Mbola Kristiana, sady Kristiana Katolika?

21. ikaretsaka ( 29/05/2007 17:21)
niryna> farito sy apetraho tsara ho'a ny arguments alohan'ny hiadiana hevitrea fa
aza bontoloina sy valiana boraingina, dia hadihadio tsara alohan'ny hankahalaina azy
22. marozevo ( 29/05/2007 23:18)
ikaretsaka ah ! Aleo aloha ho any ambadika any ilay resaka niryna e... Tohizo ny dinika eto fa tsara ange ilay loha hevitra narosonao eh.

Io fahaizan'ny kristianina miaky ny hadisoany io no tena manome lanja azy.
"Nandao anao ela aho Raiko oh !. Zao dia te-hody aho"
"Mifona aho baba... mifona aho rô".
"Andriamanitra ô. Ny hadisoako ifonako".
"Fantatrao Ray ô, zay nafeniko hatrizay"

Kiraroy ny tongony, omeo fitafiana izy. Mandehana vonoy ny zanak'omby matavy... fa ity zanako ity dia very ka hita indray, ary maty ka velona indray.
23. ikaretsaka ( 30/05/2007 20:12)
Azafady aza fa tsy hiresaka le momban'i Nyrina intsony aho e!

Io fahaizan'ny kristianina miaky ny hadisoany io no tena manome lanja azy.
"Nandao anao ela aho Raiko oh !. Zao dia te-hody aho"
"Mifona aho baba... mifona aho rô".
"Andriamanitra ô. Ny hadisoako ifonako".
"Fantatrao Ray ô, zay nafeniko hatrizay"

"akohokely latsaka an-kady aho ry Tompo"
izay indrindra manko e!
24. marozevo ( 30/05/2007 23:16)
ikaretsaka > Tena tiako be io hira atombokao io, fa tsy ananako ny tonony.
Akohokely latsaka an-kady aho ry Tompo ô...
Tsiriry... maninona moa izy teo
Raha mba hainao re mba andefaso aho e!
25. ikaretsaka ( 31/05/2007 06:07)
i pissoa angamba mahalala fa izaho koa dia ohatranao ry marozevo, feony matetika no tadidiko.
fa ny mihira mivavaka ange hono mivavaka indroa e

mino aho fa handefa i pissoa
26. tywa68 ( 31/05/2007 10:41)
ty ary ny tonony e :

Akohokely latsaka an-kady aho ô Tompo
Hiantso, kely feo ; hanidina, tapaka elatra
Tolory tanana aho ka vonjeo
Sao matin’ny vesara-pahotako
Tompo ô, Tompo ô, mamindra fò amiko (indroa)

Tantely saraky ny ala aho ry Kristy
Eny an-tany ngazana nilaozam-bonikazo
Tolory tanana aho ka vonjeo
Sao matin’ny ngidim-pahotako
Kristy ô, Kristy ô, mamindra fò amiko (indroa)

Tsiriry diso farihy aho, ry Tompo,
Ety an-tany efitra, ny andro mangaina
Tolory tanana aho ka vonjeo
Sao matin’ny valim-pahotako
Tompo ô, mamindra fò amiko (indroa)

:-*
27. pissoa ( 31/05/2007 17:24)
tiko be io hira io :-*:-*:-*
28. tywa68 ( 31/05/2007 18:43)
ilay "Fò torotoro" no tiako kokoa :cry:
29. booboo ( 31/05/2007 19:02)
Tena mbô tiako ho heno mihitsy feon'io hira "akohokely" voateny matetika ato @ forum io...tiako ilay tonony:}
30. pissoa ( 01/06/2007 06:00)
zany za efa mihira mafy be fa heno ve ?! :-D:-D:-D
31. ikaretsaka ( 01/06/2007 13:08)
aiza rokao moa ny fangalana na fividiananana CD an' ireny hira ireny entre pa?
ireny ankalazao, chorales katolika sns... ireny ankoatran'ny ao @ Librairie Md paoly
32. pissoa ( 01/06/2007 16:59)
za tsy mahay fa St Paul ihany koa no haiko ! :oops:
33. pissoa ( 02/06/2007 00:04)
hadinoko teo :
Tywa : tsy aleo hifampizarana ao amin'ny Katolika.org le hira (Katolika) rehefa sendra misy fotoana ? :)
( http://katolika.org/index.php?option=com_content&task=new§ionid=5&Itemid=29 ny fampidirana hira ! )
34. tywa68 ( 02/06/2007 19:02)
ie ho avy e ! inona no tonony alefako ao ary e ?
35. ikaretsaka ( 02/06/2007 21:48)
ireny le mp3 ana ankalazao na koral be antsika ireny ry pissoa a
ry "Indro atolotray"
ry "akohokely latsaka an-kady"
na ilay efa talohasy mahazatra toy ny "miantso anao"
36. pissoa ( 03/06/2007 17:44)
Tywa68 : toa mety daholo angamba izay anananjy ka mbola tsy ao ka !

Ika : tsy azoko ! fa be no tsy tadidiko intsony ny tenin-kira fa izay ao anaty dera :oops:
37. ikaretsaka ( 07/06/2007 03:45)
mba ampidiro ao moa ny feony sy ny toniny mba hianaranay sy hotadidiana e.. izay manana
38. marozevo ( 07/06/2007 19:27)
Ahoana no fomba fampidirana feony ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1605