Ireo depiote Tim ao @ Bureau permanent no tena mpangalatra
1. nororavel
(
30/05/2007 19:28)
Tsy misy izany democratie izany any Madagasikara na kely aza fa ireo depiote Tim ireo no tena mpangalatra gaigy lahy manao kely tsy mba mamindro ary olona lehiben'ny jiolahy eto @ FIRENENA MALAGASY NO MPANAO DICTATURE:evil:
répondu par Jeankely le 13/06/2007 07:40
4. li1234
(
30/05/2007 21:59)
nororavel:
Tsy misy izany democratie izany any Madagasikara na kely aza fa ireo depiote Tim ireo no tena mpangalatra gaigy lahy manao kely tsy mba mamindro ary olona lehiben'ny jiolahy eto @ FIRENENA MALAGASY NO MPANAO DICTATURE:evil:
heu!!! Omeo ny lien...(Source). Misaotra.
5. Jeankely
(
31/05/2007 02:11)
Teny tsy miady fa aiza no misy an'ity olona ity. Jereo kely : ..........any Madagasikara sy ......eto @ FIRENENA MALAGASY ..... Izay mamngalatra dia rariny loatra raha enjehina hatramin'ny farany koa olona any andafy ve ianao no mahita ny ataon'ny olona ao Madagasikara fa maninona ireo mahita maso tsy miteny sy manao ny araka rehetra hanenjehina ireo mpangalatra sa ry zareo koa miaraka mangalatra aminy dia manome vaovao anao any ivelany. Izay mangalatra aoka higadra na iza na iza fa ny miteniteny foana avy ivelany kosa tsy lasa e. Lazao mazava hoe inareo any andafy no tokony hitondra "à distance" an'i Madagasikara dia mazava izay.
6. energye
(
31/05/2007 07:18)
tsy rariny kosa le izy , fanga iisika eto @ sera2 rehetra dia aany mada avokoa?
misy amintsika ny milaza vao2 [fa tsy misy manakiana ],
ary ho anao mampiely ity vao2 ity dia mba lazao ny gazetyy na koa ny site nazahoana ny loharanombaovao.
RAHATSY MISY DEMO ANY MADA DE TSY ALO VE MBA MANALA AZY ATO @ SERASERA zay saika pro-8.
avelao hiteny zay mila hiteny , aza sakanana ny vavany , lazao ny hevitrao mba hakanay lesona .

7. Jeankely
(
31/05/2007 07:24)
Tsy misy afaka ny hisakana ny fitenena koa moa fa rehefa misy mahatohina ny saina dia miazakazaka mamaly. Raha ny marina dia natao hampivelatra ny saina ary ahazoana lesona tokoa ny serasera fa tsy hoe hanalana azy fotsiny. Ny sasany kosa dia mampiresaka sady mitarika any amin'ny lalana tsy misy dia aiza izahay no tsy hanaraka akaiky ary tena mamaly foana izahay. Tsy miala amin'ny "Internet" koa izahay fa dia hiondanana io.=))=))=)).Raha vao hitanay manapoizina ny fisainana Malagasy dia avy izahay. Izahay kosa tsy afaka ny hanakana sady tsy ahasakana fa samy mahazo manoratra. Dia omeo izay mahasoa e.
8. energye
(
31/05/2007 07:59)
tsy afaka ny hanakana sady tsy ahasakana fa samy mahazo manoratra. Dia omeo izay mahasoa e.JEAnkely> mba jereo kely ireo voalazanao , raha io tokoa ve , ka inona ny antony mahantonga anao hitsikera ny hafa[raha olona tia fandrosoana na koa mila-hosoa anao dia ataoko fa tsy hanao ireny fiteny izay lazainao @ dinika faha, [mialatsiny fa tsy misy fikasana ratsy ireo , ary hitsio zaho raha toa ka misy fadisoana ,ary raha mahatezitra ny zavatra nolazaiko dia lazao mba tsy haverinay intsony izany],tsy misy mahavita-tena misy zavatra tokony fakana ny hevitrin'ny hafa,
9. Jeankely
(
31/05/2007 08:11)
Io no nosoratako io naverinao io. Matoa aho mamaly dia mba nahazo mafy aho. Asa tsy mijery ny famelezana ataon'ny sasany angamba ianao fa ny soratro ihany no jerenao. Tsarovy koa fa efa fiandaniana ny sasany ary tsy firaharahina ny hafa izany ataonao izany. Izaho tsy mahay ary tsy mihevitra ny sasany ho dondrona fa raha manalika ny Malagasy kosa dia mba marary ny fonay ka miala tsiny fa tsy hainay ny manome ny tavanay havanana rehefa avy nofelahany ny tavanay havia fa mba mamelaka mafy koa izahay tompoko.
10. energye
(
31/05/2007 08:35)
mialatsiny aloha raha toa ka nanafitohina lesoratra napetrako,
Ny namana tiana hono tsy itsitsiana rantsakazo"
avelao zay hanaratsy , ary mba miezaha tsy hamaly faty moa anao eh,
ataoko fa tsy hanao izany tsony ny hafa,
ny voninahitsiny tenako dia miankina amiko ihany , raha tsy hanaja ny tenako aho dia atomatika tsy hanaja ahy koa ny hafa.[tsy hitori-teny @ nareo aho fa mba ohatra ihany reo].
zay aloha fa merci @ zoky JEANKELY

12. xxx
(
01/06/2007 21:11)
Tsy misy izany democratie izany any Madagasikara na kely aza
Raha ny tena dikan'ny teny hoe democratie no jerena dia marina mihitsy io lazainao io. Tena tsy misy democratie aty Madagascar.
ireo depiote Tim ireo no tena mpangalatra gaigy lahy
Tena misy tokoa ny mpangalatra amin'ireo saingy tsy amin'ireo ihany fa misy hafa koa.
Aza dia entim-po ise ry jeankely fa mba jereo kely hoe: efa firy izay ny depote malagasy no nampidirina am-ponja, efa nisy aza ny voarohirohy tamin'ny fanaovana vola sandoka. Ary tiako koa ny milaza fa matoa tsy foana ny dahalo aty Mada dia satria misy olona ao amin'ny fitondrana miara-miasa amin'ireo, sns...
MPANAO DICTATURE
Efa niharan'izany ny tenanay ka manaiky fa marina io.
13. Jeankely
(
03/06/2007 04:10)
Izaho tsy entim-po tompoko ary haveriko fa tsy mpiaro ary tsy afaka ny hiaro ny fitondrana aho fa vahoaka tsotra. Raha ny resaka "demokrasia" dia tsy anjarako ny manazava izany. Eo amin'ny resaka fianarana sy ny fandehanana manohy fianarana ary fahazoana vatsimpianarana ivelan'i Madagasikara aloha dia midoka ny CONABEX aho fa maro dia maro ny mpianatra izay nametraka fangatahana ary tsy nisy resaka risoriso tahaka ny t@ fahiny fa dia gaga fa nahita vokatra tsara ary lasa. Ny resaka risoriso io lazaiko io. Eo amin'ny fahalalahana sy ny "Dictature" indray dia anisany malalaka i Madagasikara. Teto amin'ity Serasera ity aho no mahita olona manompa ny Folohampirenena ary manakilasy azy amin'ny maloto sy ny farany ambany indrindra nefa tsy nisy arakaraka fa mbola mitohy koa aiza no misy malalaka sahala izany. Mba manaova izany amin'ireo firenena Silamo, ompay ny mpitondra ahalalanao azy hoe aiza no misy anao. Efa nandalo lalana marobe ny firenena hafa vao nisafidy ary mahita ny tombontsoaan'io "demokrasia" io saingy ny fianan'ny Malagasy mbola tsy mahalala ny mety sy tsy mety avy dia "demokrasia" no resahinao dia ny fahalahana ao anaty ala no eritretiny hoe fahalahana. Hevitry ny daholobe no ambony nefa rehefa misy be resaka na hevitra tsy mahomby aza dia mivoaka satria tsy ampy fahalalana ny vahoaka fa manaraka anjambany. Noho izany amin'ny fijeriko ny fampitomboina ny sain'ny olona ahay anadihady no tokony hatao. Amin'izay vao miteniteny foana dia hain'ny vahoaka ny anaovana azy.
14. xxx
(
03/06/2007 17:57)
Eo amin'ny resaka fianarana sy ny fandehanana manohy fianarana ary fahazoana vatsimpianarana ivelan'i Madagasikara aloha dia midoka ny CONABEX aho fa maro dia maro ny mpianatra izay nametraka fangatahana ary tsy nisy resaka risoriso tahaka ny t@ fahiny fa dia gaga fa nahita vokatra tsara ary lasa. Ny resaka risoriso io lazaiko io.
Raha eo amin'ity resaka fandefasana mpianatra hianatra any ivelany ity aloha dia azo lazaina fa efa mba nihena ny risoriso e. Efa nihena hoy aho satria tsy mbola foana tanteraka. Azonao anontaniana ireo mpianatra nalefa any Amerika ny fahamarinan'izany.
Ny fandefasana ireo mpianatra nianatra any amerika koa dia somary mampametraka fanontaniana ihany satria ny université ianaran'izy ireo dia azo lazaina hoe tsy dia tena tsara loatra. Aleo moa ry zareo no hilaza azy e. Tsy aferako iny. Efa any amerika aloha no mianatra dia izay angamba. zara koa aza mbola afa-mianatra koa. Izay no zava-dehibe. Nefa mba ilaina ihany ny titre hoe: universite izao no nianarana.
Ny resaka democratie lazainao de somary mampalahelo ihany satria tsy mba democratie mihitsy io lazainao fa iainana eto io. Io no antsoina hoe baranahina. Misy lalana mifehy ny zavatra rehetra amin'ny tany demokraty.
Fa matoa kosa aho milaza fa misy ny dictature dia efa niharan'izany izahay iray tanana. nefa hahasoa ve ny ilazana izany eto?
15. Zazala
(
03/06/2007 20:40)
Tsy misy democratie zany eto Madagascar, ny vahoaka alò tsapako fa mahazaka izany, fa ny mpitodra kosa d ohatry ny lela may aminy io democratie io, mitsalafoaka iz. Anarana fôna anie Repoblika Demokratika Malagasy izany é, raha ny réalité dia tsy ao mihitsy. Tsy manana droit mihitsy ny vahoaka haneo ny heviny. Tifitra basy no entina ampanginana az.
http://madagasikara-soa.com/pictures/blesse3.jpg
http://madagasikara-soa.com/pictures/blesse3.jpg
16. Jeankely
(
04/06/2007 03:15)
Tsy haiko koa fa angaha moa ry Zazala ity soratrao :"Anarana fôna anie Repoblika Demokratika Malagasy izany é, raha ny réalité dia tsy ao mihitsy". Hay moa tsy "Repoblikan'i Madagasikara" fotsiny fa mbola mahatsiaro ny "Demokratika" sy boky mena indray Ra-Zazala an? Omeo ny lalana haingana hanalana ny fahoriana fa manaraka ny tsara ny vahoaka e. Raha zavatra tsy misy aleo hitohy hatramin'ny farany ny baolina? Aza dia mampanantena tsy misy Ralay Zazala ooo.
17. Jeankely
(
04/06/2007 05:21)
Hoy ny namana eo ambony hoe " Raha ...resaka fandefasana mpianatra...ivelany ity aloha dia azo lazaina fa efa mba nihena ny risoriso e. ... Azonao anontaniana ireo mpianatra nalefa any Amerika....somary mampametraka fanontaniana...université ....tsy dia tena tsara loatra." Efa misy mahita izany fa misy fihenany ny risoriso mivaingana iray izay. Fa ny fianarana ivelany anie ry namana tsy hoe ampidirina amin'ny Université tsara ny mpianatra e. Revy taloha izany. Rehefa mahazo vatsimpianarana ianao dia ianao no mitady Université afaka andray anao ka izay Université manaiky no hianaranao koa ahoana moa no tsy maintsy tafiditra any amin'ny Université katraka nefa ny notes sy ny sisa mety tsy maharaka izany? Anjaran'ny mpianatra no manatsara ny fahaizany ahafahany mampivoatra ny firenena. Na samy Amerikana aza tsy voatery tafiditra amin'ny Université mazana.
18. xxx
(
04/06/2007 10:19)
Jeankely: Mba realiste ianao fa aza dia entim-po fotsiny. Ampitomboy kely ny fahalalana satria tsy io lazainao io mihitsy no marina.
Raha ny université nandefasana ny malagasy any ry namana no asina teny dia isan'ny université faran'izay ratsy indrindra any. Tsy misy tompon-tany makamin'io université io intsony. Ary raha olona mahalala koa ka tena te hianatra dia tsy mba makany mihitsy. Vokany mba hamelomana ilay université dia manamby vahiny izy hianatra ao aminy.
Amiko raha tena fitiavana ny zaza malagasy no atao dia tokony mba jerena koa ny "qualité" fa tsy hoe izay azoana vola sy mety hahitana voninahitra ihany no atao.

19. Jeankely
(
05/06/2007 01:38)
Hoy xxx hoe "Jeankely: Mba realiste ianao fa aza dia entim-po fotsiny." Tsy hifamaly akory fa mifanazava. Amiko dia zava-misy no noresahako hoe tsy nisy risoriso fa afaka nandeha izay nahafeno fepetra. Manarak'izay tsy misoratra anarana fostiny ny Université lazainao tsara fa misy "criteria" ary tsy voatery hanana izany ny ankizy. Ankoatr'izay na lazainao hoe "...isan'ny université faran'izay ratsy indrindra any..." dia mbola ny zava-misy no resahako hoe na mianatra amin'ny "top Université" aza ka manao kitoatoa dia tsy tafavoaka ary na io lazainao io aza ka mianatra tsara ny mpianatra dia mahita zavatra maro satria tsy hitovy amin'ny fitaovana ampiasana any M/car mihintsy ny fitaovana any U.S. ary raha ny fampiharana dia mahita zavatra maro izay tsy hita any M/car ny ankizy. Ka asa izaho miresaka ny zava-misy sy ianao miandry ny andefasana ny zaza Malagasy any "Harvard" hoe iza no "realiste" araka ny teninao. Hoy koa ianao "Tsy misy tompon-tany makamin'io université io"... Na andefa zaza 1000 isan-taona any aza amiko koa tombony ho an'ny Malagasy izany. Farany "tokony mba jerena koa ny "qualité" ka hiandry ny tsy azo ve Raxxx sa hanisy sira ny vorona andanitra. Ny Université any Madagasikara dia ampianarina ary malaza amin'ny "grevy" ary ny fitaovana no dorana sy potehina rehefa manao ilay hoe "grevy" ka ajanona hiandrya any M/car ve ny ankizy ary? Ianao no tsy mahalala ny atao hoe "REALISTE" ka mba mianara tsara.
20. xxx
(
05/06/2007 19:36)
Ka iza hono ra-jean kely no mampigrevy ny mpianatra?
Ny momba ny fianarana any US lazainao dia azo atao tsara ny mandefa mpianatra maro amin'ny toerana tsara sy mendrika. Saingy tsy izay no safidin'ny geza fa hafa. Efa nisy izay nanome soso-kevitra tena tsara saingy tsy pour ny mpiitondra ka nolavina, sao hotian'ny olona mihoatra ny tenany. Dia mitsetra ireo zaza malagasy sisa no azo atao aty.
Amin'izao kosa angamba tsy ho afaka ny ho lasa lavitra izy ireo satria tsy hisy olona handray azy aty dia miverina any Dago daholo avy eo. Izay tokoa no marina.
Nefa mba mahavarina ihany raha izany no fomba ataony satria izao: mba zavatra tsara ihany no nomen'ny fitondram-panjakana an'azy io tamin'izany andro izany, nefa rehefa tonga eo amin'ny fitondrana izy dia izao no ataony. Aoka re!