Mitebiteby ve ianao rehefa mieritreritra ny fahanterana?

1. linarako2 ( 31/05/2007 12:39)
Inona no teny hieritreretinao rehefa miteny hoe efa antitra aho izany!
-lasa ngezabe aho,kizitina,sns.
Na ahoana no teny hilazanao fa efa miha-antitra ilay olona?
novalian'i tianalala ny 05/07/2007 08:17
2. tess ( 31/05/2007 12:44)
fa eo amin'ny firy taona aloha no hatao hoe antitra e!8O:roll: satria raha jerena samy mahazo iray taona izantaona ny olona tsirairay avy, ary miha hantitra daholo fa tsy misy olona mijanona ho zaza na tanora foana.....

fa izaho manokana aloha somary mihakivy ihany raha mahazo taona iray isantaona e!
tsy mbola kizitina aloha na hoe geza mihoa-pampana fa matahotra ny ho antitra satria mandeha be ny taona......
3. xxx ( 31/05/2007 13:21)
ny lhl tanora lalandava
fa rhf maty de zay zany.
4. Samoana ( 31/05/2007 13:32)
linarako2:

Inona no teny hieritreretinao rehefa miteny hoe efa antitra aho izany!


mitantara ny lasa matetika fa tsy dia lian-java-baovao intsony:wink:

5. kally ( 31/05/2007 13:40)
Ny ahy indray anefa tsy izany loatra!maika hahafantatra ny miandry manaraka nefa matahotra fa ny ahy ny ao an-dohako hoe arakaraky ny handehanan'ny fotoana no mety hamoizako ny olona tiako rehetra, izaho matahotra ny fahafatesan'ny olona tiako manodidina ahy:cry:
6. sylvain ( 31/05/2007 17:08)
ny olombelona saika mihaina @ fahanterana isan'andro,vao lasa ny andro iray d efa mihena ny fahatanorana,rapitso maraina zao d efa mihena indray ny fahatanorako tena tssss!!!
7. tess ( 31/05/2007 17:39)
sylvain: izany an!:wink::-D
8. sitlo ( 31/05/2007 17:47)
izaho aloha tsy matahotra. "Mamboly hazo tanora, manan-kialofana rehefa fotsy volo."
9. tess ( 31/05/2007 18:21)
hialoka amin'ny sitlo koa izany izaho izany refa fotsy volo8)
10. linarako2 ( 01/06/2007 17:54)
tess:

fa eo amin'ny firy taona aloha no hatao hoe antitra e!8O:roll: satria raha jerena samy mahazo iray taona izantaona ny olona tsirairay avy, ary miha hantitra daholo fa tsy misy olona mijanona ho zaza na tanora foana.....

fa izaho manokana aloha somary mihakivy ihany raha mahazo taona iray isantaona e!
tsy mbola kizitina aloha na hoe geza mihoa-pampana fa matahotra ny ho antitra satria mandeha be ny taona......

Rehefa tsy jeune intsony dia antitra izay ka.

11. linarako2 ( 01/06/2007 17:55)
Hoy ilay hira hoe sao ianao mihevitra fa ho tanora ho mandrakizay.
12. ikaretsaka ( 03/06/2007 11:51)
za aloha tsy mitebiteby e.. zarako aza hoe tsy maty tanora fa nahatratra izao efa soir izao ko!
13. naughtyboy ( 03/06/2007 15:20)
samy ho ela velona na tsy azo idivirany rehetra ny miantitra ,tsy te itovy hevitra anle niteny oe whom knows more live less aho araho tsiky2 de milay foana
14. sympa ( 03/06/2007 16:32)
8-)8-)
15. niryna ( 04/06/2007 05:17)
Ny ahy indray dia hoe amin'ny fahazazana isika mianatra.Amin'ny fahatanorana mahafantatra.Amin'ny fahaterana maka anjara-masoandro,mitanisa ny fahiny.
Efa nandalovana ny fahazazana,toy izany koa ny fahatanorana, ....Amin'izao fotoana izao kosa aloha , iza no manaiky antitra eo:D:D
16. sympa ( 04/06/2007 13:40)
8-)8-) Fa inona aloa no tene resaka eee :?: Ny fahanterana sa ny hoe enao antitra eee :?: Raha ny fahanterana sy ny antitra aloa tsy maintsy samy andalovana doly ireo e :!: :{:{
17. niryna ( 08/06/2007 19:07)
sympa:

8-)8-) Fa inona aloa no tene resaka eee :?: Ny fahanterana sa ny hoe enao antitra eee :?: Raha ny fahanterana sy ny antitra aloa tsy maintsy samy andalovana doly ireo e :!: :{:{

Ny fitebitebena amin'ny fahanterana hono,izaho aloha tsy dia mbola mieritreritra an'izany firy,miezaka fotsiny ny manao exercices,sy tsy manao izay mahakivy fa mitsiky lava sy mianatra ny manao zavatra positive foana na negatif aza no tonga ao an-doha dia ovaina ho +:P

18. linarako2 ( 08/06/2007 20:47)
tess:

fa eo amin'ny firy taona aloha no hatao hoe antitra e!8O:roll: satria raha jerena samy mahazo iray taona izantaona ny olona tsirairay avy, ary miha hantitra daholo fa tsy misy olona mijanona ho zaza na tanora foana.....

fa izaho manokana aloha somary mihakivy ihany raha mahazo taona iray isantaona e!
tsy mbola kizitina aloha na hoe geza mihoa-pampana fa matahotra ny ho antitra satria mandeha be ny taona......

Angamba arakaraky ny fahasaamany.Rehefa miteny hoe efa miha-antitra aho izany 8O.Ny tanora moa miantso hoe bovy sy baina ka tsy hita hoe firy taona

19. sympa ( 10/06/2007 21:29)
Tsa mba aiko klo eee [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Confus/circonspect-2403.gif[/IMG]
20. cbd ( 12/06/2007 20:29)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1479