Mitomany ny foko !!

21. karinah ( 12/05/2007 00:23)
Rafotsy::-*:-*:-*:-*:(:-*:-*:-*
22. wooda ( 12/05/2007 00:54)
Rafotsy> :cry:
:-*
23. wooda ( 12/05/2007 01:12)
Hoy dadabenay (efa tsy eo):

aza kivy na malaina
sanatria izay mitaraina
raha mbola velon'aina
ka hitady mofo dipaina
na vary maina

isakin'ny miteny anio za de mahatsiaro ireo olo tiako efa nody mandry, ny fahatsiarovana ny tsara sy ny ratsy ao daholo.

efa izay no lahatra ka tsy maintsy ho lalovana n'iza n'iza isika rehetra eto ambonin'ny tany.

ny teniko farany fotsiny de mahereza fa mbola maro koa ireo velon'aina mitaky ny fitiavanao, omeo fahasambarana sy fifaliana fotsiny!
24. Fiffi ( 12/05/2007 07:10)
wooda:
ny teniko farany fotsiny de mahereza fa mbola maro koa ireo velon'aina mitaky ny fitiavanao, omeo fahasambarana sy fifaliana fotsiny!
wooda: marina akia zany an !
Rafotsy: mahereza hatrany an ! de bisous mamy beeeeeee :):-*:-*:-*:-*:-*


25. diamondra27 ( 12/05/2007 09:48)
miantra:

Rafotsy,

Mampalahelo tokoa izany nanjo anao izany, ary mino aho fa malahelo toa anao io koa ireo vady aman-janakao saingy fantany fa malahelo mafy ianao dia tsy sahy na tsy te haneho izay ao ampony ry zareo.

Torohevitra kely sao mahasoa:
Rehefa malahelo olona efa lasa toa anao io dia izao no mba nisy nanoro ahy dia zaraiko aminao:ezahina atao izay mba zavatra tena tian'ilay olona efa lasa.
Ohatra: tena tia mihira ilay zanakao , dia mihirà ho azy sns...
Asa sao mety hanampy anao, fa dia mahatsiaro anao ary mampahery anao.



tena marina dia marina izany kanefa anampiako an'ireo dia ento ambavaka ny fiainanao mba tsy hanana alahelo be loatra ny aminy.

Za wa mbola gaga ihany hatr@zao fa za tsy nahalatsaka ranomaso naheno fa maty i dadanay nefa za tena zanaka tsy foiny sy tsy mba nahazo kapoka izany taminy
Tena raha vao miteny aho dia manaiky ahy izy...
De nefa tsy afaka nandevona azy koa ...
Fantako taty aoriana fa zay no sitrapon'Atra (ny tsy nanatrehako ny nandevenana azy... satria raha nahita vidéo za de ozy za we tsy zakako izao raha natrehako, de isaory ny Tompo na de @ andro sarotra indrindra aza. Tsy miteny za we aza malahelo azy fa enga anie mba omen'i Tompo fiononana ianao.

Aza dia manome tsiny an'ny hafa koa fa tsy mitovy ny fanehoana ny fitiavana sy alahelo.Misy malahelo fa tsy apoitrany aminao mitsy zany alahelo izany.

Za akia mampahery andry a! courage et sois forte
bizbe njy :-*:-*:-*
26. sympa ( 12/05/2007 15:07)
!calin rafotsy
!biz be hoanao :* :* :*
27. xxx ( 12/05/2007 17:43)
rafotsy! mahatsiaro an\'i bebeko vao lasa t@ herintaona aho toa anao izy nandevin-janaka in-telo ny iray teo @ faha-30 taonany, ny faharoa teo@ faha-40 taonany ary ny fahatelo te @ faha 57 taonany, efa tena kivy tannteraka izy ary tsy afka ambavany le hoe ny fiainany de nandevi-bady aman-janaka,ny vadiny voalohany moa efa nandao azy ary namela 6 lahy izay isany ireo lasan-korazana ireo, io 30 taona io no faralahy ary tsy nahita sy tsy nahafantatra ny Rainy akory, dadafaranay tsy foinay satria tia mihira no tia any t@ izay fony ankizy nefa de maty novonon\'ny tsy matahotody hatramin\'izao de tsy afaka ato amponay, sy ny sainay izy ireo, ny bebeko moa dia nodimandry t@ octobre teo ary ny tena an-tany lavitra tsy mba afaka namonjy ny fandevenana fa ny hany nataoko de niambina t@ telephone nihira ,nifandray t@ fianakaviana fa tél ka mahereza rafotsy fa izay no efa lahatra nataon\'Andriamanitra
araka ny tenin\'ny tetsy ambony ataovy izay tian\'ny zanakao t@ fahavelomany ary aza misaraka @ ireo zafy aman-janakao fa rany ihany ko izy ireo zay fa veloma!
28. sasa ( 15/05/2007 05:28)
rafotsy tsy irery ianao malahelo fa za koa d malahelo olona 1 akaiky be an'ahy izay vao 11mois monja za d'efa nilaozany, saingy isika moa mivavaka daholo d mahafantatra fa safidy ny antsika fa Andriamanitra no mbola mandidy. Ny tena mampalahelo an'ahy mantsy d za tsy mba nahalala sy nitomany an'azy akory, nefa za d zazavavy tokana izay niandrasany fantratra, kanjo vao amambolana monja za d'efa lasa izy, azo lazaina hoe efa lehibe za amzao efa matotra kanefa tsy mety ilay izy fa raha vao tonga ny volana fahatsiarovana ny nandaozany anay 4mianaka d'efa malahelo daholo izahay rehetra. Ary io alahelo io tena tsy mety afaka mintsy raha tsy ianao tompony ihany, fa mahereza
29. Fiffi ( 15/05/2007 06:28)
:-*:-*:-*
30. nathie86 ( 15/05/2007 08:29)
Rafotsy an tsy aleo v ny lasa ho any eh, marina ane ny andrangahy hoe jereo ireo fahasoavana efa azo.
I neninay ko dia very zanaka telo B zao alohany nahazoany anà fa efa mionona tanteraka izy ankehitriny satria nisy anà eh. Courage eeee:-*
31. Rafotsy ( 15/05/2007 11:20)
Bonjour daholo indray e !
Misaotra anareo hatrany aho e !
Andro fahatsiarovana ilay izy satria ny volana Mai no andro nahaterany kanefa dia andro nahalasanany koa !
Tsy tolefika mandava-taona aloha fa tena feno fahatsiarovana loatra ity volana ity e , ao ny hafaliana kanefa ao koa ny fahorina tena nampangirifiry ! Efa nomena an'i Jesosy marina aminy maha mpivavaka ny tena kanefa isaky ny tonga ity volana ity , toa halaiko indray ilay izy ! Tsy i Jesosy no tsy nanome fa izaho no toa manomé tsy fohifohy !
Misaotra anareo e!:-*:-*:-*
32. Fiffi ( 15/05/2007 14:02)
ho an'Rafotsy...:-*:-*:-*:-*
33. lancia ( 15/05/2007 14:15)
tsy misy mafy hoatry ny maty zanaka nefa ny azo atao dia ny manatanjaka ny saina. Courage:-*:-*
34. Zina ( 15/05/2007 18:15)
Efa nomena an'i Jesosy marina aminy maha mpivavaka ny tena kanefa isaky ny tonga ity volana ity , toa halaiko indray ilay izy ! Tsy i Jesosy no tsy nanome fa izaho no toa manomé tsy fohifohy !


mahereza aky rafotsy a... mbola hiahona aminy ianao indray andro any ka ny anjarantsika dia mitanjona an'io andro iray io dia ny fahatongavan'i Jesosy fanindroany .. ho atolony eo akainao ny zanakao.:-*
35. sympa ( 16/05/2007 11:40)
Zina:

mahereza aky rafotsy a... mbola hiahona aminy ianao indray andro any ka ny anjarantsika dia mitanjona an'io andro iray io dia ny fahatongavan'i Jesosy fanindroany .. ho atolony eo akainao ny zanakao.:-*



marina mintsy :!:
Mahereza ry rafotsy an :!: :*:*:*:*:*:*:*:*


36. Fiffi ( 17/05/2007 07:31)
ho anao Rafotsy de mahereza hatrany ! :-*:-*:-*:-*:-*
37. miraymel ( 26/11/2007 03:36)
tsy misy mafy otran'izany aloha ho an'i neny e, zany hoe ny saina foana no hamboarina (mora tenenina),fa izay "la vie continue"
raha mivavaka dia mora kokoa ny hanamboarana saina,
"Asa enao, raha hino ahy, fa any ho any, misy olona mizaka avo folo heny amin'ny zany olanao izany ..." B.J.
mahereza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1158