ny fahamatesa-kambo

1. LazaDaddy ( 14/05/2007 06:53)
io no heloka voalohany indrindra eo anatrehan'Andriamanitra.
novalian'i Zina ny 25/05/2007 13:32
2. sonwin ( 14/05/2007 07:48)
ié, maro tokoa ireo mati-kambo milaza etsy sy eroa milaza ho tompon'ny "fahamarinana" ary indrisy fa mampiasa ny "Tenin'Andriamanitra" entina manamarin-tena.
3. hery ( 14/05/2007 08:36)
Voalohany INDRINDRA ?

Dia inona ny faharoa? Inona ny heloka malefadefaka kokoa? :-)
4. Fiffi ( 14/05/2007 08:42)
LazaDaddy:
io no heloka voalohany indrindra eo anatrehan'Andriamanitra.
de ahoana zany ny mamono tena ? ny mamono olona ? ny faniratsirana an'Andriamanitra ? mbola faha-firy daholo ireny ?


5. Rafotsy ( 14/05/2007 10:11)
Bonjour daholo ô !
Inona moa ny tena dikan'ilay hoe "mati-kambo " , @ teny vaza no mba tiako ho fantatra ,ary aiza ho aiza ao @ tenin'Andriamanitra no milaza hoe io no heloka ( ary azo atao hoe fahotana koa ve ? ) hoe voalohany !
6. Fiffi ( 14/05/2007 10:24)
craner ? heu....de voasoratra aiza anaty baiboly io hoe fahotana lehibe indrindra ?
hummm.....nefa toa tsy ao anatin'ny didy 10 akory ?
7. Jeankely ( 14/05/2007 11:15)
Tsy heloka ao anaty didy folo izany hono. Ary raha tompon'andraikitra tsy mahay soratra masina aza dia mety lasa rano vetivety.
8. ikaretsaka ( 14/05/2007 12:04)
VOALOHANY INDRINDRA??8O hay ve misy laharany koa ny heloka e?:roll:

fa raha ny fahafatesan-kambo no tiana resahina dia araka ny tenin'o sonwin hoe:

ié, maro tokoa ireo mati-kambo milaza etsy sy eroa milaza ho tompon'ny "fahamarinana" ary indrisy fa mampiasa ny "Tenin'Andriamanitra" entina manamarin-tena.
9. LazaDaddy ( 14/05/2007 12:14)
hery:
Voalohany INDRINDRA ?
ENY, io no heloka voalohany indrindra raha arahina ny tantara ao @ Baiboly. Io no heloka voalohany indrindra andavo an'i Satana

hery:
Dia inona ny faharoa? Inona ny heloka malefadefaka kokoa? :-)
Tsy any ny fipetrany ry Hery a! :) Tsy hoe "lehibe" indrindra araka ny nandraisanao azy ilay hoe voalohany indrindra fa io nohazavaiko io:)


10. ikaretsaka ( 14/05/2007 12:20)
tsy matin-kambo kosa ny naha meloka an'i Eva fa tsy fahalalana e
11. hery ( 14/05/2007 13:44)
Izaho indray izany no donto kou...

Fa soa ihany fa tsy ho izaho irery :-)
Raha apetraka ny fanontaniana hoe "Inona no heloka voalohany indrindra eo anatrehan'Andriamanitra" ... angamba raha hisy dia olona vitsy monja (mba tsy hilazako hoe tsisy) ny hamaly hoe "Ny fahamatesa-kambo".

i sonwin no donto voalohany indrindra (ara-tantara eto amin'ity dinika ity io lazaiko io an)

12. lapino ( 14/05/2007 13:50)
zedemo eo amin'ilay hoe "voalohany" zany no resaka :roll:
13. ikaretsaka ( 14/05/2007 14:50)
katesizy vaovao indray izany ry hery a!:roll:
14. Fiffi ( 14/05/2007 16:15)
sonwin:
milaza etsy sy eroa milaza ho tompon'ny "fahamarinana" ary indrisy fa mampiasa ny "Tenin'Andriamanitra" entina manamarin-tena.
de mati-kambo ve no ilazana an'zany ? :roll:


15. xxx ( 14/05/2007 17:27)
Fa iza ko anefa nareo no milaza fa io no heloka 1 indrindra? sa efa misy milaza ho Atra koa ny sasany ato ny iafarany ka mahalala ny heloka sy ny tsy heloka eo anatrehan'Atra
16. mim ( 14/05/2007 17:33)
ka zay ny olana raxxx a!misy miseho mahafantatra sy miseho ho A/tra mits ato e!
17. xxx ( 14/05/2007 22:38)
Lazadaddy: ry mpandalina ny Baiboly, mba aiza no milaza fa io lazainao io no fahotana voalohany? Sao mba tokony handalina misimisy kokoa lahy ianao! sa ve misy Baiboly hafa any?
18. LazaDaddy ( 15/05/2007 00:31)
ikaretsaka:
tsy matin-kambo kosa ny naha meloka an'i Eva fa tsy fahalalana e

1) Tsy i Eva no nanota (nanao heloka) voalohany indrindra fa i Satana.

2) Tsy hoe "tsy fahalalana" no naha meloka an'i Eva, raha tsy nahalala tokoa izy dia tsy meloka. Raha arak'io fanambaranao azy io mantsy dia toy ny milaza an-kolaka na mivantana mihitsy aza ianao fa "tsy marina" Andriamanitra sanatria!

19. sonwin ( 15/05/2007 07:55)
Fiffi> eny

Hery> ekena loll
20. prime ( 15/05/2007 11:40)
Hafa indray ity nitondran'i Laza ny resaka ity...

Ny fahitàko azy indray mantsy dia ny fisalasalàna no niandohan'ny heloka voalohany... nefa moa dia hafa ity ka dia tohizo fa mahaliana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3536