Fankahalana Frantsay

1. bozyboleta ( 23/05/2007 13:40)
Hatr@ nandroahana le mopera frantsay iny, de misy ambiansy mankahala frantsay mitsy zao eto Mkara.
Reo radio rehetra mpanao forum (Karajia sy Kidaona)eto zao de tototry ny antson'ny mpihaino milaza ny heviny sy ny fandinihany ny frantsay.

Za manokana, de mametra-panontaniana hoe "Tena nomen'ny frantsay fahaleovantena ve i Madagasikara?"

novalian'i Jeankely ny 28/05/2007 08:36
2. scorpion ( 23/05/2007 14:05)
manja kosa izany ambiansy izany lol
3. tohy ( 24/05/2007 06:47)
mankahala frantsay fa rehefa ho avy ny andro misy moyen handehanana any frantsa mendy daholo ny handeha
4. xxx ( 24/05/2007 07:46)
tohy:
mankahala frantsay fa rehefa ho avy ny andro misy moyen handehanana any frantsa mendy daholo ny handeha
mahagaga mihintsy!

5. scorpion ( 24/05/2007 07:51)
tsy misy mahagaga izany! :°)
6. vahiny2004 ( 24/05/2007 08:40)
tohy:

mankahala frantsay fa rehefa ho avy ny andro misy moyen handehanana any frantsa mendy daholo ny handeha

ie , dia tezitra be rehefa ampifilafilain'ny consulat visa
7. salmo1 ( 24/05/2007 09:31)
Sarkozy prezident Mscar:D
8. bozyboleta ( 24/05/2007 09:34)
Ze manan-kavana any sy mbola tsy tany ange zao sisa no mande any fa ny ankamaroan'ny mpanao afera sy ny mpitsangantsangana efa lasa any azia sy amerika daholo e!
Ary ze nandehandeha tany @ firenen-tsamihafa rehetra tany de tsy taitra @ zany frantsa zany intsony.
9. xxx ( 24/05/2007 10:04)
bozyboleta:

Tsy mbola France ihany ve no première destination n'ny gasy @ izao : tourisme sy fianarana ?
10. bozyboleta ( 24/05/2007 10:18)
Efa io nolazaiko io fa ze manankavana any ihany, sy mbola tsy tany no mankany.
Ze tsy mahay afa-tsy teny frantsay koa no mande mianatra any fa na aty Mkara aza efa tsy de misy vidiny tsony zany diplaoma frantsay zany. Ny diplaoma malagasy aza no tian'ny mpampiasa anglophone kokoa raha resaka teknika ohatra hoe telecom, asa vaventy...
@ top 100 oniversite malaza eran-tany tsinona any @ 46e vao hita ny Universite Paris 06, 61e ny Université Paris 11, 92e ny Université Strasbourg 1 ary 93e ny Ecole Normale Sup Paris.
Ny malagasy tena te-hianatra sy te-hahay zao de mankany Canada, na Etazonia na China na firenena hafa ao Eoropa.
11. LazaDaddy ( 24/05/2007 11:16)
bozyboleta:
Ny malagasy tena te-hianatra sy te-hahay zao de mankany Canada, na Etazonia na China na firenena hafa ao Eoropa.
Mampalahelo ny fiheveran'ny Gasy fa tsara dia tsara any Amerika avaratra sy any Chine. I Frantsa aloha tsy dia tiako loatra saingy manana ny maha izy azy mihitsy ny Oniversite Frantsay fa diso ny fandaharana nomenao ireo, na fandaharana nataon'ny amerikanina.
I Chine aloha dia aza atao anaty lisitra akory, raha hoe Japan farafaharatsiny!!!
Raha any Amerika indray dia aza diso fiheverana loatra raha tsy MIT, Harvard, Yale na Berkeley. Tsy ratsy akory ny hafa fa ny ankamaroany dia latsaka ambany noho ny "niveau" ananan'ny mpianatra @ Universite Gasy.
12. bozyboleta ( 24/05/2007 11:31)
Lazadaddy :diso ny fandaharana nomenao ireo, na fandaharana nataon'ny amerikanina.
I Chine aloha dia aza atao anaty lisitra akory, raha hoe Japan farafaharatsiny!!!

T@ tranokala britanika no nahitako an'io top 100 universities of the world.
Diso hevitra ianao fa i China zao no tena lasa lavitra @ teknolojia, ary mirodorodo any daholo izao na ny tandrefana aza. Raha taranja hafa angaha ka mety ho tsy lany lisitra izy. Za de nianatra tany hatramin'ny taona lasa fa mpianatra avy @ firenena 56 eran-tany no niaraka tao, ary maro tamin'izany ny amerikana sy ny eoropeana.
Ireo orinasam-pifandraisana lehibe eran-tany ireo izao de manao fiaraha-miasa @ daholo satria tsisy maharaka ny teknolojia-ny
13. xxx ( 24/05/2007 11:39)
Dia tsy azoko aza ny fifandraisan'ny tenin'i bozyboleta hoe : "mankahala frantsay" sy ny hoe "nomen'ny frantsay fahaleovan-tena marina ve ny gasy e " (zà oniversité tato an-dranonay ihany)

Ny oniversite nianarana aloha zavatra iray, fa ny personnalité koa zavatra hafa . Misy olona 2 mivoaka @ oniversité 1 mitovy fa samihafa izy eo @ sehatry ny asa
14. LazaDaddy ( 24/05/2007 11:47)
ny an'i bozyboleta kay fitiavana hiteny amintsika hoe nianatra tany Chine izy no tena antony nanokafany an'ito adihevitra ito.

Tsara be sy mandroso be hono i Chine ry zareo namana araka ny filazan'i bozyboleta ah. :) Mitandrema ianareo fa tany izy no nianatra an! hmmm...
15. bozyboleta ( 24/05/2007 13:51)
Mila mahay mamaky tsara raha hiresaka eto fa tsy raisina tapany ny hevitry ny hafa.
Ny hoe mankahala frantsay de izay le rivotra misy eto tanà @ zao fotoana izao. Ary ny resaka fahaleovantena, fanontaniana apetrako noho ny fahitako fa mbola mitsabatsabaka @ fiainan'i Mkara ny frantsay.

Lazadaddy: tsy hideradera tena no alehako eto fa nentiko nanamafisana ny traikefa niainako ny nilazako fa tany China za no nianatra. Ary mbola misy toerana maro hafa azoko lazaina raha tianao kou. Saingy tsy izay le tanjoko.
Mba lazao ny anao sao mahasoa ny hafa fa aza manenjika!
16. xxx ( 24/05/2007 14:47)
bozyboleta> sarotra ny miady hevitra amin'i LazaDaddy fa izy tena mahay manapaka sy mitsongoloka teny io, hany ka miova tanteraka ny tiana lazaina, sahala amin'ny anaovany ny baiboly ihany io :°)

17. fijo ( 24/05/2007 19:10)
anjaranao no mandresy lahatra azy fa zara aza misy namana mahay mitsongolika hevitra.vao miha manazava sy mamporisika antsika hiezaka hannome havitra tsara kokoa izay.
fa aleo koa ny frantsay mba ahazo ny anjarany ao,fa manalika gasy loatra
18. li1234 ( 24/05/2007 22:01)
bozyboleta:

Efa io nolazaiko io fa ze manankavana any ihany, sy mbola tsy tany no mankany.
Ze tsy mahay afa-tsy teny frantsay koa no mande mianatra any fa na aty Mkara aza efa tsy de misy vidiny tsony zany diplaoma frantsay zany. Ny diplaoma malagasy aza no tian'ny mpampiasa anglophone kokoa raha resaka teknika ohatra hoe telecom, asa vaventy...
@ top 100 oniversite malaza eran-tany tsinona any @ 46e vao hita ny Universite Paris 06, 61e ny Université Paris 11, 92e ny Université Strasbourg 1 ary 93e ny Ecole Normale Sup Paris.
Ny malagasy tena te-hianatra sy te-hahay zao de mankany Canada, na Etazonia na China na firenena hafa ao Eoropa.

Tena marina io voalazanao io, ary zay no tena zava-misy @ zao.
19. fijo ( 24/05/2007 22:26)
de aleo amin'izao e
20. gasynamana ( 25/05/2007 11:31)
bozyboleta: samy manana ny maha izy azy ny oniversite tsirairay fa tsy hoe ny ary izao no tena izy na ny ary. Tsarovy fa raha resaka filosofia na politika no ianarana dia mbola ny oniversite frantsay sy alemana ary rosia no tena mitana ny laharana voalohany. Tsy mahita mangirana firy amin'ireo resaka ireo ny anglisy. Raha resaka sosialy no atao dia any canada no tena tsara. sns...

fijo: tsy misy manalika anao izany eo fa ianao no efa marary saina angamba.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0849