Mila mahay mamaky tsara raha hiresaka eto fa tsy raisina tapany ny hevitry ny hafa.
Ny hoe mankahala frantsay de izay le rivotra misy eto tanà @ zao fotoana izao. Ary ny resaka fahaleovantena, fanontaniana apetrako noho ny fahitako fa mbola mitsabatsabaka @ fiainan'i Mkara ny frantsay.
dia ilay ifandraisany no tsy takatro ? hoe mankahala frantsay ve satria anarany mba mahaleo tena nefa mbola miditra ihany ny frantsay ?
ny fahitako ny malagasy dia mankahala frantsay satria be dia be ny te ho any Frantsa nefa tsy mety mahazo visa. C'est bête mais c'est comme ça . Nefa h@ izay h@ izay ny "an-dafy" fantatsika dia tsisy afa-tsy la Frantsa. Dia lasa ny hoe université tsy mankaiza akory ny any e, ny frantsay ange racistes e ...
Izaho manokana aloha dia tsy resaka fanaratsiana Frantsay angamba no tena tokony halalinina. Manana ny toerany sy ny hasiny ny Frantsay amin'ny sehatra rehetra saingy ireo olona novalavolainy sasany no manao zavatra hafahafa. Maro ny olona nandranto fianarana tany ary mbola any ary samy manana ny maha-izy azy avokoa ireo fa tsy azon-tsiaka hambaniana. Ny fijeriko kosa anefa amin'ny maha avobe sy ambony loatra ny zavatra efa vita sy nolalovan'i Frantsa izay dia ny fanarahana ny zavatra vitan'ireo tany eo alohaloha no mety ho araka. Ilay hoe dingana lehibe mantsy mety ho an'ny olona iray fa eo amin'ny sehatra firenena dia misy ny mitarika manao dia miverina. Misy "Processus" tsy maintsy lalovana ka enjana ny mitsambikina.