Izay rehetra mino no ho vonjena fa izay tsy mino kosa no hom

1. cristal ( 16/05/2007 10:11)
(l)(l)(l)Raha mivavaka isika nefa mbola tsy nisy valiny dia manantena @ finoana fa mbola hisy ny valiny nefa aoka ny fo entina mangataka ho madio,ary ny olona mahatsiaro fa meloka sy diso eo anatrehany no ho valiany satria voasoratra hoe ""RAHA MILAZA ISIKA FA TSY MANANA OTA DIA MELOKA""satria isika dia tsy tanteraka,alefaso ny ady hevitra sy fifampianarana e!(l)(l)(l)
novalian'i niryna ny 24/05/2007 07:02
2. salmo1 ( 16/05/2007 11:02)
Misy ny olona mande mivavaka isan'andro, knefa ratsy fanahy be sy maloto fitondratena, tsy mahay mifandray amin'olona sasany sns...

Misy kosa anefa ny olona tsara fanahy be, tsy mba manaratsy olona, na zavatra, na biby... fa fifanjahana sy fahatsaram-panahy no betsaka ao anatiny, knefa izy tsy mpino.

Iza no tokony ho vonjena:?:
3. xxx ( 16/05/2007 12:22)
Salmo1: Samy mila famonjena izy roa ireo.
4. salmo1 ( 16/05/2007 12:42)
xxx:
Samy mila famonjena izy roa ireo.
knefa hoy ny Baiboly oe: zay mino sy hatao batisa ihany no vonjena.


Aiza ihany ary izy ity:?:

Tao hentiny finoana @ sangany fotsiny ny vahoaka.
5. xxx ( 16/05/2007 13:01)
Salamo1: Inona no tianao holazaina amin'ny hoe:
Aiza ihany ary izy ity
Tao hentiny finoana @ sangany fotsiny ny vahoaka.


Moa tsy nanazava ve ianao dia nanontany avy eo hoe:
Iza no tokony ho vonjena

Novaliko soa aman-tsara avy eo:
Salmo1: Samy mila famonjena izy roa ireo.

Ampiko kely raha tsy mazava: samy mila famonjena izy roa ireo satria ny iray tsy niaina ny finoany ary tsy nandeha amin'ny lalana tokony izorany amin'ny maha kristiana azy.
Ny iray faharoa kosa dia mandeha araka ny fahamendrehana maha olona fotsiny. Tsara saingy tsara kokoa raha miaraka amin'Andriamanitra izy.
Hanampy anao hahazo izay tiako hozaraina aminao dia vakio ny tantaran'iay tovolahy mpanan-karena nanontany an'i Jesoa hoe: inona no ataoko hahazoako ny fanjakan'ny lanitra?
6. nikopol ( 16/05/2007 15:07)
izaho dia mahatsapa tena fa tsy mpanota zany mihintsy
7. prime ( 16/05/2007 15:10)
cristal:
...ary ny olona mahatsiaro fa meloka sy diso eo anatrehany no ho valiany...
(Miala tsiny fa io ampahany io no nahataitra ahy kely...) mahatsiaro sa miaiky? ary ny fifonana sy ny fibebahana manao ahoana?... ny tiako ahatongavana dia ny hoe mahatsiaro ve dia ampy? raha ampy mantsy io dia mahagaga ihany satria i Jodasy koa "nahatsiaro" nefa toa tsy nisy namaly?:lol:
8. Fiffi ( 16/05/2007 15:12)
nikopol:
izaho dia mahatsapa tena fa tsy mpanota zany mihintsy
sambatra enao zany....


9. nikopol ( 16/05/2007 15:17)
fiffi, raha izay no mahasambatra dia azo lazaian hoe sambatra za :lol:
10. Imahaka ( 16/05/2007 15:30)
:roll::-D
11. cutie ( 16/05/2007 21:34)
lol
12. niryna ( 17/05/2007 06:15)
xxx:

Salamo1: Inona no tianao holazaina amin'ny hoe:
Aiza ihany ary izy ity
Tao hentiny finoana @ sangany fotsiny ny vahoaka.
Ampiko kely raha tsy mazava: samy mila famonjena izy roa ireo satria ny iray tsy niaina ny finoany ary tsy nandeha amin'ny lalana tokony izorany amin'ny maha kristiana azy.
Ny iray faharoa kosa dia mandeha araka ny fahamendrehana maha olona fotsiny. Tsara saingy tsara kokoa raha miaraka amin'Andriamanitra izy.
Hanampy anao hahazo izay tiako hozaraina aminao dia vakio ny tantaran'iay tovolahy mpanan-karena nanontany an'i Jesoa hoe: inona no ataoko hahazoako ny fanjakan'ny lanitra?

=D=D=D



13. xxx ( 19/05/2007 15:50)
Mila famonjena ny olona raha mitady sy manantona ny Tompo.Izy irery ihany no ahitana famonjena.Sa misy hafa?
14. niryna ( 24/05/2007 07:02)
xxx:

Mila famonjena ny olona raha mitady sy manantona ny Tompo.Izy irery ihany no ahitana famonjena.Sa misy hafa?

=D=D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5058