Mivoaka ny lalana fa tsy maitsy manao fehikibo ny mpamily!

1. niryna ( 30/05/2007 05:31)
Misy lalana mivoaka fa tsy maitsy manoa fehikibo daholo ny mpamily rehetra ka izay tratra tsy manao dia voan'ny sazy.Miferin'aina anefa ireo mpitondra taxi mandeha amin'ny alina fa tsy afaka mandositra hono rehefa sendra ny jiolahy noho ilay fehikibo.Ny any ivelany aloha dia tsy maitsy manao daholo na ny mpamily na ny olona ho entina e,ary efa zatra.Saingy tena mivaky loha ireo mpitondra fiara noho io lalana vaovao io.Raha tsy diso aho dia manomboka ny 17 juillet izao ilay izy.
Dia ahoana no atao amin'izany?
novalian'i rakapy ny 03/12/2007 04:33
2. Jeankely ( 30/05/2007 07:25)
Ny zavatra rehetra atao ao Madagasikara ao dia asiana "commentaires" foana. Araka ny voalazanao hoe samy zatra ny aty ivelany noho izany rehefa zatra dia vita hatreo io. Fa tokony hijanona amin'ny omaly foana ve ny rehetra ao Madagasikara ao sa inona no tena tanjona resahina e? Ohatra koa ny "Casque" n'ny mpitangina Moto. Ny tany rehetra dia misambotra ny Police raha tsy manao "Casque" nefa raha misambotra ny Police Malagasy dia lazaina fa tia hanaovana tsolotra. Avadika Problema daholo ny rehetra. Hatramin'ny "Commandant" Miaramila avy tratra mipipy eny Analakely izany hoe tokony sahala ny ao an'ala izany samy manao izay saipatany tsy asiana fivoarana sa ahoana?
3. sympa ( 31/05/2007 22:36)
8-)
4. Jeankely ( 01/06/2007 03:01)
Rehefa miditra sy mifidy izany fandrosoana izany dia misy fepetra daholo ny rehetra. Taloha dakadakana fotsiny ny gana hono ary amin'izao efa lalana iraisam-pirenena ny baolina kitra ka na hanao na hijanona. Nandalo tao Mahamasina ao ary mahita mpivarotra ramanonaka tsy mandray mofo fa efa mampiasa fitaovana ary nilaza izany tamin'ny mpivarotra hafa hoe tsy tokony raisina tanana intsony anie ny mofo e fa aleo hivoatra amin'izay e. Ny valiny dia hoe angaha maloto ny tananay e? Ianareo miseho milay. Ka raha ampanarahana "Normes & Qualités" daholo dia hoe aleo ihany revy Gasy kle? Hivoatra sa hijanona izay hazavaina ry tanora havana oooo. Ny tanora indray ve matahotra ny fandrosoana fa tsy efa tranainy e?
5. Bita ( 17/06/2007 01:02)
[quote=Jeankely]
Ny zavatra rehetra atao ao Madagasikara ao dia asiana "commentaires" foana. Araka ny voalazanao hoe samy zatra ny aty ivelany noho izany rehefa zatra dia vita hatreo io. Fa tokony hijanona amin'ny omaly foana ve ny rehetra ao Madagasikara ao sa inona no tena tanjona resahina e? Avadika Problema daholo ny rehetra.

Tena nisy ranamana izay nitondra fiara ary efa zatra toy ny any Europa hono izy mamatotra ny fehikibo ary nosavain'ilay Polisy. Nojerena avokoa ny taratasiny ka toa hoe komplé farany tsy nahita hanasolana azy intsony ilay Polisy dia hoy izy: inona indray ity mifehifehy ity? ka hoy aho hoe tsy entina hanaovana dram marina ve io lalana vaovao io. @ lafiny iray anefa marina ihany ny ilana azy fa maro ny tantara reko fa misy loza noho ny tsy fanaovana fehikibo toy iny lalana mankany Toamasina iny ary raha mba nanao fehikibo hono hoe ilay mpandeha dia tsy nitranga ilay loza ka tsy haiko intsony ny mety sy tsy mety. Fa raha toa kosa ka hoe misy mpanendaka ireo mpitondra @ alina dia tsy afa mitsoaka tokoa ka inona izzany no vahaolana???


6. Jeankely ( 21/06/2007 10:16)
Ny vahaolana dia ny hoe mijanona amin'ny revy samy mandeha ho azy raha araka ny fantantro. Ny fanjakana hatrany no lazaina tsy mahavita inoninona nefa misy tsy tia hivoatra mihintsy ny atao hoe sehatra tsy miankina Malagasy sasany fa zatra io revy mandeha ho azy io satria miditra foana ny vola ary tsy manana safidy ny mpanjifa amin'ny rehetra. Matoa mivoatra ny andafy izay hitanao dia noho'ny fizahavan'ny sehatra tsy miankina zavatra manja sy milay hatrany. Rehefa misy "mesures" raisina dia arahina fa tsy zaoe zao e. Sahala ny fanapaha-doha io. Indraindray efa tapaka ny loha vao hita fa tsy diso ilay olona. Ary matetika olona farany hatahorana koa tokony ho faty. Dia tsy misy raisina izany ve? izay hazavaina hoe aleo tsy misy miova aloha dia vita mazava ny tianareo ambara.
7. anjeliko ( 03/09/2007 12:18)
niryna:

Misy lalana mivoaka fa tsy maitsy manoa fehikibo daholo ny mpamily rehetra ka izay tratra tsy manao dia voan'ny sazy.Miferin'aina anefa ireo mpitondra taxi mandeha amin'ny alina fa tsy afaka mandositra hono rehefa sendra ny jiolahy noho ilay fehikibo.Ny any ivelany aloha dia tsy maitsy manao daholo na ny mpamily na ny olona ho entina e,ary efa zatra.Saingy tena mivaky loha ireo mpitondra fiara noho io lalana vaovao io.Raha tsy diso aho dia manomboka ny 17 juillet izao ilay izy.
Dia ahoana no atao amin'izany?


Miaro ny ain'ny mpamily sy ny olona entiny ny fehikibo ! noho izany ilaina tokoa ny mampiasa fehikibo o an'ny mpndeha fiara rehetra! Fa tena tsy misi vaha olana mihits v ho an'ilay mpamily taxi @ alina e? F'anga ts afa miaro tena @ fomba hafa ry zareo ?

8. dailynews ( 09/09/2007 14:17)
mitovy hevitra aminao aho jeankely.
9. rakapy ( 03/12/2007 04:33)
Ka short mille bande foana no hanaovako dia tsy mantsy manao fehikibo koa ve?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1193