Tandremo fa tsy ny Malagasy ihany no mamosavy. Any Europe misy anareo angamba no efa lasa alavitra fa ireo tany Asiatique dia mbola minomino ary mampiasa ody isankarazany. Ny Afrikanina moa tsy lazaina intsony. Ny resaka mpiasa dia sarotra satria maka raneny be ianao mety tsy ahavita zavatra maro izy. Maka tanora mety hanaovany ny haingon'i Madame ary ny fikan-dRamose mihintsy amin'ny farany raha sendra Ramose tia Tsaingoka. Maka lehilahy, mety hangalatra. Na izany aza misy ny manaja ny asany ny mpiasa antrano. Ny resaka famosaviana tsy fitiavana olona fa fitiavantena satria tsy tompon'ny tenany ny olona manaiky anao fa entinjavatra.