Namosavian’ilay mpiasa izy mianakavy hanambadiany ny raim-pi

1. Fiffi ( 23/05/2007 08:29)

ANKADINDRAMAMY. Tsy maha lehilahy na maha vehivavy ity fitsiriritana ity. Mahavita zavatra tsy hain’ny saina eritreretina ny olona sasany.
Namosavian’ilay mpiasa izy mianakavy hanambadiany ny raim-pianakaviana

Zavatra tsy azon’ny saina eritreretina no niseho tamina tokantrano iray tetsy Ambohidahy Ankadindramamy. Naharitra aman-taonany ny famosaviana nataon’ity mpanampy tao an-trano. Tratra ihany anefa ny nafeniny taty aoriana. Ireo efa nasiany ody kosa saika tsy nisy tafarina mihitsy. Tapitra nofahanany ody ratsy avokoa ireo mpianakavy afatsy ilay rangahy. Ny antony, tiany loatra ity lehilahy ity ka ny hany hitany fa hahazoany azy dia ny mamono ireo manodidina azy.

Tamin’ny alahady teo no hita ny zava-dratsy nataon’ity mpanampy ity. Zazavavy eo amin’ny 19 taona eo. Avy any Ambohibary Sambaina no fihaviany. Mahina tamin’ireo zavatra rehetra niseho tao an-trano ny olona ka nahatonga azy ireo hisava ny poaketrany. Hita tao tokoa ny karazana ody maro samihafa toy ny menak’omby, fato’bolo ary taolana fatin-jaza kely miisa telo. Efatra, hono, no tany aminy fa efa nampiasany hangalana ilay rangahy ny iray. Raha nanontanina izy, tamin’ny inona no nampiasana azy, tsy rototra rakalakely namaly hoe, tamin’ny lasary karaoty nomeko anao. Tsy nahavoa ilay rangahy anefa io zavatra io.

Ny amin’ny menak’omby indray, nilaza izy tamin’ny fanontaniana natao azy fa io no saika hanaperan’ny ain’ny rehetra. Ny fato-bolo, io no tena hita matetika anaty sakafo indrindra ho an’ny ankizy izay nifandimby marary.

Talohan’izany rehetra izany, dia nifandimby narary ny olona tao an-trano. Ny ankizy aloha no voa. Tratra izy indray mandeha namàna vary efa masiso ho an’ny ankizy iray. Nilaza ramatoakely fa nitaraina ho noana io zaza io ka io zavatra io no saika homeny azy. Sendra nandalo nivahiny tao ny rafozan’ilay lehilahy. Aretina no hita satria nofahanan-dramatoakely ody efa namboariny ihany koa. Taty aoriana, narary mafy ny vadin’ilay lehilahy. Tsy hita intsony ny hevitra ka hany hery nandeha nanatona Mpiandry. Nivavahana ilay ramatoa ka farany fantatra fa nasian’ny sasany ody ratsy. Avy amin’izany no nahalalana fa ilay mpanampy no nanao izany.

Rehefa sarona ny zavatra ratsy nokasainy dia nanazava izy fa tiany ho vadiny ilay raim-pianakaviana. Fantany anefa fa tsy hisaraka amin’ny vadiny mihitsy ilay izy. Nitsiry tao an-dohany tao ny sain-dratsy hamono ny fianakaviana iray manontolo.

Nahomby tapany ihany ilay tetika ratsy famosaviana. Efa fotorana any amin’ny zandary amin’izao fotoana izao ity vehivavy ity.
Solo R Midi Madagascar
novalian'i xxx ny 26/11/2007 08:00
2. Aino ( 23/05/2007 10:06)
kay raha izaho kosa aloha tsy avita any izany, fa aleoko dia miala lavitra na dia tiako tahaka ny inn aza ve ny ny fianakaviana tsy manantsiny ary no ande ho amosaviana, sady tsy mba olona izay no ande ho taperina ny ainy fa maro!!!

sa izay iznay ilay fitia diso tafahoatra ko!! fa izy ity vao 19ans no maha gaga ahy mavita mamita-tsaina lavitra amita ny fianakams. mampalahelo.
3. nikopol ( 23/05/2007 10:10)
ary neveriko fa poizimboalavo na herbicide le izy! hay taolapaty sy menakomby ! =))
4. Jeankely ( 23/05/2007 10:37)
Aza adino koa fa betsaka ny Raimpianakaviana "MITSAINGOKA" mpiasa ary misy ireo miteraka amin'ny mpiasa antrano. Hatramin'ny fanjakan'andriana no nisy ny hoe "MANDRORONA", mivady amin'ny tsy mitovy. Tsy hay mety efa nisafo kely Dadatoa dia niakatra ny hafanampon-drakala-kely. Saosin'i Patron io hoy izy. Soa fa tratra.
5. vale ( 23/05/2007 11:26)
:lol::lol::lol::°):oops: ; io indray aloha tsy misy hoe tsy fitovina sns, izany fa ny ao an-tsain'ny tsirairay angamba no mampitovy ny ol tsirairay fa tsy ny classe sosialy izay misy azy, bref, ny mahagaga koa @ ity resaka odygasy ity dia taolana sy menaka ve dia hahafaty olona? asa fa samy manana ny finoany marina fa raha ny mba eritreritro dia misy fahamarinany io voalazani Jeankely io oe, mety avy @ Ra dadatoa ny antony, asa anefa an !
fa na izany na tsy izany mapalahelo ny toe-javatra hoatrani'zany satria FITIAVATENA no demôniaka :arrow::evil:

6. voara ( 23/05/2007 11:43)
loooooooooza zany ,afo hono ny fitiavana ,io resaka patron sy panampy io de fandré matetika ihany ,fty famosaviana ty no vaovao amiko @ zay izy tsy nisalasala akory nilaza ny tetidratriny
7. sympa ( 23/05/2007 12:52)
Tena mahatalanjona mintsy izany kle :!: 8-)
Fa ny tena mahagaga ahy de ity raha te amony azy ireo izy de naninona ireo no zvtr noampiasany fa tsy zvtr tounde mahakilte vety² azy reo kle :?: 8-)
Raha izany de aloe ihany zany maka ireo mpiasa an-trano efa raneny ireny ihany izany kle :!: :°):°)
8. rapala ( 23/05/2007 15:05)
samy manana ny finoany daholo ny rehetra momba io ka dia tsy hitsofoka be loatra izaho saingy ny tiako holazaina dia mampalahelo ilay fianakaviana:(
Anatra hoan'ny rehetra: mba mailo ihany rehefa maka mpiasa e!
9. patrick2002 ( 23/05/2007 16:46)
Ka dia asakasaky isika lehilahy izay tia mitsaingoka soalafa kou ! zah mino fa tsy sahy nanao an\'izao io mpiasa io raha tsy efa nohanin\'i patron tao :lol:
10. patrick2002 ( 23/05/2007 16:46)
Ka dia asakasaky isika lehilahy izay tia mitsaingoka soalafa kou ! zah mino fa tsy sahy nanao an\'izao io mpiasa io raha tsy efa nohanin\'i patron tao :lol:
11. Fiffi ( 23/05/2007 16:49)
heu.....zah aloha efa naheno mpiasa nanao an'zao an ! nefa le patron tena tsy naninona azy mintss na de kely aza !
12. rapala ( 23/05/2007 18:06)
ny ahy indray ny henoko dia ny niesin'ilay madama mintsy no namadika azy. Nampalahelo be, noho indray anefa nisaraka zareo, lasa niverina any dago ramatoa kely.:(
Patrick2002: tena marina mihintsy io lazaina io, efa nahazo tosika t@ ramose izy dia izay no fiheverany fa tia be azy izy.:(
13. sudou ( 23/05/2007 20:03)
Ny ahy indray dia ny vadiko no namosavian'ny sipany taloha satria izy nanenina ny niala , ny gasy tena mahay mamono fatsy maghay mamelona saingy ny mahafinaritra dia tsy maty ny vadiko dia ho menatra eo izy;aza mba manenina sy manao ratsy ihany ry Maria a!
14. pissoa ( 23/05/2007 20:04)
:{:{:{
15. Fiffi ( 23/05/2007 20:58)
tena mahagaga ity resaka famosaviana ity an ! :{:{:{
16. patrick2002 ( 23/05/2007 21:36)
mampioro-koditra ,fa ny mahagaga anie dia na ny vazaha aza dia manatona an'io eh betsaka mihintsy eto ny voyante mahazo vola ,ny afrikanina moa tsy lazaina intsony mitady vola amin'io .:roll:
17. sympa ( 24/05/2007 13:06)
Atao ahoana moa fa samy manana ny fomba fitadiny ny tsiray² :roll:
18. Fiffi ( 24/05/2007 14:07)
19. sympa ( 24/05/2007 14:38)
20. Aino ( 24/05/2007 17:07)
aleoko rehefa manambady aho any ahoriana any dia izaho ihany no mikarakara ny tokan-tranoko fa raha izao miseho:cry:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0877