Mitomany ny foko !!

1. Rafotsy ( 11/05/2007 10:25)
Salut daholo !
Tsy dia haiko na eto no tokony hametrako ity !
Anniversaire ny nahaterany zanako lahimatoa androany , tokony ho 31 ans izy raha velona teo , kanefa moa dia izay ny sitrapon' Andiamanitra ka efa nekeko efa ela bé !
Kanefa mbola malahelo ary lasa fisainana ary ity volana Mai ity dia tena mahatsiaro mahantra aho , satria toa tsy misy mahatsapa ny alaheloko mihintsy na ny vadiko na ny zanako , fa toa irery aho mitondra ilay alaheloko !
Ny vadiko moa dia miteny hoe : tsy manadino aho fa misaorà an'Andiamanitra @ fahasoavana rehetra voarainao , na ny zanakao na ny zafikelinao !
Io zafikeliko io moa dia nomeny zanako azy en 2ème prénom ny anaran'ilay zokiny maty !
Tsy te hitaraina akory aho fa mba te hizara aminareo ny alaheloko !
Sure aho fa tsy de betsaka ianareo ny hi comprendre @ fahatanoranareo kanefa dia hisaorako na dia namaky fotsiny aza !
novalian'i miraymel ny 26/11/2007 03:36
2. kelly13 ( 11/05/2007 10:40)
tsy niainako ny fahorianao saingy nahita akaiky dia akaiky aho, ny bebe-nay tsy niala saona ny zandrin'i papanay mandrapahafatiny! ka mi comprendre ny situation-nao za. ny hany azoko lazaina anao dia mitomania ra ilaina izany fa aza koboninao ao ny alahelonao, mafy izany maty zanaka izany ka mahereza :-*
3. karinah ( 11/05/2007 11:06)
Rafotsy, na tsy hihatra aza izany de mahatohina fo!!!:cry: mahereza fa tsy maintsy misy foana ny andro ahatsiarovana ilay olona nafohy anefa koa ataovy mandalo @ iny fotoana iny ihany, mbola be ny oul mila anao raha sanatria mararay enao de mahereza:( fa zay mahatsapa(l):-*:-*
4. booboo ( 11/05/2007 11:13)
Rafotsy > :-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
5. xxx ( 11/05/2007 11:23)
Ny foko koa mitomany rehefa mahatsiaro an'i dada sy i neny, ireo zoky efa nodimandry ary tsy afaka ao an-tsaiko (indrindra rehefa fety ny andro).
Be ny zavatra tsy voambara niaraka ary be ny fanontaniana tiako mbola napetraka saingy diso tara. Ny mpamaly efa lasa daholo.
Ny zanaka no tena hitako fa mafy indrindra satria ny menaky ny aina.
Mahereza fa samy miandry ny handeha daholo, hatao izay mahatsara ny eto am-pandalovana e!
Misaotra nizara , mahereza fa mandalo daholo!:-*:-*
6. anare ( 11/05/2007 12:04)
Fitenintsika ny hoe : aleo alevinjanaka. Isika anefa tsy tompon'ny aina. Ny rafozako efa maty zanaka, efa ho 20 lasa zay ary teo @ fahatanorany mintsy no lasa, fa mbola maharary azy fa silaky ny ainy. Rariny enao raha malahelo aary tsy heloka izany. Tsy hoe tsy malahelo ny manodidina anao fa mankahery tena sy tsy te hamendrofendro anao izy.Tiako holazaina aminao oe : ny zanakao, zanakao foana, tsy ahasolo azy ny zafikely sy ny zanaka hafa saingy ireo indray kosa anefa dia fifaliana sy fahasoavana ho anao hafa mihintsy, ary rehefa tony enao dia maka fotoana hiarahana aminizy ireo fa taranakao koa izy. Ary sambatra izy manana anao tia azy.
7. ari.malala ( 11/05/2007 12:12)
Rafotsy,

Ny faniriantsika dia ny mba halevin-janaka, nefa moa izay no lahatra sy sitrapon'Andriamanitra, ka dia mirary fiononana feno ho anao ny tenako. Mafy ny misaraka,nefa kosa isika kristianina dia mino sy manantena fa nodimandry ao amin'ny Tompo ny havantsika lasana, ka manatena hiaona indray andro any. Mahereza. :-*:-*:-*:-*Momba ireo vady manjanakao, mety hoe tsy manamaivana ny fahorianao izy, mety malahelo izy, fa miezaka ny hahery eo anoloanao, mba hampahery anao koa, ka aza dia manome tsiny azy ireo be loatra, mahereza hatrany e!
8. tslem ( 11/05/2007 12:24)
tena normal be ilay alahelon-drafotsy, ny lehilahy moa matetika dia mafy saina ka tsy dia hita soritra eny aminy lôtra n alahelo fa isika vehivavy no tena ts mahatanty.Hitako amiko refa tonga ny volana febroary d malahelohelo lava tokoa aho mandritra iny volana iray manontolo iny; satria ny antony? volana nahafaty ny dadanay t@ ftn tsy nampoizina, tsy narary akory, eny, tena tsapako kapoka nihatra aman'aina tokoa ilay izy na dia vao 13 taona monja aza aho tam zany; nefa izay no lahatra d tsy maintsy ekena e!
9. miantra ( 11/05/2007 12:37)
Rafotsy,

Mampalahelo tokoa izany nanjo anao izany, ary mino aho fa malahelo toa anao io koa ireo vady aman-janakao saingy fantany fa malahelo mafy ianao dia tsy sahy na tsy te haneho izay ao ampony ry zareo.

Torohevitra kely sao mahasoa:
Rehefa malahelo olona efa lasa toa anao io dia izao no mba nisy nanoro ahy dia zaraiko aminao:ezahina atao izay mba zavatra tena tian'ilay olona efa lasa.
Ohatra: tena tia mihira ilay zanakao , dia mihirà ho azy sns...
Asa sao mety hanampy anao, fa dia mahatsiaro anao ary mampahery anao.
10. melody ( 11/05/2007 14:09)

Rafotsy
mino aho fa malahelo toa anao io koa ireo vady aman-janakao saingy fantany fa malahelo mafy ianao dia tsy sahy na tsy te haneho izay ao ampony ry zareo.

miray hevitra @ i miantra satria marina tokoa io lazainy io... mahereza hatrany!
11. Fiffi ( 11/05/2007 14:11)
Rafotsy: mahereza hatrany .....:-*:-*:-*:-*:-*
12. xxx ( 11/05/2007 14:35)
Rafotsy/ Feno 47 afaka andro vitsivitsy ny zokilahiko raha mbola velona teo. 17 taona izy no maty an-drano. Toy ny vao omaly aminay iray tam-po hatrany anefa izany ary tsy mety maty an-tsaina na ny endriny na ny tsikiny na ny vazivaziny. Minia tsy miresaka momba azy izahay na izany aza satria fantatray fa mbola mangidy lavitra noho ny mahazo anay ny manjo anareo reny niteraka.
Mahereza hatrany fa vatana sy nofo no nisaraka tamintsika fa ny fanahy maha-olona azo ifandraisana tsy maty mandrakizay:wink::-*
13. meva2 ( 11/05/2007 15:09)
Nanan-jandry vavy kely aho, mbola tao ankibo anefa izy dia tsy azo, tsy hitako na ny endriny aza kanefa dia latsaka ny ranomasoko indraindray mieritreritra azy sy koa maminavina ny mety ho endriny raha teo izy indrindra fa vavy tokana aho.
Ka indrindra moa fa ianao, reny niteraka atao ahoana ny tsy ho maloka?
Tsarovy kokoa ny fotoana mamy niarahanareo, ny endriny feno tsiky, ny sangisangy ary mino aho fa any amin'ny misy azy any izy dia hitsiky mahita anao, aza atao izay hanadinoana azy,izay no midika fa tsy maty ao amponao mandrakizay izy.
Mivavaka ho anao aho.

14. Zina ( 11/05/2007 15:29)
Mety ho mafimafy ihany angamba ity ho lazaiko ity fa azafady indrindra.
Samy manana ny olona izay tian-tsika lasa nody mandry daholo isika ary tena marary tokoa izany. Ny fiainana anefa mbola mitohy, antsika ny mieritreritra oe mbola tokony ho ampiko ve ireto velona sa ho harary eto foana aho ka izaho indray ko no ho lasa avy eo? Ny fitsonjovana ny mbola velona amiko no tokony ataon-tsika izany tsy midika oe tokony adinoina ny efa lasa sanatria fa tokony hatanjaka tsara isika satria mbola misy ireo kilonga mbola mitady ny fitiavana sy ny fanamapiana avy aty amin-tsika. Ny fivavahana dia mampatanjaka antsika ara-tsaina hisedra ny fiainana.
Mahereza doly:wink:
mahereza Rafotsy :-*
15. cialaurie ( 11/05/2007 18:11)
Tadidiko mamanay tamin'ny zandriko maty nianjera tamin'ny lavarangana, mbola folo taona aho fa mbola tsapako foana ny alahelony, mino aho fa ohatran'izany koa ny vady amanjanakao, na dia tsy hitanao aza, malahelo azy koa ry zareo, sady malahelo koa izy mahita anao malahelo.
Mahereza
16. Fiffi ( 11/05/2007 18:19)
Rafotsy:
ity volana Mai ity dia tena mahatsiaro mahantra aho , satria toa tsy misy mahatsapa ny alaheloko mihintsy na ny vadiko na ny zanako , fa toa irery aho mitondra ilay alaheloko !
Rafotsy: marina fa tena malahelo enao...am maha-reny anao kalou de tena normale be io fa.....miheritreritra zah hoe : mety malahelo koh ny vadinao sy ny zanakao fa tsy mampiseho anao an'zany halahelo zany satria fantany fa vao maika ho mafy ho anao io ?

Heu...tsy mitovy koh manko ny fampisehoana na ny fahitana ny halahelon'tsirairay....ny lhl moh de ohatran'efa mahazatra fa tsy de hita loatra eny am tarehiny io halahelo io ao am-pony....

Isika vhv njay de hita mibaribary foana am ranomaso sns....fa mahereza hatrany an ! :-*:-*:-*:-*:-*


17. Rafotsy ( 11/05/2007 19:26)
Misaotra anareo namana rehetra nampahery fa tena namana tokoa ianareo fa mahay mampionina ary nanomé hery ny no soratanareo rehetra !
Diso ihany angamba aho raha nihevitra fa tsy malahelo ry zareo , satria marina mihitsy fa tsy mitovy ny fitondrana ilay alahelo , ny maha reny nitondra ahy angamba no maha tolefika ahy tahaka izao , satria miverina daholo ny fahatsiarovana , indrindra moa @ andro toa izao , toa mifanesika be ka mila hanempotra mihitsy ! Fantako tsara fa izay no fiainako ary io alahelo io dia ahy mandrakizay ! Indraindray mora entina ihany fa rehefa vaha andro toa izao tena mavesatra marina ! Na izany aza , fantatr'Andriamanitra ny zavatra rehetra ary Izy no manomé ny fampiononana !
Misaotra anareo aho !
18. melody ( 11/05/2007 20:51)
Rafotsy::-*:-*
19. sakaizakely ( 11/05/2007 21:09)
Azoko antsaina ny mihatra aminao sy ny alahelonao amin'ny mahareny ahy koa. Mino aho fa mitovy fihetsehampo aminao daholo raha vao reny no very zanaka izany. Mahereza hatrany, ny fiainana mbola mitohy. Tsarovy lalandava ny fotoana mamy nifampizaranareo mianaka mba tsy ho ny ngidy ihany no hitoetra ny fonao rehefa sendra vanimpotoana toy izao.
:-*:-*:-*:-*
20. xxx ( 11/05/2007 23:48)
Saro-takarina io fo io saingy tsapako ny mahazo anao na dia mbola tanora alavitra aza aho.

Tsy izany mantsy fa tamin'izaho mbola kely, vao nahay nandeha dia narary. Efa paozin'ny hofaty mihitsy. Tsy afaka nilalao tahaka ny ankizy rehetra. Aman-taonany aho vao sitrana. Dia akoho vavy izay no mba fiarahako nilalao. Feno 4 taona teo aho dia maty ilay akoho. Dia nitomany aho isan'andro, notambatambazin'i dada sy i neny fa tsy nety mihitsy.
Taty aoriana anefa dia lasa tsy nalahelo na inona na inona intsony aho. Ny sipako aza namono tena tsy nahataitra ahy akory.
Mahaiza mihonona itsy izy fa fiainana daholo izany. :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1779