ny voninahiny, ao ny fahatsorany, sns... Mendrika ny ho hajaina ireo satria mitory ilay Zanak'Andriamanitra.

Fa misy koa ny endrik'ilay Zanak'Andriamanitra iray hafa dia ny olona rehetra, indrindra ny madinika sy ny mahantra. Raha tsy tia an'ireo isika dia sarotra ny hino fa tia an'ilay Zanak'Andriamanitra velona koa. Satria ireo no endriny eo amintsika. Izay mandray ireo dia mandray azy koa.

Mendrika ny hotiavina sy hojaina ny endrik'i Kristy eo anivontsika, satria izay mandray sy manaja izany dia mandray sy manaja azy koa.

Ry Tompoko ilay endrikao re no mahafinaritra ahy.
Tadiaviko ilay endrikao re,
Aza afeniny ahy.
Amen
3. ikaretsaka ( 02/06/2007 10:51)
tara aho vao nahita sy saika hamaly..
Misaotra an'i niryna t@ tantara...
dia misaotra an'i xxx fa dia io tokoa no saika avaliko

4. diamondra27 ( 02/06/2007 11:56)
mampieritreritra
5. ikaretsaka ( 02/06/2007 12:44)
tadiavo ary izy.

Ny endrikao ry jesoa o
no takona aminay izao
fa ny fonay mahita anao
ao amin'ny Eokaristia

Raiso ao am-po i Jesoa

Aza adino: ny TENY sy ny TENAny raisina
6. marozevo ( 02/06/2007 13:32)
Raha tamin'ny andron'ny Apostoly angamba no nosoratana io fanoharana io, ka somary natsaraina kely, dia tafiditra tao anaty Baiboly.
Misaotra.
7. niryna ( 02/06/2007 16:49)
marozevo:

Raha tamin'ny andron'ny Apostoly angamba no nosoratana io fanoharana io, ka somary natsaraina kely, dia tafiditra tao anaty Baiboly.
Misaotra.

=))=))
8. ikaretsaka ( 02/06/2007 21:49)
mitokelaka be nareo sisa ve le
9. niryna ( 03/06/2007 06:30)
xxx:

niryna ve no namorona an'io? Misaotra betsaka fa nisy nanaovana contemplation tsara androany maraina.

Tsy namorona aho ka,nisy nanome ahy hoe mba vakio ity dia tiako ary nalefako ho zaraina ho antsika rehetra.:D
10. niryna ( 03/06/2007 06:31)
ikaretsaka:

tara aho vao nahita sy saika hamaly..
Misaotra an'i niryna t@ tantara...
dia misaotra an'i xxx fa dia io tokoa no saika avaliko
y dia mandray sy manaja azy koa.

Tsy misy fisaorana ika a
11. pissoa ( 03/06/2007 17:38)
cf xxx :-D
12. marozevo ( 03/06/2007 22:38)
Io tantara io izany no tonga amin'ilay fitenenana hoe "nitady tombony, hay natombiny".
13. ikaretsaka ( 04/06/2007 02:34)
ieeeee.
sady tsara fitombenana be
ooops:oops:
14. ari.malala ( 04/06/2007 13:10)
mangorintsina be aho fa tiako be daolo na ilay tantara na ireo hira kely mampanentana soratanan'i xxx sy ikaretsaka :D
15. marozevo ( 04/06/2007 20:53)
Tantanonao ry Jesoa ô
Izany dianay ety.
Fa izahay manantena anao.
Anatin'ny Hostia.

Jesoa ô ! Omeo anay.
Fanantenana hahita anao.
An-danitra any rahatrizay.
Manantena izahay.
16. pissoa ( 04/06/2007 20:59)
za zany efa te hihira an'reny hira ireny mafy mitsy :-D:cry:
17. marozevo ( 04/06/2007 21:12)
Fa hain'i pissoa angaha io hira io ?
18. niryna ( 05/06/2007 05:18)
Mbola tadidinareo angaha ilay hira hoe
Mba tantanonao ry raiko,zato lalan-janakao
Ny mivily toa tsy haiko,........
........

Hitanao ny adin-tsaiko,izay mipetraka ao am-po:roll:

Dia tena tsy tadidiko ry ireto a.:cry:
19. niryna ( 05/06/2007 05:22)
marozevo:

Raha tamin'ny andron'ny Apostoly angamba no nosoratana io fanoharana io, ka somary natsaraina kely, dia tafiditra tao anaty Baiboly.
Misaotra.

Andao aza hatsaraina kely e.Eny marina daholo izany.Ny fiainantsika dia izay efa voasoratra mialoha ao anaty baiboly ao daholo no mitranga sy mbola hitranga.Jesosy kristy no tena tiako resahina eto.Izay mandray azy ho mpanavotra azy dia tsy ho very fa hanana fiainana mandrakizay.Raha mino azy amin'ny fotsika tanteraka tokoa isika dia hamaly vavaka sy hanoro ny diantsika izy.Isika no mila mitady azy,sy manantona Azy.:D

20. naritsimba ( 05/06/2007 05:24)
hafatra fohy:
« Fa ianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa. » 2 Tesaloniana 3:13
« Misy mahafoy*, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra**, nefa tonga malahelo ihany.[*Heb. mamafy][**Na: mihazona ny hareny] » (Ohabolana 11:24)

Raha dinihana ireo dia mampiseho sy manamarina ilay tantara soratan'i niryna ka nahazoan'ilay nanana $10 nataon'ny mpanankarena fihomehezana noho ilay sary hosodoko tsy nisy vidiny.
« Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an'ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy. » Lioka 18:22

Na tsy hivarotra ny fanananao aza ianao dia mahaiza manome am-pitiavana ho an'ny malahelo.
Ny zavatra izay heverintsika ho kely sy tsy misy vidiny dia manamarina ilay voalaza hoe:
« Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. » Isaia 55:8

Misaotra e!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3852