Mbola Kristiana, sady Kristiana Katolika?

1. xxx ( 26/05/2007 14:15)
1 - Raha jerena ny zava-misy dia tsy vitsy ireo olona no lasa tsy mino intsony. Ao ny milaza fa tsy misy Andriamanitra, ao ny miteny fa tsy ilaina intsony izany, angano io, sns.... Isika anefa mbola Kristiana, satria nahoana? Mba ifampizarao izay fahitantsika azy sy iainantsika izay mahakristiana antsika izay hatramin'izao.


2 - Raha jerena koa ny tantara dia betsaka ny zavatra tsy nety nataon'ny fiangonana. be ny manameloka azy noho izany. Ifonako eto io. Vokany dia betsaka ny niala taminy. Izaho sy ianao anefa mbola kristiana katolika hatramin'izao. Mba ifampizarao hoe ny antony? Ho ahy manoka dia izao: tsy manamarina ny Fiangonako aho, fa mino kosa fa tsy asan'olombelona fotsiny izy io fa asan'Andriamanitra koa, ka tsy holevona na ovina na ovina.

Izay maharitra ihany no voavonjy.
novalian'i marozevo ny 07/06/2007 19:27
2. ikaretsaka ( 26/05/2007 14:27)
Ny ahy rehefa io dia dia ny Joany 6:66, sy Joany 6:67 ary ny 6:68 foana no tonga ao an-tsaiko
Tsy misy miala eo! ary tsy misy hoe leo dia mifindra na manangana vaovao izany!
3. booboo ( 26/05/2007 16:01)
xxx > mahaliana anà lé dinika fa dommage fa natokana ho an'ny "kristiana katolika" fotsiny. Ngah moa tsy samy iray ihany hono isika ouz Jesosy ? sa mety mamo angamba lé razoky nanoratra an'io tao @ baiboliko hihihihihihihihi.
4. Fiffi ( 26/05/2007 16:42)
nefa bdb ny kristiana.......
5. niryna ( 26/05/2007 18:48)
booboo:

xxx > mahaliana anà lé dinika fa dommage fa natokana ho an'ny "kristiana katolika" fotsiny. Ngah moa tsy samy iray ihany hono isika ouz Jesosy ? sa mety mamo angamba lé razoky nanoratra an'io tao @ baiboliko hihihihihihihihi.


=DMarina izany booboo a.Tsy izaho an'i kaisara, na ianao ho an'i paoly na izahay hanaraka an-dranona fa lasa hoe izay tsy manaraka ny anay dia tsy kristiana. KRISTIANA=MPANARADIA AN'I KRISTY,FINOANA IRAY IHANY DIA NY FINOANA AN'I KRISTY,manao ny hafany,manaraka ny hanatra sy ny fanoharana rehetra nataony.Tsara ny misy fiangonana maro satria hafany io hoe mitoria ny filazan-tsara ka ataovy mpianatra ny olona.Rehefa mitory ka Jesosy no toriana dia izay no ilaina sy faniriana ary tadiavintsika rehetra kristiana.Maro ny mangetaheta an'i kristy kanefa raha hanao mpitary bato
Izy irery ihany no mahalala ny ao am-potsika tsira1 Rehefa samy manendry tena,mitory an'i Kristy amin'ny fo feno fifaliana,fitiavana, dia izay no ahalalany antsika fa mpianany sy mpanara-dia azy isika.

6. ikaretsaka ( 26/05/2007 20:26)
Marina daholo:
fa eo ambony eo koa misy hoe : Joany 6:65.
Tsy tsara ny manao sy miteny hoe hoe "mpianany" sy mitory azy anefa rehefa misy zavatra tsy azo na foto-kevitra tsy ekena dia lasa!
Nofidiny koa hono isika fa tsy nifidy tena!
7. pissoa ( 27/05/2007 06:55)
Booboo, Fiffi, Niryna : sao tsy natao ho an'ny Kristianina Katolika fotsiny ? Ny Kristianina rehetra toa afaka mamaly ilay fanontaniana voalohany. Ny faharoa fotsiny no hoe mampiavaka ny Katolika. ;)

1 - Izaho manokana : mbola Kristianina aho satria izay no tiko. Raha atao valin-teny Kristianina kokoa dia izay angamba no hitiavan'Andriamanitra ahy.
Ny fahitako ny fiainana ao amin'i Kristy ? Sarotra, tena tsy mora satria izaho Pissoa monja fa tsy Kristy ! nefa koa ... avelao ho avy izay ho avy eeeee, tsika sady mafy be no tsy miady irery, hi hi hi !
Fomba hiainana ny mahaKristianina : ny fahaizana mihaino no tena fototra raha ny hevitro. Mihaino an'Ilay Kristy, mihaino an'ilay feo kely mibedy sy manoro lalana ao anaty ao, ary mihaino ny olona manodidina ... na kristianina izy na tsia ! Rehefa avy mihaino tsara izay vao afaka miresaka sy miaina tsara, hi hi :-P
Voavaly daholo ve le fantaniana ?! :oops::-D:-D:-D


2 - Kristianina Katolika. Marina ny tenin'i xxx hoe misy ny tsy nety nataon'ny Fiangonana sns. Fa izaho Kristianina Katolika satria izay koa no tiko. Ao amin'ny Fiangonana Katolika no heveriko fa hahafahako tena mampiorina mafy sy mampivelatra ny mahaKristianina ahy. Ao no hahafahako mitaratra izany hoe IRAY ny fiangonana izany, ary iray miaraka amin'i Kristy.

Mbola be no azo ambara ...
8. tywa68 ( 27/05/2007 11:10)
mahay miteny anie io pissoa io e : tena mitovy hevitra mihitsy aho @ilay points 2 e :wink:
9. xxx ( 27/05/2007 13:41)
Tena mahavarina ahy ny fomba namakianareo ny zavatra nosoratako. Mazava anefa ny fanonataniana:
1 - isika mbola kristiana satria nahoana? Tsy nisy fanilihana ny hafa teo ka ilazana fa rehefa tsy ny ahy dia tsy izy. Fifampizarana ny fomba iainana sy fomba fahitana izay mahakristiana izay no nangatahina, ary miantefa amin'ny rehetra ny fanontaniana fa tsy hoe amin'ny kristiana katolika ihany.

2
- Raha jerena koa ny tantara dia betsaka ny zavatra tsy nety nataon'ny fiangonana. be ny manameloka azy noho izany. Ifonako eto io. Vokany dia betsaka ny niala taminy. Izaho sy ianao anefa mbola kristiana katolika hatramin'izao. Mba ifampizarao hoe ny antony? Ho ahy manoka dia izao: tsy manamarina ny Fiangonako aho, fa mino kosa fa tsy asan'olombelona fotsiny izy io fa asan'Andriamanitra koa, ka tsy holevona na ovina na ovina.

Io ny zavatra nolazaiko faharoa. Efa nolanjalanjaiko tsara ny teny rehetra nolazaiko teto mba tsy hanafintohina ny hafa. Tsy te hanilika na iza na iza aho, ary tsy te hilaza ary tsy nilaza mihitsy fa ny ahy ihany no marina. Nomarihako eo mihitsy ny hoe: "tsy te hanamarina ny fiangonako aho".
Ka na eto amin'ity faharoa ity aza, aiza no milaza teny fanilihana ny hafa ao?

Mba vakio tsara aloha izay vao mba miteny fa manjary manova ny hafatra tiany hampitaina ka manahirana e!
Misaotra an'i Pissoa sy karetsaka ...

Farany:
Mpandefa : booboo [ Valio ] 26-05-2007 18:01:12
Lohateny : Re : Mbola Kristiana, sady Kristiana Katolika?
xxx > mahaliana anà lé dinika fa dommage fa natokana ho an'ny "kristiana katolika" fotsiny. Ngah moa tsy samy iray ihany hono isika ouz Jesosy ? sa mety mamo angamba lé razoky nanoratra an'io tao @ baiboliko hihihihihihihihi.

tsy haiko na tsy fahalalana na fankahalana ny an'i booboo sy ny niryna. Na izany aza anefa dia am-pitiavana no ampahalalana anareo fa tena voalazan'i Kristy tokoa ary ao anaty baiboly ny maha KATOLIKA ny fiangonana KRISTIANA. Ny dikan'ny teny hoe Katolika mantsy dia universel.

Hanalio antsika hantrany anie ny Fanahin'i Kristy. Amen

10. xxx ( 27/05/2007 13:44)
Hanilo antsika hatrany anie ny Fanahin'i Kristy. Amen
11. tywa68 ( 27/05/2007 14:36)
xxx : Mba ho iray ao Aminy isika. Ho tanteraka anie izany Amen
12. booboo ( 27/05/2007 18:21)
xxx > dia naninona zao raha nofaritana hatr@ voalohany hoe ilay "maneran-tany" no tianao lazaina ? be dia be no afaka andraisana ny raha iraika rehefa tsy voafaritra mazava ny raha. Zao zà lazainao fa mankahala/tsy ampy fahalalana oh là là hein ! :-D:-D:-D:-D
13. marozevo ( 28/05/2007 22:25)
"Ianareo koa va handeha ?"
"Hankany amin'iza moa izahay ry Tompo ! Ianao no manana ny Teny Fiainana mandrakizay".
14. ikaretsaka ( 29/05/2007 01:41)
Ny ahy arak'io lazain'i marozeo io koa no itondrako azy, ho any amin'iza? sa hanangana vaovao fa soi disant hoe ao amin'i Kristy?
Tsia, misaotra!
tsy azoko ilay izy izao... fa za tsy handeha... fa ho azoko ihany any aoriana any
15. ikaretsaka ( 29/05/2007 01:44)
azavaiko kely: ny doctrine., ny dogma sns.. misy tsy azoko fa tsy izany akory no midika ho ahy hoe tsy ratsy io na tsara ...
! ihany koa no naorin'i Kristy hatrany amboalohany..
ny sisa amiko nanorin-tena... ao @ kristy
Amiko hoa io an!
16. johnnyandri ( 29/05/2007 02:47)
Za dakoro, tsy hitako izay holazaina kanefa te mba handray anjara aho fa tsy misy bala. Ka ity no mba fandraisana anjarako kely.
Vavaka:
Ry Jesoa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po, ataovy manahaka ny fonao ny fonay. AMEN
Tohizo ilay dinika fa tsara.
Misy karazany maro ny olombelona ka samy manana ny fomba fisainany sy ny fandraisany hevitra, miezaka isika hampiray sy hampitovy hevitra fa tsy hampisaraka na hiala amin'ny maro. amen
Mahereza daholo e...
17. niryna ( 29/05/2007 03:43)
booboo:

xxx > dia naninona zao raha nofaritana hatr@ voalohany hoe ilay "maneran-tany" no tianao lazaina ? be dia be no afaka andraisana ny raha iraika rehefa tsy voafaritra mazava ny raha. Zao zà lazainao fa mankahala/tsy ampy fahalalana oh là là hein ! :-D:-D:-D:-D

Izaho koa aky mba gaga,izao isika voatonona amin'ny tsy misy dikany:P:P.Eny tsy misy dikany izany.Mitohy foana ny fiaraha-manentana ny olona te-ahalala ny soratra masina sy te-hanaiky sy anaraka an'i kristy.Toy ireny rano miraraka eo ambonin'ny vato ireny,rehefa farany tsy maitsy misy rano tafidita ao na dia kellllllyyyyy aza8-)

18. xxx ( 29/05/2007 12:25)
niryna: hita @zao fa tena mankahala katolika mihitsy ianao. Tsy vao androany no hita fa efa hatramin'zay. Nefa milaza fa iray ihany ny kristiana. Aza mihatsaravelatsihy raniryna.
Hita amin'ny zavatra ataonao eny ihany ny fankalanao. Tsy mitsahatra ny mitady hevitra hanaratsina ny hafa lava izao. Tsy mba manontany na manadihady fa avy dia manaratsy.



19. xxx ( 29/05/2007 12:27)
niryna: hita @zao fa tena mankahala katolika mihitsy ianao. Tsy vao androany no hita fa efa hatramin'zay. Nefa milaza fa iray ihany ny kristiana. Aza mihatsaravelatsihy raniryna.
Hita amin'ny zavatra ataonao eny ihany ny fankalanao. Tsy mitsahatra ny mitady hevitra hanaratsina ny hafa lava izao. Tsy mba manontany na manadihady fa avy dia manaratsy.



20. xxx ( 29/05/2007 12:27)
niryna: hita @zao fa tena mankahala katolika mihitsy ianao. Tsy vao androany no hita fa efa hatramin'zay. Nefa milaza fa iray ihany ny kristiana. Aza mihatsaravelatsihy raniryna.
Hita amin'ny zavatra ataonao eny ihany ny fankalanao. Tsy mitsahatra ny mitady hevitra hanaratsina ny hafa lava izao. Tsy mba manontany na manadihady fa avy dia manaratsy.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.346