mahay mivarotra ve ny malagasy sa....!

1. fiderana ( 24/05/2007 07:29)
miarahaba anareo indray aloha ê!,
matetika dia mitranga ity indrindra eny @ taxi-be, efa tafiditra ianao sady efa mandeha ilay fiara no mitaky ny frais ny resevera, dia milaza izy fa tsy manana hamerenana, dia sady tsy misy fifanajana ankory @ izay fa tonga dia trerona kely no mahazo ny mpandeha ary matetika dia miafara ny fampidinana ny mpandeha mihitsy izany, aminareo ve ny mpanjifa no tokony hitady madinika sa ny mpivarotra?, misokatra ny ady hevitra ry namana.
novalian'i Bita ny 21/06/2007 17:50
2. johnnyandri ( 25/05/2007 11:51)
Efa tokony hiomana izany ianao amin'ny manaraka hitondra vola madinika raha tsy te hivonto fo.
Ity misy fika iray, treromy koa izy hoe tsy misy fa refa tsy hamerina dia tsy mahazo frais.
Farany, mba mijoroa koa hoe manana zo ho mpanjifa eny rehetra eny e:P
3. gasynamana ( 06/06/2007 20:39)
Ity tantara tena nisy, mikasika an'io resaka tsy misy madinika io.

Isa-maraina dia fanaon'ity rangahy iray ny mandray taxi-be. Vola 25.000 fmg foana no omeny ilay resevera. Tsy misy madinika foana ary dia mandeha mikidaona foana izy isa-maraina.
Voamarik'ireo mpitatitra io fanaony io, ka indray maraina, tonga izy dia nipetra. Niainga ny fiara, rehefa teny am-pandehanana dia naka frais ny resevera. Nanolotra ilay 25ooo fmg toy ny mahazatra radada. Somary ninanaka kely aloha ny resevera, de hoy ilay sofera hoe: ento aty fa misy maji aty e.
De namerenan-dry zalahy ariary miisa 4900 izy.
4. booboo ( 06/06/2007 20:54)
:-D:-D:-D:-D
5. Fiffi ( 07/06/2007 06:17)
noheveriko hoe :nataony aza ny kaonty de tsy namerina majinija intsony izy":-D:-D:-D:-D
6. Bita ( 21/06/2007 17:50)
Izaho koa nitovy hevitra t@ i Fiffi fa efa impiry izy no nandeha kidôna foana??? Misy ny fanaovana kaonty @ farany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3155