Manasitrana ny foko Izy raha mila vonjy Aminy aho

1. niryna ( 14/05/2007 18:18)
Manasitrana ny foko Izy raha mila vonjy Aminy aho.He heals my heart if I ask God for help!
Mijaly aho,marary ny fanahiko,maratra ny foko?Zavatra tokana ary iray ihany no afaka hanasitra an'izany dia ny fiantsoako an'Atra.Raha miantso azy aho fa mila fanampiana avy aminy dia hanantona ahy Izy .Fantany ny ilaiko.Teny fohy sy kely no ataoko sy averimberiko.
Andramo ity isan'andro,na herinandro fotsiny ihany aza dia ho hitanao ny vokany."Jesosy no tompoko,mila famonjena avy aminao aho"Jesus is my master,I need your help."
Mino an'izany ve ianao?
(l)niryna
2. diamondra27 ( 14/05/2007 19:53)
Za aloha de mino e!

Ny anampiako an'io de zao koe: raha tena mitalaho sy @ fonao rehetra ianao dia mihaino anao ny Tompo ary mino aho fa tsy haharitra herinandro ny valiny.

Nisy fotoana teo amiko tena very aho, za moa tsy dia manana fahatokisana aman'olona izay, de tena Jesosy no hany sisa nitarainana fa tonga de mamaly vavaka Izy e!

Indraindray aza mila fifadiankanina refa mangataka zavatra fa ny ahy zay zavatra rehetra nagatahik taminy dia azoko avokoa. Za kosa aloha tsy manao avo fangataka fa zay mahamety ny fiainako fotsiny no angatahiko , de zay d'efa mahasambatra ahy.

Atra ihany no afaka manala TANTERAKA izany ratra ao anatinao izany e!
Misy ny sasany miezaka ny hanadino dia misotro toaka etc... fa refa aveo miverina ihany le fahoriana

mahereza daholo ô!
3. xxx ( 14/05/2007 22:24)
Mahavarina: hono wa, raha tsy sitrana izany dia tsy mihaino Andriamanitra? ka ahoana ary no be ny mijaly sy maty miantso an'Andriamanitra? sa ve miangatra izy? Misy ve ny valiny sy tsy valiany? I Jesosy aza moa tsy novaliny tamin'ny niantso azy mafy hoe: Ray o, nahoanano dia navelanao irery aho! Aza mampiana-diso ranyrina a! Sa ve tsy izany no ao anaty Baiboly? sa ve izahay no tsy mahay mamaky koa?
4. diamondra27 ( 15/05/2007 00:09)
tsy maintsy misy ny fitsapàna mba hahazoana mitombo @ fanarahana ny Tompo

5. cutie ( 15/05/2007 00:58)
diams
ary raha miafara @ fahafatesana le fitsapana de mbola zay ve no fanarahana ny tompo:roll:
6. niryna ( 15/05/2007 07:05)
xxx:

Mahavarina: hono wa, raha tsy sitrana izany dia tsy mihaino Andriamanitra? ka ahoana ary no be ny mijaly sy maty miantso an'Andriamanitra? sa ve miangatra izy?

xxx a,zavatra hiainan'ny zanak'olombelona no lazaiko sy teneniko aminao io.Mitady azy foana isika na salama na marary,indrindra ao anaty ny fanaintainana amin'ny fiainana.Aiza ianao ry kely finoana hoy izy?Moa ve misy zavatra tsy vitako hoy ihany koa izy.Andriamanitra velona ny Andriamanitra resahiko sy hanampiko ny namana eto,Atra mihaino vavaka,Atra mahafantatra ny tsara sy mahasoa ahy,Atra tia ahy ary tsy hanary ahy na inona na inona no misy sy mahazo ahy.Fanontaniana apetrany amintsika. Moa tia ahy ianao.Ny rainao.(l)(l)(l)(l):D

Misy ve ny valiny sy tsy valiany? I Jesosy aza moa tsy novaliny tamin'ny niantso azy mafy hoe: Ray o, nahoanano dia navelanao irery aho! Aza mampiana-diso ranyrina a! Sa ve tsy izany no ao anaty Baiboly? sa ve izahay no tsy mahay mamaky koa?

Hoy Jesosy,satria tsy nangataka tamiko ianao,raha nangataka tamiko ianao dia nomeko tokoa.Indraindray isika mangataka izay tandrifin'ny filantsika.hi,hi,miala tao anaty xxx ao fa maninona no miafina foana.Ny famalian'Atra dia azy irery iny.Matoa izy isika mangataka ka tsy novaliany dia maro no antony.Moa ve aho nanantona azy tamin'ny foko tanteraka sa fotsiny hoe aiza ianao,mila zavatra fa tsy maitsy omenao.Mandidy azy isika fa tsy miandry izay omeny antsika.Mbola omeny fitsapana ihany koa ka na inona na inona manjo antsika moa ve isika hiverin-dalana.
7. niryna ( 15/05/2007 07:20)
[quote=xxx]
Vakio ny Romana 9 sy 10, 9:31"Indro aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona.Ary izay mino Azy tsy ho menatra.10:8"Eo akaikinao ny teny,dia eo am-bavanao sy ao am-ponao",14"Hataony ahoana no fiantso izay tsy ninoany?Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?
Raha mahafantatra sy manana finoana izaho na ianao dia tsy hanana ahiahy fa mamaly vavaka izy,hanana fanantenana koa fa misy ilay mpamonjy ahy ary tsy hamela ahy ho irery ,hiady amin'ny fianana Izy.
Mahereza ry xxx ary andramo ka zahao fa miandry anao Izy.:*
8. hasinando ( 15/05/2007 08:06)


Fa hoy koa A/tra :"akaikin'izay torotoro fo Izy".Samy manana ny fomba entiny manasitrana ny ratra-pony ny ts11 fa kosa amiko ny olombelona mandalo ihany fa "A/tra no manasitrana ny voa sy ny fo".Aminao ry niryna mandram-pahovina no tokony hiaretan'ny olona fitsapana? ,matetika mantsy ny fitsapana no mahareraka ny olona ara_panahy satria trotraky ny mitady fifaliana izy ,manantena A/tra hanome izay banga nefa mbola tsisy valiny koa.
9. cristal ( 15/05/2007 09:04)
(l)(l)(l)Tsara satria hoy ny teny vasoratra hoe;mifampianara ianareo ampianaro ny oloko;ny tonom-bavaka nasain'i Jesosy mba tsy itovizany mino sy ny tsy mino dia ny vavaka nampianarin'i TOMPO,fa ny olan'ny olona dia ny sitram-pony no tiany ho tanteraka fa tsy ny an'ANDRIAMANITRA;nefa efa voasoratra hoe;izaho mahalala izay hieverako anareo dia ny fiadanana fa tsy loza!tsy fampianaran-diso ny mijoro satria nahita so taminy;fa izao xxx a!Ataovy aloha ny fandinihan-tena sy ny fibebahana dia hihahino anao izy;tsy misy tsy tanteraka ny fampanantenany IZY no efa tia antsika taloha fa tsy isika no tia azy isika mbola mianatra mitia AZY;n @ JESOSY indray raha navelan'ANDRIAMANITRA ho faty izy dia izay no sitrapo'ny Ray hatrany amboalohany dia ny hamonjy ny olona @ fahotany dia ny handatsahana ny Ran'ny zanak'ondry velona dia i JESOSY izany!Amen(l)(l)(l)
10. xxx ( 15/05/2007 23:54)
fa ilay fanontaniana anie tsy voavaly e: raha tsy sitrana izany nefa nivavaka be dia tsy novalian'Andriamanitra ve? Sa ireo rehetra nivavaka sy nangataka tamin'Andriamanitra nefa tsy nahazo izay mba nangatahiny dia tsy ampy finoana daholo?

Ilay hoe fitsapana: inona kay izany Andriamanitra tia tsapatsapa izany? Ny mitsapa amiko tsy mahatoky. Tsapaina aloha hoe: mahazaka ve sa tsia, tsapaina aloha hoe mety sa tsy mety, tsapaina aloha hoe ara-dalana sa ahoana... Raha ny tsy fahatokisana anefa no misy eo amin'ny olona roa mifandray dia rava ny fihavanana.
11. niryna ( 16/05/2007 06:53)
[quote=xxx]
fa ilay fanontaniana anie tsy voavaly e: raha tsy sitrana izany nefa nivavaka be dia tsy novalian'Andriamanitra ve? Sa ireo rehetra nivavaka sy nangataka tamin'Andriamanitra nefa tsy nahazo izay mba nangatahiny dia tsy ampy finoana daholo?
Atra dia mamaly vavaka araka ny sitrapony.(his will)
Maro no zavatra mety tsy amaliany azy ary anisany iray io teneninao io,tsy ampy finoana,tsy ny daholo kosa aloha.Misy koa hoy izy hoe tsy nangataka tamiko ianao fa raha nangataka ianao ka tamin'ny finoana dia omeko anao izany.Ary nanambara koa izy fa izay mangataka dia omeny,izay mitady dia ahita ary izay mandona dia ho voahany trano Matio 7:7
12. ikaretsaka ( 18/05/2007 19:53)
fa ilay fanontaniana anie tsy voavaly e: raha tsy sitrana izany nefa nivavaka be dia tsy novalian'Andriamanitra ve? Sa ireo rehetra nivavaka sy nangataka tamin'Andriamanitra nefa tsy nahazo izay mba nangatahiny dia tsy ampy finoana daholo?

Tsy nanaiky sy nino ilay hoe "tsy izay tiantsika no ataon'Andriamanitra fa izay fantany fa hahasoa antsika"
sy ilay hoe "ny fihevitro tsy fihevitrareo"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4952