Paka ve = Pentecote iany?

1. ari.malala ( 31/05/2007 07:02)
Satria raha nandinika tsara ny Evanjely novakiana t@ Pentecote za de hoe ny harivan'ilay andro voalohany nitsaganan'i Jesoa ho velona izany hoe ny Paka izany, dia tonga Izy, ary niteny t@ mpianany hoe ho aminareo anie ny fiadanana, nony efa nilaza izany Izy dia nitsoka ary niteny hoe Raiso ny Fanahy Masina..., dia eo no mipetraka ny fanontaniako hoe Paka ve = Pentecote iany, ary nef aizy aty aoriana rehefa akaiky ny andro iakarany any an-danitra dia nilaza fa handefa Mpanafaka alahelo hafa dia ny Fanahy Masina izany, ka inona no mahasamy hafa ilay nomeny fony Izy vao nitsangana sy ilay Mpanafaka alahelo?
2. majesty ( 31/05/2007 07:29)
ôtran'ny hoe mananihany zany i ari.malala :D.
Efa hoe ny iray paka dia ny iray pentecôte koa,

Ny paka na ny paska raha tsorina dia io no mitovy @ fandraisana ny fanasan'ny Tompo amin'izao androntsika izao,fa ny endriny sy ny fomba fisehony no samihafa,ohatra t@ andron'ny zanak'Isiraely dia zanak'ondry no novonoina natao solon'ny paska,fa rehefa tonga Kristy dia nanome fianarana izy hoe "izao no atao ho fahatsiarovana ahy" dia nandray kapoaka izy ...;nandray mofo..." dia io no mbola tohizan'ny Kristiana rehetra hatramin'izao (soa ihany fa samy manao fandraisana daholo ny fiangonana Kristiana rehetra fa raha tsy izany mbola adi-hevitra be koa ny amin'io).

Ny pentekôty indray dia nomarihan'ny filatsahan'ny Fanahy masina tamin'ny mpianatra t@ andron'ny Apostoly,izay marihina fa santatry ny fanahy masina izay narotsak'Atra ho amin'ny zanany;ary voalaza ao @ soratra masina fa mbola hisy fisehoana goavana noho ny t@ andro pentekosta hirotsahan'ny fanahy masina amin'izao andro farany izao ho famaranana ny fitoriana ny filazan-tsara dia vao ho avy ny Tompo.

Fa ny mahagaga ahy fotsiny dia izay nasain'Atra ho tandremana tsy notandreman'ny fiangonana,fa izay tsy nolazain'ny soratra masina fa tokony ho tandremana indray no notandremana dia tsy hay intsony e!:D en plus ilay paka sy pentekôty izany dia tsy maintsy alahady foana nefa ny anniverssaire-nao zao raha lundi t@ heritaona dia amin'ity mety ho mardi,dia miovaova ôtran'zany foana nefa le paka sy pentekôty io tsy miova ary tsy hiova mihitsy fa tsy maintsy ho io andro io foana,mahagaga e:D
3. Imahaka ( 31/05/2007 08:06)
Dia iza ilay "Fanahy Masina" nataony hoe "Raiso ny Fanahy..."? sa mbola tsy nidina ilay Fanahy tamin'iny fa tam pentecote vao nisy decret d'application avy any Ambony?
4. hery ( 31/05/2007 08:16)
Ny Pentekoty dia tsy ilay nolazaina ao amin'ny Evanjelin'i Joany nitsofany ny Fanahy fa ilay voalaza ao amin'ny Asan'ny Apostoly izay nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Mpianatra sy i Masina Maria 50 andro taorian'ny Paka.

Ny dikan'ny Pentekoty ara-bakiteny rahateo dia 50 andro.
5. johnnyandri ( 31/05/2007 08:29)
Paka: Fankalazana ny nitsanganan'i Jesoa Kristy tamin'ny maty. Alahady foana io satria ny andro zoma no nahafatesan'i Kristy ary nitsangana izy nony afaka hateloana dia ny alahady izany. Raha vao nitsangana tamin'ny maty i Kristy dia naneho fa nandresy ny fahafatesana, izany hoe nanaporofo tamintsika olombelona fa resiny ny fahotana ary Izy no fanavotana.
Pentekoty: Pente-->50, dimampolo andro aorian'ny fankalazana ny paka no nilatsaka ny Fanahy Masina.
Ny teny hoe ho aminareo anie ny fiadanana ve mitovy amin'ny hoe milatsaka ny fanahy masina???
Raha mbola vao avy nitsangana i Kristy dia niteny an'io foana satria mbola teo Izy, Tamin'ny ASCENSION kosa dia niakatra tany an-danitra Izy ary nandefa ny Fanahy Masina indray avy eo, tamin'ny andron'ny Pentekoty.i
6. ari.malala ( 31/05/2007 12:58)
majetsy, tsy mananihany aho fa misy tsy azoko dia mametraka fanotaniana aho ka! :)

Johnyandri, tsy ilay hoe ho aminareo anie ny fiadanana anie no noteneniko hoe midina ny Fanahy Masina e! fa ilay tenin'i Kristy hoe "Raiso ny Fanahy Masina", dia inona ary izany no mahasamy hafa io Fanahy Masina nomeny ny apostoly t@ andro nitsanganany io sy ny Fanahy Masina nirotsaka t@ apostoly 50 andro taorian'ny nitsanganany?
7. linarako2 ( 31/05/2007 13:04)
Paka: fankalazana ny andro nitsanganan'i Jesosy.
Pentecote:andro firavoravona ho an'ny Jiosy ary tamin'io andro pentecote io koa no nilatsaka tamin'ny mpianatra ny fanahy masina.Teo no nanantona natao batisa ny olona izay nino an'i Jesosy .
8. prime ( 31/05/2007 14:33)
Fanampin\'ireo voalazan\'ny namana,


  1. paska jiosy=namonoana ny zanak\'ondry tsy misy pentina ka nanosorana ny ràny isan-tolanam-baravarana misy ny vahoakan\'Andriamanitra mba tsy ho anisan\'ny helohina sy vonoina rehefa tonga ny anjelin\'Andriamanitra hamono ny lahimatoan\'ny Egypta fony ny zanak\'israely mbola andevo... ary ihany koa nahafahan\'ny zanak\'israely tamin\'ny fanandevozana avy tany Egypta notarihan\'i Mosesy ho any amin\'ilay tany be harena (kanàna) nampanantenain\'i Jehovah hiadanan\'ny mpanompony... fahatsiarovana izany fotoan-dehibe izany dia nodidian\'i Jehovah ny zanak\'israely hahatsiaro izany ho andro firavoravoana lehibe satria fotoam-panafahana avy amin\'ny fanandevozana ho amin\'ny fiadanana
  2. paska kristiana=niraisan\'i Kristy tamin\'ny apostoly 12 tamin\'ny nanomezany ny ràny sy ny nofony ho antoky ny fahatanterahan\'ny fanekena vaovao dia ilay tombokase mahairay an\'Andriamanitra amin\'ny mpanompony... sy Kristy mihitsy nohomboana tamin\'ny hazofijaliana tamin\'ny andro paska jiosy, maty ka nalevina, nidina tany amin\'ny fiainan-tsy hita, nitsangana t@ maty telo andro taoriana... izay manambara ny fanafahana feno ny olona rehetra teo ambany fanandevozan\'ny ota sy satàna ka namonoana ilay Zanak\'Andriamanitra manambara ilay zanak\'ondry tsy misy pentina ho solo heloka hanafahana ny mpanota sy ho fanambaràna ilay ho avy dia ilay fiainana mandrakizay ho an\'ny rehetra mandresy na dia ny fahafatesana aza ao anatin\'ny firaisana amin\'Andriamanitra amin\'ny alalan\'ny ràny sy ny nofony... izany dia ankalazaina isan-taona...
  3. pentekosta jiosy=fiakaran\'ny voaloham-bokatra isan-taona sy isaky ny faha dimampolo taona, taona manaraka ny faha 49 taona ka hifaliana sy hiravoravoana feno hanomezam-boninahitra an\'Andriamanitra noho ny fitahiany... mitsahatra ny asa rehetra amin\'io ka fifaliam-be no atao
  4. pentekosta kristiana=fivoriam-ben\'ny zanak\'Andriamanitra tamin\'ny toerana iray 50 andro taorian\'ny paska ka nandraisana ny fanahy masina ho an\'ny rehetra tsy an-kanavaka ary ihany koa nentina nanehoana ampahibemaso ny voaloham-bokatry ny fanjakàn\'Andriamanitra ka nanomezana tombokase azy ho mariky ny mahaolom-boavonjy azy ireo ao amin\'i Kristy... andro pentekosta jiosy no nisehoan\'io fotoan-dehibe io voalohany...
9. johnnyandri ( 31/05/2007 15:00)
Ny Fanahy masina dia ilay olona fahatelo ao amin'Andriamanitra. Marina fa manambatra ny Fanahy Masina, manambatra antsika ho ao amin'I Kristy Izy, manoro lalana antsika ary manazava ny saintsika mba hahiratra> Izany no nitranga tamin'ny andron'ny pentekoty. Fa tamin'ny paka kosa dia I Kristy mivantana mihitsy no nampiseho tamintsika ny asan'ny fanahy Masina ka nahatsapantsika fa FAMONJENA hoantsika ny FITSANGANAN_KO velona. Iray ihany ny Fanahy Masina fa tsy mitovy ny fankalazana ny Paka sy ny fankalazana ny Pentekoty satria samy manana ny antony izay voalazan'ny namana rehetra teo ambony.
10. Jessimi ( 31/05/2007 16:18)
hery:
Ny Pentekoty dia tsy ilay nolazaina ao amin'ny Evanjelin'i Joany nitsofany ny Fanahy fa ilay voalaza ao amin'ny Asan'ny Apostoly izay nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Mpianatra sy i Masina Maria 50 andro taorian'ny Paka.


Nefa ange isika Kristianina dia miankina indrindra indrindra amin'izay voalaza ao amin'ny Evanjely fa tsy amin'ny boky hafa sisa ao amin'ny Baiboly e:!:
11. niryna ( 01/06/2007 06:40)
prime sy johnnyandri misaotra fa mazava be ny fanazavanareo=D=D
12. ari.malala ( 01/06/2007 11:42)
Misaotra betsaka e!
13. xxx ( 01/06/2007 12:40)
Diso be ny an'i jessimi. Misy telo ny vakiteny henoina isaky ny Alahady( ho an'ny Katòlika) ka dia izy aby ireo no sady mifameno tanteraka. Fa tsy hoe akory ny Evanjely ihany no important.
14. niryna ( 02/06/2007 03:22)
Miresaka Paka koa isika dia mba zaraiko anareo ny fomba fankalazan'ny fiangonana sasany aty aminay.Nisy andriamanitra natao hoe Esta no anarany ary avy amin'io no nankana ilay teny hoe Easter=Paka any amintsika.
Dia feno ravaka voninkazo daholo ny fiangonana,feno mpivarotra chocolat misy sarisary akoho,bitro(io dia efa tonga any amintsika hitako miantokantona eny amin'ny mpivarotra lasantsy eny.Ny mampihomehy dia misy bitro manatody:roll:no ataony chocolat.Feno atody misy karazany miloko vita amin'ny chocolat.Ilay fiangonana izay mankalaza ilay Easter na Happy Easter no filaza azy dia samy mahandro atody ny ray aman-dreny ao amin'ilay fiangonana dia rehefa vita ny fandraisana sy ny fandaharana dia asaina daholo ny ankizy rehetra ary samy efa nivonona harona kely ,manao sarisary tava bitro,manao bandeau bitro sns .Ny rar talohan'io dia efa manafina ilay atody eraky ny toerana kely izay noheveriny tsy ho hitan'ny ankizy ka misy hatrany ambadikin'ny voninkazo eny an-jaridaina.Tonga ny fotoana ary dia mifandrombaka mitady ilay atoky nolokona mena,mavo,volomparasy sns (izay nandrahona amin'ny akorany tany an-trano dia natsoboka tao anaty fandokona sakafo).
Izay no fankalazana ny Paka aty aminay izay misy fiangonana sasany manao an'io.Tsy ny rehetra hoy aho kanefa io no tena maro an'isa ny fomba fankalazana ny nitsanganan'i Jesosy (na resurrection of Jesus Ampifangarony ny fetin'ny paka kristiana sy ny fetin'ny tsy mpino na ilay andriamanitra kely Esta.Ireo fihetsika ambony miresak atody sy bitro manatody fa tsy miteraka sy ny akohokely,izay marika ny fahamaroan'ny zaza tamin'ilay andriamanitra kely novavahan'ny tsy mpino an'i Kristy.
Tsy mahafantatra na inona na inona izany ny ankizy fa "fitadiavana atody "no ahalalany ny Paka ary ny rar koa moa mety tsy mahalala dia samy mahazo fahafinaretana na ny lehibe na ny ankizy.
15. ikaretsaka ( 02/06/2007 11:26)
Ankoatran'ireo Anglo Saxons.. ny teny hoe paka dia avy amin'ny teny Hebrio hoe "Pesach" (nahatonga ilay hoe passover=fiampitana, na Paka jiosy)

Ny nahatonga ilay izy hoe Easter, na Ostern(teny almanina)dia manampy ny voalazan'i Niryna dia Mpanjaka na Godess n'ny fiafarana fiainana taloha sy ny fiatombohana vaovao i Esta amin'ny finoana Vikings tany aaaaaaaaloha be tany (tadidio fa taranaka Vikings ry zalahy anglo saxons ireo no nifindra ho Kristianina.)
Dia notazoniny ny fombany, izay tsy hita izay maharatsy azy, satria rehefa mifanandrify @ paka eo ry zareo 'ny paka ry zareo dia mankalaza ny lohataona ( izay no taom-baovao aminy) , eo ny azy no taom-baovao... ... dia nampitoviany sy nampivadiany satria ny paka koa anie ka fiafarana fiainana taloha mankany amin'ny fiainam-baovao e!
16. ikaretsaka ( 02/06/2007 11:44)
ny momban'ny bitro sy ny atody!
Misy nanao azy angano taty afara.. fa raha mamaky tantaran'ireo olomasina dia hita ao

- i Md Marka (evanjelistra) dia mpianatr'i Jesoa sy nahita ny fiainany tokoa na tsy apostoly aza: izy no anisan'ireo mpanampy nahita ny nivadian'ny rano ho lasa divay tany kana ohatra,! nanaraka lavidavitra ihany an'i Jesoa foana izy nandritra ny "passion", ary voalaza hoe drap fotsy fotsiny no notafiany. Nanana bitro izay rangahy ka io bitro io no niaraka taminy teny foana. izy moa voalazan'ny Evanjeliny fa dia voamarik'ny Romanina hoe manaraka foana izay misy an'i jesoa... dia nanjehin'ny Romanina ary navelany teo ny lambany fa lasa izy nitsoaka niboridana (marka 14,51-52) sy ilay bitro (tsy voalaza ao anaty baiboly, izany toa ve dia holazaina ao koa de toute facon?)
Dia noraisin'ny olona ho karazana mascotte ilay bitrokely

Ny atody sy ny akohokely.. dia manambara fiainam-baovao ny dikany, aina no ao anaty atody ary aina vaovao ilay akohokely.. dia lasa symbole nalain'ny olona koa . Aina vaovao no azontsika @ paka!
17. niryna ( 03/06/2007 06:44)
ika misaotra tamin'ny fanazavana indrindra i Esta.Tadidiko fotsiny io fa tsy tena azoko antoka tsara ilay izy
18. marozevo ( 03/06/2007 23:10)
Amin'izao androntsika izao, ao amin'ny Fiangonana Katolika, dia manana dikany roa mifampitohy ny PAKA. Voalohany aloha dia ilay andro Alahady antsoin'ny rehetra hoe PAKA, efa mazava iny fa tsy maintsy Alahady aorian'ny volana fenomanan'ny lohataona amin'ny ila-bolan-tany avaratra. Tsy dia specialiste amin'ny astronomie aho ka tsy haiko tsara ny manazava an'io.

Ny dikany faharoa, manohy io voalohany io dia izao : PAKA = Vanim-potoana litorjika ao amin'ny Fiangonana Katolika, manomboka amin'ny andro Paka ka miafara amin'ny andro Pantekoty.

Ka raha ampifandraisina amin'ialy fanontaniana mipetraka dia izao : Ny Pantekoty akory tsy Paka, fa famaranana ny vanim-potoan'ny Paka.
19. majesty ( 04/06/2007 05:05)
Johnnyandry:
Ny Fanahy masina dia ilay olona fahatelo ao amin'Andriamanitra




Ny fanahy masina tsy olona ka :D
20. ari.malala ( 04/06/2007 06:57)
majesty:

Johnnyandry:
Ny Fanahy masina dia ilay olona fahatelo ao amin'Andriamanitra


Ny fanahy masina tsy olona ka :D





majetsy, raha mino ianao fa Andriamanitra dia Tokana Olona telo dia tsy hiteny an'izany :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3598