Zaho moa tsa mba niteniteny koa
1. Bita
(
31/05/2007 17:32)
Ireo vazaha ireo dia nisambotra mihitsy fahiny ary hazainy mihitsy ny olona. Ireto Antemoro telo lahy ireto dia nisitrika tany anaty ala tany. Kanefa ny vazaha fetsy fa rehefa miditra anaty ala izy dia mitrerona sady miteny hoe. Hitanay ianareo io ka mivoaha tao: ambony ny tanana (nefa tsy nahita avy izy ireo an)Natahotra noho ny fandrahonana ilay iray ka tonga dia nisefosefo ary dia tratra ho azy ary rehefa voasambotra izy dia hoy izy niantso mafy: Ndreko a! veloma any @ Endriko any, veloma any @ Babako any, any @ havako any. Hoy ilay iray namaly: eka ataoko tonga ny hafatrao fa dia soava tsara any. Dia nosamborim-potsiny koa iny. Dia niresaka izy roa lahy voasambotra: ka anao koa mba doma, manino nivolambolana, tsa mba nisitriky koa ty ndaty toy. Dia hoy ilay mbola nisitrika: Eky hoa aho, zaho moa tsa mba niteniteny koa??????? Ka inona moa fa azo daholo izy 3 lahy.... :P:P:P:P:P:P:P
novalian'i Bita ny 05/06/2007 17:01
10. wooda
(
02/06/2007 02:05)
:-D:-D azôvy no tena tsisy jery @reo ???
Le navozo sa le namaly?? :-D:-D:-D
eka leroa asivo araiky ndraiky!
Le navozo sa le namaly?? :-D:-D:-D
eka leroa asivo araiky ndraiky!
11. Bita
(
02/06/2007 07:19)
ka tsa mba hitako moa ny hatao o! fa angaha tsy vakin'lahisany ireny mifaritra mena ireny fa misy hatsikana foana ireny fa ny diavolan-kolava ny lalao mbola ho ela e, rehefa afaka adiny 1 aho miverina:roll::roll::roll::roll::roll::roll::roll:
13. Bita
(
03/06/2007 08:31)
tohizako ihany tantara any @ iny faritra atsimo iny. Nisy bandy avy any ihany mba sambany nandeha avion ary teo Farangana izy no niditra ho any Taolgnaro: Sendra lasa tany @ WC izy no niteny ilay pilote hoe: efa hiditra eto @ seranana Taolagnaro isika ka aoka samy handray ny toerany avy ary mba samy hamatotra ny fehikibony. Nitsamboatra lery. ary hoy izy: mba tay be koa ireo vazaha ireo tany Farafangagna aho no nikàkà ary eto Taolagnaro aho no nifitra.:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
14. Bita
(
05/06/2007 17:01)
Tantara fantatry ny maro na any an-dafy any aza mahalala ity tantara kely tantaraiko ity.
Nisy mpanjaka iray nampiatso ny mpanety rehetra teo @ fitondrany misy azy. Rehefa nataony fanadihadihany dia tsy misy na dia mpanety iray aza azony hitokisany ka dia niala maina izy. Naniraka ireo mpanolontsaina izy anefa mbola hitady ihany. Nahita ary izy ka noentina teo aminy.
Ny zavatra notakian'ny mpanjaka dia hanpaka ny volony saingy raha misy zavatra hitany dia tsy mahazo mihomehy ary indrindra milazalaza @ na iza na iza na iza na iza fa raha reny mpanjaka fa nilaza izy dia ho tapahina ny lohany (maty izany e) Dia nasaina nianiana izy ary dia nataony izany.
Rehefa notapahiny ny volon'ny mpanjaka dia nihanipoitra ny sofin'ilay mpanjaka ary indro fa nitranga, hay ny sofin'ity mpanjaka ity ohatry ny sofin'amponga. Na te hihomehy aza ilay rangahy dia voatazony ny fihomehezany fa matahotra ny ainy ho faty. Rehefa vita ny fanetezany dia lasa izy saingy tsy azony atao ny miresaka @ iza na iza ny zavatra hitany. Nefa tena tsy mety fa ao antsainy foana ilay izy ary te hiresaka mafy @ olona izy saingy mbola mamy ny miaina ka tsy maintsy tazonina. Farany hitany ny hevitra lasa izy nandeha an-tany lavitra tsy misy olona ary tany antendrombohitra tany, ka nangady lavaka kely ny vavany fa lalina izy. Tao izy no nanala ny fihomehezany ary nilaza ny zavatra hitany sy nokoboniny. Saingy ny ako tsy reny fa nivoaka avy tao ary dia lasa lavitra dia lavitra.
Nisy olona naheno ilay ako ary io olona io no nampiely ny tantara. Tonga tany ampototsifin'ny mpanjaka ilay izy ary dia vingitra mafy ilay mpanjaka ka nampitady azy. Rehefa tonga tany izy, natahotra mafy tokoa nefa hoy izy tsy nilaza t@ iza na iza aho. Nogadraina izy aloha mandram-pilazany ny marina (mazava ho azy fa avy aminy no nahenoana) saingy ny mahagaga dia izao: nanontaniana ny olona tsirairay: iza no nahenoanao izany? I Ranona, ary ianao i Ranona dia nitohy ny fanontanian'olona tsy nyisy nanonona ny anarany. Rehefa farany olona iray no tratra farany ary nijanona teo ny famotorana. Ary dia tsy maintsy hovonoina ilay olona namoaka ny tsiambaratelon'ny mpanjaka ka alohan'ny hamonoana ilay olona farany io dia hoy izy izaho marina no nahenoana izany avy @ ako avy any lavitra any no nahenoako azy fa ilay olona tsy hitako hoe iza? Ka ahoana hoy ianao.....