Mpanohitra ve ny katolika ?

1. Fiffi ( 23/05/2007 08:18)

Io ary ilay efa nampoizina. Miankina amin’ny fanazavan’ny fanjakana, ny mety hampitohy na tsy ny fiaraha-miasan’ny katolika amin’ny fanjakana, io no namaranan’ny fikambanan’i Eveka eto Madagasikara ny fanambarany nandritra ny fehin-kevitra nataony taorian’ny fivoriany ny alatsinainy faha 24 mai lasa teo. Niditra sy namakafaka lalina momba ny fiainam-pirenena ankehitriny ireto Eveka ireto, ka isan’io ny nampitombina ny taratasy nalefan’izy ireo ny momban’ ny tsy fankasitrahana ny hanaovana ny referandaoma noho ny fahavoazana nahazo ny firenena nandritra ny rivo-doza nifanesy teto Madagasikara. Mitombina raha tsy nandeha nifidy ny ankamaroan’ny vahoaka noho ny fahasahiranana mianjady amin’ny isan-tokantrano. Mbola mampametra-panontaniana ny momba ny delestazy ka niteraka ireny korontana maro manerana ny faritany ireny izay nataon’ny mpianatra.
Hentitra ny Eveka katolika nilaza fa tsy famahana olana ny fampiasana hery sy ny fisamborana, satria vao maika hiteraka korontana eto amintsika. Tsy mankasitraka ny fandranitana adim-poko na iza na iza manao izany. Tsy diso anjara tamin’izao fanehoan-kevitra izao ny alahelon’ny katolika momba ny fandroahana ilay Pretra farany teo iny, izay nanamelohany tanteraka ny fihetsika nataon’ny fanjakana ary isan’ny nanameloka ireny ny masoivoho vahiny miasa eto amintsika ary miara-miombona alahelo amin’ireo vahiny ireo ny EKAR, satria tsy nohajaina ny zon’olombelona. Nahoana raha mba nasiana fifanantonana fa tsy ny fandroahana no maika teo amin’ny fanjakana ?
Naneho ny heviny ny fitondram-panjakana tamin’ny fanoloana ny Eveka farany teo teny Miarinarivo, koa miandry ny fanazavana ho entin’ny fanjakana ny katolika indrindra fa nodradraina ny 3P kanefa toa tsy ampiharina. Dia io nofaranany tamin’ny teny voalaza ery ampanombohana milaza hoe miankina amin’ny fanazavan’ny fitondrana ny mety hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny katolika. Mpanohitra ve izany ny katolika manoloana ireo fanambaran’ny lohan’ny mpisorona ireo ? Dia ahoana hoy ny fanjakana, indrindra fa miandry izay fanazavana ho entiny ity fiangonana lehibe iray ity ? Hiaino ny tenin’ireto ray aman-dreny amam-panahy ireto ve ny mpitondra sa hametraka ny hambony, ka tsy hanaiky ho hampitahorin’ny karazan-kery maro samy hafa izao ? Ny azo andikan’ireo dia tsy takona afenina intsony ny disadisa eo amin’ny roa tonta ireto, indrindra fa niainga tamin’ireny fandefasana miaramila sy nanapoaka basy tamin’ny toeran’ny mpitondra fivavahana tany Fianarantsoa II ireny raha nikaroka an’ingahy Pety ireto farany. Dia miandry ny tohiny isika rehetra satria efa mihenjana izao ny tady eo amin’ny katolika sy ny fanjakana.
Naivo kely Madagascar Tribune
novalian'i lamie ny 30/05/2007 16:15
2. bozyboleta ( 23/05/2007 10:13)
Za de gaga mitsy @ ataon'ny fiangonana katolika eto Mkara @ zao fotoana izao. T@ gazety express moa de ity la une tao.
"La conférence episcopale des Evêques, réunie à Antananarivo lundi, a demandé des explications à l'Etat à propos de l'expulsion du Père Urfer. De la réponse des autorités dépendra la relation entre l'Eglise catholique et l'Etat."

De tena manao politika ny katolika fa tsy mionona intsony @ fanaovana asa soa sy mivavaka. Ary arak'io voalaza eo ambony io de tena manao chantage @ fanjakana zany izy zao. Mampalahelo raha zany no atao hoe mpitondra fivavahana.

Ka raha tsy mahafa-po azy hono zany ny valintenin'ny fanjakana de hakaton'i Kardinaly daholo ve ny fiangonana katolika eto Mkara?
Jereo ny Madagascar Tribune t@ lundi 21/05/07 fa milaza ny antony mety nahatezitra ny Filoha t@ ty raharaha ity tao.
3. xxx ( 23/05/2007 10:26)
ny ahy fijery hafa : atao inona moa fiangonana raha tsy handray anjara feno @ fiainan'ny olona : fanahy, vatana, politika ? @ izay izy no lasa "opium du peuple" raha toa ka natao hampanekena azy fotsiny hoe izao ny anjaranareo

amiko afaka manontany tsara izy ary tokony hanontany hoe naninona no nalefa ranamana iry, hahafahany mandinika koa hoe tokony mbola hampiditra vazaha hafa ve sa tsia ?


4. piste ( 23/05/2007 10:28)
Raha nangalatra izy dia afaka manome tsiny azy ianao, fa raha manohitra ny Fanjakana jadona izy dia tokony handini-tena ianao.
Ary tsy namaky hatr@ farany angamba ianao fa adidin'ny Fiangonana ny mitory sy miaro ny zo aman-kasin'ny tsirairay ary ny fampanjakana ny fahamarinana. Ka raha voahosihosy izany dia tsy afaka ny hangina izy. Koa finoana arahin'asa izy ity tompoko fa tsy resaka politika.
Momba an'i P.Urfer, mazava ny voalazan'ny Eveka, toy ny jiolahy no fomba nandroahana azy. Tsy fantatry ny fanjakana ve fa tsy mitovy @ lon-tsotra anie izy iny ka horoasidroasim-potsiny @ izao. Raha handroaka ihany dia tokony nampilaza @ lehibeny provinsialy jesuita, ny arsevekan'ny Antananarivo ary ny Nonce. Fa nodinganina avokoa ireo olona ireo. Tsy fahaizana diplomatie izany amiko ka manimba ny fiaraha-miasa.
Fehiny : raha misy teny ratsy na tsy mety ny zavatra nolazainy dia ambarao eto.
5. xxx ( 23/05/2007 11:57)
M'lay aloha ny ny nataon'ny filohanay manome lesona antsika mpivahiny any antanin'olona mba tsy hitsabatsabaka hanao zavatra hafa , hitsikitsika hono tsy mandihy fahatany fa nisy raha hitany tao, matoa zo no miseho nisy zavtra nitranga tao , zahay matoky ny filohanay,
Mba jereo koly ny voalaza ao @ gazety taratra [alarobia 23 mey 2007].
Efa nanomboka ovina koa ny fiangonana lasa hitsabatsabaka any @ pilitika , ?
inona no antony idirana any @ pataloha tsy mifanentana @ vatana, raikitra ao zay vao mitaraina.

M'lay tonton ah ampianaro sy tariho ry zareo fa tsy mahay
6. bozyboleta ( 23/05/2007 12:48)
hoy ny express:
De la réponse des autorités dépendra la relation entre l'Eglise catholique et l'Etat."


Ka refa tsy afa-po ve zany izy hoa de inn no ataony.
Efa ady ilaina mitsy ny an'i Kardinaly nanomboka t@ reny conférence de presse nilazany ny @ referendum sy ny momba an'i Pety ireny. Tena nilaina ve ny nanao ireny sa ireny no hoe mandrehitra afo?
Jereo io Madagascar Tribune t@ 21/05 io fa raha marina tokoa ny voalaza ao de tena anisan'ireo mitetika hanakorontana i Kardinaly.
7. piste ( 23/05/2007 12:50)
Tadidiko rehefa teny @ 13 Mai ny FFKM dia nilaza fa tsy voahidy ao anaty rindrina 4 ny fitoriana ny vaovao mahafaly. Raha sendra nitarika fivavahana teny ry zareo. Entina hilazana io fa manohina ny tolona ataon'ny vahoaka t@ izany andro izany ry zareo. Ary tena niroso lalina mihitsy t@ fanohanana mihitsy t@ izay. Dia nifanaraka teny ihany moa izany Ravalo sy ny FFKM. Fa ny mahagaga dia tsy nisy nitsikera hoe manao politika ry zareo fa ny nankasitraka no betsaka.
Fehiny : rehefa manohana ny Fitondranan-dRavalo ny Fiangonana dia tsy misy mitsikera hoe manao pòlitika. Fa rehefa manohitra ny tsy mety ataony kosa dia omen-tsiny fa manao pòlitika. Aza mba mihatsaravelatsihy ohatr'io fa tena mandreraka é.
Isika Gasy dia entin'io sentiment io fana fa tsy mba mandinika mihitsy. Hany ka tsy mampiasa saina intsony
8. agoago ( 23/05/2007 13:12)
Zah koa aloha toa an'i Bozyboleta e : inona no idiran'ny fiangonana katolika a@ migration sy immigration ety ambonin'ny tany e, ny immigration any an-danitra, izay hahatafita ny mpino any no tokony hojeren'ny fiangonana katolika.
Tsy tokony hiaro an'i mompera iny izy, satria tsy misy olona fantatrao amin'ny antsipiriany izany.tsy fantatrao izay ataon'ny olona anankiray any @ miafina any. Andriamanitra ihany no mahalala izany.
Aleo hanontanintany eo ihany manko!
9. anahely ( 23/05/2007 14:11)
Izaho kosa dia miombo-kevitra tanteraka @i Piste. Marina tokoa fa rehefa mitovy hevitra @ mpitondra na aleo tonga dia hitsiana hoe Ravalo dia fotsy fa rehefa manohitra na miteny ny zavatra tsy mety ataony na ny jadona ampihariny ve dia hoe mainty. TSY EKENA zany. Ny an-dRavalo efa lonilony t@ andro naha-Maire azy no tena antony nandroahana an'i Père Urfer, ary izy rahateo ihany moa nilaza izany, ka ho anareo miaro be fahatany ny an'io flou (Ravalo)io dia ho hita eo ny tohiny, samy mandia tany ka samy ho lena. Efa mitampina mihitsy ny masonareo. Lazaina sy dradraina fa ny olona miara-miasa @ Ravalo no ratsy nefa izy mihitsy no tena mpanao didy jadona. Efa nilaza tsara mihitsy Ing Ratsiraka talohan'ny nialany teo fa Hitler io, ka miharihary izy zao, mbola aiza anefa no hanjo antsika gasy e, sao dia ataony ary hoe FPVM ny Katolika ka manaiky lembenana @ zavatra ataony isan'andro. Aoka dia ho tsorina fa ny mahantra mihitsy no hofongorin-dRavalo, indrindra ireo mahatra tsy manan-kialofana fa mirenireny eny ambany tunel sy eny rehetra eny, izay efa mandeha be mihitsy moa ity resaka ity t@ fifidianana fa ho ataon-dRavalo toy ny tany Brésil izy ity, ka ho voinoina daholo ireo mahantra ka ho ariana any @ route n'ny Tamatave, @ zao isika miresaka zao kosa dia ity ny teti-kadiny, tifirindry zareo rano ireo mahantra @ alina, hitantsika ireny tomobilin'ny pompier ireny, dia tifirindry zareo @ le tuyau misy rano iny ireo mahatra ary mitsipaka dia raofina ao anaty camion ny commune ary ariany any @ route ny tamatave.
Efa vonoina tsikelikely anie ny gasy e, @ zay mihamahantra aloha, dia rehefa tsy maharesy ny adi-piaianana intsony dia mitsipaka dia mihavitsy ny gasy, ka mety handroso @ zay angamba ary ho lasa lavitra tokoa.
Ny hany teniko farany dia ity, aza ny mpitondra rehetra no bangoina fa ireo manodidina azy dia manaraka izay jadona lazainy fotsiny satria tia voninahitra sy vola, fa ny mpibaiko dia Ravalo, fa ny manodidina azy dia mpanatanteraka fotsiny ihany.
Tsy JAMBA akory ny gasy, ary aoka ho mailo daholo.
Ho anareo mpanaratsy Katolika, hita mihitsy nareo hoe any aoriananay, faly manenjika fotsiny nefa tsy mety mahazo mihitsy.
Ary ity no tena zava-dehibe, rehefa tsy tian-DRavalo hiditra @ resaka pôlitika ny mpitondra fivavahana, inona koa no hijabahany any @ resaka fivavahana???, maninona no manao double fonctions, sady président de la République enao no président ny FJKM, zany ve de mety, mahay miteny olona nefa ny atao tsy hita. MAMPIHOMEHY ITY FILOHA IRAY ITY. Hita mihitsy hoe tsy dia nianatra.

10. stephane197 ( 23/05/2007 15:38)
Tsy misy jadona izany eo ê!! izay hahasoa sy handehanana haingana fa ireo vazaha katolika ireo no hafahafa mody misalotra fivavahana kanefa fanjanahana no ao ambadika (miala tsiny) tompoko fa ny filohanay tsy mananao fona izany !!!
11. patrick2002 ( 23/05/2007 17:13)
aoka hazava fa efa hatry ny ela ny fiangonana katolika no nialoka tao ambany la france izy no nampiditra ny mpanjanatany tao ,nanampy ny frantsay hanjanaka an'i madagasikara miaro ny tombotsoan'i la france
@ izao fotoana izao ,mitodika @ mondialisation ny fampivoarana ny toe-karena ,efa lany andro sy boboka ny politikan'i la france @ tany nozanahiny taloha ,ka manomboka misokatra @ USA ,ASIE ,communautée europeene izay efa tsy hahazoan'i la france vahana intsony ,ny toe-karena malagasy dia izao mitady hanakorontana izao ry zareo,ary hatao fitaovana ny fiangonana katolika .
12. madera2 ( 23/05/2007 17:27)
ok!
13. xxx ( 23/05/2007 18:21)
Izaho aloha midrikina fa ny fiangonana dia tsy maintsy miditra @ fiainam-pirenena e

Fahiny nolelafim-paladia ny FFKM hanao izay hahalany an-dRa8 ... tsy midika akory izany fa afaka manao izany tiany koa ny fiangonana ... fa se ankehitriny avoakan'ny fiangonana ny tsy mety ataon'ny fitondrana dia izao no atao ...

Samia mandini-tena

Izay manembatsembana an-dRa8 izao dia lasa izao : gadra na voaroaka ... sns. Aiza ny mangarahara ?

Tsy ampy hitondrana firenena ny fahaizana mitondra société, misy ny atao hoe politique internationale, misy ny atao hoe diplomatie , et cela s'apprend .

minoa fotsiny ihany eeeeeeeee , izaho aloha efa tsy mino intsony e , ary tokony hajanona koa ny tenin'ny soratra masina fa tsy atao fialokalofana fotsiny
14. Fiffi ( 23/05/2007 20:30)
xxx: heu...hajanona ahoana ny soratra masina ?
15. patrick2002 ( 23/05/2007 21:44)
eka ouz ! ka ny politika internanional amin'izao efa tsy nos ancetres est les gaulois ,intsony la france mere patrie ,izany no mahasahirana ny katolika satria tsy eo intsony ny saribakoliny mpitondra katolika hanome tany azy sahala ny nanomezana an'i st michel ,sainte famille ,soavim-bahoaka , alarobia etc etc ,ireo tany rehetra eraky ny province ny madagasikara centre ville ,:-D:-D
16. 147 ( 24/05/2007 06:37)
tsy mpanohitra ara-bakiteny ny katolika fa manohitra sy te hanitsy ny tsy rariny sy tsy tokony atao.
17. xxx ( 24/05/2007 08:45)
Fiffi:

xxx: heu...hajanona ahoana ny soratra masina ?



vakio tsara Fiffi a, hajanona fa tsy hatao fialokalofana no nolazaiko teo
18. bozyboleta ( 24/05/2007 10:06)
Mpandefa : anahely [ Valio ] 23-05-2007 16:11:16
Lohateny : Re : Mpanohitra ve ny katolika ?
Tsy JAMBA akory ny gasy, ary aoka ho mailo daholo.
Ho anareo mpanaratsy Katolika, hita mihitsy nareo hoe any aoriananay, faly manenjika fotsiny nefa tsy mety mahazo mihitsy.
......
MAMPIHOMEHY ITY FILOHA IRAY ITY. Hita mihitsy hoe tsy dia nianatra.

Zany ve no toetra aseho nefa milaza azy ho Katolika no sady nianatra?

Mpandefa : patrick2002 [ Valio ] 23-05-2007 19:13:23
Lohateny : Re : Mpanohitra ve ny katolika ?
aoka hazava fa efa hatry ny ela ny fiangonana katolika no nialoka tao ambany la france izy no nampiditra ny mpanjanatany tao ,nanampy ny frantsay hanjanaka an'i madagasikara miaro ny tombotsoan'i la france
@ izao fotoana izao ,mitodika @ mondialisation ny fampivoarana ny toe-karena ,efa lany andro sy boboka ny politikan'i la france @ tany nozanahiny taloha ,ka manomboka misokatra @ USA ,ASIE ,communautée europeene izay efa tsy hahazoan'i la france vahana intsony ,ny toe-karena malagasy dia izao mitady hanakorontana izao ry zareo,ary hatao fitaovana ny fiangonana katolika .


20/20 letsy ra-Pa a!
Refa tsy handaitra eto Mkara mitsy zany adi-poko zany toy ny nataon'i frantsa tany afrika tany, de io adim-pivavahana io ndray zao no tiany atao.
Efa hitany fa tapa-kevitra ny hivoatra ny malagasy matoa mitodika @ firenena hafa de alefany indray ny fanakorontanana samihafa.
Ho an'ze mpanara-baovao de hatr@ nilazana fa hiakatra atsy ho atsy ny solika voalohany vokarin'i Mkara no nahatonga io fanakorontanana io satria tsisy orinasa frantsay mitsy na 1 aza ao anatin'ireo mpitrandraka ireo.
Rehefa mikorontana toy ny tao Afrika i Mkara de hitsoaka daholo ireo vahiny eto, de ho mora @ frantsa ny hitsofoka tanteraka.
Fa diso paika izy fa tsy handaitra eto izany. Tsy JAMBA akory ny gasy.
Amen!

19. xxx ( 24/05/2007 16:41)
O ry bboleta à, rehefa maneho hevitra dia ny saina no miasa fa tsy ny fo. Ary mba asio porofo mazava tsara ny zavatra lazainao fa tsy mety ity miteniteny foana ity.
Aza afangaro no mitsikera sy ny hoe: ingérence. Ary fantaro inona no tena mission ny Fiangonana. Tsy sanatria akory hanemboka an-dRavalo toy io ataon'ialahy io.
Tsy maintsy niteny ny marina izy ary miaro ny zo aman-kasin'ny olombelona raha sanatria ka voatohitohina izany.
Ary hiderako an'ny Katolika izany satria manana fahafahana tanteraka izy eo anatrehan'ny Fitondrana. Fa tsy izay omby roa akory no hampangina azy tsy hiteny. Diso paika indray aloha rafitondrana t@ indray nitoraka iny é
20. patrick2002 ( 25/05/2007 02:04)
oh ra xxx ah! aza mijery ny antendrok'orona fa mijereva ny lavitra ,dia sahanao ve ny milaza fa tsikera fe tsikera fotsiny izao hataon'i Katolika izao ,f'angaha Ravalomanana vao izao vao manao ny tsy mety ,mpitondra sahala @ mpitondra rehetra any @ tany mahantra izy ,betsaka ny azo tsikeraina @ fitondrany ,fa maninona no vao izao vao mitsikera fa taiza ilay tsikera hatrizay .:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1258