Mitovy ve ireto sa misy maha samy hafa azy keellyy ee?

1. niryna ( 29/05/2007 05:52)
Misy teny matetika fitenin'ny olona ireto: Ny hoe mandraitra atody vaky sy ny mamaky akotry ary ny hoe mahihitra/ahitsiho azafady maihitra.
Misy hitovizany sy misy hifandraisany ve ireo?
-mandraitra atody vaky:
-mamaky akotry:
-mahihitra:
Misaotra mialoha.
novalian'i niryna ny 03/06/2007 05:56
2. sipagasy ( 29/05/2007 07:57)
Miarahaba,

Tsy haiko aloha annn fa araka ny fahazahoako azy eto dia :

- manjaitra atody vaky = atody ve moa ho azo zairina??rehefa vaky izy dia vaky na anaovana sakafo na vaky ka very t@ tany, tsy azo raofina
- mamaky akotry = ao anatin'ny akotry no misy ny vary, izany hoe mila totoina aloha ilay akotry vao azo ny vary, izany hoe tsy maintsy misasatra vao mahazo vokany
- mahihitra = fatra mpitsitsy, na koa sarotra an-kanina hoy ny fomba fiteny moa??

Raha bangoina izany amiko dia ny voalohany sy ity farany no sahala, na misy hevitra itovizany.

ahitsio ny teniko raha diso fa aza izaho no ariana annn hihih:-D:-D:-*
3. oli ( 29/05/2007 10:14)
niryna:

Misy teny matetika fitenin'ny olona ireto: Ny hoe mandraitra atody vaky sy ny mamaky akotry ary ny hoe mahihitra/ahitsiho azafady maihitra.
Misy hitovizany sy misy hifandraisany ve ireo?
-mandraitra atody vaky:
-mamaky akotry:
-mahihitra:
Misaotra mialoha.


zafad ndrindra alou a
n fahaizako za d oe: manjaitra alou fa ts oe mandraitra ar oe mahihitr ngamba
i.e. manjaitra atody vaky sy mamaky akotry.....mahihitra
4. niryna ( 31/05/2007 05:14)
Marina aloha izany hoe tsy misy atody ho zairina e,toy ny rano raraka.
Misaotra nanitsy a,tsy hitako io avy amin'ny teny hoe zairina:arrow:manjaitra:roll:e
Ilay mamaky akotry koa toa tsy ariany ny akotry fa vakiany.
Ny heviteny no tsy dia haiko loatra.
5. Jeankely ( 01/06/2007 09:37)
Resaka momba ny fitsitsiana na miitatra ho fahihirana daholo ireo roa aloha. Fiteny Malagasy ilazan ny olona fatra-pitsitsy kaa efa avy novakiana ny atody dia akana atsasany ohatra dia hezahiny akatona indray nefa simba iny noho izany tsy mety ny manjaitra atody ka anarina tsy anao io. ny mamaky akotry dia rehefa mitsipo-bary ny Malagasy avy nitoto vary dia atsipy na ariana ny akotry farany aorian'ny nahafotsy ny vary. Misy anefa maka ireo akotry ary mamaky azy tsirairay ka amin'ny ntaolo tsy mety izany. Ny olona manao iro dia mahihitra ka tsy tiany misy very ary diso mitsitsy foana ka hoy koa ny Ntaolo hoe "Ny mahihitra ihany ny lany be". Tafiditra ao ny fotoana, ny fahasimbana sns. Tia hitsitsy ianao dia tsy mandeha bus ohatra nefa mety harary ary ny vidimpanafody lafo nohon'ny Frais Bus.
6. niryna ( 03/06/2007 05:56)

Jeankely>misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3274