Sarobabay ka izay voa aza tezitra

1. ikaretsaka ( 24/05/2007 15:34)
ity tantara ity dia aza entina @ fo fotsiny fa ny zava mitranga teto no nataoko tantara! Ze voa aza tezitra fa ny zava misy no noraisiko ho fanoharana

Tafiaraka tao anaty efitrano ny Katolika ,ny Protestant sy sectes (ataovy hoe evanjelika ) ary olona tsy mivavaka!
maty tampoka ary ny Jiro,
ny teny nataon'ilay tsy mpivavaka:
"Delestazy indray... tssssss rahoviana ihany e!"
Ny teny nataon'ny Propesta sy ny Evanjelika sy ny secte :
Ndao ry reto ivavaka, dia nivavaka teo, dia nanao temoinage tanaty maizina teo, (tsy afaka namaky baiboly moa fa maizina aza ko)

Ny nataon'ny katolika:
tsy niteny aloha elaela ... dia hoy i mompera hoe:
"misia ny mazava" ...dia nirehitra ny jiro! :idea::idea:
fa nahoana ary?








Valiny:
Nitady tao anaty maizina tao ry zareo dia nosoloiny ny fusible fa nisaoty!

Aza tezitra.. halalino fa izany no mitranga eto!:-D:-D
novalian'i prime ny 06/06/2007 11:12
2. rush ( 24/05/2007 16:19)
hanatra azo raisina @ io dia ny hoe tsara ny fiarahana mivavaka na avy aiza na avy aiza , na inona ny finoanao na inona!
3. rakaroka ( 24/05/2007 17:37)
Ny fitondra-tena sy ny hetsika atao no "torinteny" mahomby indrindra raha te hitaona olona:
Sarotra ny hino olona mitory fitiava-namana sy Atra tsy hita anefa tsy mpandraharaha na ny mpiara-belona aza!:roll::roll::wink:
4. booboo ( 24/05/2007 17:51)
tsy ny fihetsika sy ny hetsika fa ny fiteny/fanoratra ihany koa :wink:
5. ikaretsaka ( 24/05/2007 18:09)
anatra: ny fijerena ny "zava misy " sy ny fitadiavana valiny "pragmatique" no vahaolana amin'ny olan'ny fiainana fa tsy mimenomenona eo fotsiny!:-P:-P
6. fijo ( 24/05/2007 19:00)
io farany io no azo raisina.tsy mila resabe sy fanakianana ny hafa,fa mitady izay olana aloha de miezaka mamaha izany
7. ikaretsaka ( 24/05/2007 19:24)
Tadidio fa Andriamanitra tsy manampy ny tsy manampy ny tenany!
8. pitchou ( 24/05/2007 19:49)
merci ika! d henoy izany ry fijo
9. Mandefitra ( 25/05/2007 05:22)
Ny teny nataon'ny Propesta sy ny Evanjelika sy ny secte :
Ndao ry reto ivavaka, dia nivavaka teo, dia nanao temoinage tanaty maizina teo, (tsy afaka namaky baiboly moa fa maizina aza ko)

Ny nataon'ny katolika:
tsy niteny aloha elaela ... dia hoy i mompera hoe:
"misia ny mazava" ...dia nirehitra ny jiro!
fa nahoana ary?

Nohenon'Andriamanitra zany ny vavaky ny propesta de naniraka katolika izy hanamboatra le fusible, ary efa kopy Mompera fa hirehitra ny jiro, de nindrana ny Tenin'Ilay Nahary izy hoe "Misia ny mazava"
Tsy ratsy :lol:
10. Rasiligaoma ( 25/05/2007 05:29)
andraso Andriamanitra anontaniana raha nihaino tokoa na tsy nihaino...
Andriamanitra o? nihaino ve ianao ooo!
11. prime ( 25/05/2007 07:56)
Ika> :-D... misaotra r'ise a... efa hitako io tantara io fa tsy toa io loatra no tena izy... fampianarana zezoita io ary anisan'ny mahazezoita ny zezoita (terre à terre, salut par les actes, agir d'abord, travail travail travail au nom de Jésus... comme base de la foi)... fampitahàna ny mahazezoita miohatra amin'ny kongregasiona katôlika hafa no niaingàn'io tantara io fa mba "extrapoler'nao" amin'ny fiangonana mihitsy moa ka izay no mahatsikaiky ahy...:-D Tsy mijanona eo io tantara io, ka iangaviako ianao hanome ilay tohiny sady ianao rahateo zezoita raha azonao atao... (mikasika ny zezoita sy ny varotra, ny zezoita sy ny mahantra, ny zezoita sy ny kamboty, ny zezoita sy ny fampandrian-tany, ny zezoita sy ny fanandevozana, ny zezoita sy ny fanjanahan-tany, ny zezoita sy ny niaingàn'ny indugences, ny zezoita sy ny purgatoire, ny zezoita sy ny famosaviana...) rehefa natombokao ihany...:lol::-D
12. Mandefitra ( 25/05/2007 10:38)
andraso Andriamanitra anontaniana raha nihaino tokoa na tsy nihaino...
Andriamanitra o? nihaino ve ianao ooo!

Nihaino Izy ka, satria nirehitra le jiro. :lol:
Eritrereto hoe niaranirohotra nitady vahaolana hamerenana le jiro daholo ny mpianakavy, tsy nifandona vakiloha tao ve? ary raha hoe tsy nihaino vavaka ny Tao AMbony, mety main'ny courant tao raKatolika hehehe
Io ohatran le hoe marary ny zanakao,de nivavaka ianao hoe Andriamanitra o, sitrano ny zanako, nefa tsy nahandry fa nankany @ dokotera ihany.SItrana le zaza de hoe tsy namaly vavaka ANdriamanitra ve fa dokotera no nanasitrana azy? Dokotera nitsabo, Jesosy nanasitrana
13. ikaretsaka ( 25/05/2007 13:35)
Prime>Ka fanahy iniako ni extrapolena mihitsy ka:wink::D satria ny tiako hahatongavana dia any @ ilay hoe "andriamanitra tsy manampy ny tsy manampy ny tenany"

Ny momban'ny asan'ny Zezoita indray:
film lava be iny fa jereo ireny ry "Black robe", "Le mission" sns sns...
14. ikaretsaka ( 25/05/2007 13:47)
Tantara tena nisy, tany madagasikara:

Nisy Ramatoa izay Adepte ana secte iray malaza ao Antsirabe ao, dia sendra narary ny zanany, ary marary mila fitsaboana maika be any @ hopitaly ireny, ka dia nipenipenina izy, nony tany amin'ny pasiteran'ilay secte misy azy dia ho'zy pasitera hoe hivavahana io fa sitrana io fa "minoa fotsiny ihany", ny fivavahantsika tsy manao izany manolo ra izany, tsy manao izany manala organe izany, voarara ao anaty baibolintsika izany... dia tsy nentina namonjy hopitaly mihitsy tokoa ilay zaza fa dia nivavahana tao foana fotsiny. Indrisy anefa fa nihombo teo ny aretina ary dia nodimandry ilay zaza!

Tsy niherina akory ny taona dia narary koa ny zanak'ingahy pasy, ary nitovy aretina t@ ilay zavak'ilay ramatoa mihitsy! dia vitan'i lery ny nitabataba sy nitaty rakitra tao am-piangonana mba hi evacuena ilay zaza ho any an-dafy.. ary ny azy nampidiriny hoipitaly sy nitetezany ireo dokotera specialiste mihitsy!

Kivy ilay ramatoa dia lasa tsy nivavaka intsony ary lasa athee be! (io izao no "apostolat"-ko: ny manazava azy sy ny manoro azy ny lalana miverina!)
15. rakaroka ( 25/05/2007 17:49)
message
Kivy ilay ramatoa dia lasa tsy nivavaka intsony ary lasa athee be! (io izao no "apostolat"-ko: ny manazava azy sy ny manoro azy ny lalana miverina!)
[/quote]

Santionany iray io ambaranao io nampiseho sy mandiso fa tsy noho ilay vavaka loatra tokoa ny zava-nisy
fa sendra fifandrifina fotsiny dia heverin'ilay olona nivavaka ho ny valim-bavany, en faite rehefa
mifananfrify @ zavatra kasain'ilay olona dia valim-bavaka hoy izy! rehefa tsy mifanandrify dia "izay ny sitrapon'Atra: "Tranga firifiry ny toa izany"?....
Impiry moa ny malagasy no nivavaka ny ahasambatra an'i Mcar: Hatry izaho tsy mbola teraka akory anefa
rehefa zohinao ny tantara: porofoin'ny tantara mihitsy hoe:mikororosy lé firenena, ka sitrapon'
Atra aza ve izany :roll::roll::roll::?::?::oops::oops:8O
16. ikaretsaka ( 26/05/2007 03:53)
izay indrindra manko
17. niryna ( 28/05/2007 23:37)
booboo:

tsy ny fihetsika sy ny hetsika fa ny fiteny/fanoratra ihany koa :wink:



=D=D
18. ikaretsaka ( 29/05/2007 11:53)
ary ahoana indray ilay hoe misy mahatsiaro henjehina sy voatohina foana "hono" rehefa misy manitsy?
Sanatria ve hoe misy tsy mety dia raha mandeha ny polisy/arbitre dia le kivy be reny indray hoe ao ndray zany!
19. ravatorano ( 01/06/2007 07:23)
marina ny anareo
io ra ika zany foana an ka ny fanitsiana tsy maintsy misy e ary ny malagasy amin ny ankapobeny mila ahitsy foana ! mila mpanitsy akaiky sy eo anilany mantsy e zany hoe raha vao tsy eo ilay arbitre na polisy defa mibiririoka ny fanajana lalàna !
20. niryna ( 02/06/2007 03:33)
prime:

Ika> :-D... misaotra r'ise a... efa hitako io tantara io fa tsy toa io loatra no tena izy... fampianarana zezoita io ary anisan'ny mahazezoita ny zezoita (terre à terre, salut par les actes, agir d'abord, travail travail travail au nom de Jésus... comme base de la foi)... fampitahàna ny mahazezoita miohatra amin'ny kongregasiona katôlika hafa no niaingàn'io tantara io fa mba "extrapoler'nao" amin'ny fiangonana mihitsy moa ka izay no mahatsikaiky ahy...:-D Tsy mijanona eo io tantara io, ka iangaviako ianao hanome ilay tohiny sady ianao rahateo zezoita raha azonao atao... (mikasika ny zezoita sy ny varotra, ny zezoita sy ny mahantra, ny zezoita sy ny kamboty, ny zezoita sy ny fampandrian-tany, ny zezoita sy ny fanandevozana, ny zezoita sy ny fanjanahan-tany, ny zezoita sy ny niaingàn'ny indugences, ny zezoita sy ny purgatoire, ny zezoita sy ny famosaviana...) rehefa natombokao ihany...:lol::-D



Ika a Izaho koa mba te ahalala izany:roll:Ny fantatro fotsiny noresahinao ahy dia ilay hoe monpera namaky crystal vao nanala lolo tao an-trano ka niresaka moa ilay fanahy niteny hoe misy vovo-paty ilay lasitra ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2356