Hanao fahagagana lehibe ny Tompo

1. xxx ( 25/05/2007 16:32)
Tsy fanaratsiana akory ity fa fitantarana ny zava-misy, mba hampandinika antsika rehetra.

Tao amin'ny fiangonana iray lehibe teto Antananarivo no nidirako indray andro. Fitiavana mba hijery ny zava-misy marina no nahatonga ahy tao. Teo am-pidirana ny efitrano fivavahana aloha dia efa somary hafahafa satria tee-short misy sarin'i Michael Jackson no nanaovako, hay izany tsy fanao any.
Rehefa vita ny torin-teny dia natao ny rakitra (nisy zavatra hafa koa teo fa tsy tena haiko tsara) nandritra izany dia natao ny hira mampiainga fanahy.
Rehefa izay dia nivavaka i Pastera. Nipatrapatraka ny hatsembohany, nipitipitika ny ranon-drorany noho izy niantsoantso mafy. Miantso ny olona indraindray handredona ny ALELOIA, na ny AMEN. Maredona ny valin'ny vahoaka. Nihanalefaka izy avy eo. Nanandratra ny tanany sy lohany tany an-danitra ary niantso mafy fa hanao zava-mahagaga ny Tompo. Naverimberiny io teny io sady mafy, ny olona kosa mamerina ny Amen, izay mihamafy hatrany.
Dia nasaina nandroso ireo marary sy mila vonjy avy eo. sns....

Ny zavatra nahavarina ahy dia izao: I Kristy raha nanasitra olona dia tsy mba niantsoantso mafy hoe: izaho manasitra, na mahay manasitra.

Ny zavatra faharoa: ity tantara ity dia mampantsiaro ahy ny fankam-panahy nataon'ny Satana tamin'i Jesoa sy nataon'i Heroda taminy. Izay azo fintinina sahala amin'izao: raha manao fahagagana lehibe ianao dia be ny hino anao.

Ny zavatra tsapako koa dia toa terena hanao fahagagana i Kristy.

Izay aloha.

2. Fiffi ( 25/05/2007 17:00)
"xxx":
Ny zavatra tsapako koa dia toa terena hanao fahagagana i Kristy.
heu...iza no manery an'i Kristy hanao fahagagana ? ireo olona mivavaka ireo ve ?
3. Zina ( 25/05/2007 20:40)
xxx a,

tena mampalahelo ilay izy fa ny azon-tsika atao dia ny mivavaka ho any rehetra. Andriamanitra manana hery lehibe, mihaino ny vavakin'ny olona izy....Sur mihitsy aho fa ena misy olona votom-pinoana ao ka henon'Antra ny vavany.
4. ikaretsaka ( 26/05/2007 03:47)
Andriamanitra irery no mahalala izay ry xxx a..
5. ikaretsaka ( 26/05/2007 03:49)
fa ny gravy @ ny ohatran'ireny ilay cas hoe tsy mipoitra na mitranga arak'ilay notadiavina sy nirina ilay miracle nandrandraina!
Dia betsaka ny voafitaka fa tsy haiko hoe inona ny antony fa dia ao ihany..
6. xxx ( 26/05/2007 14:43)
ny azoko lazaina tohin'io tantara nolazaiko io dia izao: nisy ny nijoro vavolombelona avy eo hoe sitrana marina. Naredona ny Aleloia, sy ny hoe : velona Jesosy.

Ny hilaza aloha hoe: tsy nisy na nisy fahagagana teo dia tsy haiko satria aho tsy mahalala ny marina, fa nanatrika fotsiny.

Tsy afaka hitsara azy ireo koa aho, fa ny hany azoko ambara dia hoe: Sarotra ho ahy ny nahita an'i Kristy tamin'io toerana io.

Izay ihany.

Hahita an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra anie Isika, sy hitia azy koa ao amin'ny zavatra rehetra.
7. ikaretsaka ( 26/05/2007 14:58)
fa na tsy misy hifandraizany aza dia ity tantara ity dia mampatsiahy anahy ilay tantara iray izay tany,efa niseho teto ihany, fa natao tany @ hatsikana sy lalao izy t@ izany!:

Tamin'ilay taloha vao niorina teny Madagasikara ny fivavahana Kristianina dia ilay hifaninanana ny manangana tilikambom-piangonana. Ny zavatra avo koa moa tian'ny vorona, ka dia nisy hitsikitsika nanorim-ponenana (akany sy nanatody) tao amin ilay tilikambo.

Hitan'ny ankizy ary ny fisian'ilay hitsikitsika tao, ny ankizy koa moa ankizy ihany, ka indray alahady dia tapa-kevitra i Koto fa hianika any ary haka ireo atodin'ilay hitsikitsika hataony kilalao!

Variana tany ambony tany ny lehilahy ka nanomboka ihany ny Fotoam-pivavahana, Tonga ary ny toriteny,....
Nafana fo dia nafana fo @ izay Ingahy Pasy t@ izay ka niloa bava hoe "andao ary antsointsika ny Tompo "
Dia nanomboka ary ny fiantsoana:
"Tompo ooooo .. Tompo ooooo "
manako moa ny feoo any rehefa ao anaty tilikambo ao ka henon'i Koto sy noheveriny fa "Koto ooo" ilay izy ka namaly izy....
"Ahoana e"
Nanomboka taitra ny Mpiangona.... (na nareo tsy eo amin'ny toerany kosa aza.. )

Ingahy pasy koa taitra tampoka....Niverina niantso ihany anefa izy sady nanomboka nangovitra nanao hoe .. To To To Tompo oooo :{
dia noheverin'i Koto fa mbola izy ihany no natsoina dia namaly izy hoe:
"Ahoana eeeeee mihaino aho eeeee"
Natahotra ny 1 fiangonana ka efa lasa ny ampahatelony!

Ingahy Pasy koa matahotra ihany, fa mbola niteny ihany "TTTTompo o mi mi midina @ zay re ianao e"
Efa Hidina amin'izay aho izao ka.. Sady nanomboka nisy feo migodogodona ny tao ampiangonana @ i koto nidina!
lasa nitsaoka koa ny ampahatelony faharoa!
nangovitra sy niparararetra tanteraka Rapasy sy ny sisa tavela.. no iny fa nivoaka avy i Koto miaraka amin'ny atodin'ireo hitsikitsika....
Ho'zy hoe "ahoana tompoko"?
Ry kely finoana!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6398