Mpanohitra ve ny katolika ?

21. xxx ( 25/05/2007 09:52)
Asa iza marina no mijery an-tendron-korona na izaho na ianao ?
Alohan'izany aloha dia tsindriko aty am-piandohana fa tsy mpanohitra toy ny mpanohitra rehetra ny Katòlika. Tsy miady ny hiakatra eo @ Fitondrana izy. Tsy midika izany fa hamela azy hanao izay danin'ny kibony izy. Ka tsy maintsy miteny izy raha misy zavatra tsy nety hitany.
Ary raha maharaka tsara ianao dia izan-taona no mamoaka fanambarana ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto M/kara ka anehoany ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena: izay tsy voatery ho négatif.
Tany @2003 anefa dia efa nilaza izy fa miha-mahantra ny Gasy, sns.
Talohan'ny Referendum farany teo dia efa nilaza koa izy t@ tsy mahatomombana tsara an'iny. Tsy iverenako eto intsony moa ny antony.
Koa hoy ianao hoe izao ve izy vao mitsikera, sokafy no maso, dia mba maharaha infos fa alohan'ny hanehoan-kevitra.
Fa izao é, mba lazao eto hoe inona ny teny ratsy voalazan'ny ttasin'ny Eveka iny. Inona ny zavatra tsy mety ao ? Ary nahoana rehefa manohana ny Fitondrana ny FFKM tsymisy miteny hoe manao politika, ary rehefa mitsikera ny ataony ny Katolika lazaina fa manao ingérence. Sao dia ireo vazaha conseiller be dia be ireo no tokony roahina, na koa ireo solon-tenan'ireo Banky Mondialy hita any @fivorian'ny Governemanta.
Fehiny : mba misaina fa aza enti-po na fankahalana be fahatany fotsiny.
Raha tsy nanao izao ny Fiangonana katòlika dia vao mainka ratsy satria miray tsikombakomba @ ratsy.
22. bozyboleta ( 25/05/2007 10:56)
hoy i xxx

Inn zao no idiran'ny fo @ io resako io. Tsy miteniteny foana mitsy io fa zava-misy hita @ gazety sy lazain'ny haino aman-jery tsy eto an-toerana ihany fa hatrany am-pita any.
T@ afriquecentrale info t@ décembre zao nahitako an'ty: "Le président rwandais Paul Kagame a lancé lundi une nouvelle violente attaque contre la France qu’il a accusée d’exploiter et de déstabiliser ses anciennes colonies en Afrique." ...
Inn no tantaran'i Rwanda???
23. patrick2002 ( 26/05/2007 01:20)
amiko dia zon'ny fiangonana katolika no mitsikera ,fa kosa ,aoka tsy hatao tsikera fe tsikera ohatry ny hataon'ny mpanohitra fa tokon'ny hatao critique constructif ,satria Ray Amandreny ny eveka ary olona nianatra ,ka manongo-tena izaho mahita ny critique hataon'i katolika ,moa va tsy manetry ny toerany sy ny hajany misy azy ny fiangonana katolika :cry::cry:
24. Pouna ( 26/05/2007 08:23)
Diso ny fiangonana na katolika na tsy katolika mahita fa misy loza mananotanona ka tsy hiteny, hiaro, hampahalala ny mety ho fiatraikan'io zavatra io amin'ny mpiarabelona. Diso izy raha tsy miteny satria lasa mpiray tsikombakomba: raha miteny izy tsy mahery fa mety misy mpihaino, mety hisy hitsipaka... Misy ilana azy ve anefa izany ? Ny tantara no hitsara ...

25. xxx ( 26/05/2007 22:49)
Ny an'ialahy ri bboleta efa fankahalana hatr@ voalohany à. Tsy vao izao no nahafantarako an'izany.
Ho an-dRapà, lazao ary ambarao eto inona ny zavatra hitanao fa tsy araky ny tokony ho izy @ ireo intevention nataon'ny Fiangonana katòlika.
26. patrick2002 ( 28/05/2007 03:06)
Pouna: Tena fahadisoan'ny katolika ,raha toa ka hiteraka korontana sy savorovoro ny tsikera hataony ,ary adidy ny mpitondra fanjakana ny misoroka an'izany sy hampisy fandriam-pahalemana eo @ tany sy ny fanjakana .
XXX: ka inona ny vaha-olana ho entiny fiangonana katolika ,t@ tsikera nataony ,delestage :F'angaha olana ara-politika no mahatonga ny delestage ,fahasahiranany isan-tokatrano : F'angaha t@ fitondrany Ravalomanana no sahirana ny malagasy ,amin'izao fotoana izao aza vao hita fa miha-misondrotra ny PIB ny malagasy chiffre navoakan'I banque mondial io.
Fehiny aoka tsy hatao be faha-tany ny tsikera ,fa raha samy hitsikera ,izaho koa mahita hotsikeraina @ nangalan'I Katolika ny tanin'Andriana izay nanaovana ny st michel sy sainte famille ,ary soavim-bahoaka ,fa hitondra inona moa izany :roll::roll:
27. piste ( 28/05/2007 22:54)
Voalohany dia efa tsy voavalinao sahady ny fanontaniako.
Faharoa, na tiana na tsy tiana dia avy @ Fanjakana no nahatonga io olana io. Inona no antony ni-privatisé-na an'io, nefa tsy mandeha @ tokony ho izy avy eo. Jereo koa ny fitsabahan'ny CUA tao Jirama, vokany mibaby trosa ny jirama satria tsy mandoa ny comune.Ary maninona ity delestazy ity no any @ Faritany ihany fa tsy misy eto Tanà.
Ary tsy fantatro ianao na misaina na misary adala fa raha vao misy zavatra tsy mandeha ao @ firenena anankiray na resaka social, na economie, na politique dia ny Fanjakana no tompon'andraikitra voalohany @ izay. Inona fotsiny no maha-pitondra azy raha izay.
Hailikao @ iza indray ary ireo pbl ireo, any @ mpanohitra, any @ eveka, any vahoaka ?
Efa sahirana ny Malagasy teo aloha fa tsy mbola nisy delestazy izany hatr@ izay teto M/kara. Ny antony nifidianan azy dia mba hanatsara ny ny fiainam-bahoaka satria kapòkany io hoy izy. Indrisy anefa....anjaranao ny manohy azy.
Izany chiffre ny BM izany dia tsy mitaratra velively ny réalité misy. Ompain'ny olona ianao rah milaza izany aminy.
Tsy misy resak tsikera be fahatany ireo fa zava-misy ary iainan'ny olona. Tsy mpanohitra ny Katòlika, tsy mitady ny hitondra izy fa miaro ny zo amamn-kasin'ny olona voahitsakitsaka. Ka tsy azonao tapenana ny vavany. Mission-io. Mitovy @ mission-nao miaro à l'aveuglette ny Fitondrana io. Fa ny tsy mampitovy azy ny anao bontolo tsy ampisainana, fa ny azy objectif tanteraka ny lazainy.
Farany : maninona re no dia mandainga ohatr'io é, lazaina fa ny Katòlika indray no mangalatra ny tanin'andriana. Izay no lazaiko anareo hoe : aza miteniteny foana fa mahamenantra.
Ary sasa-poana ianao hanenjika io Fiangonana io fa tsy maintsy mijoro miaro ny marina io na tianao na tsy tianao.

28. bozyboleta ( 29/05/2007 07:27)
Mody atao hoe voavaly zany ny fanontaniana e!
TSY MPANOHITRA NY KATOLIKA.

Ary raha ovaina ndray le fanontaniana hoe:
"Mpanakorontana ve ny katolika?"

Karakory ndray rô valiny? Misotroa klou rano mangatsiaka vô mamaly f'aza tezitezitra zany hoa!
29. patrick2002 ( 30/05/2007 13:30)
ENY RE RA XXX AH!
Voalohany dia tsy privatisé ny JIRAMA ,ary Ra8 dia efa niteny fa raha ny sitrany dia tsy ho privatisé na ny jirama ,maro anefa ny pression ny FMI fa tokony ho privatisé na ny jirama (tantara mitohy ny amin\'iny ) .
Ny delestage : asa na mba fantatrao hoe avy aiza ny haazoana electricité ,misy karazany maro hydro-electrique ,central thermique ,nucleaire ,eolienne ,soleil,tsy hampianatra anao izaho fa ianao efa intellectuel tapi-pahaizana :lol:
Ny ao madagasikara dia ny hydro-electrique (andekaleka ,mandaka,namorona ) sy central thermique
karazana moteur diesel ireny mety ngezabe mety kely araky ny puissance ny ,no miteraka electricité ,ny ao antananarivo ,toamasina ,antsirabe ,fianarantsoa ihany no mandeha @ hydro-electrique na barrage ,fa sisa dia moteur diesel no mampandeha azy ,sahala ny any majunga izao dia misy moteur 2 izy 8m ny halavany ary 4m ny haavony ny gasoil troany ny moteur 1 isan\'andro dia mahatratra 15 000 l eo ho eo azonao antsaina amin\'izany ny masokarena ny jirama @ central thermique izay mampandeha any @ province .
Fehiny dia mantiantoka ny jirama ho an\'ireo central thermique any @ province satria lafo loatra ny masokarena ,ary ny vola anefa tsy miditra araky ny tokony ho izy ,be loatra ny manao hosoka @ courant ny jirama ,ny piece anefa efa miaantitra ka mila solona satria tsy nisy entretien araky ny tokony ho izy natao teo aloha ,ny vola anoloana azy tsy misy ,tsy afaka miasa plein regime intsony ny moteur ,ka tsy maintsy tapahina par secteur ny courant mba hampihena ny fiasany moteur ,
antony faharoa mahatonga ny delestage dia mba hanarahana ireo olona manao hosoka ,hahitana hoe @ ity secteur ity firy ny courant miasa ,ary firy ny courant haloany mpanjifa ,dia tapahina ny courant @ secteur sasany .
Tsy misy mpitondra afaka manao fahagagana izany ra-piste ah! ka androany sy rahampitso dia ho voavaha ny olana ,i chine io no mampiaiky volana ny fitombon\'ny PIB ao miohatra ny 10% isan-taona nefa mbola voalaza fa apres 85 ans ny chinois vao hitovy an\'i europe raha ohatra ka hitombo 10% isan-taona ,ny olona ohatranao ilay mampiteniteny foana ny mpanao politika malagasy ka hitenenany hoe fidio izaho fa hanana 4L daholo ny malagasy raha izaho no lany :-D:-D:-D, misaina loatra tsinona i piste kou .
Izay mihintsy no maha-panakorotana ny katolika satria ,fantany tsara ny mahatonga ny delestage fa modiny tsy hita ,inona no mahatonga ny gasy haantra ,fa modiny tsy fantatra .
Raha olona misaina ohatranao ny tsy mahafantatra ny mahatonga izao fahantrana izao dia mba afaka manome lesona kely anao izao dondrona ity :wink:
Farany ny @ fiangonana katolika dia vakio ny tantara ,inona ny anjara toerany katolika teo @ fampidirana sy ny fanohanana ny fanjanahan-tany ,ary aiza ny toerana misy ny FJKM ,hanontanio dadabenao raha mbola velona ,hoe gasy ohatry ny inona no katolika ,ary inona ny FJKM,ahoana t@ andron\'ny mpanjana-tany rehefa mahare izy hoe :je suis protestant ,
Izany no mahatonga ny president de la republique rehetra teto madagasikara katolika ,satria ny gasy rehetra nivadika katolika dia gasy nanaiky ny fanjanahantany nataon\'ny la france, taranaka PADESM, mpisolelaka @ vazaha ,
Ravalomanana Marc no filoham-pirenena voalohany FJKM ,tsy novolavolainy frantsay ,dia io mahita ny tsy rariny ,tsindry azo lena io ny katolika ,f\'angaha tsy nisy izany hatramin\'izay naha madagasikara an\'i madagasikara ,fa taiza ny katolika tsy niteny t@ andron\'i fanjanahan-tany ,tsiranana ,ramanatsoa ,ratsiraka ,zafy albert ,
fa maninona no mahery vaika ny fanakianana hatraminy naha lany cardinal an\'i Odon Razanakolona :?:
30. lamie ( 30/05/2007 14:25)
marina daholo ny lazain'i patrick2002 io ry zareo a!dia misy mamorona fa ny nadroahana ny mp urfer no mahatonga ny katolika hanome hevitra hafahafa toy io!raha tena mandinika isika eto dia tonga saina ka hikoropaka hitondra ny anjara biriky any madagasikara,ary ny tranga rehetra tsy azo atao ho politika @ fiheveran'ny hafa azy fa tena "politique fitondràna firenena".
31. bozyboleta ( 30/05/2007 14:59)
fa maninona no mahery vaika ny fanakianana hatraminy naha lany cardinal an'i Odon Razanakolona


Iombonako 100% io fa izaho koa de efa nanao fanamarihana mikasika an'io. Betsaka ny tranga efa niseho t@ fifandraisan'ny fiangonana katolika t@ fanjakana hatr@ fotoana naha-voahosotra an'i kardinaly vaovao. Fifandraisan'ny fiangonana katolika t@ fanjakana fa tsy fifandraisan'ny fanjakana t@ fiangonana katolika an! Samy hafa mantsy ireo.
Na de le fiantsoana mpanao gazety nanaovana fanambarana mikasika ny referendum sy ny raharaha Pety sns aza de efa hita fa fihantsiana. Mbola tsisy nanao an'izany mitsy! @ zay le kardinaly mitsy no niantso sy namaly ny mpanao gazety.:roll:
Ary zay no nametrahako ny fanontaniana hoe "Mpanakorontana ve ny katolika?"
32. lamie ( 30/05/2007 16:15)
"mpanakaorontana" ny katolika ka!tsy mpanohitra na opposition fa mila ny anjarany amin'izay satria manomboka milamina madagasikara ary mivaoka tsikelikely ny fahafantarana ny totakely!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3085