Raiso ny zanako!

21. pissoa ( 05/06/2007 05:28)
marozevo:

Fa hain'i pissoa angaha io hira io ?

Ie :wink: sady tiako be :-D:-D:-D

PS : Za nge Katolika e ! :)
22. niryna ( 05/06/2007 06:19)
Naritsimba>tonga soa indray ary dia misaotra tamin'ny torohevitra.
23. marozevo ( 05/06/2007 09:31)
Mba tantanonao ry Raiko, izato lalan-janakao.
Ny mifidy toa tsy haiko fa maniry indrindra anao.
Hitanao ny adin-tsaina mitambesatra ao an-doha
Zany tsikin'ny maraina toa ela vao hifoha.

Moa diso ny safidiko raha mandroso ka nankao
Sa 'ty lala-nofinidiko, dia tsy ilay voasoritrao
Tanteraho ny faniriako, รด ry Tompo tena tia.
Fa dia zavatra iriako, masina amiko ho doria.

Nefa raha tsy izay no didy namboarinao ho ahy.
Amboary ny safidy sy ny ratrako am-panahy.
Atolorinao ny hery hampijoro izay nikoa,
ka sitranonao ny fery sy ny ratrako ao am-po.
24. ari.malala ( 05/06/2007 12:03)
Fitiavam-be ry Jesoa o
No itoeranao lalandava
Iandrasanao isanandro
Anatin'ny Hostia

Jesoa o, omeo anay
ny faniriana tsy te handao
Tsy te hisaraka Aminao
Fa tia Anao zahay
25. marozevo ( 05/06/2007 16:45)
Ndao ampiana hafa koa... Tiako be ity, fa mba omeo raha hainareo, na koa raha misy texte any aminareo :

Eny sambatra aho Jesoa fa miaraka aminao.
Fa ny lalanao, dia lavim-pahoriana.

Hira FFPM ilay izy, ka izay no tsy hahaizako azy, nefa tena tiako be.
26. xxx ( 05/06/2007 17:32)
Raha raisinareo ara-bakiteny hoe raiso ny zanako io dia mba eritrereto ny fiainana andavan'andro. Ohatra hoe zanaka lahy hanambady tovovavy iray. Ahoana ny fandraisan'ny fianakaviana ilay tovovavy ampiakarina? satria nitia ilay zanaka lahy.......Ho anareo tovovavy ity alaivo ohatra io raha mandray ny zanaka ianareo dia h?????????? Alefaso lavitra ny saina fa mampieritreritra io teny io. Ny zanaka.....
27. ari.malala ( 06/06/2007 06:02)
xxx tsy azoko ilay tianao nambara...
28. marozevo ( 06/06/2007 07:38)
Nivadika hoe "fozalahy atakalo fozavavy" ny resak'i xxx. Nefa na izany aza misy ifandraisany ihany.
29. xxx ( 07/06/2007 17:34)
Izany hoe: izay mandray ny zanaka (surtout ny zanaka lahy matetika) dia mahazo ny lova, ny firavaka, ny zavatra tsara avy @ ilay ray amn-drenin'ilay lehilahy. Dia ampitahao @ ilay fampakaram-bady any @ Apokalipsy sy ny sisa sy ny sisa fa izay mandray ny zanaka no handova, no no.....
30. niryna ( 10/06/2007 22:17)
marozevo:

Ndao ampiana hafa koa... Tiako be ity, fa mba omeo raha hainareo, na koa raha misy texte any aminareo :

Eny sambatra aho Jesoa fa miaraka aminao.
Fa ny lalanao, dia lavim-pahoriana.

Hira FFPM ilay izy, ka izay no tsy hahaizako azy, nefa tena tiako be.



: He, sambatra aho Jeso raha miaraka Aminao( ho an'i Marovezo)
Ity ilay hira notadiavinao Marovezo a.
He,sambatra aho Jeso

He,sambatra aho Jeso raha miaraka Aminao.
Fa ny lalanao dia lavi-pahoriana.
Ny ali-mampahory ,ny raho mitatao.
Eo anilanao dia mody fitahiana.

Tano aho Jeso,hiaraka aminao.
Izay lalana ombako e! mba hazavao.

Izao no faniriako manetsika ny fo:
Ho sakaizanao mandrakizay doria'
Na inona mihatra,na inona manjo.
Hianao no antenaiko hitantana ny dia.

O! avia Jeso,tano aho e!
Tantanonao ny diako,Tompo mamonje!

Izay sakaizanao ,Jeso,no ampoky ny soa.
Feno haravoana sy lavitra manjo.
Izay rehetra ilaina anananao tokoa.
Raha miaraka aminao,mionona ny fo.

Sambatra aho ,Jeso,tretrika tokoa.
Ravo,ny fanahiko,toloranao ny soa.

Inona no mamiko mihoatra noho Hianao?
Tompo manan-kery sy loharanon-tsoa?
Izay zavatra ilaiko azoko aminao
koa onenonao ny foko ,ho lapanao tokoa.

Manjaka ,Jeso,ato am-poko Hianao.
Izay fahotako e!ry Tompo,avelao.

tiako be koa io hira io.Mazoto ary mihira e.
31. marozevo ( 11/06/2007 08:33)
Misaotra anao... Efa nataoko copie/coller ka nampidiriko ao amin'ny tahiri-malalako.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.442